« | »

Resy ny fon-dray (Pety Rakotoniaina)

2007-07-20 @ 07:40 in Politika

Voasambotra Atoa Pety Rakotoniaina no ambentintenin’ny gazety maro teto an-tanàna. Ny mahavariana dia tsy nanisy resaka io mihitsy androany ny Le Quotidien izay fantatsika fa fananan’ny filoham-pirenena ankehitriny. Raha amin’ny fiheverana tsotra fotsiny amin’izao dia nahomby ny tetika nataon’ny mpiandraikitra io raharaha io tamin’ny fampitahorana sy fampisamborana ireo rehetra manodidina ity Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa ambonivohitra ity. Efa nolazaiko tany aloha tany ny nisamborana ny vadiny izay mbola voatana any am-ponja aloha hatramin’izao raha tsy efa nisy ny fiovan-javatra taorian’ity fisamborana ity. Mbola vao ny andininy voalohany iny nisamborana ny vadiny toy ny takalon’aina iny.

 

Ahoana indray ny amin’ny zanany ? Mazava loatra fa tsy eo ny mpikarakara voalohany ny zanaka. Naseho gazety ny fitarainan’ny zaza ho tsy misy mpiahy. Ny antoko tambatra heveriko ho nanao izany dia nanao io fihetsika io hanehoana amin’ny mpiray firenena fa toy ny tsy mifaditrovana ihany ny mpitondra fanjakana. Ny ankilany indray zarany aza misy iny hiaka iny hanairana ilay ray voatery nandositra. Iza amin’ny Malagasy (na olombelona manana fo sy fanahy) no tsy hihovitrovitra manoloana ny fitarainan’ny zanaka ? Dia nifamonjy aloha ny mpiray antoko (Tambatr’i Madagasikara) hikarakara ireo zaza ireo. Fa olonkafa ve moa hahasolo ny tena ray aman-dreny ? Nahita ny fihetsiky ny antoko ny mpiandraikitra ny fitadiavana manokana an-dranamana dia nampiantsoina indray na notadiavina ihany koa ireo tena nanolo-tena hikarakara ny zaza. Ka iza no tsy ho vahotra ? Nanomboka hatreo dia ora sisa no nandrasana higadonan’ny rain’ny zaza !

 

Tsy maintsy nitsakotsako lalina tany antsain’ny ray ny manjo ny zanaka. Ny renin’ny zaza tsinona tazonin’ny manampahefana. Hatao ahoana ny hambom-po tamin’ny fihatsiana fa handoa avo roa heny ny vola nampanantenain’ny governemanta izy ? Iza no tsy mahalala ny tenany tamin’ny fahasahiana nananana ? Marina fa diso ny paika tamin’ny nampanantenan’ny Jeneraly Fidy ny hionganan’ny filoha nandritra ireny vanim-potoanan’ny fifidianana ho filoham-pirenena ireny. Raha notohizany izay nilofosany tahaka ny tamin’ny nananganana ny Tambatra nanerana an’i Madagasikara tsy ho toy ireny ny vato azony tamin’ireny fotoana ireny. Hay moa ka fipoahana tahaka ny fipiaky ny zozoro maina ihany no nataon’ilay Jeneraly mahery fo tamin’ny taona 2002. Ankehitriny, nitsonika ny hambom-po. Tsy tadiavina intsony fa andrasana. Voadona tany amin’ny naharary azy izy.

 

Na izany na tsy izany, nanahirana ireo nirahina hikaroka sy hisambotra azy ihany ny lehilahy. Nisy ihany ny fikorontanana teo amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fiandrianam-pirenena. Tamin’ilay namparatra polisy roa tao Behoririka saiky hisambotra jiolahy ireny ka Officier ny iray tsy tokony ho ny polisy misahana ny adi-heloka bevava mihitsy no hiandraikitra ny fisamborana fa ny polisy misahana ny fisamborana jiolahy. Saingy lany andro foana tany Fianarantsoa io sampan-draharaha farany io. Singa iray ihany izany mba entiko ilazana fa toy ny naato mihitsy aloha ny asa andavanandro hisamborana olona iray. Mampahatsiahy tampoka ilay tantara mitondra ny lohateny hoe Robin Wood na mety azo atao hoe Robenan’ny Ala raha atao malagasy anarana io tantara io. Dia mbola lasa ihany ny eritreritra na dia izany aza hoe azo ampitahaina amin’io tantara vahiny io tokoa ve ity tranga misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ity ?

Hevitra

tena "as de pique" mihitsy ange izany ity rangahy ity raha izao no izy e : ka hanova inona ary izao fa azo izy e. Raha vola nangalariny, tsy aleo ve atao "wanted" toa izany daholo ireo mpihinam-bola hatrizay hatrizay mialokaloka ambany elatry ny "exil pollitique", sa dia tena lolompo fotsiny tsotra izao koa no dia tena tsy namelana maina io raharaha io, nandaniana vola be toa izao (na dia ilay takalon'ny lohany ihany aza raha sanatria tsy nitolotena izy), nefa ny SOS inondation nangatahana tetsy sy tery. Sa harena manokan'ingahy Filoha fa tsy volan'ny firenena no natao loka nampanantenaina tamin'io raharaha io ? BOH !!!
Nampidirin'i ikalamako @ 11:28, 2007-07-20 [Valio]

Tsy azoko tsara ny tian'i jentilisa lazaina.

Tamn'iny nge ka ny mpitondra tsy mitsinjo ny vahoaka eh. Ary i Robin atao hoe nana-talena tao am vahoaka. Raha tena izy moa izany dia mitovitovy amin'i Che Guevara.

Fa i Pety: olona tia hitondra fanjakana. Nefa tsy manana fifandraisana amin'ny any ivelany, "relation internationale" no tiako tenenina. Tsy haiko izay heviny any anatiny any, fa vao ny hoza-pe fotsiny dia efa tsy ampy.

Nampidirin'i sitlo @ 16:24, 2007-07-20 [Valio]

ny andininy telo vaoalohany dia tena avo lenta mihitsy (nomeko prix raha izaho manokana). dia azo najanona teo angamba ilay lahatsoratra.

Nampidirin'i Rajiosy @ 11:32, 2007-07-21 [Valio]

Misaotra anao!

Misaotra anao tamin'iny fanamarihana iny. Izany hoe efa nampisalasala ahy mihitsy io farany nolazainao io. NEfa dia nosoratako ihany na dia izany aza.

Ny amin'ny hoe Che indray dia nitam-piadiana rangahy io no sady tany amin'ny firenena tsy nihaviany no tena nitolomany. Nitolona ho amin'ny firehana iray lehibe manohitra ny rafitra nangeja izy.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:53, 2007-07-23 [Valio]

Loi

Tsy nisy tsy nanao soa teto an-tany ary tsy misy anjely, fa rehefa tsy mety ny atao dia ampiharina ny LALANA.Maro ny migadra am zavatr tsy nataony, misy mpagoraka v izy ireny ? ary ny zanany ? Ambanin'ny lalàna daholo raha mbola @ fiaraja monina, alors pourquoi ce sujet ?

Nampidirin'i Loi @ 15:12, 2007-07-24 [Valio]

Handoatra ny ao am-po!

Tokotany malalaka no iresahantsika etoana. Misy ny lalàna izay ampiharina mitongilana. Aiza ny fanasaziana ny Ben'ny tanànan'i Mahajanga izay fantatra fa nanodim-bola ohatra?

Manao ahoana ny fitohizan'ny raharaha vola halatry ny banky foibe Manakara ohatra. Toa miriaria ihany ny olona tadiavina satria manana fifandraisana akaiky amina minisitra iray ao amin'ny fitondrana ohatra.

Samy manana ny feony ny lalàna sy ny fo rehefa mitongilana ny fampiharan-dalàna!

Nampidirin'i jentilisa @ 15:37, 2007-07-24 [Valio]

Tsy rehefa ny anao no voakitika dia mitongilana ny lalàna, Raha valable ho an'ny migadra @ zavatra tsy nataony daholo ny hevitrao dia tsy olana, na banky foibe na i pety b, ireo tsy manantsiny ao am-ponja : Lalàna iray no nampiharina an'ireo. Voalaza ho samy nanao ny tsy nety ..... mitovy

Nampidirin'i Loi @ 12:59, 2007-07-30 [Valio]

Dura lex, sed lex

Amin'ny tany tena manaja ny lalàna dia ampiharina amin'izay rehetra manao ny tsy mety ny lalàna fa tsy misy anavahana.

Raha mpamaky ny soratro ianao dia ho efa nahamarika fa tsy dia mpankasitraka be fahatany an'i Pety Rakotoniaina aho saingy misy ny zavatra tsy dia mazava loatra ataon'ny fanjakana. Toa mirona ho amin'ny tombotsoany ihany ny fanenjehana ary mazava loatra izany no nanaovako ny fanamarihana.

Ny hasambarana manko tsy odiana adala mody tia izany hoe odiana tsy fantatra mody manohana...

Nampidirin'i jentilisa @ 15:07, 2007-07-30 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox