« | »

Ka iza ary no hisolo ny Shoprite?

2008-01-09 @ 07:22 in Toekarena

Orinasam-barotra goaibe Afrikana Tatsimo ny Shoprite araka ny fahalalako azy. Izy no nisolo ny Champion izay tsy tamana teto Madagasikara intsony rehefa nifarana hatreo ny fitondran-dRatsiraka Didier. Raha izay tadidy izay no lazaina dia tokony ho tamin’ny taona 2003 teo ho eo no niditra ny tsena malagasy ity fivarotana goaibe ity.

 

Raha misy ny toerana tsara indrindra azony mahalaza tsara azy dia io eo Antaninarenina (Printemps, Prisunic, Champion ary farany Shoprite) io. Na dia lavitra akaiky azy aza manko ny eo Analakely anoloan’ny Lycée Rabearivelo dia azo lazaina fa samy manana ny mpanjifany izy roa ireo. Ho anareo mbola tsy mahalala ary dia nikatona io Shoprite eo Antaninarenina io nanomboka ity volana ity noho ny tsy nanavaozan’ny tompony intsony ny fanofana ny trano. 


Azo lazaina fa tombombarotra misimisy ihany no very noho io fikatonana io ary hahazo tombony izay hahazo io toerana fantatra amin’ny mahatsenambarotra lehibe azy. Dia hibanjina any ny mason’ny mpanarabaovao liana hahafantatra haingana dia haingana izay nahazo ny tsena. Mbola ho tsenambarotra ihany ve sa hampiasaina zavatra hafa amin’izay? Aza hitako anie ka lasa mahagrrrr…aoka marina e !

Hevitra

Efa elabe aho no naheno hoe ho bye bye hono ny Shoprite (rehetra) sy ny Celtel Madagascar fa hoe misy tsy fifankahazoana hono eo amin'ny mpitondra malagasy sy ny afrikanina tatsimo. Dia hiova koa hono ny Celtel. Mba mahita zavatra ireny mpampita honohono ireny an! Indraindray marina, matetika diso.

Nampidirin'i DotMG @ 09:44, 2008-01-09 [Valio]

Ka ny Celtel anie hiova ho Zain e! izay aloha no efa henoheno koa!

Nampidirin'i jentilisa @ 10:15, 2008-01-09 [Valio]

ra8 aza otran'ny actionnaire ao @ shoprite kou :) zany hoe tsy majoritaire izy alou e. Mety hoe mitombo kokoa ny sosy miditra aminy ny ra magro no eo... ny tanana mbola malalaka be, tokony tsy nesorina teo ny shoprite ra hoe magro no asolo azy.

Celtel miova Zain, rebranding fotsiny fa tsy miova ny tompony ka.

Nampidirin'i simp @ 13:14, 2008-01-09 [Valio]

Izaho anie tsy niteny hoe voatery ho magro e! fanahiana ny ahy ka mety hahatonga ahy hanoratra hoe dia tsy menatra ve? Mbola hiaraha-mahita fotsiny izay hitranga.

Matoa manko tsy nanavao ny fanofana intsony ny tompontrano dia mazava be fa efa nisy niresaka izy na mieritreritra ho izy mihitsy no hanao raha eo

Nampidirin'i jentilisa @ 15:54, 2008-01-09 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox