Tokony hampahafantatra ny hetra sy haba aloany ny Tiko
Eo anoloan'ny fisondrotan'ny hetra sy ny haba isankarazany dia mandeha dia mandeha ny fanontanian'ny mpiresaka an-dalambe, fa tsy amin'ny haino aman-jery hoe mba mandoa vola ve ny tiko sa orinasan'ny filoha dia tsy takian-ketra?
Mitsamboaboatra ihany ny olona raha vao ampifandraisana ny hetra aloan'ny olona ka iniana anotaniana hoe mba manao ahoana ny vondrona tiko? Koa raha sahy sy te-hampangarahara ny toe-java-misy manaporofo ny fitiavan-tanindrazany amin'ny fandoavan-ketra ny tiko dia tokony hanambara izany ampahibemaso sady hilaza ny vola naloany isan-taona indrindra hatramin'ny nitondran'ny filoham-pirenena.
Efa manahirana koa manko ny lahatsoratry ny vaovaontsika indraindray tahaka ny fanaovana lohateny hoe politikan'ny fitarainana. Dia manantena isika fa hampiseho ny fanatontosany ny adidiny ny orinasan'ny filoham-pirenena
Hevitra
tsikera
ka io anie ry jentilisa tsy misy mihitsy ny sahy hilaza fa oe nando izy na tsia e! ary iza koa moa no sahy hanotany azy eo e!
ny hany azo tenenina angaha dia ny oe tsy tokony hisy hiangarana fa rehefa orinasa io dia tokony handoa daholo fa tsy ny oe ny lehibe lehibe ihany fa ny vahoaka foana no hinana katsaka lava eo!
Mba tsara ihany ny katsaka na dia izany aza. Fa miala tsiny fa eto aho vao mahita ny tsipelina maromaro diso noho ny fahamehana. mbola hahitsy rehefa malaladalaka kokoa.
Ny tokony hampahafantarina
1°-Ny hetra sy haba aloa sy tsy aloan'ny orinasa vahiny rehetra mihaza harena eto Madagasikara no tokony ho takina ny fampahafantarana azy ISAM-BOLANA;
2° Torak'izany koa tsara raha ampifanatrehana amin'ny hetra naloany sy ny toe-pananany amin'izao fotoana izao, ny fanambarana momba ny hetra nataon'ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao fanjakana ambony ary ny mpanao pôlitika isan-taona, nandritra ny FOLO TAONA lasa;
3° Farany, tokony ho teren'ny lalàna ny antoko pôlitika sy sy mpanao pôlitika hamoaka ny totalin'ny vola sy/na fanampiana isan-karazany noraisiny avy amin'ny orinasa sy avy any ivelany.
Mazava ho azy fa tokony ho voarara ka ho faizina mafy dia mafy ny fandraisana vola sy fanampiana mivantana na an-kolaka avy amin'ny olon-kafa firenena na avy amina Fanjakana avy any ivelany.