« | »

Bye Bye Karajia

2008-01-19 @ 09:53 in Andavanandro

Tsy lahatsoratra amin'ny teny anglisy akory izy ity na dia natao teny anglisy aza ny lohateny. Vita hatreo izany ny antsoina hoe "karajia" ao amin'ny Radio Don Bosco fa ny karajia ao amin'ny namana serasera sisa no mitohy ( sa moa tsy karajia ilay mitshaty ao?).

Na ho inona manko na ho inona ho tohin'ny toe-draharaha dia efa nanapa-kevitra ny hanolo azy fandaharana hafa amin'ny lohateny hafa ny ao amin'ny Radio Don Bosco. Izany hoe raha nosakanan'ny minisitera ity fandaharana ity hiato aloha, ny Radio kosa no nanapa-kevitra hanajanona azy tanteraka ary hametraka eo amin'ny tantara izany fandaharana karajia izany.

Izaho manokana dia mpankafy ity fandaharana ity sy ny kidaona maraina nanaraka ny fombany,  no namoahako ny andiam-pandaharana maresaka tao amin'ny vondrona ifandraisana an-taratasy imailaka serasera volana febroary sy marsa 2005 izay azonao vakiana eto. Ny tanjona notratrariko tamin'izany fotoana izany dia ny hampifanakaiky kokoa ny Malagasy eto an-toerana sy ny Malagasy any ampielezana amin'ny resaka adi-hevitra. Hitako tena tsy arako mihitsy manko ny fandehan'ny resaka ary nanapa-kevitra aho ny hampita kosa izay iadian'ny aty an-toerana hevitra. Ireo fandaharana roa ireo no tena nampitaiko.

Nanaraka izany dia efa voatohitohina madinidinika teny ihany ny fandaharana "karajia" ka nahatonga ny mpiandraikitra tao handray fanapahan-kevitra hiarovana mandrakariva ilay fandaharana sy ny fahafaham-pitenenana. Indro averiko eto ny efa nosoratako tany amin'ny Politika Fanorona (bolongako tany amin'ny blogspot niresaka manokana ny lalao sy ny politika) tamin'ny 02 marsa 2006 izay raha tsy diso aho dia efa noesoriko io fa tsara tahiry kosa:

020306
Fahalalana sy tahotra
Ataoko fa tsy vahiny amintsika rehetra intsony izany hoe radiô malagasy andraisan'ny mpihaino fitenenana hilazany ny heviny izany. Ny radiôm-panjakana aloha no tsy ao loatra amin'io hatramin'izao fotoana izao ankoatra ny fanontaniana ny vahiny asaina amin'ny fandaharana alahady hariva ireny.

Tao ho ao dia nampiasain'ny sasany hanakorontanana ny saim-bahoaka ilay fandaharana fanaraky ny olona liana amin-kevitra sy zava-misy tantarain'ny mpihaino. Voatery nandray fepetra ny radiô tsy miankina iray malaza amin'ny fahamatorany. Tsy najanony ny fandaharana fa noraisiny naoty aloha ny anarana sy ny nomeraon'ilay mpiantso. Ny andro voalohany sy faharoa nampiharana azy dia niteny mihitsy ny mpanentana fa maro ny olona nihemotra rehefa nanontaniana ny anarany. Maro ny natahotra sao migadragadra fahatany noho ny heviny eo. Tsy hoe misy sivana tsy mahazo miteny ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana, hoy ihany ny mpanentana, fa mba ho fandraisana andraikitra amin'izay tenenin'ny tsirairay ihany no antony. Nisy tokoa ny nanararaotra toy ny banga nihomehy alina fony tsy nisy izany, fa dia fanalam-baraka hatrany no nataony. Ny fifidianana rahateo efa mandindona ihany.

 Raha nitohy izany dia na ny fandaharana no lasa tsy nisy maminy intsony na voatery niditra an-tsehatra ny fanjakana. Tsy misy tombotsoa velively azo avy amin'ireo tranga ahiana ireo fa dia ny fahafaha-miteny no ho tankina. Efa nisy tokoa ny olona nanala baraka manam-pahefana mivantana tamin'io fandaharana io ary voatery naka ny horonam-peo mihitsy hamakafakana ny hanadihadiana izay lazain'ilay olona sy ilay olona mihitsy aza moa. Ary dia sarona tao ny ati-doha nanao teti-dratsy. Mety ho efa hitantsika anaty gazety ny momba io raharaha io fa tsy any aloha ny resaka. Amin'izao fotoana izao dia tena nandanjalanja tsara ny teny lazainy avokoa ny tsirairay: ao ny mitsikera ny zavatra ataon'ny mpitondra, ao koa ny miaro na manome antony.

Nihena be dia be ny teniteny foana sy ny fanevatevana olona ary misokatra tsara ny adi-hevitra. Nihena koa anefa etsy ankilany ny mpandray anjara. Rehefa nihaino ilay radiô iray mpanao toy io aho ka tsy mandray anaran'ny mpiantso kosa izy ireo dia hita avy hatrany fa tsy toy ny taloha ka tohin'ny resaka tary amin'ilay radiô voalohany no voatery ho re ao. Efa misy dikany lehibe aloha izay. Izay zavatra toy ny bitika izay no ahitana fa ilaina ny aro-fanina amin'ity fahalalahana ity. Ny Malagasy manko no zatra gaboraraka loatra ka nony injay misy fepetran'andraikitra amin'izay teny lazaina dia manemotra andro itenenana aloha hieritreretana tsara.

 Ny aro-fanina akory tsy fefy anakanana anao ho amin'ny sehatra malalaka na tianao aleha fa fiarovana anao kosa tsy hidaboka anaty hantsana ho maratra na ho faty sanatrian'izany. Eo amin'ity fampielezam-peo ity no ahitana tsara ny fitadiavam-pampandrosoana ny sehatra iriariavany fa ny sehatra tantanin'ny fitondrana kosa ve mba ahitana ny toy izany? Efa tsara aloha ny famelana ny haino aman-jery tsy miankina hanapariaka ny onjam-peo sy sary manerana an'i Madagasikara, na dia voatery hametraka antennes manerana ny faritra tiany anapariaham-baovao aza izy ireo. Fa mifanindran-dalana amin'izay dia mitaky vokatra mahasarika sy malalaka avy amin'ny haino aman-jerim-panjakana izany.

Miala tsiny raha naveriko manontolo. Tsy nisy nanabangako na dia ny hevitro manokana aza.  Efa nametraka aro-fanina ho azy mandrakariva ny mpanentana ny fandaharana tamin'izany fotoana izany. Samihafa ihany koa ny toe-draharaha tamin'izany fotoana izany sy ny amin'izao fotoana izao. Mbola natanjaka be ny teo amin'ny fitondrana na maro an'isa kokoa ny mpanohana azy. Mpiantso ihany koa aho tamin'izany fotoana izany ary tsy natahotra ny nanonona anarana tamin'ny mpandray ny antso.

Amin'izao fotoana izao kosa dia malemy dia malemy ny fanjakana raha ny ampahan'olona mpankasitraka azy amin'ny ankapobeny eto Antananarivo no heverina, hany ka niantsambotra raha vao nahare olona iray nandroso soso-kevitra hoe "na midina eny amin'ny 13 mey aza ny olona dia tsy hanimba zavatra velively tsy akory." Izay feo izay ilay tsy tantin'ny fanjakana sady araka ny fepetra dia tsy azo atao intsony ny midina milahatra eny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Manontany tena aho hoe ny eny ihany ve no tsy azo atao sa ny maneho hevitra midina an-dalam-be mihitsy?

Manaraka izany dia nitsinjo izay voasoratra tamin'ny haino aman-jery sy ny tontolom-bolongana aho (fa ity farany ho'aho tsy mbola nahitako mihitsy sa izaho no tsy mahay mijery?) ka azo fintimpintinina toy izao:

Ny vaovaontsika ao amin'ny pejy fahatelo mitondra ny lohateny hoe "misy fetrany" dia mamelively fatratra ny mpanao gazety namany ka ny voalohany nasiany tamin'izany dia filohan'ny onjam-peo mahaleo tena (ajrp), hoy ny fanontaniany hoe "azo sokajiana ho anisan'ny fampahalalam-baovao ve ny fandaharana feno tora-po sy teny tsy voahevitra sy feno fihantsiana Mpitondra toy ny karajia?"

Asa! rehefa famoahan-kevitra manohitra ny fitondrana angamba no antsoina hoe fihantsiana ny mpitondra. Ny ankabeazan'ny olona miditra ao dia saiky matotra avokoa fa raha vao misy ny olona mivaona dia mpiantso hafa ihany no manitsy azy hoe aza ny olona iadiana hevitra no tsikeraina fa ny heviny. Rehefa resy amin'ny adi-hevitra manko ny sasany dia ilay iadiany hevitra no kianiny.

Dia notohizan'ny vaovantsika indray ny fanontaniana ka ny Rdb indray no iantefany:" Mendrika ny fitaizana araka ny evanjely ve ny... fanomezana vahana hanohitra sy hiteny ratsy ny fitondrana...?"

Dia nisy namako katolika izay no tsaroako (izaho moa protestanta) fa manana maopera izay izy mandrisika hatrany ny vahoakan'Andriamanitra hijoro amin'ny marina satria andry iankinan'ny Evanjely ihany koa ny filazana ny marina. Foana ny evanjely tsy misy fijoroana amin'ny marina. Tsy mbola nisy niteny ratsy ny mpitondra kosa tao fa ny ratsy nataon'ny mpitondra no mety ho voalaza tao. samihafa izany teny izany.

Dia teny amin'ny faraparan'ny lahatsoratra moa no nilazany hoe "zara aza mba tsy nakatona teo ny onjam-peo" ka hoy aho hoe "andramo e!". Izao tokoa manko, any amin'ny faritra hafa raha misy ny tratran'ny fanapahan-kevitra sahala amin'izao dia ny onjam-peo avy hatrany no mikatona. Ity kosa dia ny fandaharana ihany no naato. Gaga ny mpanara-baovao: Tsy sahy manakatona onjam-peo angaha?

Misy moa ny hevitra hafa navoakan'ny gazety hafa fa ataoko fa mitovitovy avokoa izy rehetra, anisan'izany ny tao amin'ny madagacar tribune izay anekeko tokoa fa naheno ilay antson'olona tamin'Atoa Manandafy Rakotonirina aho hirotsahana eny amin'ny 13 mey saingy tsy naato moa ny fandaharana.

Farany: ny antom-piampangana moa dia "firaisana tsikombakomba amin'ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka", izany hoe raha ny fahazoako azy dia fanohintohinana ny filaminam-bahoaka ny fiantsoana hidina hilahatra an-dalambe. Marihina fa dia nilaza momba ity raharaha ity avokoa na dia ny haino aman-jerin'ny mpanohana ny fitondrana aza (mbs) tamin'ny vaovao alina, fa ny tamin'ny radio nasionaly kosa dia avy tamin'ny fanambaran'ny holafitry ny mpanao gazety ihany no mety ahenoan'ny olona manerana an'i Madagasikara ny "fampiatoana" ny fandaharana karajia. Na dia ity fandaharana karajia ity ihany aza no nosakanan'ny fanjakana dia najanon'ny Rdb hatramin'ny fandaharana isaky ny alatsinainy maraina amin'ny 10 ora sy sasany ka hatramin'ny 11 ora sy sasany hialana amin'ny fanararaotana hoy ny mpiandraikitra. Raha ny voasoratra amin'ny taratasy fandrarana anefa dia tsy voakasika mihitsy ity fandaharana ity raha ny tokony ho izy fa ny tao amin'ny fampielezam-peo mihitsy no nanapa-kevitra.

Hevitra

Ramose> Allô, Radio Record?
Mlle> Eny akish.. Ahoana akish ny an-driako izay? (feo mikarantsana mankarenin-tsofina, miharo vanitika kely izay)
Ramose> Mba hangataka hira, lé halako fombanao an'i Tsiliva.
Mlle> (sady manao an'lé hira, mamalana sady fotsy feo) Halako fombanao, halako fombanao, jampela a!
Mlle> Atolotra ho an'iza hono?
Ramose> Ho an'i Jentilisa dé i DotMG dé i Ketaka dé i Bozy dé, ...

Izany sisa no ho re @ onjam-peo afaka kelikely

Nampidirin'i DotMG @ 11:47, 2008-01-19 [Valio]

Manahy mafy aho!

Nampidirin'i jentilisa @ 12:07, 2008-01-19 [Valio]

ikalamako

ary aleo dia efa hanomana hira dieny izao fa raha vao lasa izao dia ho an'i jentilisa sy Dotmg tokoa ny voalohany angatahana, lol. Mahakivy re !

Nampidirin'i ikalamako @ 13:14, 2008-01-19 [Valio]

Mbola hanagadra mpanao gazety vazaha ohatra an'i Nigeria koa isika afaka kelikely

Nampidirin'i lap @ 19:57, 2008-01-19 [Valio]

Inona ilay "teti-dratsy" sarona?

Hamono sa hanongampanjakana?

Nampidirin'i Kitana @ 08:20, 2008-01-20 [Valio]

Fa ny ahy ny fanontaniako hoe rehefa mpitondra ve dia tsy maintsy tratran'ny paranoïa ? Sa lasa mihevitra azy ho andriamanitra an-tany tsy hay kianina ?
- Raha mitsikera dia fihantsiana sy fitenenan-dratsy izay no dikany. Blasfema izay ho ny sasany (ireo lazainan'ny hafa fa fanatika).
- Izay maneho hevitra na miresaka filaharana an-dalambe dia fanakorontanana filaminam-bahoaka no fandikana izay. Hanangana tilikambon'ny babela ianareo hoy ny sasany (ireo lazain'ny hafa fa fanatika).
- Raha sendra manao adalana miteny ratsy moa dia famonoana sy fanonganam-panjakana no dikan'izay.

Nampidirin'i Shadow @ 12:41, 2008-01-20 [Valio]

Asa ze adin'ny opposition @ zao fa dinika ambanin'ny tany aloha tsy maintsy efa miainga e. Hagegena miaro tsingaka ny tsy fandraisana anjara @ fifidianana regionale hoy aho...
Za manokana tsy dia hitako catastrofika en tant q telle aloha ilay hoe fi-ban-iavana an'ilay karajia e, hoe du point de vue fahafahana eo @ aino aman-jery... Mino ah fa tsapan'zala ihany fa ra mitohy @ izy lalana izay izy dia vao mia hidina andalam-be ny vahoaka... mais bon, mety zavatra goavana kosa angamba vao tena hisy an'zany... moa koa mila mpanisy sira (herizo??) sy mpampirehitra afo, i TGV sa iza hihihi, vao tena ho raikitra izany :)

Sinon, profil bas fotsin'ny ny an'i ra8 d milamina io. Afaka 1 volana adinon'ny ol wazy eo...

Profil b

Nampidirin'i simp @ 13:08, 2008-01-20 [Valio]

mbola nofinofy ny "liberté d'expression" any amintsika. Sady izay koa moa rehefa omena alalana dia betsaka indray ny manompa sy ny manevateva sns, tsy hita ihany izay hanaovana azy

Amiko manokana, resaka civisme izany. Ny mpitondra lasa parano (ao raha matoa matahotra grey, nefa dia grevy no tena nanampy azy tafakatra teo), ny mpiantso sy ny mpandray anjara tsy mba manaja tena fa salamin'ny sovaly tapakofehy, nefa rindrina aza manantsofina...

Mampalahelo lasa ilay émission no foana nefa tena manampy betsaka na dia hahafantarana ny mety ho eritreritry ny vahoaka tsotra fotsiny aza....

f'inona moa fa dia hitombo indrya ny haheno hoe "Aza miala @ record oa eeeee"

Nampidirin'i Sonia @ 20:09, 2008-01-20 [Valio]

mba tenin'ny gasy avy aty an-dafy izy ity ka aza dia tezitra ambony ihany an ! tany tana aho tamin'ny jeux des iles iny dia mba nihaino ilay tafatafa @ radio indrindra. ka nopihina fotsiny fa fitenenam-poana sy hevi-dravina. mamaky gazety ka eo @ fahefa-kadiny eo dia vita tsisy horaisina. amiko aloha ilay fahefam-pitenenana dia mbola fanjakan'ny baroa. kanefa dia ekena fa izay no tadiavin'ny maro.

na izany na tsy izany dia tokony ho fadiana manomboka izao ny fidinana eny andalambe hanongam-panjakana. tsy mbola nitondra vokatsoa ho an'ny malagasy @ ankapobeny ny fitokonanan'antananarivo. tsy aleo ve manomana izay olona hitanareo fa afaka hitondra ! maharesy @ fifidianana foana anie ianao rehefa ho tonga ny andronao !

Nampidirin'i Rajiosy @ 22:07, 2008-01-20 [Valio]

ny gasy tsy mbola mazaka demokratia sy resaka falalahana arapitenenana.
ny toe-tsaitsika mitsy no mila amboarina tsikelikely.

hoy ny vôza hoe: trop de liberté tue la liberté! mila mahay mandanjalanja! eo indrindra tsika zao

Nampidirin'i maintikely @ 22:43, 2008-01-20 [Valio]

Tsy mbola nahazo valiny mikasika ilay "teti-dratsy" sarona !!!!!!!!

Manaraka izany, malemy , parano , ny fitondrana ? Mandrangitra, manomana fanonganam-panjakana ny mpanohitra?

Tsy any angamba no tena tokony ho fipetrahan'ny fanontaniana fa any aminy hoe : ny demaokirasia ( ny zavatra rehetra takian'izany) ve mifanaraka aminy toetsainy malagasy amin'izao fotoana izao (ny politisianina sy ny vahoaka) sa teny ambava indramina ary ampiasain'ny "avara-pi" ( fitazomana fitondrana na fangalana an'io ankeriny) fotsiny?

Ny "aro-fanina" voalaza dia atsangana ho fandrosoan'ny maro isa ! Ilaina io , ary tsy ho voatery mitovy aminy an'ny firenena hafa akory.

- ilaina eo aminy fiaraha-monina, kanefa raha toa ekena fa ao anatiny fiaraha-monin'ny malagasy ny fanalambaraka sy ny fandotoana ny hajan'olona maimaimpoana dia tokony ho esorina daholo ny sekoly, fiangonana sy fikambanana rehetra mitaiza.

- ilaina eo aminy fiarovana ny filaminany fiainan'ny maro isa, kanefa raha ekena fa tsy natao hanana fifandimbiasana mitondra fanjakana milamina ny malagasy dia tokony ho foanana daholo ny lalAna mikasika izany,, ary dia tsy tokony handany vola ho an'ny fifidianana intsony . Raha ekena fa tsy mendrika ny maka andraikitra sy mizaka ny vokatrin'ny teny sy atao ny malagasy dia tokony ho foanana ny tranompitsarana, ny mpitsara, ka ny vahoaka no aoka hanao lynchage raha tiany izany, satria "demaokirasia".

Raha mba fantatriny vahoaka moa fa tsy ny politisianina akory no ho voa mafy aminy fahalalahana tanteraka tsy misy "aro-fanina" fa izy ihany!

Nampidirin'i Kitana @ 06:47, 2008-01-21 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox