« | »

Ny Fahafahamiteny no Kihondalan’ny Fandrosoana

2007-10-29 @ 06:38 in Kolontsaina

Efa hitantsika tany ambadimbadika tany ihany angamba fa nitohy ho Antananarivo mibilaogy 4.1 ny 4.0 tamin’ny alakamisy 18 oktobra 2007 ka tamin’ny Asabotsy 27 oktobra 2007 maraina teo no nanatontosana izany. Ny nahafaly moa dia nanomboka ara-potoana tsara ny fotoana ary ankasitrahana manokana amin’izany ny Namana Serasera Dago izay tonga maro tokoa nefa fantatra mazava fa solontena ihany ireo tonga ireo. Mbola montsana indray ny fahamaroam-pahatongavana tamin’ity indray mandeha ity satria 13 izahay no niatrikasa tao. Ny mahavariana amin’ity fihaonana mitohy ity dia voamarina indray ilay fitenenana frantsay manao hoe “il n’y a jamais deux sans trois”. Mbola hitohy ihany manko ny atrikasa ka hizara roa izany izay samy azo ifaneraserantsika ihany indrindra fa ho an’ny eto Madagasikara.

Amin’ny alarobia 31 oktobra ho avy izao indray ny fotoana iantsoana ny rehetra tsy ankanavaka na dia mpamaky fotsiny aza izy na mba liana hahalala fotsiny ihany koa(Antananarivo mibilaogy 4.2) manomboka amin’ny 5 ora hariva ao amin’ny Centre d’information des Nations Unies (CINU) na tranombokin’ny Firenena Mikambana. Raha misalasala ianao manao hoe dia haharaka inona intsony moa dia afaka miteny tsara aho fa tsy tara mihitsy akory ianao raha amin’io fotoana io vao hanatrika. Somary nivoaka ny nifanarahana ihany aho saingy mahafaly be ilay zavatra mihamatotra na dia izany aza. Ny fizarana faharoa dia misy ihany koa moa ny dinika momba ity resaka ity ato amin’ny toerana natokana ho amin’izany amin’ny serasera.org (jereo eto ny dinika) ary tsy dia ataoko mampaninona loatra na dia eto koa aza ianao no mametraka ny sosokevitrao. Misy rahateo ny gazety heverina fa hamoaka ny antso ampahibemaso androany alatsinainy. Namoaka tokoa ny Madagascar Tribune ary takelaka roa be izao fa tsy mivoaka an-tserasera ilay lahatsoratra.


Manaraka izany sady toa mifampitohy aminy ihany aza dia taitra tampoka ny fifantohako teo ampanarahana ilay fandaharana ‘lalam-piainana’ tao amin’ny tvplus ka momba ny fitaizana no lohahevitra tao. Nampitondraina ny lohateny hoe ‘mety ve ny mikapoka ny zaza sa tsia?’ moa io lohahevitra io. Tsy ilay votoatin’ny fandaharana loatra izay nahaliana ihany no tiako imasoana eto fa ny zara fotoana azony tao amin’ny fahitalavitra. Izay nitopy maso tao dia heveriko fa raikitra tsy nitady fantson-tsary hafa intsony indrindra moa fa manana taranaka tezaina izy. Misy vahiny heverina ho manam-pahaizana na afaka mifehy ny lohahevitra roa na telo eo ary afaka mandray anjara ihany koa ny mpijery efa nisoratra anarana mialoha. Ho an’izay liana dia mahatsapa any anatiny any fa na tsara aza ny fandaharana dia tsy afa-po velively izy. Raha somary lavalava kely ny anjara fitenenan’olona iray dia voahelingelin’ny tenin’ny mpanentana manao hoe aleo fehipehezina amin’izay fa efa hifarana sahady ny fotoana na mbola maro ny te-handray anjara fitenenana. Izany hoe tsy nisy afaka nivalampatra izay te-hiteny nefa io fahafaha-miteny io indrindra no nahatonga ireo mpanatrika ireo nisoratra anarana mialoha noho ny fahateren’ny toerana hanatontosana ny fandaharana indray. Dia lasa indray ny saiko nahita izay gejan’ny fotoana sy ny toerana izay. Vao maika aho resy lahatra ny amin’ny hanohizana ilay tetikasa.


Amin’izao fotoana izao moa dia zary adinodinoko ny manaraka fandaharana amin’izany fahitalavitra izany nefa mijery ihany aho rehefa tena mahaliana ahy izay mandeha ao. Hitako ihany any amin’ny fiafaran’ny fandaharana fa mametraka vohikala ahafahana manaraka ilay fandaharana vao nojerena teo ny onjam-peo iray na ny fahitalavitra iray. Ny mpanao dokambarotra moa dia afaka mametraka ny vohikalany ao anatina fandaharana iray eo ampanolorana loka na valisoa ihany koa izay hampiratian’ny mpanome valisoa kosa (ao anatin’ny vohikalany izany) ny tolotra vokariny kosa sy ny fomba hividianana azy amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera. Io no tsy mbola misy eto Madagasikara mihitsy (afa-tsy amin’ny gazety iray ihany ho fampidiram-bola). Tsy misy fandaharana tena mahaliana azo iverenana arahina (afa-tsy tao amin’ny sobika.com) ary tsy dia misy maneho sy mandrakitra an-tsoratra ny ankamaroan’ny fandaharana afa-tsy tamin’ny rta saingy lasa karajia (ifananihaniana) moa no tena nalaza raha niditra ny vohikalany talohaloha tany. Nisy fandaharana tao amin’ny mbs mba nampiasa bilaogy ihany koa hiaraka taminy saingy rehefa nijery ny isa ilaina ho fantatra amin’ny fandraisan anjara amin’ny fandaharana aho x kely milaza tsy fahatomombanana no mba hita. Ataoko fa tokony ho efa mivoatra ireny ankehitriny.


Mba mahaliana ahy raha nahare fandaharana na vaovao nahaliana aho nefa tsy nahatratra ny fotoana tokony hanarahana azy ka any amin’ny vohikalan’il  ay haino aman-jery aho no miezaka hanaraka azy. Mba mahaliana ahy (manokana) izany raha amin’ny teny malagasy no tena iompanan’ny soratra mipetraka amin’ireny vohikala ireny hanalana ao an-tsain’ny be sy ny maro, eto Madagasikara izay entanina hahatratra ny fandrosoana araka ny tokony ho izy, fa tsy fady tsy akory ny fampiasana io teny malagasy io amin’ny aterineto. Tsy maninona ny mampiasa ny teny ofisialy hafa eto Madagasikara fa tsy tiako hihen-danja tsimoramora ilay tenindreniko lalaiko. Efa nisy ohatra onjam-peo teto Madagasikara azo nohainoana tamin’ny aterineto fa tsy fantatro raha mbola mitohy izany na tapaka hatreo. Raha sanatria moa dia mba tiako indrindra raha mba hiverina hotohizana io fandefasana azy amin’ny aterineto io handrenesan’ny mahay teny malagasy rehetra manerana izao tontolo izao ny zavamisy eto Madagasikara. Mahaliana ahy ihany koa raha misy fanehoan-kevitra azo ampanarahana ny fandaharana iray na lahatsoratra an-gazety iray heverina ho tena mahaliana sy tian’ny mpamaky hanehoany ny heviny. Dia mba afa-po aloha ny mpamaky.


Mifandrindra amin’izany kosa dia azoko ekena (izaho manokana izay tena tsy iombonan’ny maro amin’ny mpamaky mihitsy araka ny fiheverako azy) raha lahatsoratra roa na telo ihany no tsy andoavam-bola ohatra ao anatin’ny andro iray fa ny hafa kosa dia mila famandrihana vao azo jerena na vakiana. Raha hampiroborobo ny aterineto manko dia mba tsinjovina ihany koa ny gazety amin’ny fidirambolany fa isika mianakavy ihany no ho voa mafy raha matiantoka izy fa mijery aterineto fotsiny ny olona ka bankirompitra ilay orinasa. Na izany na tsy izany kosa dia tafahoatra ihany ny an’ny La gazette DGI nefa varotra moa io ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka daholo.


Sarotra be ve ny fanarahana ny hevitro? Vola sy harena lany ho an’ny orinasam-pampahalalam-baovao indray ve ny mametraka sampan-draharaha manokana ho an’ny aterineto? Azo antsoina na iangaviana ihany koa ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisitera miandraikitra ny serasera raha mba mametraka vavahadibe amin’ny aterineto ahafahan’ny haino aman-jery rehetra manerana an’I madagasikara mametraka izay fandaharana mety ilain’ny be sy ny maro sy tian’ny mpanaraka hampidiran-kevitra ka maimai-poana io izany hoe ny fanjakana no mandoa ny hofan-tranonkala na tranontserasera. Izay araka ny hevitro dia fandraisana anjaran’ny fanjakana kosa amin’ny fampiroboroboana ny teny Malagasy.


Nofinofy ihany ve izany hevitro izany? Eo amin’ny kihondalan’ny fandrosoana isika eto Madgasikara eo amin’ny serasera manokana ka tsy maintsy misy ny fiovam-pijery manaraka izany fandrosoana izany. Atao izay tsy hahafaty ny reniny sy tsy hahabotry ny zanany. Mety ho toherinao tanteraka ny hevitro nefa eritreritra sendra mandalo ihany ny ahy. Io ambany io misy toerana azo hanehoan-kevitra raha nahatezitra anao izany nolazaiko fa alohan’izany dia ankotriho aloha ( actualiser) ny lahatsoratra dia apetraho ny hevitrao avy eo sao tsy tafiditra tratran’ny teny hoe miverena fa tsy mahazo alalana hametraka hevitra nefa mahazo tsara mihitsy. Ny fifanajana ihany no tandrovy.

Hevitra

Tsy ilay lohateny ihany no novoaboasin'i Jentilisa teto fa fahafahana (liberté) roa lehibe :
- Ny fahafahana mahazo vaovao
- Ny fahafahana maneho ny heviny

Kanefa misy sarany daholo ireo, fa tsy misy maimaimpoana, mbola angalana tombony aza indraindray. Ilay sarany fotsiny no mety miovaova. Mety ohatra hoe :
- ampandoavina vola ianao vao afaka mamaky na manoratra
- ampamakiana dokam-barotra ianao ho solon'ny fahafahanao
- mampandroso an'ilay sehatra ny fandraisanao anjara ao (win-win)
- misy olona tsara sitrapo fotsiny manefa ny sarany ho anao

Tsy misy ifanomezan-tsiny mihitsy izay fa samy mandeha samy mitady hatrany. Ny an'i lgdi izao, io izany no politika hitany ho "optimal" ho azy amin'ny resaka vola vs audience. Dia izay tsy faly amin'izay mibontsina, mangina rehefa tsy tompony :-)

ps : vaovao indray ilay "ankotriho" an ;-)

Nampidirin'i lap @ 09:08, 2007-10-30 [Valio]

Namaky ny lahatsoratrao h@ farany aho, dia naveriko indroa mihitsy fa betsaka ny teny tsy haiko (izaho mantsy mpanao vary amin'anàna;).
Mahafinaritra anefa ny votoantin-dresaka ary azo taritina lava be ilay izy, satria maro ny hevitra avoakanao azo volavolaina eto.
Amiko manokana aloha dia tsy tokony ho ny mpamaky mihitsy no mandoa vola (izy aza no omena fahalàlana koa), fa ny mpandefa dokam-barotra ohatra na ireo efa voalazanao etsy ambony ihany.

Raha ny fisainan'Ikala mantsy dia aleony mijery an'izay kely misy eo toy izay handoha vola amin'ny zavatra tsy hampitombo ny kitapom-bolany (izy aza hamoaka indray!!!). Amin'izay koa tsy misy zava mihavaka amin'izay omen'ny gazety tsy andoavam-bola manana ny vohikalany (site ve ny dikan'io?) akory.
Sady rehefa miaina aty lavitra aty, lasa ny VETO eto no arahina satria io no hiainana. Ka na dia tara iray volana aza ny gazety taratasy vao tonga aty, dia tsy maninona aminay izany.

Nampidirin'i ikalakely @ 09:39, 2007-10-30 [Valio]

misaotra anareo mamaly. Mahafantatra tsara mihitsy aho fa sarotra matetika ny mahazo teny malagasy noho ny tsy fahazarana. Izay indrindra no iezahako mametraka vaovao eto isan'andro araka izay azo atao satria fitiavana no antony voalohany dia izay ilay hoe fitiavana no mampandroso angamba.

Ny teny ankotriho indray dia izaho mihitsy no namorona azy ary mbola tsy mipetraka eny amin'ny akademia ihany koa ilay izy. Fa mbola ho avy moa ny hanazavako azy e!

Nampidirin'i jentilisa @ 12:02, 2007-10-30 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox