« | »

Hatsikana: Mahafinaritra ny maka sary!

2007-04-26 @ 17:20 in Ankapobeny

Tena raiso amin'ny lafiny mampihomehy fotsiny ity sary ity ry zareo fa aza raisina amin'ny zavatra hafa mihitsy e! Koa dia miala tsiny mialoha raha misy ny tohina nefa tsy laitrako fa tiako aseho foana e!

ary mitsikia moa e!

Hevitra

hihihi

tena heveriko ho ny masoko no tsy mahita tsara na ny solosainako no manjavona marina. hihihi

tsy ilay olona intsony izany no alaina sary kay fa ilay akanjo e ,!! hihihi

Misaotra mizara jentilisa a!

Nampidirin'i tokinao @ 18:23, 2007-04-26 [Valio]

hihihi koa

Na dia saiky tsy hihomehy aza aho dia nihomehy ihany.

Nampidirin'i kally @ 21:31, 2007-04-26 [Valio]

Izao ve tsy tahaka an'ilay maka sary olona milomano... manao akisitrika? :-)

Nampidirin'i hery @ 09:43, 2007-04-27 [Valio]

hatsikana

amin'izao kosa tsy mila mampiomana intsony ny mpaka sary hoe :"aty daholo jerena, mitsiky kely daholo amin'izay,..."

Nampidirin'i ikalamako @ 09:56, 2007-04-27 [Valio]

Ka raha any aoriana any mijery ilay sary dia mba inona no ho antony ?

Nampidirin'i ragista @ 15:08, 2007-04-30 [Valio]

Fahatsiarovana

Fahatsiarovana nitsidihany firenena vahiny anie io e! milaza hoe efa nandalo teto izahay

Nampidirin'i jentilisa @ 16:05, 2007-04-30 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox