« | »

Maotera mandeha amin'ny rivotra : lasa matotra

2008-02-24 @ 16:41 in Ankapobeny

Na izaho aza tsy nino. Efa nisy nanoratra indrindra izy io tamin'ny Globalvoices Online fa tsy sahiko ny nandika azy tamin'ny volana Janoary. Efa niteny izy tamin'izany fotoana izany fa nahavita maotera mandeha amin'ny rivotra 'voafintina' (air comprimé) na ny marina kokoa ny maotera tsotra mahazatra iny no nisy namboariny mba ho afaka mampandeha azy amin'ny alalan'ny rivotra.

Zavabita henjana izy io raha araka izao hita izao fa dia mila fiarovantena henjana ihany koa io raha tena tontosa tokoa satria mety ho avy ny sasany hamono azy izay vao 15 taona monja rehefa misy tsi-fifanarahana amin'ny tsena.

Hevitra

hampihinana voanjobory sy tsaramaso ny malagasy dia hirifatra mafy ny fiara !

Nampidirin'i Rajiosy @ 19:15, 2008-02-24 [Valio]

ok

Mba nahaliana ahy ilay resak ka nijery teto @ aterineto aho.

Koa dia hitako tato ( jereo : http://www.aci-multimedia.net/bio/voiture_air_comprime.htm sy http://www.futura-sciences.com/fr/sinformer/actualites/news/t/technologie-1/d/la-voiture-a-air-comprime-debarque-en-inde_14181/ ) fa i Guy NEGRE, talen'ny MDI, no tena namorona ity fiarakodia mandeha amin'ny rivotra ity. Fa ny an'i Guy NEGRE, hono, araky ny filazany azy dia sady mandany "rivotra voafintina" no mila "rivotra" normal.

Ka ny tena mampiavaka ny zavabitan'ity Maruf Ovozi (tovolahy 15taona, izay voalaza etsy ambony) ity izany dia :
-1° ilay nahavitàny maotera mandeha amin'ny "rivotra" avy amin'ny motera mandeha "lasantsy", ary koa
-2° araka ny voalazany : mamadika avy hatrany ny rivotra tsotra ho rivotra voafintina izy ity ka tsy mila "station" na toby famahanan-drivotra voafintina. Ilay an'i Guy NEGRE moa dia mila miditra "station".

Nampidirin'i Tokinao @ 21:19, 2008-02-24 [Valio]

kay?

Raha izany no izy, tahaka ny tsy hanana fiara mandrapahafaty aho le, izany izao hampidangana ny vidin'ny fiara indray ko! dia tsy hisy okaziao hovidiana akory! raha tsy efa tsy lany visity intsony ny maso hitondra fiara!!!!

Nampidirin'i Lemahantra @ 21:28, 2008-02-24 [Valio]

kay?

Raha izany no izy, tahaka ny tsy hanana fiara mandrapahafaty aho le, izany izao hampidangana ny vidin'ny fiara indray ko! dia tsy hisy okaziao hovidiana akory! raha tsy efa tsy lany visity intsony ny maso hitondra fiara!!!!

Nampidirin'i Lemahantra @ 21:29, 2008-02-24 [Valio]

kay?

Raha izany no izy, tahaka ny tsy hanana fiara mandrapahafaty aho le, izany izao hampidangana ny vidin'ny fiara indray ko! dia tsy hisy okaziao hovidiana akory! raha tsy efa tsy lany visity intsony ny maso hitondra fiara!!!!

Nampidirin'i Lemahantra @ 21:29, 2008-02-24 [Valio]

mety ho tsy ho ilaina be firy tsony ve zany ny petrole le? :)

Nampidirin'i simp @ 22:16, 2008-02-24 [Valio]

Inona tsara angaha no mampandeha an'ilay compresseur a ? :roll:

Misy zavatra tsy azoko ilay izy. Tsy afaka ho vitan'ny hoe "magique" araka ny filazan'ilay gazety io, fa tsy maintsy misy loharanon'angovo ao. Ny mety tena ho tombontsoa angamba, dia mampakatra ny rendement ity karazana motera ity.

Nampidirin'i lap @ 23:21, 2008-02-24 [Valio]

tohiny : Jereo eto :)

Nampidirin'i lap @ 19:33, 2008-02-25 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox