« | »

Tsy adinon'ny filoha i Antananarivo

2008-02-21 @ 17:43 in Politika

Efa nataoko tsipalotra teto androany maraina fa miandry ny tohin'ny fihetsiky ny filoha Ravalomanana ny vahoaka eto Antananarivo. Namaly tokoa izy ka nanao fitsidihana an-tsisitsisiny tany amin'ny faritra tena tra-boina ary teny Andohatapenaka no nandehanany sy teny amin'ny fasan'ny Karana (fa fasana ahoana aloha io e? fandoroana anie io fa tsy fasiana ny maty na fandevenana e?). Efa dingana tsara izay satria manjary araka ny fitenin'ny mpanohitra tokoa hoe "fihantsiana" raha tsy nanao io fihetsika io izy. Dia mety ho avy indray ny sary ifanaikaikezan'ny filoha Ravalomanana sy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina samy manao akanjo hoditra mainty. Satria samy teny ry zareo ary nomena anjara fitenenana ihany koa aza.

Ny mety ihavian'ny tsikera dia ny fanomezana izay mitovy amin'ny kaominina hafa ihany (100.000.000ar) ka ilazana hoe mba tsy mitovy ihany anie ny isan'ny tra-boina. Fa efa misy aloha izay na dia mitady ho haro-tabebaka izany aza ny fomba fitenin'ny filoha indraindray amin'izao fotoana izao. Ny ahiako indray satria ny entana atolotra ho fanomezana ankoatra ny an'ny firenena hafa sy ny fiangonana Ortodoksa dia vokatra tiko no mibaribary amin'ireny zaraina ireny. Ahiako ho tahaka ny hiakatra indray ny vidim-bokatr'io orinasa io avy eo.

Hevitra

Ny orinasa Tiko tsy "charity organisation" ka, zany hoe tsy mpanao oeuvre de bienfaisance loatra ny tanjony. Tsy maintsy novidiana tany @ Tiko ny entana mivoaka.
Zany hoe ra volam-panjakana no nampiasaina dia nitombo ny chiffre d'affaire an'ny Tiko. Ra fanomezan'ny moa dia mba nihena kely zany ny sosiny e. Tsy afaka hampiakatra ny vidin'ny menaka be en tant q telle anefa izy fa manjary tsy competitif ny entany, ra tsy hoe manararaotra fara-parany nga, fa ra vao manomboka le resaka SADC io aloha dia veloma lava ry fikan'antitra monopolista a...

ary hono wa lesy, isika ve izany tsy mba nangataka fanampiana @ firenena partenera mintsy sa ahoana. Nefa otran'ny nalaza be tany ivelany hoe nanao tourisme tao @ tanana mintsy ra-Ivan vao nivoaka le :)
sa ve efa mahavita tena isika??

Nampidirin'i simp @ 20:44, 2008-02-21 [Valio]

ataoko fa efa voavaly ihany ny fanontanianao satria nadeha tamin'ny BBC nojereko tamin'ny maraina ny fangatahana nataon'ny fitondram-panjakana malagasy

Nampidirin'i jentilisa @ 13:28, 2008-02-22 [Valio]

ny mahatonga ahy niahiahy ny fisondrotana indray dia mpitranga io isaky ny vita ny fifidianana!!!!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:30, 2008-02-22 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox