« | »

Tanànan’ny zaridaina

2007-06-22 @ 08:58 in Andavanandro

Miaiky tanteraka aho fa tena mitondra fahafinaretana tokoa ny tanàna iray voaravaka voninkazo. Ny trano kelikely feno sy tsara ravaka voninkazo no manintona kokoa noho ny trano lehibe tsy ahitana zavamaniry mihitsy na dia meva aza ny endriny sy ny bikany. Amin’izao fotoana izao dia mihabetsaka tokoa ny zaridaina eto Antananarivo no hitoetra amin’izay anarana mahazaridaina azy izay : ho voaravaka voninkazo. Izay mandalo eto andrenivohitra dia tsy hisy afaka handa io fivoarana io.

 Efa nosoratako tany an-toeran-kafa fa efa misy rano mifantsitsitra (jet d’eau) mandrakariva eo amin’ny tsangambaton’ny mpitolona 1947 eo Ambohijatovo. Mbola ivaiva ihany ny fitondrahan’ny rano amin’io toerana io aloha na dia mandeha foana aza izy hatramin’izao. Amin’izao fotoana izao dia noesorin’ny Kaominina ny tsangambaton’i Karl Marx eo amin’ny fihodidinana anoloan’ny Antenimieran-doholona Anosy ary eo ampanamboarana toerana hisiana rano mifantsintsitra tsaratsara kokoa sy lehibe ry zareo. Noheverina hovitaina alohan’ny fetim-pirenena izy io nefa toa tsy ho tratra raha ny fijery azy. Mandroso ny asa na dia izany aza.

 Fa miresaka eo Anosy ihany isika dia mba manontany ny olona aho hoe inona no maha-cité des jardins ny cité des jardins eo Anosy Mahamasina io ? fa na tanora eny fa na olondehibe aza toa tsy mahalala ny antony loatra. Izaho ihany koa dia tsy mahalala loatra. Ny hany tadidiko dia izao : tamin’ny andron’ny fanjanahantany dia zaridaina fotsiny no nandravaka iny faritra Anosy sy Mahamasina iny, indrindra fa amin’ilay lalankely mankeny amin’ny anjely mainty efa mihamanja iny. Iny lalankely iny raha ny marina dia toy ny hoe nihalava indroa noho ny taloha. Izany hoe amin’izao fotoana izao dia lasa difotry ny rano na nietry anaty rano ny atsasaky zaridaina fipetrapetrahan’ny vazaha teny. Zaridaina daholo iny tamin’ny andron’ny fanjanahantany hany ka rehefa nasiana fananganan-trano ho an’ny olona ambony tamin’iny toerana iny dia voahosotra ho cité des jardins ireo trano maromaro naorina mbola hitantsika amin’izao fotoana ireo. Aza manontany ny daty nananganana ny trano amiko fa tsy fantatro izany. 

Hevitra

zavamaniry

Eny tokoa ry Jentilisa. Rehefa mahafinaritra ny zavatra hita, miravaka, miloko, dia efa mampitraka ny loha sy ny maso hijery ankoatra ny ratsan-tongotra. Misy fiantraikany mihitsy io eo amin'ny fiainana fa tsy haitraitra velively. Satry ery indraindray mandany andro eny amin'ny mpivaro-boninkazo eny. Ary io, rehefa tena tafiditra amin'ny fandinihina ny fampiarahana ny voninkazo sy fomba tsotsotra hampitomboina ny endriny sy ny endriky izay toerana ametrahana azy, dia mitovy tsisy valaka amin'ny fitiavana baolina kitra io. Misy tetika, misy rindra, misy fahadisoam-panantenana, nefa koa feno fahafaliam-po.
Taloha dia betsaka ny tananan'olona no voaravaka voninkazo, eny fa na teny ambanivohitra teny aza, nahafinaritra na dia ny nijery ny ahitra namonina miara-mirona rehefa tsofin'ny rivotra (graminés) ; na tanana faran'izay kely aza taloha, ankoatra ny tokontany fanahazam-bary, dia nahitana foana anjoron-toerana kely nisy benja, na raozy dia, na karazana voninkazo tsy dia nila fikarakarana manokana. Ankehitriny nefa dia tany menabe no sendra matetika. Na io tsikafokafona io aza, raha voaaraka ny fikarakarana azy mba tsy hibahan-toerana be loatra, dia haingon-tanana tsisy ohatra izany io miampy ny zozoro sy herana.
Aoka re ry jentilisa fa tsy ho lany mihitsy ny resaka raha momba io fanatsarana tanana amin'ny alalan'ny voninkazo io ! Tsy hita horefesina ny fahafinaretana entin'io, na ny maso mijery na ny fikarakarana azy. Miteraka fahaizana mamorona io ary mba mahagaga ihany aza aty amintsika tsy mba betsaka ny fahaizana mikaroka hybrides amin'ireo zavamaniry misy aty amintsika, kanefa dia mety ho loharanom-bola tsy hita velively io. Tsy voatery ho ny voninkazo efa fata-daza ihany no hanaovana fikarohana fa hatramin'ny bozaka aman'ahitra aza hoy ny fitenenana mba hanomezana azy endrika vaovao, loko vaovao, hampihaingoana toerana maro.

Nampidirin'i laingomena @ 09:41, 2007-06-22 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox