« | »

Akon'ny tenin'ny filoha teny Ivato omaly

2007-05-19 @ 10:42 in Politika

Niteny ireo olona akaiky azy ny filoha hiantso ny mpanaogazety rehetra na avy amin’ny mpanohana na avy amin’ny mpanohitra ny fitondrana. Olona tezitra araka ny fitantaran’ny mpanao gazety azy no hita tamin’ny endriny : Nivoara-mena tahaka ny kravato nanaovany mihitsy ny filoha, hoy ny tao amin’ny gazety « Ao raha ». Amin’ny teny malagasy manontolo rahateo ny resany fa tsy tamin’ny teny frantsay tsy akory.

 Rehefa avy nanao tatitra fohy momba ny diany avy tany Shangai Shina izy dia lasa amin’izay ny fantsy ho any mpitondra fivavahana : « Mbola mitambesatra loatra aminay ny vesatry ny fanjanahan-tany ka matahotra izahay, tsy sahy izahay koa ampaherezo izahay rehefa tratran’izany tahotra izany. Ankehitriny isika efa miezaka ny hitandro ny fiandrianam-pirenentsika. Manomboka izao dia miantso ny vahoaka Malagasy aho ho sahy amin’izay, hiara-mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy misy hambahamba intsony…

 Ianareo izay hanao mission aty na hanao asa soa dia ny iraka nampanaovina anareo atao fa aza mitsofoka amin’ny raharaham-pirenena malagasy indrindra fa ny politika. Tsy manome fotoana fohy akory aho handehananareo mody. Sahiko ny miteny izay. Taloha izahay no tsy maintsy naka hevitra tany aminareo sy ni-rendre compte taminareo fa amin’izao fotoana izao efa tsy izany intsony. Efa manana ny fiandrianam-pirenenay izahay.

 Ho anareo Masoivoho vahiny mihevitra ny tenany hametraka fanontaniana na hanotanintany. Tsy tokony hitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokantranonay aty ianareo amin’ny resaka politika. Rehefa tsy hainareo ny mipetraka dia ahorony ny entanareo dia mandehana mody. Ny masoivohonay angaha any aminareo mba mitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokatranonareo any aminareo any ? Mipetraka tsara izy ireny any.

 Momba ny mompera Sylvain Urfer indray efa fantatro tsara izy. Tamin’ny naha-Maire ahy, asaivo manontany ny tenany izy ary anontanio ny fikambanana katolika hoe iza no nibahana ny lalana sy ny tsenan’Anosibe tsy ho amboarina tamin’izany fotoana izany ? ». Hatreo dia tsy nanda mihitsy izany ny filoha fa avy aminy izany ny baiko nandroahana ny mompera. Toa vao maika aza nanamarina ny tenin’ny mompera izy tamin’io lafin-javatra hafa io.

Nanao ahoana kosa ary ny ako voalohany ?

 Tena nizara tokoa ny olona fa maro an’isa kokoa ireo nanohana ny nataon’ny filoha. Toy izao kosa ny hevitra fanoherana sasantsasany niboraka avy tamin’ny karajia androany : Manao teny an’avona mihitsy ny filoha, Olona avy natory tao anaty fiaramanidina ve ny tairina amin’ny fisesehan’ny fanontaniana tsy ho teny maneho fahatezerana toy ireny no hivoaka ? Tamin’ny taona 2000 na 1999 dia natao interview tao amin’ny tv5 ny mompera Pedro(Opeka), nanakiana mafy ny fitondrana tamin’izany fotoana izany izy nefa dia mbola afa-niditra soa aman-tsara teto amin’ny firenena ihany. Tamin’ny taona 2002 dia mbola nantsoin’ny tv5 ihany izy ka nanasohaso ny fitondrana fotsiny no nataony nefa dia mbola tafiditra teto Madagasikara ihany ny tenany.

 Ireto ihany koa ny hevitra hafa : tamin’ny taona 2002 ireny dia nisy teratany frantsay nilahatra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Moa tsy tonga dia nalefa nody avy hatrany ireny olona ireny raha nanao izany ny fitondrana tamin’izany fotoana izany ? Ny masoivoho anglisy tamin’ny nitondran’ny filoha dia nanasohaso fatratra ny fitondrana tamin’izany fotoana izany. Inona ny vokany ? nasaina nody ilay masoivoho dia foana teo ny Masoivoho anglisy teto Madagasikara. Tsy nandroaka ilay olona ny Malagasy fa ny tany Angletera mihitsy no nampody ilay olona nanasohaso be ny fitondrana teo. Inona no nataon’ilay olona avy eo ? Niverina teto Madagasikara izy dia nanangana ONG (ny marina dia nitantana ny tahirim-bolan’ny prezidansa ny lehilahy). Ny tsikera mampihomehy moa dia hoe manao mizana tsindrian’ila ny fitondrana fa izay manasohaso tsy mba roahiny fa ny mitsikera ihany no roahiny…zavatra mazava be tsy mila hazavaina akory ! 

Hevitra

mpanolo-tsaina mamitaka ny fahatezerana

Midera ny fitroatry ny lehilahy aho amin'ny fiarovany ny fiandrianam-pirenena, fa mitsikera kosa ny tsirambina ataony.
Ohatra efa tokony ela izy no nandao ny maha-filoha-lefitra ny fiangonana FJKM azy. Maro ireo olona mety mahavita io andraikitra io, izy rahateo be adidy.
Mbola tsirambina koa ny tsy amoahana ampahibemaso izay antony nandroahana ity môpera ity, tany Shangaï nambarany fa efa noroahan'i Nyerere avy tany Tanzania i Urfer (30 taona lasa) omaly izany karazana kakay efa loni-po ela satria ve resaka lalambe teny Anosibe no resahina fony Marc mbola Ben'ny tanàna.

Nampidirin'i tomavana @ 11:10, 2007-05-19 [Valio]

Lahika

Marina tokoa ny tsikera nataonao amin'ny tsy tokony nirotsahany ho filoha lefitry ny fiangonana intsony rehefa nitondra ny firenena izy.

Izy ihany no manafangaro voalohany ny politika sy ny fivavahana. Tokony hialany tokoa io andrikitra iray io.

Nampidirin'i jentilisa @ 11:28, 2007-05-19 [Valio]

Aiza ho aiza ny lalàna amin'izany ?

Rehefa tena jerena tokoa dia raha fitorahana voninkazo avy amin'ny vahiny dia tsy mivoaka ny resaka fiandrianam-pirenena. Toy izany koa ny amin'ireo mpanolontsaina vahiny be dia be manodidina ny mpitondra. Nefa dia iza moa no afaka hiteny hoe azo antoka 100% fa tena tsisy kianina ny hevitra avy amin'izireo ? Raha miala any kosa ny tsikera dia tonga dia arangaranga ny fiandrianam-pirenena. Nefa ve dia azo lazaina 100% fa tsisy marina mihitsy ny @ ireo tsikera ireo ary tsisy azo raisina hanatsarana ny fampandrosoana ? Amin'izany rehetra izany sao dia mba ny fiandrianan'ny mpitondra no tena voatohina. Fa ny mahavalalanina ahy dia ity filalaovana ny lalàna ity. Toa ny mpitondra ihany no nanafoana ny mahalaika ny Repoblika Malagasy kanefa izao dia avahina ny mpitondra fivavahana amin'ny resaka politika. Ny fahafaha-miteny ananan'ny vahiny moa dia efa nolazaiko fa mitovy TSISY VALAKA mihitsy anie ny fahafaha-miteny ananan'ny vahiny sy Malagasy e ! Na resaka politika io na tsia, na tsikery io na fanasohasohana ! Ny Lalampanorenana no mametraka izay zo itoviana izay. Eo ihany koa ny lalàna sasany (Didy Hitsivolana 62-041 ; ...). Ka tenin'olon-tokana ve izany dia ambony noho ny Lalampanorenana sy ny lalàna manan-kery ? Sao dia mba tsy tsirambina intsony no anaran'izany ?
Nampidirin'i Shadow @ 11:43, 2007-05-19 [Valio]

izay ilay nosoratako hoe mila tsy matahotra masom-bazaha intsony ny malagasy na dia firenena madinika aza...

Nampidirin'i Rajiosy @ 20:53, 2007-05-19 [Valio]

Ny nanakatonana ny masoivohan'ny Grande Bretagne tao Madagasikara dia tsy nohon'ny fanasohasoan'ny masoivoho ny fitondrana malagasy fa anisan'ny praograman-dry zareo amin'ny fampiasana vola na budget. Tsy ny tao Madagasikara ihany no nakatona fa nisy tany madinika fito hafa koa nihatran'ny fanakatonana.

Nampidirin'i Su @ 10:28, 2007-05-20 [Valio]

nitatitra

Nametraka teto izay hevitry ny olona fotsiny aho fa tsy nametraka ny hevitro akory aza. Izaho dia tena manan-kambara mihitsy saingy tiako ho fotoana hafa angaha no nanaovako azy.

Izay no nahatonga ahy hanoratra tsara ny hoe hevitra nivoaka tamin'ny fandaharana karajia!

Nampidirin'i jentilisa @ 07:30, 2007-05-21 [Valio]

Milay b ireny ê!!

Misimisia ny filazana ireny hoan'ireo mpanembantsembana ny hezaka hampandroso!! mihevitra angamba ry zareo hoe mbola tany colonie isika!!
mody ê!!! ahorony ny entana rehefa tsy faly...

Nampidirin'i Ramalagasy @ 08:04, 2007-05-21 [Valio]

Tsy tsirambina intsony

Mitombona ny fanontanianao ry Shadow, aiza no mijanona ny fiandrianam-pirenena ary manomboka ny fiandrianan'ny mpitondra ? sy ny hoe
>Sao dia mba tsy tsirambina intsony no anaran'izany ?

Nampidirin'i tomavana @ 09:09, 2007-05-21 [Valio]

FIOMPIANA GASY NO BETSAKA

tsotra fotsiny ilay resaka. raha tsy mila vazaha na mataho-bazaha dia HAJANONY NY FANGATAHAM-BOLA TSY TAPAKA AMIN'NY VAZAHA FA MBA MIASA TSARA AMIN'IZAY.

ary mba manaja tena fa tsy misary adala dia hoe TSY MILA VAZAHA NEFA ENY AMBODIM-BAZAHA FOANA MITADY VOLA.

Nampidirin'i ANJELY @ 16:20, 2007-05-21 [Valio]

Vazaha!

Inona ny atao hoe vazaha aloha amin'izay fotoana izay? Mino koa aho fa tsy voatery ho fangatahana tanana mitsotra no tadiavina fa fiaraha-miasa amin'ny fanantanterahana zavatra na oritr'asa iray.

Amin'izay tsy mila tsikera izy hoe "io koa ve dia tsy ho vitan'ialahy irery?" na hoe tsy mahasoa an'ialahy ny fanaovana io...

Nampidirin'i jentilisa @ 16:58, 2007-05-21 [Valio]

MANARABODIM-BAZAHA NAREO E

avy aiza no hitadiavana ilay volan'ny MAP aloha???????

izay fotsiny. raha tsy mila vazaha dia asehoy fa tsy mila fa tsy manao bevava kanefa mandeha mitsindroka sisam-bary eny antanany.

Nampidirin'i ANJELY @ 19:15, 2007-05-21 [Valio]

tena tezitra be mivoara-mena koa ny anjelintsika izany ! meloka be hoy ny fitenin'ny tatsimo :-))

hoy ilay mpangataka (tena izy) vazaha izay mantsy ahy : "rehefa omenao ahy ilay vola, rehefa mifindra tànana dia ahy izy izay ka tsy misy hidiranao intsony izay hanaovako azy avy eo ka sao be anatranatra eo ! efa vita ny 'transfert de propriété'" :-))

Nampidirin'i Rajiosy @ 20:35, 2007-05-21 [Valio]

Tena tezitra!

Tezitra fa fantatra ny anjely koa! Izaho koa angaha moa no be vava eo...

Nampidirin'i jentilisa @ 07:46, 2007-05-22 [Valio]

Vazaha

Ny Filoha akory tsy nanao hoe, mandehana mody ny vazaha rehetra fa tsy ilaina. Izay mitsabaka ny raharaham-pirenena ary izay tsy faly amin'ny fiainana ao Madagasikara no noresahany. Sa izaho no tsy mahazo resaka?

Nampidirin'i Su @ 13:28, 2007-05-22 [Valio]

Izay namako mahazo mitsabaka ihany na dia vazaha aza

Ny olana dia tsy mazava ilay hoe "fitsabahana" satria ireo vazaha mpanolo-tsaina ny filoha dia mitsabaka @ fiainam-politika tokoa.
Angamba ny tiany ambara dia ny hoe izay mitarika ny fanakorontana sy fikomiana amin'ny fomba rehetra sa ve izay rehetra sahy manakiana ny fitondrana :(

Nampidirin'i tomavana @ 14:09, 2007-05-22 [Valio]

Fiainana tsotra

Andeha raisina amin'ny fiainana andavanandro dia toy ny olona iray mila hevitra amin'ny namany io. Inona leitsy no ataoko raha tahaka izao...mila hevitra izy amin'iny fotoana iny ka tsy tokony hisy ny olana.

Fa raha avy kosa dia miteny hoe "izao kosa ve leitsy dia mety fa..." dia mety hahatezitra ny tompon-trnao ka manao hoe:"inona koa ny idiran'ialahy amin'izany fa mbay tany..."

Nampidirin'i jentilisa @ 16:19, 2007-05-22 [Valio]

Misy lalàna mifehy ny trano ?

Fa tsy izay mpiambim-bavahady ery dia afaka manao izay tiany satria izy no ery amin'ny loha-laharana eny ;)
Raha trano misy lalàna dia tokony ampiharina ny lalàna. Araky ny hevitr'i Shadow anefa dia toa tsy ara-dalàna io fanakanana io. Mila ampindirina amin'ny lalàna izay hetsika voarara mifanandrify amin'ny heloka fitsibahana.

Nampidirin'i tomavana @ 18:02, 2007-05-22 [Valio]

Novaina

Araka ny hitako any ambadimbadika any dia efa novaina tamin'ny taona 1995 io lalàna nosoratan'i Shadow io. Mbola tsy hitako anefa ny votoatin'ny lalàna ka tsy hitako loatra izay ambara.

Ny tiako ambara dia tsy mitady hokianin'ny avy any ivelany amin'ny zavatra ataony ny mpitondra amin'izao fotoana izao fa tiany ho filankevitra fotsiny ireo sisa.

Tamin'ny andron'ny dsrp moa dia ny drafitra vahiny mihitsy napetrka teto, dia iny nambarany tany Shina iny fa tsy nitera-boka-tsoa ho an'ny tatsimo ilay drafitra noterena.

Dia mety avy angaha izy any antsainy any manao hoe aleo amin'izay hanaovanay azy fa efa hita ny tsy fahombiazan'ny anareo. Tsy afaka ny hahalala izay tena any am-pony aho na dia izany aza.

Afaka jerena ihany koa ilay lohateny nataoko hoe nivory ny mpanohitra sy ny diplaomaty vahiny. Ny mpitondra fiarakaretsaka eo ampita ihany koa dia manamarina tsara ny fahatongavan'ireo olona ireo fa ny mpanohitra foana no mandà.

Hatraiza moa izany ny asan'ny diplaomaty eto an-toerana? inona no nahatonga azy ireo hivory tamin'ny "vondron'ny mpanao tsia"? Tsy misy na inona na inona fantatsika.

Ny tamin'ny nandroahana ny mompera moa dia ny lalàna manao hoe manohitohina sy manakorontana iny no nampiharina taminy. Tsy voararan'ny lalàna kosa araka ny fantatro raha filankevitra avy amin'ny mpitondra. Raha lafiny lalàna fotsiny no lazaina eto!

Nampidirin'i jentilisa @ 08:53, 2007-05-23 [Valio]

Asa aloha tsy fantatro hoe inona izany fiovana lalàna resahanao izany. Ny tiako lazaina dia hoe MBOLA MANANKERY TANTERAKA ny Didy hitsivolana 62-041 izay mametraka FA MITOVY ZO ny gasy vahiny raha resaka fahalalahana haneho hevitra no atao.
Ny tiako hamafisina koa dia NY LALAMPANORENANA mihitsy koa anie no mampitovy izay zo izay e (andininy faha 10). Tsy misy lalàna na tenin'olon-tokona manova lalampanorenana raha tsy hoe atao resabe fotsiny ny mahatany tan-dalàna ny Repoblika.
Ankoatr'io andininy faha-10 @ lalampanorenana io dia mbola ao koa ny savaranonandon'ny lalampanorenana izay milaza fa raisin'ny Malagasy ho toy ny nataony ny Dina iraisam-pirenana momba ny zon'olombelona, ny Dina Afrikana momba ny Zon'olombelona sy ny vahoaka. Marihiko fa ny savaronando dia MANANA lanja tanteraka mitovy @isan'andininy ao @ lalampanorenana. Izany hoe ireo Dina ireo dia raisina ho toy ny lalàna velona ao @ tanin'ny Repoblika. Ireo Dina ireo (andininy faha-19 ho an'ny Dina iraisampirenena ; andininy faha-9 ho an'ny Dina Afrikana) anefa dia samy milaza fa tsy azo hanavahana fihaviana, firazanana, ... ny zo haneho hevitra ao anatin'ny firenena iray.

Nampidirin'i Shadow @ 12:33, 2007-05-23 [Valio]

resaka tsy nifandraika

Izay izany vao azoko ny tianao holazaina. Raha olona mizaka zom-pirenena vahiny dia tena mitovy tanteraka ny zo ka. Fa ilay mompera voaroaka anie ka tsy naka zom-pirenena malagasy mihitsy na dia efa telopolo taona nipetrahana teto aza e!

asa aloha raha tena mahazo ny resakao tokoa aho na tsia?

Nampidirin'i jentilisa @ 15:41, 2007-05-23 [Valio]

Nisy teny latsaka t@ ilay nosoratako teo aloha ka izay angamba no somary tsy mampazava tsara ny tiako lazaina. Adino ny teny hoe "SY" eo anelanelan'ny hoe "GASY" sy "VAHINY" @ ilay fehezanteny voalohany : == Asa aloha tsy fantatro hoe inona izany fiovana lalàna resahanao izany. Ny tiako lazaina dia hoe MBOLA MANANKERY TANTERAKA ny Didy hitsivolana 62-041 izay mametraka FA MITOVY ZO ny gasy "SY" vahiny raha resaka fahalalahana haneho hevitra no atao. == Ny tiako lazaina dia izao : momba ny fahafaha-miteny sy maneho hevitra dia MITOVY ny zo ananan'ny teratany Malagasy sy ny teratany VAHINY na inona na inona ny "nationalité" an'io vahiny io (na maorisiana na sinoa na frantsay, ...). Ka na tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy aza ilay vahiny dia tsy azo feran'ny Fanjakana ny zony. Ny hany fetra @ fitenenany dia ny fetra ampiharina @ Malagasy ihany (satria dia voafetra ny zon'ny Malagasy fa tsy hoe mahazo milaza izay danin'ny kibony izy): izany hoe fanajana ny zon'ny hafa, fanajana ny filaminam-bahoaka. Tsy misy mihitsy ny fetra hoe tsy mahazo miditra @ resaka politika ilay vahiny na hoe tsy mahazo mitsikera. Fanamarihana voalohany : ny zo fototra no itoviana (fahafaha-miteny, fahafaha-misafidy ny finoana, ...). Tsy ananan'ny vahiny kosa ny zo hifidy na hilatsaka hofidiana, ny zo hiditra ho mpiasam-panjakana. Fanamarihana faharoa : ny fanomezan-jo ny vahiny dia voafetran'ilay hoe "réciprocité". Ohatra tsotsotra : raha mamoaka lalàna lafrantsa rahampitso fa ny gasy monina ao aminy dia tsy manana zo haneho hevitra intsony dia manana zo koa ny firenena Malagasy hametra ihany koa ny zo haneho hevitra ananan'ireo Frantsay monina @ tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Isika anefa mahita fa ny Frantsay dia mamela tanteraka ny vahiny haneho hevitra ao aminy raha tsy manohintohina ny filaminam-bahoaka izany (io ilay fetra iraisana na Frantsay na vahiny monina ao Lafrantsa). Hitantsika fa raha nikorontana ny "banlieues" volana vitsivitsy izay, tsy noferana ireo gazety vahiny nitantara na dia mivoana aza indraindray toa ny fampiasana lohanteny mihantsy hoe : "la France brûle". Tsy noferana ireo mpanao gazety vahiny nitsikera ireo kandida t@ fifidianana ho filoham-pirenena Frantsay. Nisy mihitsy aza fandaharana @ fahitalavitra izay nandraisan'ny mpanao gazety tsy Frantsay anjara ary nanehoany izay fijeriny sy nitsikerany izay tiany. Misy aza gazety sasany teny maneho tsotra izao ny safidiny : ohatra The Economist izay nilaza fa ingahy Sarko no tiany. Fanamarihana fahatelo : miavaka kosa anefa ny sata mifehy ireo diplômaty. Satria ireo dia tena voafaritry ny lalàna (Convention de Vienne sur les relations diplomatiques du 18 Avril 1961)fa tsy mahazo mitsabaka mihitsy @ raharahan-tokantranon'ilay firenena mandray azy (andininy faha-41). Ho an'ireo diplômaty ireo dia zo tsy hiadin-kevitra hananan'ilay firenena mandray ny mandroaka azy tsisy fanazavana ary tsy voatery mifanaraka @ fandikan-dalàna (ho an'ny vahiny tsotra mipetraka ara-dalàna mantsy dia voafaritry ny lalàna fa ny fandikan-dalàna mikasika ny filaminam-bahoaka, ... irery no antony azo androahana azy). Mety hilaza isika hoe ny diplômaty indray ve izany no manana sata latsa-danja (tsy fahafaha-miteny, fandroahana tsisy fanazavana, fandroahana tsy mifanaraka @ fandikan-dalàna) raha oharina @ vahiny tsotra. Tsy latsa-danja akory ny sata mifehy ny diplômaty fa izay somary fiavahana izay dia tambin'ny tsy fifehezan'ny lalànan'ilay firenena mampiantrano azy. Ohatra ny vahiny tsotra dia azo samborina, azo savaina ny tranony, azo gadraina raha milaza izany ny Fitsarana. Ny diplômaty kosa dia tsy azo henjehina eny @ fitsarana, tsy azo anaovana fisavana ny trano fonenany, fiasany, tsy azo sakanana akory aza ny fiarany, ...
Nampidirin'i Shadow @ 17:29, 2007-05-23 [Valio]

Mbola variana aho

Ho an'i Shadow sy izay mety ho tratra hafa ihany koa. Rehefa hitanareo fa tsy mety tafiditra ny hevitrareo dia adikao amin'izay azonareo ametrahanareo azy ny nosoratanareo (microsoft word ohatra) dia "actualiser-o" ny eto amin'ny blaogy (izany hoe tsindrio ny bokotra "actualiser") dia apetaho eo indray ilay efa nosoratanareo teo. Aorian'izay moa dia mandray marika (isa) vaovao ilay famoahan-kevitra. Mino aho amin'izay fotoana izay fa ho tafiditra ilay lahatsoratra.

Tsy ho hitako mihitsy manko ireny hevitra tsy tafiditra ireny raha tsy efa milaza mialoha ianareo. Dia misaotra indrindra.

Nampidirin'i jentilisa @ 10:38, 2007-05-24 [Valio]

Manaraka indray

Dia tsy maharaka ny lalàna iraisam-pirenena tokoa angaha aho. Izao manko ny olana hitako na dia mety ho maika nanasonia ny dina aza ny mpitondra afrikana tamin'izany fotoana izany ary nametraka ilay didy hitsivolana 62-041 miverimberina eto.

Tamin'izany fotoana izany anie ka mbola ny vahiny (frantsay) no tena tompon-kevitra sy azo lazaina hoe mibaiko aza. Mbola vao nandray ny fahaleovantenany avokoa (na miandoha amin'ny fandraisana fahaleovantena ara-politika) ny firenena afrikana tamin'izany fotoana izany.

Heveriko manokana fa fanararaotana nataon'ny firenen-dehibe ireny mba ahafahany mibaiko ankolaka ny mpitondra "vaovao" amin'ny alalan'ny tolokevitry ny vahiny _manam-pahaizana_

Fa enga anie ho diso izay hevitro izay fa ho tena fitandroana ny fahalalahana tokoa ilay izy.

Nampidirin'i jentilisa @ 10:51, 2007-05-24 [Valio]

Resaka zon'olombelona

“Ento manoloana ny mpitsara ry zareo, na avelao izy hody any an-tranony?[Amenez-les devant les juges, ou laissez-les partir] hoy ny Ambasadaoro James McGee tamin'ny mpianatra teny Ambohitsaina omaly raha niresaka ny fahatarana ara-pitsarana misy eto an-toerana.
Io ve ilay mitsabatsabaka ? Sa resaka zon'olombelona io ka tsy tokony hangina izay mahita n'aiza n'aiza fihaviany ?

Nampidirin'i tomavana @ 11:32, 2007-05-24 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox