« | »

Nivory miafina ny mpanohitra sy diplaomaty vahiny?

2007-05-22 @ 08:05 in Politika

Gaga aho namaky  ny gazety le quotidien omaly raha nilaza izy fa nisy fihaonana nifanaovan’ny mpanohitra sasany miseho ho mpiaradia akaiky ny firenena tandrefana sy diplaomaty vahiny sasantsasany. Tsy nanondro mivantana moa izy fa nolazainy fotsiny fa tamin’ny Zoma lasa teo izany tao amin’ny Hilton Madagascar. Izy irery no namoaka io lahatsoratra io omaly. Dia nieritreritra aho hoe tsaho tiana aely ve izy ity sa ahoana ?

 Nanapa-kevitra aho hiantso ny Hilton Madagascar sy ny gazety le quotidien androany maraina momba io raharaha iray io. Najanoko anefa izany rehefa nataon’ny gazety « Ao raha » teo amin’ny voalohan’ny pejy no sady nataony vaventy ny lohateny. Rehefa novakiana ny tao anatiny dia tena pejy iray manontolo mihitsy no nanokanany azy. Tafiditra tsara ao amin’ny asan’ny mpanao gazety rahateo ny manadihady rehefa sendra ny vaovao fohy toy ny tsipalotra fotsiny tao amin’ny gazety voalohany nolazaiko.

 Nanamarina ary ny gazety faharoa nolazaiko ary nanampy fa tamin’ny telo ora tolakandro no nanatanterahana ny fivoriana tao. Ny komity mpanohana ny tsia ireo nivory niaraka tamin’ny masoivoho ireo ka tao anatin’izany ny frantsay sy ny amerikana. Nisy koa solontena hafa izay tsy notononin’ny mpanao gazety ary io no nilaza fa tsy anjarany ny manao tatitra amin’izay fivoriana natao tao fa an’ireo mpanohitra izay nihaona taminy.

 Ny mpanohitra kosa anefa izay fantatry ny rehetra satria filohan’antoko sady nirotsaka hofidiana ho filoha teo ny roa (iza ary izany fa tsy Herizo Razafimahaleo sy Lahiniriko Jean ?) samy nanda sy milaza ho tsy mahafantatra ny fisian’izany fivoriana izany avokoa. Dia mody gaga fa tany amin’ny gazety no nahitany ilay filazana fivoriana natao ny zoma tolakandro tamin’ny telo ora tolakandro izany. Raha nanao fivoriana miafina izahay, hoy ny filoham-boninahitry ny Leader Fanilo dia tsy ho any amin’ny hitam-bahoaka any velively.

 Hitanareo moa fa mbola anatin’ny fanolokoloana ny tranonkalan’ny le quotidien ary tsy heveriko fa tsy mandeha amin’ny aterineto ny lahatsoratra mivoaka ao amin’ny « Ao raha ». izay no amoahako azy etoana ka asakasakareo amin’ny finoana ireo gazety roa samihafa roa ireo ihany. Toy ny voankazo an’ala hoy ny fitenenana izay io lahatsoratra napetrako io.

Hevitra

Misaotra aminy vaovaoa Jentilisa.

Asa raha ho fantatra, ary rahoviana ny valin'izao fanontaniako izao, raha toa ka nisy marina ilay fivoriana ::

1) Iza no nangataka fihaonana? Ny vahiny sa ny malagasy?

2) Inona no antony, arakarakin'ny valin'io?

- raha ny malagasy : fitarainana (ohatrany taminy SG ny ONU ohatra) , sa fangatahamn-toro hevitra, sa fangataham-pananpiana ho "firodanany fitondran'ny Filoha amperin'asa" sa ....?

- raha ireto vahiny voalaza : famporisihana ny fomba fanoherana rehetra, sa fanomezan-toro hevitra, sa fanomezan-toky ny fanohanana raha mihova famindra, sa fampatsarovana ny andraikitriny mpanohitriny firenena maniry demaokirasia, sa .....?

Nampidirin'i Kitana @ 08:19, 2007-05-27 [Valio]

gazety maro

Gazety maro indrindra fa ny tamin'ny teny malagasy manokana no niara-nanaiky ny fisian'io fivoriana io.

Efa tsy mety mamoaka ny votoatin-dresaka tahaka ny nahitana azy ireo tamin'ny toerana iray somary ambanivohitra izay (tsy nety niteny na tsy reko mihitsy ny tao amin'ny tvplus namoaka ny sarin-dry zalahy teo an-tokontany) izay niteny fa tsy fotoana ilazana izay votoatin-dresaka io.

Ny nakan'ny mpanao gazety an'ohatra fotsiny dia ilay fitenenana nataon-dRavalomanana tamin'ny fotoana nahatezitra azy teny Ivato hoe "Mametraka fanontaniana na manotanintany" iny. Nefa ny omalin'io andro io dia nangataka fihaonana tamin'ny solontenan'ny ffkm ry zalahy aloha dia ilay nalahelo fa tsy ny filoham-piangonana no nandray azy iny.

Nampidirin'i jentilisa @ 12:11, 2007-05-28 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox