« | »

Ny karamanay aza tsy hiakatra mihitsy

2008-01-10 @ 09:45 in Toekarena

Nanana ny lazany teto amin'ny tanàna indray ity resaka nampakarana ny karama ity. Ny an'ny mpiasam-panjakana no nolazaina voalohany tamin'ity raharaha ity nandritra ny kabarin'ny filoha Ravalomanana tamin'ny faran'ny taona teo iny.10% no nolazaina ary natao hoe nahakivy ny mpiasam-panjakana izany. Izaho indray tsy hitako izay tokony hahakivy satria samy manao ny ataony daholo ihany ary raha misy ny sampan-draharaha tsy mandeha amin'izay laoniny ny fanaovana asa dia ny asam-panjakana no malaza voalohany indrindra amin'izany. Ny an-dry zareo aza misy fampakarana ihany isan-taona fa ny anay izany indray mandeha ihany izay tao anatin'ny dimy taona, sady noho ny "fiakaran-daharana" fa tsy hoe niakatra tamin'ny toerana nisy ahy.

Androany indray dia nahita tamin'ny gazety fa nanao soso-kevitra hampakarana ny karama koa ny patirao "sasany". Averiko indray ny hoe sasany ka tsy 10% toy ny an'ny mpiasam-panjakana fa 8% hoe. Endrey, mba misy vondrona manao izany ihany kay? Ny anay manko dia efa nilaza mialoha (aza manontany izay misy ahy fa tsy hilaza koa aho) fa na dia te-hanondrotra aza dia tsy afaka noho ny nampakaran'ny fanjakana ny isan-jaton'ny hetra alaina amin'ny orinasa. Tsy hilaza ny taha ihany koa aho satria ho hita any amin'ny teti-bolam-panjakana 2008. Indrisy ry mpiasan'ny tsy miankina toa anay fa tsy hisy ny fanondrotana...

Fa ny mba mahagaga ahy dia ny hevitra sasany manao hoe aleo, hono, tsy ampakarina ny karama, dia sakanan'ny fanjakana ihany koa ny fiakaran'ny vidin'entana. Atao ahoana fa izay angaha ny tarazon'ny fotokevitra sosialista revolisionera niainana fahazaza. Ny vidin'entana tsy ho azo ferana na oviana na oviana tsy hiakatra indrindra ao anatin'izao vanim-potoanan'ny fanotoloana izao. Zaranareo izay mahazo fanondrotana aza fa na dia miakatra aza ny vidim-piainana dia manana hafainganam-pandeha tsaratsara kokoa ianareo noho ny anay omaly tsy miova.

Fa izany eo ihany fa iza ary ireny manam-pahaizana momba ny antontanisa milaza fa 15% ireny ny fiakaran'ny vidin-jiro? Ny ahy ve rangahy lasa avo roa heny mihitsy ny fiakarany dia 15% hono... any amin'ny vaniny faharoa anie no tena mamely ilay fisondrotana e! (2° tranche no tiako lazaina fa ilazao ihany aho raha misy teny malagasy metimety aminy kokoa. Fa na dia hiakatra 8% aza ny karaman'ny mpiasa tsy miankina hafa ny anay aloha efa niala tsiny ny lehibe e!

Hevitra

misy filazan'ny voanjo hoe "l'homme est un eternel insatisfait", izany hoe tsy mba mety faly @ izay ananany mintsy ny olona.

Tsapandrizareo ihany hoe zarany aza nahazo 10% nge fa io le hoe mba mimenomenona kely e, sao d mba mahazo mihoatra :)

za sy dotmg efa nanao resaka lava be tatsy ambadika tatsy fa hoy aho hoe mitombona doly na ilay 8% na ilay 10% fa ny mihoatra an'zay aloha dia ho nofinofy ihany e.

D mba otrin lesy zany zao ny tariff an'ny JIRAMA? tiako fantatra fotsiny :)

Nampidirin'i simp @ 13:15, 2008-01-10 [Valio]

Andraso hojereko indray ny faktiora fa any an-trano no misy azy e!

Nampidirin'i jentilisa @ 16:11, 2008-01-10 [Valio]

Ny vidin-jiro moa dia mizara roa, fandaniana voalohany sy fandaniana faharoa. Ny fandaniana voalohany satria tarif 14 ny ahy dia hatramin'ny tondron'ny mpanisa 25 ka izay mihoatra ny 25 dia lasan'ny fandaniana faharoa. Ny voalohany izany dia 126 ariary lasa 140 ariary ny 1kWh. Ny fandaniana faharoa kosa izay 525 ariary dia lasa 605 ariary ny 1kWh. Ity faharoa ity no mahavetivety avo roa na telo heny ny vola aloanao satria efa ety dia ety izany fandaniana 25kWh izany Ny resaka rano moa dia 310 ariary no mm
Nampidirin'i jentilisa @ 07:11, 2008-01-11 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox