« | »

Aza aparitaka

2008-01-23 @ 10:21 in Finoana

 

Tamin'ny herinandro dia nahazo taratasy A4 ireny ny olona tao an-trano. Ankizy hoe no nanatitra azy tao an-trano. Tsy nisy niraharaha izay tao anatiny ny olona fa izaho fotsiny no gaga nahita azy nivalapatra teo an-databatra. Dia io misy hoe "sary mahavita fahagagana" amin'ny teny frantsay. Dia avy amin'izay ny filazana hoe nisy filohan'i Arzantina nahazo toa io taratasy dia noheveriny ho vazivazy ka tsy noraharahiany kanjo 8 andro taty aoriana dia maty ny zanany vavy. Nisy hafa indray nanaraka ny zavatra notadiavina dia nahazo tamin'ny lôtô.

Tonga ny filazana hoe mandefasa ity taratasy ity amin'ny olona 20, dia asa ianareo raha nanaraka aloha na tsia fa dia nahazo indray aho omaly ary tamin'ny mailaka no nahazoako. Malagasy ny mpandefa ary saiky Malagasy avokoa ny andefasana, olona miisa ho 50 angamba no nandefasany tao. Dia inona ary ity? Izaho aloha manao hoe aza aparitaka rangahy io zavatra io fa tiako ho fantatra aloha hoe iza ilay filoha Arzantin nahazo ilay taratasy dia maty ny zanany afaka valo andro, tamin'ny oviana koa izany fa hojereko ny tantara a! Sahala ireny hoe matahotra ozona ireny avokoa isika. Dia tahaka ny hoe mandefa ozona aty amiko ianao mandefa ireny zavatra ireny aty amiko. Izay ange no naha-jentilisa ahy e! Ny ahy filazana tsotra fa tsy hiangavy anareo mihitsy aho hampiely azy! Ary sary taiza ary io no nalaina?

AZA APARITAKA

Hevitra

izaho koa efa nahazo tahaka an'io fa ankizy marary mila fanampiana no mailaka voaraiko t@ izay!ny ahy aloha namparitako e! satria oe mba mahazo 0,35 cents ilay zaza rehefa mandefa mailaka iray aho! ka izay raha efa afaka nodidina ihany ilay zaza na tsia! toa oh alaipanahy aho oe fitadiavam-bola indray ve izy ity sa ahoana!

Nampidirin'i news2dago @ 11:03, 2008-01-23 [Valio]

Nohveriko hoe ianao no nahazo ilay vola!!!

Nampidirin'i jentilisa @ 11:34, 2008-01-23 [Valio]

Aparitaho

harilova

HIHIHI Mampalahelo e
Asa izay niandohany fa sarin'i Maria any Guadaloupe io, any Mexico!
Ngah io ihany, fa misy ny tohivakan'i Joda e, tohivakan'i je ne sais pas!
Io anie no nanoratako tamin'ny herintaona am le resaka olomasin'ny katolika sy ny sarivongana e,
Ankoatry ny karazan'ozona lazain'i Jentilisa io dia fahalemen'ny finoana io.
Raha herin'andro firaisam-pinoana ity, oviana vao hotononina amin'ny faharesen-dahatra tokoa ny hoe : IZAHO mino an'Andriamanitra RAY TSY TOHA, izany hoe MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA? asa lahy
Dia hoy aho hoe : Aparitaho ny tena finoana fa tsy ny finoanoam-poana!

Nampidirin'i harilova @ 11:55, 2008-01-23 [Valio]

fandalinana

harilova

Nizaha le fiandohany aho dia nahita ireto sao mahaliana anareo
http://it.wikipedia.org/wiki/Immagine:Our_Lady_of_Guadalupe.JPG
na ity misy commentaire
http://fr.wikipedia.org/wiki/Notre-Dame_de_Guadalupe

Nampidirin'i harilova @ 11:57, 2008-01-23 [Valio]

Misaotra an'i harilova fa dia hijery azy soa aman-tsara aho.

Nampidirin'i jentilisa @ 14:16, 2008-01-23 [Valio]

ok

Nandrasako handray anjara i harilova vao nanoratra aho :-).

Izaho aloha ry jentilisa rehefa mahazo mailaka tsy ampoizina (spam) toy ireny dia any amin'ny fanariam-pako avy hatrany e. Ary endraso eo i Paoly raha ny hanaparitaka azy. (Tsy fandrabiana apôstôly sanatria fa fomba fitenyio an). Raha soratra masina no resahina dia ny baiboly irery ihany no izy e (hevitro manokana io an ;-) ).

Izaho dia tsy matahotra ozona avy amin'ny mailaka na "prospectus" toy ireny, ary tsy miandrandra fahagagana avy amin'ny fihetsika tsy misy dikany. Ny hatsembohako ihany no hihinanako e :-).

Nampidirin'i Tokinao @ 22:36, 2008-01-23 [Valio]

Dia misaotra anao nanoratra e! henjana ny fitenenana saingy mifanakaiky amin'izay ihany ny ahy e!

Nampidirin'i jentilisa @ 07:07, 2008-01-24 [Valio]

Mety hihevitra avy hatrany ianareo hoe resaka katolika izany. Tiako hamafisina anefa fa TSY KATOLIKA VELIVELY ny fihetsika toa izany. Ary io moa i Harilova manamafy.

Ny fivavahana miaraka amin'i Masina Maria (dévotions) na dia ho an'ny Katolika aza dia tsy misy hifanerena, ary indrindra indrindra tsy misy fampihorohoroana. Ny finoana ho an'ny Katolika dia finoana ateraky ny fitiavana fa tsy ateraky ny tahotra na fiandrandrana valiny hafahafa.

Nampidirin'i Hery @ 09:37, 2008-01-24 [Valio]

Tsy misy famelezana katolika aloha ilay izy fa misy mampiasa azy zavatra hafa. Fa na izany na tsy izany dia nahitako zavatra ny namaky ilay wiki ka iza vao manomboka miha-azoko ity Guadalupe malaza any amerika ity.

jereo amin'ny rohin'ny mpanoratra.

Nampidirin'i ny mpanoratra @ 10:26, 2008-01-24 [Valio]

Ny tsy milay amin'izy itony dia izy milalao fon'olona e, ankizikely marary, olona traboina, mila manamafy finoana, raha te hanankerana. Indrindra moa izao kriy ekonomika izao dia lasa indray izany ny spam e. Ary ny tena gaigy anie dia ilay mpandefa amboalohany no tena mahazo an'ilay 0,35 cts fa tsy ilay (odiana) marary akory e. Ianao izay manamparitaka azy izany dia anisan'ny mpampidi-bola an'ilay mpandefa azy voalohany. Izany hoe misy karazany maro koa aloha izy ireny e!
Ary isika ve dia hiandry sarin'i masina maria vao hino na hanao zava-tsoa fa tsy zavatra tokony efa tsianjery maimbo izany hoy ilay mpanitatra.

Nampidirin'i Ikalakely @ 11:13, 2008-01-24 [Valio]

Manana rahavavy any ampita any aho dia rehefa mahazo an'ireny taratasy ireny dia mndefa dika any aminy kanjo dia voateny hoe "aza mandany andro" fa isan-taona miverina ireny fa tsy dia misy antony akory ! Ovainy fotsiny ny sary sy narana hono ; ohatra tamin'ilay hoe misy ankizivavy marary mafy etc. Tsy haiko aloha an ! izaho sady tsy vonon-kaniratsira no tsy te-hadalaina koa fa dia anatra alefa dia samy mandray izay tandrify azy e !

Nampidirin'i Tsikisariaka @ 15:28, 2008-01-25 [Valio]

Ary ahona ny amin'ny MEDIUM kay ?
Maro ny influence anaty internet. Ny hevitrareo ?

Nampidirin'i Tsikisariaka @ 15:31, 2008-01-25 [Valio]

Dia samy manana ny finoany ny tsirairay ry Tsikisariaka.

Nampidirin'i jentilisa @ 15:47, 2008-01-25 [Valio]

mbola nahazo mailaka indray a androany ary dia sary masina bobaka be no ato koa manorata any @ news2dago@yahoo.com izay liana mba te ahita ny sary!!

Nampidirin'i news2dago @ 17:12, 2008-01-28 [Valio]

Io ange no mahavariana aminy e! Misy dia manararaotra mihitsy! oviana re vao ho lefy io zavatra io aty amin'ny tontolo malagasy!

Nampidirin'i jentilisa @ 06:48, 2008-01-29 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox