« | »

BOMBs Teny malagasy

2008-01-21 @ 08:15 in Ankapobeny

 

Misaotra anareo rehetra izay nifidy sy tsy nifidy ahy, nahatonga ahy ho "Best of malagasy blogs" taona 2007 teny malagasy. Tsy zavamora izany satria avy amin'ny safidinareo mpamaky sy ny naotin'ny mpitsara. Tsy adinoina ihany koa ny fisaorana ny mpikarakara ity fifaninanana ity ho fampiroboroboana ny tontolom-bolongana malagasy manerantany. Ankasitrahana ny namakianareo manokana ity blaogy ity hatramin'izay ary hamakianareo azy hatrany. Tsy afaka ny hihambo ho mahay indrindra amin'ity zavatra ity anefa aho fa toy ny zazavao hatrany, na raha manahirana io teny io dia hoe mbola mianatra mandrakariva.

Raha natao manko ny fampitaha ary tsy afenina izany, dia nihena atsasany tany ho any mihitsy ny mpamaky raha nampitahaina ny isany tamin'ny Visavisa Jentilisa sy ny Vaovao Eto an-TOerana. Nefa mbola nosafidianareo hatrany ho ny tsara indrindra tamin'ny taona 2007 aho teo amin'ny teny malagasy. Heveriko fa ny fotoana nandaozana ity sehatra ity elalea na/sy  ny fibahanan'ny politika no anton'izany fihenan'ny mpamaky izany. Fakana lesona avokoa ny zava-drehetra. Tsy maintsy hisy hatrany ny fivoarana araka izay azo atao na dia izany aza.

Eto indray dia mankahery anareo mpibilaogy (mpamaham-bolongana hoy aho izay) rehetra hitozo hatrany, noho ny fitiavana, ho fampiroboroboana ny teny malagasy amin'itony aterineto itony. Any amin'ny lahatsoratry Vazahagasy moa dia naniry izy mba ho malagasy eto Madagasikara avokoa no handrombaka ny fandresena amin'ity taona vaovao ity. Tsy nanomana ary tsy nikasa hanomana izay soratako eto aho fa izay no "vokatry ny fo".

Hevitra

Araraoty hatrany raha azo atao ny mibolongana Rajentl fa raha sendra misy mpanolo-tsaina mivika toa ahy ( http://shadow-gasy.blogspot.com/2008/01/dictatorship-for-dummies.html ) manodidina ny mpitondra mety tsy hisy intsony izany bolongana izany.
Vazivazy eo ihany fa fiarahabana no atolotra ary indrindra fankaherezana mba hitohy hatrany ny famakafakana ataonao sy fitantarana en live.

Nampidirin'i Shadow @ 09:01, 2008-01-21 [Valio]

arahabaina izany jentilisa a ! Maromaroa ny taona mbola hifanesy handrombahanao ny amboara.

Nampidirin'i ikalamako @ 09:38, 2008-01-21 [Valio]

Misaotra amin'ny fankasitrahana. Tsy tafiditra anaty ny lisitry ny mpifaninana intsony aho ka! ny ho mpitsara angamba sisa no azo atao.

Shadow> efa hitako tokoa io lahatsoratrao io sady mpamaky ny bolongatsoratrao hatramin'ny ela rahateo aho. Tsy mivika izany ianao ka! Be fandinihana no izy.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:58, 2008-01-21 [Valio]

Raha mivika aloha tsy misy ohatra ahy e!

Ny fiaingan'ilay valin-teny koa toa kabarina mpanao politika vita fifidianana. Misaotra izay nifidy sy izay tsy nifidy fa efa lany aho izao ka dia @ fifidianana manaraka indray mifanambitamby fa aza elingelenina aho aloha mandritra ny mandat fa tsy afaka mampandroso an'ilay "Madagasikarako".

Dia ianareo lany izany baomba be fa izahay tsy nirotsaka hofidiana sy nirotsaka kanefa tsy lany izany pétard?

Eh, vazivazy daholo sô misy maka lagy eo ndray...

Nampidirin'i DontoMG @ 11:44, 2008-01-21 [Valio]

compilemainty

Dia kompilemainty izany hoy ny italiana e
Mazotoa hatrany fa harena ny fahaiza-mizara!

Nampidirin'i Harilova @ 13:29, 2008-01-21 [Valio]

news2dago

dia miarahaba ny jentilisa e!
mahereza hatrany ary ny hapivelatra ny teny malagasy ny tanjona hatrany

Nampidirin'i news2dago @ 15:11, 2008-01-21 [Valio]

Arahabaina i Jentilisa.
Sady misotra amin'izay efa vitanao amin'ny ampifivelarana ny teny malagasy.

Nampidirin'i Lova @ 16:41, 2008-01-21 [Valio]

Manantitra ny fisaorana antsika rehetra e! Ho an'ireo saiky nandrombaka ny loka dia mahereza fa vao santatra ambavarano iny. Anareo izao ny manetsa be e...

Nampidirin'i jentilisa @ 17:12, 2008-01-21 [Valio]

MIAIKY ANAO

Dia miarahaba anao ,Jentilisa, noho ny asa vitanao amin'ny fitandroana ny teny malagasy àry noho ny loka izay manambara fa tsy zava-poana sanatria ny asa vita.
Mampanantena anao aho fa hamaky sy hankafy ny lahatsoratrao eto isan-kerinandro.
Laza
http://fianarantsoa.c.la
http://lazarbi.skyblog.com

Nampidirin'i Laza @ 19:02, 2008-01-21 [Valio]

Miarahaba an'i Jentilisa koa ny tenako.

Ary dia makasitraka hatrany , na ny fitsikerana ny fitondrana na ny toy izany aza , sy mirary soa an-draJentilisa e!!!

Nampidirin'i Kitana @ 20:10, 2008-01-21 [Valio]

arahabaina ee :)

tsara fa tohizo, indrindra ilay vaovao directa ;-)

Nampidirin'i simp @ 23:36, 2008-01-21 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox