« | »

Tsy tokony idiran'ny frantsay

2007-05-16 @ 15:14 in Politika

Efa saiky omaly moa izy ity no navoakako saingy ninia nihaino ny hevitry ny hafa ihany koa aho aloha. Efa hitan’ny rehetra satria natao lohatenim-baovao sy ngeza tokoa teo amin’ny pejy voalohany ny alahelon’ny fitondrana frantsay nanoloana ny fandroahana ilay mompera Zezoita hiala teto Madagasikara. Nanaitra ny hambom-pon’ny maro teto antanindrazana ilay filazana ofisialy nataon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny frantsay.

 Raha nieritreritra ny mpanao gazety nametraka ny vaovaony ho tena matoany dia hafa dia hafa kosa ny nandraisan’ny mpamaky ilay vaovao. Ny mpanao gazety no mety hanao hoe hanimba ny fifandraisana amin’ny roa tonta io ary matoa ny frantsay miteny tahaka izay dia tena zavatra tsy rariny ilay fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana malagasy. Toy ny nametraka moa ry zareo fa noho ny famoahan-kevitra nataon’ilay teratany frantsay no nahatonga ny fandroahana azy. Eo dia tahaka ny hoe mahazo miteny sy mitsikera ny ataon’ny eto nefa mipetraka eto an-toerana ny teratany vahiny.

 Ny mpanara-baovao kosa dia nametraka avy hatrany fa raha fandroahana amin’ny mahamisionera azy no natao taminy dia ny any Vatikana aza no tokony hiteny sy hilaza ny alahelony ary hanontany ny antony fa tsy ny frantsay na oviana na oviana. Ny hitory ny evanjely no tokony andehanany aty fa tsy ny hitsabaka amin’ny raharaha politika malagasy afa-tsy hoe mangataka izany ny manam-pahefana eto an-toerana. Vatikana araka ny heviny (izaho moa protestanta ka tsy tena mahalala ny ba sy bi…ny) no naniraka io olona io ho tonga teto Madagasikara. Tsy i Frantsa no tokony haneho ampahibemaso tahaka izao ny heviny manoloana ity raharaha ity.

 Ny tsara marihana dia izao : tampoka no nandefasana ilay teratany frantsay ka azo eritreretina ihany fa noho ny hamehana sy zavatra tampoka izany no nandefasana ilay olona. Tamin’ny nandefasana ny mpiambina manokana ny filoha (JMK) iny dia ny laza fa nandona olona teny Talatamaty ny soavaliviny no nisy ihany koa fahatratrarana karazana soavalivy mitovy amin’ny azy teny amin’ireo olona mpaka takalon’aina nalaza tamin’izany fotoana (Lama sy Mahandry). Roa andro raha be indrindra dia tsy maintsy niala ny faritry Madagasikara ranamana raha vao niandoha ny fanadihadiana. Amin’izao fotoana izao moa dia efa mipetraka eto an-tanindrazana indray ranamana io na dia tsy miambina ny filoha aza.

 Rehefa tsy nety nolazaina manko ny antony dia tonga daholo izao karazana tsahotsaho rehetra izao. Tsy fantatra intsony izay marina sy tsia fa misy moa ny resaka heno tena ratsy dia ratsy tokoa nefa tsy mendrika ny hosoratana eto izany. Anjaran’ny fitondram-panjakana ny mamoaka izany raha te-hamoaka izy fa angamba metimety kokoa raha mifampitony ny rehetra amin’ny zavatra tsy hahazoam-baliny intsony araka ny fahitako azy hatramin’izao.  

Hevitra

Fiarovana ny teratany avy aminy

Fomban'ny firenena mandroso ny miaro sy miady ireo teratany avy aminy, satria "ankohonambe" ny mpiray firenena. Hita izany amin'ny loza isan-karazany anefa koa amin'ny fanampiana ireo mpivahiny voa an-dalana izay mizohy ny ambassade sy ny consulat hitady vonjy. Mampalahelo fa tsy mbola fomba fahitako amin'ny fanjakana Malagasy io. Matetika aza aleo lavitra manatona vahiny toy izay ny masoivoho raha misy mahavoa aty ivelany.

Nampidirin'i tomavana @ 20:40, 2007-05-16 [Valio]

raha ny fitadidiko azy dia misy mompera vazaha na frera vazaha sasany nalefa niasa tany Madagasikara izay naka ny zom-pirenena malagasy. ity mompera naverina tamin'ny ray-mana-dreniny kosa izany (toy izany manko no filaza tao @ St-Michel rehefa voaroaka) dia nijanona frantsay.

ny tsaroako koa - satria mpianatr'i mompera Sylvain Urfer ny tenanay - fa olona manam-pahaizana tokoa ny lehilahy, somary manao "premier de la classe" izay ny toetrany ary "de gauche-tiers-mondiste-frantsay" no firehan-keviny saingy toa niondrana ho "libéral" takaikikain-dry Herizo Razafimahaleo sy ny gazety L'Express taty aoriana.
araka ny filazany moa tamin'izany fotoana izany, efa ho roapolo taona lasa, dia matetika nampanantsoin'ny filoha Ratsiraka izy hidinidinika saingy toa tsy nifanaraka ny tadin-dokangany.

Nampidirin'i Rajiosy @ 04:57, 2007-05-17 [Valio]

raha gasy

Raha naka zom-pirenena malagasy izy dia ho sarotra ny nandefasana azy. Afaka nitaky ny zony amin'ny mahamalagasy azy izy no afaka nitsikera soa aman-tsara ny fitondrana malagasy ihany koa...

Nampidirin'i jentilisa @ 09:10, 2007-05-17 [Valio]

Somary hadisoam-pijery ihany ny fiheverana fa ny vahiny dia tsy afaka miditra na mitsikera @ resaka politika. Tsy misy mihitsy lalàna mandrara ny vahiny tsy haneho ny heviny. Ny lalàna aza dia mametraka tsara mihitsy fa raha ny zo fototra momba ny fanehoan-kevitra dia iraisana io na vahiny na teratany.

Ny Lalàmpanorenana ohatra dia milaza fa :

>

Ny Didy Hitsivolana 62-041 koa dia milaza fa :

>

Miala tsiny fa tsy ananako ilay lalàna @ teny gasy.

Kanefa araky ny nolazaiko tery aloha dia tsy misy fetra manokana ho an'ny vahiny, lazain'ny lalàna raha zo haneho hevitra.

Nampidirin'i Shadow @ 11:13, 2007-05-17 [Valio]

Maiala tsiny fa tsy tafiditra ireo andinin-dalàna noresahako teo aloha (olana @ resaka Code). Ka indro izy ireo :

- Lalaàmpanorenana :

Andininy 10 - Malalaka,iantohana ho an'ny rehetra ary tsy azo ferana raha tsy ho fanajana ny fahafahana sy ny zon'ny hafa sy noho ny tsy maintsy hiarovana ny filaminam-bahoaka : ny maneho hevitra sy miteny, ny fifandraisana, ny fanaovan-gazety, ny fidirana ho mpikambana na fanorenana fikambanana, fahafahana mivory,mivezivezy,fahalalahana amin’ny fieritreretana sy ny finoana.

- Didy Hitsivolana 62-041 :

L'étranger jouit à Madagascar des mêmes droits que les nationaux à l'exception de ceux qui lui sont refusés expressément par la loi.

Nampidirin'i Shadow @ 11:19, 2007-05-17 [Valio]

tsy ny lalàna amin'ny fizakana zom-pirenena akory no tena tiako ho tsindriana fa ny fitiavana sy fanajana nasehon'ireo nahavita naka zom-pirenena malagasy. zinona tokoa moa izay malagasy miohatra amin'ny firenen-dehibe niavian-dry zareo ?

misy vidéon'ingahy pretra niseho tamin'ny vaovao an-tsarin'ny FR3 Alsace moa any amin'ny sitin'ny TIM (sy FR3 mazava ho azy) raha tianareo ho jerena.

nandiso fanantenana ahy manokana aloha fa asa ianareo...

Nampidirin'i Rajiosy @ 23:01, 2007-05-17 [Valio]

Ela ny ela

Miarahaba an'i Shadow tonga indray ary mirary fahasalamana mandrakariva. Efa ela izay tsy "nahitana" anao izay.

Nampidirin'i jentilisa @ 07:51, 2007-05-18 [Valio]

ah ah ah ah

ATO RY ZALAHY SAMY MIFAMAHAN-DALITRA AMIN'IZY SAMY IZY.

tena resak'adala mihitsy rey olona ô.

VOAROKA AVY ANY TANZANIA HONO ô. EFA tsy HENATRA TSY TAHOTRA mihitsy ny an'ireto mponkona reto ka dia mandany fotoana mifamahan-dalitra ato.

ka ahona ary é: HANARA-BODIMBAZAHA SA HIASA AMIN'IZAY???

raha tsy misy vazaha moa ho hisy MAP ho vita eo.

tena....

Nampidirin'i ANJELY @ 16:29, 2007-05-21 [Valio]

variana

Dia iny koa ny anao lahy fa mihinandalitra soa amantsara...aza mba zaza ihany ho'aho! Ianao koa aza lany fotoana fotsiny mandalo ato raha izany k'ty!

Nampidirin'i jentilisa @ 17:00, 2007-05-21 [Valio]

ahoana ny ato é?

ary marisika mihitsy rajentilisy izany mamahandalitra an'ireo pokona teritery saina ireo an!

marina klé.

Nampidirin'i ANJELY @ 19:20, 2007-05-21 [Valio]

Mihinana

Ianao ary mihinana koa tsy fahanako!!! ho! ho! ho! ianao ange efa lazaina hoe inona koa ary no andanianao fotoana amin'izay lazainao fa famahanan-dalitra e!

Nampidirin'i jentilisa @ 07:50, 2007-05-22 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox