« | »

Vokatra tiko hafa kely

2007-11-29 @ 11:12 in Ankapobeny

Tsy misy resaka fampiesonana velively. Tsy fantatro koa na efa namoaka ny gazety na tsia fa dia ampiarahako amin’ny sary mihitsy ny ahy aloha. Tahaka ny hoe niova filamatra indray ny orinasa tantanin’ny fianakaviana Ravalomanana amin’izao fotoana izao. Raha olona tsy manaraka na inona na inona mihitsy dia hihevitra fa tena manaraka ireo teny ifanomezana anaty madagasikara amperinasa tokoa ny orinasa tiko. Kisendrasendra vitsivitsy anefa no mametraka fa fifidianana mihitsy no tiany avoitra.


Izany hoe ity sehatra lazaina eto ity izany dia mody mipetraka any amin’ny resaka dokam-barotra, eny amin’ireny fametahana afisy ngeza dia ngeza mameno ny tanàna ireny. Ny orinasa tsirairay dia mampiasa azy ireny hampirantiana ny vokatra na tolotra avy aminy. Apetraka amin’ireny ihany koa ny vokatra vaovao avy aminy ka tiana apariaka sy aely manerana ny tsena. Iza tokoa moa amin’ny orinasa amin’izao fotoana izao no tsy hiaiky ny fahombiazan’ireny fanaovana dokambarotra ireny, na ny eny an-dalambe izany na ny any amin’ny haino aman-jery? Fa jereo kosa ary ireo dokambarotry ny tiko e!


Voalohany dia tsy ny vokatra ataony no ambaran’ny sary, teo Ambohijatovo ireo sary roa ireo no nalaina, ilay hiditra indrindra ny lozok’Ambanidia. Inona ary? Ny soratra aloha dia mametraka fa manaja ny tontolo iainana ny orinasa… sarin’ny eny Anosy no asehony. Ha! Hay ny tiko no nanamboatra ireo fa tsy ny Kaominina? Toa izany avy hatrany manko no tonga ao an-tsaina, nefa mety hanao koa hoe mankasitraka ny zavatra mahafinaritra avy amin’ny tontolo maitso ny orinasa. Fantatra ihany fa napetraky ny filoha ho tale jeneralin’ny magro ao anatin’ny vondrona tiko ny PDS Rafalimanana antsoina anaty fampielezan-kevitra hoe Faly fa tsy Hery.


Faharoa manaraka izany ny andro nametahana ireo afisy telo ireo. Ny alina manasaraka ny andro voalohany amin’ny andro faharoan’ny fampielezan-kevitra hofidiana ho Ben’ny tanàna. Nahoana kosa moa ny olona no tsy ho taitra ihany raha mahita ireny sary ireny tampoka? Fantatra ihany fa raha toa tsy nisy fiovany ny lalampifidianana dia tsy azo atao ny manao fampielezankevitra amin’ireny fametahana afisy lehibe amin’ny tanàna ireny. Mety ho izay ihany koa no nanapahana ny afisy sasantsasany an’ny mpifaninana aminn’y tena ankehitriny ireny teo alohaloha teo. Mety (averiko indray fa fanombanana no dikan’ny teny hoe mety eto) tsy hanaiky ny karazana afisy tahaka ireny ihany koa ilay boay kely iny. Izy rahateo tsy ho afa-manampatra ny eo ampelatanany loatra amin’io afisy io.


Fa na izany na tsy izany dia nisy fivoarany tokoa aloha io toerana manodidina an’Anosy io (jereo ny sary). Mampahatsiahy ny nandehanako teny amin’ny anjely manolotra voninahitra voalohany efa ho 15 taona lasa izay. Vantany vao teny afovoany izahay (roa) dia nanontany ny sasantsasany amin’ireo mipetrapetraka eny hoe maninona aty ianareo. Namaly izahay hoe mba mitsangatsangana. Namaly ireo hoe tsy dia fanaovana izany loatra aty… sao maradratra amin’ny tsy antony eo, ataovy sady voalohany no farany andehanana aty, hoy ny iray. Azonay avy hatrany ny resaka hoe sao dia voaendaka aty. Ary mety ho izany no tsy dia nandehanan’ny olona teny. Ankehitriny kosa dia maromaro ihany ireo mivezivezy mankeny, ny Shinoa moa no tsikaritro e!  Misy mpaka sary ihany koa eny (izay heveriko fa mpiambina ny jiro no marina kokoa) ho an’izay te-halaina sary moa mazava loatra. Jereo koa anie ny fivoarana fa niala tamin’ny tsangam-bato no niditra tamin’ny fantsintsitran-drano.Nosoratana androany 29 novambra 2007

jentilisa

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox