« | »

Matematika vaovao noho ny hetra

2007-11-12 @ 07:29 in Toekarena

Rehefa tsorina indray ny kajikajy  amin’ity resaka hetra vaovao kasaina hotanterahina manomboka amin’ny voalohan’ny taona 2008 iny vao mahita sampona tampoka eny ihany. Mpikarama ny tena ka tsy maintsy mijery an’izay mihatra amin’ny mpikarama amin’ity resaka hetra ity. Ny tena mampalahelo ny maro amin’ny mpiasa dia izay anaty rafitra mandoa hetra hatrany no ataon’ny fanjakana mangana amin’ity tsy maintsy mandoa vola ity. Ny tsy anaty rafitra kosa betsaka no mandray vola betsaka noho ny anaty rafitra saingy tsy miraika ny handoa mihitsy rehefa fanentanana fotsiny no atao fa tsy misy tena fanerena ny olona rehetra handoa. (Marihina fa tsy mbola nahita ny famoahan-kevitra aho tamin’ny nandrafetana ity lahatsoratra ity).


Fanazavazavana fohy sy tsotra araka izay azo atao angaha aloha no atao. Misy karazany roa araka ny fahazoako azy ny hetra fandoa isantaoona raha ity volavolana tetibolam-panjakana ity noresahina. Ny voalohany dia antsoina hoe hetram-panjakana ka voaray ao ny hetra amin’ny vola miditra (amin’ny tombom-barotra, ny vola miditra isam-batan’olona ary ny fikambanana) sy ny toa azy (solika,…) , ary io dia antsoina hoe hetra amin’ny vola miditra ka arotsaka ao amin’ny tetibolam-panjakana ankapobe. Ny karazany faharoa kosa dia antsoina hoe hetra tambatra izay voriana ao amin’ny tetibola ankapoben’ny fanjakana ihany fa ny vola azo amin’io dia omena ny faritra ny 40% ary ho an’ny Kaominina kosa ny 60%. Ny olona ampiharana ity hetra faharoa ity dia ireo ao amin’ny orinasan’olo-tokana na miasa ho an’ny tenany ka nby vola matiny, miditra ankapobeny dia latsaka na farafahabeny mahatratra ny Ar20.000.000 ao anatin’ny taona izany hoe amin’ny ankapobeny dia mpiompy, mpamboly, mpanjono, mpanao asa tanana, mpivarotra, mpanao asa tena,mpanakanto sy ny karazany, ny mpanao hanimasaka na misy na tsy misy trano ary ny mpitondra taxi.


Na ny hetram-panjakana na ny hetra tambatra dia mitovy ihany ny taha alaina arakaraka ny vola miditra. Toy izao manaraka izao izany: Hatramin’ny Ar100.000 dia akana Ar200, hatramin’ny Ar140.000 dia akana Ar500 ho hetra, hatramin’ny Ar160.000 akana Ar2000, hatramin’ny Ar180.000 akana Ar4000, ny mihoatra ny Ar180.000 dia akana hetra 25% amin’ny karazan-ketra voalohany sy faharoa. Mazava loatra fa raha miohatra tamin’ny taloha izay misy ambaratonga dia tena lasa tsotra kokoa ny fikajiana ny hetra saingy eto amin’izay ilay mahatonga ny lohateny hoe matematika vaovao. 


Mba mikajikajy tsinona ka mahita izao karazana fampimirana izao:Rehefa afaka ny hetra dia mitovy ny vola raisin’ny mpandray vola andeha atao hoe mpikarama isam-bolana Ar180.000 sy Ar235.000 fa raha nakana vola Ar4000 ilay Ar180.000 dia nakana vola Ar58750 kosa ilay mpikarama Ar235.000. Mifandrindra amin’izay ihany dia mandray vola ambany noho ilay mandray Ar180.000 avokoa izay mpikarama mandray vola anelanelan’ny Ar181.000 ka hatramin’ny Ar234.000. Karazana Kominisma vaovao angamba izy ity na mety hahalatsaka ny orinasa hifanaraka amin’ny mpiasa manana ireo karama anatin’ireo vanim-bola ireo “hampihena” ny karamany, izay tsyazo atao mihitsy araka ny lalàna nefa mety ho eken’ny mpiasa rehefa resy lahatra izy. Ankoatra ny karama sy ny hetrany manko dia manana adidy aloa amin’ny Cnaps sy ny Ostie ihany koa ny orinasa ka ireo no hanakana ny lehiben’ny orinasa tsy hanondrotra ny karaman’ny mpiasa mihitsy raha ohatra ka tiany ihany ny hitazonan’ny mpiasa hitovy amin’ny taloha ny vola raisiny.


Ny olona mpandray Ar220.000 tsy afa-ketra dia manana Ar165.000 rehefa noesorina ny hetrany. Ny olona mpikarama tsy afa-ketra Ar200.000 dia efa mionona amin’ny Ar150.000 sisa, nefa ny mandray Ar160.000 no analana Ar2000 ka lasa Ar140.000 no azony ka Ar10.000 sisa elanelam-bola. Ny mpandray vola Ar190.000 dia mifaly amin’ny Ar142.500 fa ny mpikarama Ar140.000 dia Ar139.500 no raisiny izany hoe Ar3000 no elanela-karama raisina. Ary ny mpandray Ar181.000 izay voa mafy indrindra dia efa mikajy soa aman-tsara fa Ar135.750 no raisiny izay efa ambanin’ilay mpikarama Ar140.000 voalaza eo ambony. Ny hany ny tsy fantatra dia ny antontan’isan’ireo mpikarama roa karazany ireo, dia ny mpikarama anelanelan’ny Ar140.000 sy Ar180.000 andaniny sy ireo mpikarama Ar181.000 ka hatramin’ny Ar235.000 ankilany. Ao amin’ny sokajy farany voatonona (izay misy ahy) ity dia efa karazany mihena avy hatrany ny karama raisina ankoatra ny tsy maintsy hamindrana ny karama any amin’ny banky, voafaritra anaty lalàna izany, izay tsy maintsy haka ny anjarany ihany koa na dia ilay hoe isam-bolana fotsiny aza. Ny fifanarahana amin’ny mpampiasa amin’ny vola aloan’ny orinasa dia famelezana ahy ihany rehefa ho retirety aho. Ny fahavoazako angamba dia noho izaho mampitaha ny karamako amin’ny sokajy hafa avy hatrany.


Fa ankoatra izany kajikajy rehetra izany dia ahitana ny ao an-dohan’ny mpitondra fanjakana amin’ny fitantanana ny Kaominina ihany koa ilay hampiasana ny vola. Ao amin’ny hetra tambatra dia voamarika mazava tsara fa voriana ao amin’ny tetibola ankapoben’ny fanjakana ihany fa ny vola azo amin’io dia omena ny faritra ny 40% ary ho an’ny Kaominina kosa ny 60% avy eo. Mampahatsiahy avy hatrany ny nanjo ny tanànan’i Fianarantsoa sy Toamasina tamin’ny fe-potoana farany teo. Rehefa tsy ny ao amin’ny Antokoben’ny fitondrana no hitantana ny Kaominina dia tsy ho azo itokisana na oviana na oviana ny hahazoan’ny Ben’ny tanàna ny anjara fampandehan-draharaha na mety ho fanorenana foto-drafitrasa ankoatra ny hoe efa miomana ny handany vola am-paosy izay Ben’ny tanàna ho voafidy eo. Dia samy hahita ihany koa ny be sy ny maro raha toa ka tsy ny atolotry ny TIM no ho lany eto. Ho sahin’ny eo amin’ny fitondrana ve ny tsy hanome mihitsy izay Ben’ny tanàna eto raha toa ka tsy Atoa hery Rafalimanana no lany eto?

Hevitra

raha tsy diso aho, ny hetra tambatra ( impot synthetique???) dia 6 % no voalazan'ny lalàna. ( titre II no misy io raha ny fitadidiako azy)

Nampidirin'i eprom @ 08:31, 2007-11-12 [Valio]

Fa ao anatin'ny volavola-dalàna dia voasoratra tsara fa atao miaraka na mitovy ny tahan'ilay fandoavana hetra...

Foana ny Taxe professionnelle izay tsy miova ny sara aloa amin'ny ankapobeny fa mety hitombo kokoa indray ny vola aloa raha jerena ny vola maty ao anatin'ny taona...

Nampidirin'i jentilisa @ 15:04, 2007-11-12 [Valio]

Fahadisoana: Nisy fahadisoana tokoa nataoko rehefa niverina namaky tsara ny volavolan-dalàna aho. Ny 6 isan-jaton’ny fototra tratran’ny hetra tokoa tahan-ketra amin’ny hetra tambatra. Ary tsy mahazo latsaky ny Ar16.000 ariary (andininy 01.02.05 ao amin’ny pejy 42 ao amin’ny teny frantsay ary 167 kosa amin’ny teny malagasy). Niverenako tsara mihitsy ka natao hanitsiana ny hevitra diso toy ny ahy angaha ity lahatsoratra ity. Ny hetra tambatra aloa izany dia 6%n’ny fototra angalana hetra izay ny sampan-draharahan’ny hetra mahefa no mamaritra azy.

Ny hetra ho an’ny karama sy ny toa azy no notantaraiko lavabe teo izay misy fahadisoana ihany koa rehefa namerina namaky azy lahatsoratra tsara aho: Hoy manko ny voasoratra eo amin’ny andininy 01.03.16 (pejy faha 169 amin’ny teny malagasy) izay indrisy tsy azoko tsara teo ampamakiana voalohany: Ampahany mihoatra hatramin’ny Ar180.000 .25 isanjato. Ary raha raisina kosa ny ao amin’ny teny frantsay (pejy 44 amin’io andininy io ihany) dia mametraka izao teny izao hoe: tranche supérieure à Ar180.000… 25 pour cent. Ahoana moa no hevitr’izany resaka izany?
Ny Raikipohy dia toy izao: Hetra alaina amiko raha mihoatra ny Ar180.000 ny karamako dia Ar4000 izay sanda alaina amin’ny mpikarama Ar180.000 ampiana ny 25%n’ny elanelan’ny karamako na ohatrinona io na ohatrinona amin’ny Ar180.000. Handray ohatra isika: raha raisina hoe Ar200.000 ohatra ny karamako dia Ar200.000 anesorana Ar180.000 no manome Ar20.000, ka io Ar20.000 mihoatra ny Ar180.000 io no akana ny 25% (na ampahaefany) ka Ar5000 izany. Raha atambatra izany dia Ar9000 no hetra alaina amin’ny karama Ar200.000 fa tsy Ar50.000 tsy akory. Ohatra faharoa fandrao misy tsy mahazo Raha Ar181.000 ny karama dia efa mipetraka aloha ny Ar4000 iaingan’ny kajy nametrahana ny Ar180.000 mandrakariva. Ny elanelana tratran’ny 25% izany dia Ar(181.000 – 180.000 =) 1000. Ny ampahaefatry (i.é. 25%) ny 1000 moa dia Ar250 ka io izany no miampy ny Ar4000 “hetra fototra? dia manome Ar4250.

Fehiny: manana ny fahadisoako tokoa aho. Ny olana dia nohadinoako ilay fomba fikajy mahazatra izay nisy ambaratongan-tahan-ketra ihany koa (afa-baraka izaho izay efa nianatra kely io zavatra io ihany koa). Na izany na tsy izany dia nitovy tamin’ny ankamaroan’ny sain’ny olona maro ny eritreritro. Raha nanazava ny tompon’andraikitra dia tokony tsy nionona tamin’ny fitenenana hoe mihena tokoa ilay hetra fa nahitsy avy hatrany ilay tao an-tsain’ny maro hoe raha mikarama efa-bolana aho izany dia lasan’ny fanjakana ny karamako iray volana. Nisy ihany iray tamin’ny mpikarajia niezaka nanazava ity saingy tsy azon’ny mpihaino mihitsy ny fomba nanazavany azy satria na izy aza tsy tena nahay izay tena tokony hikajiana azy. Izaho aza eto ampanoratana dia mieritreritra fa na ny mpanao gazety nihaino ny tale nisahana ny fananganana ity tetibola ity aza dia ahiako ho tsy nahazo ny resany fa nampita ny ohatra tao anaty taratasy ihany fandrao azon’ny mpamaky ilay izy saingy aleoko indray miteny hoe fanahiana tsy mitombina koa izany. Ataoko fa tsy ao anatin’ny fahadisoana intsony aho taorian’izay fanitsiana nataoko izay. Marihina fa vao fanehoankevitra iray ihany no novakiako hatreto fa aty an-trano aho no mandrafitra indray ny lahatsoratra. Na mety ho efa nisy aza ny fanazavana nanitsy dia averiko ihany ity satria hoy ny fitenenana malagasy manao hoe “Soa kenda hahay mitsako, Soa lavo hahay hamindra? no raha misy ny mbola tsy mahazo ny resaka dia afaka ny mamaly ihany aho raha manana fahafahana mivoivoy kely. Fampianarana sy fifanabeazana rahateo no banjinitsika fa tsy ho amin’ny fandranitana loatra.

Nampidirin'i jentilisa @ 07:05, 2007-11-13 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox