« | »

Maresaky ny 050507(tohiny)

2007-05-05 @ 16:39 in Ankapobeny

Rehefa te-hampita zavatra maro dia matetika no misy hatrany ny adino indrindra fa tsy mba mandray naoty fa izay mitamberina an-tsaina fotsiny no soratana. Dia manatratra izay tsy voasoratra aho eto.

  • Antananarivo : dia nalaza indray ilay lazaina ho fandrobana teny amin’ny fakana hetra mivantana etsy Mandrosoa (mbola anaty faritra Ambohijatovo ampitan’ny fiangonana Advantista).

 Izany hoe araka ny fiheverana dia efa fantatr’ireo hanafika ny fotoana hivoahan’ny mpanatitra vola ho any amin’ny banky foibe araka ny fantatra.

Sarotra be ny hino fa tena fanafihana avy aty ivelan’ireo mpiasa ao anatiny ihany io « fanafihana » io. Ny mpikirakira volabe rehetra (ny tsy miankina angaha no tena fantatro) dia mahalala avy hatrany fa tsy azo atao kinanga mihitsy io resa-bola io indrindra rehefa afindra toerana. Tsy hadalana tsy akory raha misy ny orinasa manokana mpitondra vola afindra toerana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mifandraika amin’izany. Alohan’ny ivoahan’ny tena mpitondra vola dia tsy maintsy misy mpiambina mivoaka mijery ny manodidina aloha ary izy no manome toromarika hoe mahazo mivoaka amin’izay ny mpitondra vola.

Ny mpandinika avy amin’ny mpitandro ny filaminana zatra ny toe-javatra ihany koa dia mahamarika fa mora loatra ny nahazoana ny vola raha eto Antananarivo io fitrangan-javatra io no resahina. Ny lazaina ho vola very ihany koa dia samihafa be ihany ka tsy ahitana izay tena sandany marina (hamarino amin’ny gazety rehetra). Noho izany dia be ny miombo-kevitra fa fihetsiketsehana anaty sarimihetsika namboamboarina fotsiny io lazaina fa fanafihana tamin’ny Zoma io fa ao anatin’ny (mody atao hoe) departemanta notafihana ihany no misy ny ati-dohan’ny fangalarana. 
  • Antananarivo ihany : Efa milaza azy ho fetsy mihitsy ny sasany amin’ny fanafenana tapakila, na lalao iraisam-pirenena io na fampisehoana atao eto Antananarivo.

 Mazava loatra fa tsy maintsy ny ao anatiny ihany no tena mpanao azy fa ny hafa ivelany dia izay sombitsombiny ihany no azony.

Heveriko fa malaza amin’ny resaka kolontsaina tamin’ny faran’ny herinandro indray ny fampisehoana nataon’ny tarika Mahaleo tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny Zoma alina teo. Nanomboka tamin’ny 7 hariva ny fampisehoana ary tsy nijanona izany raha tsy efa nipaika ny tamin’ny 3 ora maraina. Hira 75 no natao nandritra izany 8 ora ngarangidina izany. Tena leo mihitsy izahay, hoy ny mpanatrika iray izay. Tsy dia tomombana loatra ny fanamafisam-peo nandritra ny andiany voalohany ka samy tsy tafiditra anaty revy loatra ny na ny mpihira na ny mpanatrika. Niezaka nanao izay azony natao ihany anefa na dia izany aza. Izany rehetra izany no miseho amin’ny aty ivelany.

Fa mety ho tsy dia misy mpilaza loatra ny nitranga tao anatiny izany hoe ny lafy ratsiny izany ka nahatery ahy hanoratra indrindra indrindra. Nandritra ny andro maromaro dia nifampitadiavana hatrany ny tapakila. Vitsy ihany no tena nahazo tamin’ny vidiny 6.000 Ar fa ny ankamaroan’ny mpividy dia nionona tamin’ny 16.000 Ar na 20.000 Ar izay risoriso mazava loatra. Ny ao amin’ny mpikarakara ihany no tena manararaotra ka minia manafina ny sasany amin’ny tapakila tokony amidy. Teny ampivarotana azy manko raha mbola milahatra ny olona dia lazain’ny mpamoaka tapakila fa lany tsy misy intsony eo aminy. Ny lehibe anefa vao niteny ny marainan’iny fa mbola betsaka tsara ny azovidiana ka tsy misy loatra ny ahiana. Teo no noraisina ny mpankafy maro. Efa tsara asiana anarana mihitsy angamba ny tapakila hisian’ny fanaraha-maso henjana amin’izay ho sarotra kokoa ny hanaovana risoriso ity tapakila ity.

  • Adihevitra ankapobeny indray : Nandritra ny antso ifanaovana anaty adihevitra dia maro ani’isa tokoa ireo tsy manaiky na oviana na oviana ny hiprivatizena ny jirama satria izay indrindra no andrasan’ny sasany ( iza koa ary izany sasany izany ?). Aleon’ny maro kokoa ampihimamban’ny fanjakana toy izay ampihimamban’ny tsy miankina ity orinasa iray ity. Adidin’ny fanjakana ny mamelona azy fa raha olo-tsotra tsy maintsy ny tombotsoany aloha no tadiaviny ka vao maika mety hanome fahasahiranana ny maro ny hitantanan’ny olo-tsotra azy.

Nisy ihany moa ny nanohitra hoe rehefa tantanin’ny olo-tsotra izy no mety handroso kokoa ary jereo amin’ny banky mameno ny tanàna izany. Izaho moa tsy mba tafiditra mihitsy fa saiky hiteny aho hoe : ny an’ny banky jereo fa tereny ankolaka ny olona hampiasa karatry ny banky nefa sady efa andoavam-bola betsaka iny no mbola milahatra ihany ianao na dia efa manana karatra aza. Tsy fanatro hoe mifanaraka haka vola daholo ve ireto olona ireto sa ahoana fa na gasy na vazaha dia milahatra aby.

Mamarana azy eto dia tsinjotsinjo indray fa ny menaka indray no ho raharaha mafana atsy ho atsy. Tsy dia misy loatra manko izy amin’izao fotoana izao eny amin’ny mpivarotra ary efa mahatratra Ar 3.000 na Ar3.500 izy izao eny amin’ny mpivarotra eto Antananarivo eny amin’izay ahitana. Efa tokana ihany koa moa sisa ny manapariaka ity menaka ity eto Madagasikara ka izay no mety mahatonga ny olana.

Hevitra

>ny menaka indray no ho raharaha mafana atsy ho atsy
Izany no hoe miala an'Ankasto dia eny Ambohidepona.
Misaotra amin'ny vaovao.

Nampidirin'i tomavana @ 08:28, 2007-05-07 [Valio]

efa miresaka mahaleo ihany, manao ahoana ny fampisehoana ary indrindra ny hira raha ny lafiny artistika no jerena ? araka ny fijeriko ny lisitry ny hira ao anaty tapakila vaovao vao nivoaka mantsy dia efa maro ihany no fantatro...

Nampidirin'i Rajiosy @ 10:01, 2007-05-07 [Valio]

tsy nanatrika

Tsy tao anatiny aho ka tsy ahafantatra ny antsipirihany. Heno fotsiny fa tamin'ny sasakalina vao vita ny andiany voalohany ary tao amin'ny andiany faharoa dia mbola nisy hira vaovao...izany hoe tsy fantatry ny olona ka nahate-hatory. Resak'ireo nanatrika izany.

Sarotra ny hilaza zavatra hafa ankoatra izay!

Nampidirin'i jentilisa @ 15:47, 2007-05-07 [Valio]

fandrobana vola hetra

Raha tena dinihina dia misy mihitsy ireo manomboka manararaotra izao fe-potoana somary mikorontana izao ahafahana manao izay danin'ny kibony. Mila mailo isika Malagasy ary mila manana saina mazava ahafahana miala amin'ny olana goavana mety hanjo raha izao toetra izao foana no hatao eto Madagasikara eto.
Nampidirin'i Rabe @ 18:34, 2007-05-10 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox