« | »

Antananarivo: Raikitra ny rotaka

2008-03-02 @ 16:50 in Spaoro

Vaovao mety tsy ampoizin'ny maro ny nisian'ny rotaka teto Antananarivo androany alahady 02 marsa 2008. Io rotaka io dia noho ny tsy nisian'ny baolina saiky hihaonan'ny Ajesaia sy ny Costa do Sol. Ny hany fantatro (satria tsy afa-mivoaka noho ny asa aho) dia ny poabasy no re ary ny tatitra no manambara fa potika tanteraka ny kianjaben'i Mahamasina. Resaka vola tokony ho averina no anton'io rotaka io. Ny tena nitrangan'ny raharaha dia tao Mahamasina. Amin'ny gazety rahampitso ho hahenoanareo ny antsipiriany fa dia fanairana ihany no ataoko eto. Misy milaza fa maro ny maratra ary misy fatiolona mihitsy saingy rehefa tsy mahita dia tsy afaka ny hitompo teny amin'izany resaka miely izany.

Hevitra

9 no naratra ary niditra eny @ hopitaly! kanefa nalefa nody rehefa nahazo fitsaboana!
resaka mpitsara tsy tonga no naha tsy raikitra ny baolina!
voafehy ny olona fa tsy dia tena oe potika akory mahamasina e!

Nampidirin'i news2dago @ 17:32, 2008-03-02 [Valio]

sitlo

Loza koa izany

Nampidirin'i sitlo @ 17:42, 2008-03-02 [Valio]

Loza tokoa izany nafitsok'ingahy mpitsara izany. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy.

Nampidirin'i lehilahytsyresy @ 17:49, 2008-03-02 [Valio]

Fiara maromaro no vaky fitaratra ary 2 no may kila ny afo!
maromaro ihany koa ny tanora voasambotra!
eo koa moa ny mpanararaotra te hangalatra!

Nampidirin'i news2dago @ 17:51, 2008-03-02 [Valio]

Msôtra mitantara

ok! misaotra mitantara jentilisa a!

Nampidirin'i Tokinao @ 18:11, 2008-03-02 [Valio]

misaotra amin'ny vaovao !

Nampidirin'i pissoa @ 20:54, 2008-03-02 [Valio]

En Direkta VETO :)
ok ok
miandry ny tohiny...

Nampidirin'i simp @ 21:02, 2008-03-02 [Valio]

ikalamako

oups !!
Raharaha koa izany.
Soa fa dia misy anareo any tokoa mba manome vaovao ara-potoana eto !

Nampidirin'i ikalamako @ 00:54, 2008-03-03 [Valio]

Tapaka mihitsy ny làlana omaly ka voatery nanodidina. Iny Mahamasina sy Anosy iny tsy azo naleha nandritra ny fotoana elaela kely teo. Natahotra ny sôfera taxi-be satria any amin'ireny matetika ny mpanaraoraotra no migafy. Nisy tokoa anie ny fira roa kila forehitra teo e ! fa ity no tena loza... ireo olon-dehibe mba niaro ny fitaovana tery amin'ny gradin "hono" (hoy ilay mpiara-masa amiko mpijery baolina ary nanatri-maso) dia nohosihosen'ny pôlisin'ny FIP teo.

Loza mihitsy fa mila malina foana amin'izay aleha.

Nampidirin'i Tsikisariaka @ 12:06, 2008-03-03 [Valio]

sipakv

Henonay "en direct " koa tany amin'ny olontsotra mpanao gazety (citizen journalist), inona moa ry jentilisa no fandikanao an'izany?
Nampidirin'i sipakv @ 13:01, 2008-03-03 [Valio]

io efa voasoratrao io mihitsy izao no saiky nosoratako

Nampidirin'i jentilisa @ 16:48, 2008-03-03 [Valio]

fa misy ny miahiahy ambadika politika tamin'io raharaha io (Kaominina)

Nampidirin'i jentilisa @ 16:52, 2008-03-03 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox