jioi 2007: Voa vao mihilana!
Lesoka lehibe tamin'ny lanonam-panokafana ny nanaovana ny olona toy ny sesika. hany ka sahirana ny olo-tsotra tonga vao maraina teny. Maro koa moa ny naratra tamin'io fotoana io. Tsy mba toy izany kosa moa ny lanonam-pamaranana: tena nilamina ny olona ary dia nahafahana nivezivezy tsara ny tohatra sy nay lalantsara rehetra. afa-po tamin'iny lafiny iny ny mpijery fa tsy dia nahafa-po kosa ilay lanonana manokana. tena fohy loatra ilay dihy mirindra. Raha tsy nisy ny afomanga kely tao anaty kianja sy ny afomanga naharitra teo Anosy dia tena vasoka mihitsy. Soa ihany fa nasian-dry zalahy alim-pandihizana ho an'ny atleta tao amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena.
Hevitra
FANKAHEREZANA
Mahereza daholo ry Gasy kely a, atao ahoana moa fa resy tamin'ny le baolina tena ankafizintsika isika e, toa ny sosoa voatapo-drano daholo ny fandresena hafa vao nidaraboka ny barea, nanampy trotraka koa ny teo amin'ny baskety lehilahy. Ny amin'ity farany aloha dia misy faut-tsika mpijery ihany e, tsika nangina be foana raha vo tsmitarika ny ekipantsika kanefa eo indrindra no tena ilana ny fampaherezana ho an'ny mpilalao, mba nanao izay ho afany mihintsy anie ry Kilobo Naguib sy ry Dagué fa refa tsy hiety tokoa ny hatao dia tonga amin'le oe akory atao: Otran'ny tsy mampino ny mieritreritra fa ry Dagué dia tsy ahafaty lancé-franc tsy in-1 mandé fa maromaro. Amin'ny manaraka indray manao misimisy e! Isaorana daolo ny athlètes gasy rehetra na ny nandresy na ny resy satria hita fa samy nanao ny ainy tsy ho zavatra niaro ny voninahim-pirenena. Ok daholo e