« | »

Rta sy ny mariky ny fivavahana amin’i Satana asandrany

2008-03-22 @ 08:22 in Finoana

Efa rentsika ihany angamba ny fiovana sarim-pamantarana nataon’ny vondrona haino aman-jery rta efa ho iray volana latsaka izay. Toa mariky ny finiavana hanam-piovana sy fivoarana ao anatiny io fiovana sarim-pamantarana atao amin’ny vondrona haino aman-jerin’ny rta io. Tafiditra ao anatin’io fiovana sarim-pamantarana avokoa na ny radio rta (102 fm) na ny tele rta ary ny radio tana (94.4 fm).

Tsy ny hanao dokambarotry ny rta loatra anefa no anoratako eto fa tsikaritra hanohintohina io vondrona haino aman-jery io aza. Ialako tsiny fa tsy hisorona aho amin’ity toe-draharaha iray ity. Izay hitako no holazaiko ka na hitory aza izy tsy mampaninona izany. Eto dia tsy hilaza ny an’ny tele rta sy ny radio tana aho satria tsy dia hitako loatra ny hokianina amin’ny sarim-pamantaran’ireo roa ireo fa izay hitrikitrihako kosa dia ny sarim-pamantaran’ny radio rta (102 fm).

Miala tsiny indrindra raha ho fanazavana antsoratra no atao. Antony roa no mahatonga izany: antony voalohany dia somary handany fotoana elaela ihany raha hampiditra sary amin’ity tosaka ambany eto Madagasikara ity, antony faharoa indray dia tsy izaho indray no hametraka azy amin’ny bolongako ihany koa. Hafahafa amiko manko raha hanameloka aho nefa dia asiako ny sarim-pamantarana melohiko eto.

Azo lazaina ho tsotsotra vinany ihany ilay sarim-pamantarana satria io 102 fm io ihany no somary nasiana haingony, indrindra fa ny 0 eo afovoany. Ny anaran’ny sarim-pamantarana moa dia nomena anarana hoe ‘ho anao too’ mifandraindraika amin’ny teny hoe ‘one o two’. Ao anatin’io 0 afovoany io no misy ilay sarim-pamantarana fivavahana na fanandratana ny devoly ry zareo. Famantarana izay mpanao rock manan-daza eto Madagasikara (Iary) ankehitriny ihany no nanazava azy tamin’ny kidaona maraina indray maraina. Nolazainy moa fa raha manatrika ny hanaovana ilay tanana manao V amin’ny fanondro sy ny ankihikely (fa tsy ny fanondro sy ny fanondroadala) dia famantarana fanandratana an’i Satana izany fa raha miamboho kosa dia an’i metal izay. Ny tanora malagasy anefa dia tsy miraharaha izay miamboho sy manatrika anao izany fa ataony daholo ireo.

Tian’ny vondrona rta rahateo ny manao karazam-pihantsiana mba hampalaza azy bebe kokoa fa eto kosa izy amiko manokana dia nihoatra ny fetra. Vao nivoaka ilay sary dia taitra aho. Niandry izay hetsika fanamelohana avy amin’ny fiangonana aho fa tsy nandre mihitsy hatramin’izao. Nolokoin’ny rta ho menamena sy maintimainty indray ilay izy vao tsy ela fa mbola matory na tsy mahalala zavatra angamba ny fiangonana na heveriny ho tsy andraikiny angamba ny mampitandrina ny ondriny indrindra fa ny tanora amin’ity tranga iray ity. Ny tena tsy laitrako dia ireo tanora herotrerony mpanentana ao amin’ny tele rta faly ery manao ny tanam-pamantarana ao anatin’ny fandaharana ho an’ny tanora.

Tsy hiteny intsony aho ny amin’ny malaza any amin’ny ray aman-dreny ny aterineto ho fikarohan’ny tanora malagasy (tsy ampy taona no betsaka) ny momba ny devoly sy ny fivavahana aminy ka tsy ahazoazony loatra ny ankizy hanentana ho amin’izany aterineto izany. Adidy sarotra ho antsika te-hampiroborobo ity sehatra aterineto ity ny handresy lahatra ireo ray aman-dreny ireo. Izay no antony anoratako ity tranga ity satria nipaka any amin’ny haino aman-jery malaza ny fampiroboroboana ny fanandratana ny devoly eto Madagasikara. Raisiko ho adidy izaho samirery ny manameloka io sarim-pamantarana ataon’ny rta io sy ny fanaovana azy ho lamaody any amin’ny sehatra ho an’ny tanora. Aleo izaho irery no hampisaintsaina ny tanora mamaky ity lahatsoratra ity handinika tsara vao hihaino izany rta izany. Izaho manokana dia mieritreritra tsara aho vao hihaino na hijery ny fandaharana atolotry ny vondrona rta rehetra. Raha hiara-dia amiko ho amin’ny fanamelohana ianareo dia aelezo ity lahatsoratra ity na manaova lahatsoratra hafa ihany koa.

Hevitra

Mazava io ry jentilisa.

Misy dia tena manonao foana mihitsy fa tsy mba mandihady lalina nefa sehatra public no iandraiketana. Izany ilay antsoina hoe irresponsabilité, nefa dia izany no hireharehana.

Tomponandraikitra izy.

Nampidirin'i M @ 09:43, 2008-03-22 [Valio]

fijery hafa : mifanindran-dàlana ny kristianina sy ny devoly. raha tsy misy ny iray dia very antom-pisiana ny faharoa et vice-versa.

raha taitra ianao ra-jentilisa dia tafita ny ezaka satria ny hiresahana an'i rta no tanjona ; na an-karatsiana na an-katsarana. afaka manao fandaharana hira evanzelika ranoray izy rehefa tafita. dia ho inona no holazainao fa tsy hihomehezany fotsiny hoe tafita amin'ny veve (amrivo salosana) indray ny fika !

mbola manjaka amin'ny malagasy mihevitra azy ho mandroso indrisy ny finoanoam-poana lalina. izay no tsy mba hanaratsiako ny fivavahana gasy gasy satria ireo tsy be rehaka tahaka ny sasany ;-))

raha fehezina izany dia mampihomehy ny toe-draharaha amiko !

Nampidirin'i Rajiosy @ 11:24, 2008-03-22 [Valio]

za aloha tsy dia mpanaraka ny rta ka tsy dia hitako izay! famantarana izay!

ary sao dia front maçon kosa ary ny ao e! asa aloha an! hevitra sendra nandalo io

Nampidirin'i news2dago @ 12:08, 2008-03-22 [Valio]

Tsy marika franc maçon aloha ilay izy e!

tena hafa tokoa rehefa ny laza no katsahina mafy an!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:53, 2008-03-22 [Valio]

Tiako be ilay traduction an'ilay hoe "faible débit" na "bas débit" hoe "tosaka ambany".
:-) Hevitra tsara !
...Fa mba gravy kosa izany resaka famantarana izany aloha e.
Ndeha mba hojereko ao amin' ny site-ndry zareo fa toa mampieritreritra tokoa.

Nampidirin'i lehilahytsyresy @ 18:35, 2008-03-22 [Valio]

rta

MIAMBANA !

Mankasitraka ny zavatra ataonao izao ho an'i Tanora sy ny firenena malagasy e!
Ilaina io fanazavanao io satria ny aty am-pita no tena loza fa mi-frime be manarakefa fotsiny ny Gasy kely "mba tia hatao hoe INTEGRE" na eto erôpa io na USA, na Canada !
ITY FRIME ITYRY ZAREO AN : KA MITONDRA ANY AN-KADY E !

Matetika dia tsy masaha miditra an-tshatra ny "Fiangonana" araky ny voalazanao sy iainanantsika amin'ity zavatra mitranga ity izany!
Satria efa tonga ny fotoana tokony MIAMBINA isika fa
MANDROVI-TSIHY lay voalaanao !
Ko ho voasivana eny ihany ny tena izy sy ny mpanaran-drenirano maka tahaka fa tsy tena MINO !
Koa ny "MPINO" no tokony ho lazainao fa tsy ny Fiangonana satria maro anie ny antony handehanany any am-piangonana e (mingonangona foana) !

Tsy voatery hanaiky an'ny devoly sy ny asany aho raha toa ka MINO sy MANAIKY AN'I JESOA Kristy Zanak'Andriamanitra veloma ho Tompo sy Mpamonjiko !
Tsy azo hatao mihintsy ny manompo tompo roa ! Ho an-dranamana etsy aloha io volazako io satria tsy marina ny voalazany !

Tonga amin'y fotoana fanompoana VOLA sy ny tompony isika izao koa mino aho fa ireo mpandray andraikitra ao amin'ny radio sy TV gasy ireo dia tsy tana fa nisy lelavola be naraviravy teo anatrehany
dia tsy ny saina intsony izy hoe "inona moa ity asaina hatao ity ?"
Io ilay tonga amin'ny fiteny tamin'ny taona 70/80 hoe "mandeha ho azy io e !"
Izany hoe "Tsy tia hahalala aho fa ny ahy VOLA ihany aloha koa raha misy voina dia enga anie ka tsy ho izaho no hon tratra ao fa raha voa aho izay vao miheritreritra !"

Dia voa mafy ry zareo raha io no hitombonan'ny fiainany satria "TSY KELY LàLANA NY RATSY! " koa raha tsy manana sy mifikitra amin'Adriamanitra ianao dia VERY mialoha !
Izany ange no ankalazantsika ny fetin'ny PASKA e !
Mankalaza an'Andriamanitra VELONA MANDRAKIZAY ! Naharesy ny ratsy, ireo hafetsifetsen'izao tontolo izao sy ny vokany dia ny fahafatesana ka nanome AINA VAOVAO !

Miangavy anao aho mba andefaso mailaka isan-kiny manao taratasy toy itony ianao fa manaraka aho e !

Hanao teny avo ao amin'ny bilaogiko koa ao e !

http://rahelys.unblog.fr

Manaova fetin'ny PASKA MASINA ary tsarovy am-bavaka ireo ray amn-drenin'ireo namana lasana teto Parisy vao haingana !

Mirary soa sy mampahery anao !Aza adino fa mivavaka ho anao aho e !

Nampidirin'i Helisoa @ 18:48, 2008-03-22 [Valio]

kilay rta toa vôjà be no tompony kano !

Nampidirin'i dd @ 19:31, 2008-03-22 [Valio]

tena gasy ny tompony ka! ary iray tanindrazana amin'ny filoha ankehitriny aza!

Nampidirin'i jentilisa @ 03:15, 2008-03-23 [Valio]

Mankasitraka an'i Heliso amin'ny fahavononana hilaza azyany amin'ny blaoginy (bolongana) fa ny amin'ny taratasy manko tsy dia tia azy loatra aho. Tsy haiko loatra ny antony fa dia izay fotsiny. Mahazo manao azy kosa anefa ianareo raha tianareo izany.

Nampidirin'i jentilisa @ 03:21, 2008-03-23 [Valio]

mba topazo maso ity ry jentilisa a!

http://www.nouvelordremondial.cc/666-signe-satanique/

Nampidirin'i NAMI @ 10:39, 2008-03-23 [Valio]

"ary iray tanindrazana amin'ny filoha ankehitriny aza!" i razafindravahy avy ao aambohimalaza fa ra-prezy avy ao imerinkasinina. tsy mifanalavitra saingy tsy tena mitovy !

Nampidirin'i Rajiosy @ 11:12, 2008-03-23 [Valio]

Mba tsy hilazana hoe miteniteny foana dia manasa anareo rehetra hijery ao amin'io hoe tsindrio eto io.

Nampidirin'i tsindrio eto @ 16:36, 2008-03-23 [Valio]

tena hitako ilay izy ary tena manao an'io marika io marina kono! de ahn misy devoly ao zany no sady mivavaka @ devoly

Nampidirin'i news2dago @ 18:31, 2008-03-23 [Valio]

Efa nojereko ireo sites 2 etsy ambony retsy. Ka dia lazainy ao tokoa fa fihetsik'ireo mpivavaka @ satana ity zavatra ity.

Izaho anefa toa te hanao "recul" ihany :
- sao mba fihetsika noforonin'olombelona fotsiny izy ity, ary tsisy fiantraikany amin'ny fiainan'olombelona akory. Mety hoe nataon-dry zareo hifankafantarana fotsiny. Toy ireny "geste" isankarazany fiaraban'ny tanora @ samy tanora ireny.
- manaraka izany, raha atao hoe "fihetsika satanika" izy io ... Toy ireny fihetsika lazaina ho tenin-dratsy isan-karazany ireny. Samy efa nanao ireny fihetsika ireny daholo ny olona iray (mety ho t@ mbola faha-menavava ohatra) nefa dia tsy nihevitra zava-dratsy akory, ary tsy nievitra ny hiteny ratsy olona. Dia meloka ve isika tamin'ireny? Tsia ny valiny satria ... Ny saina no mitondra io !!?

Eritreritra alefa iray koa :
Taloha (talohan'ny nahafatesan'i J.C) dia noheverina ho andro fivavahana @ sampy ny andro alahady. Satria io no andro nivavahan'ny egyptiana @ masoandro. Ary io koa no andro ivavahan'ny firenena sasany amin'ny andriamaniny. Ny jiosy moa (miaraka @ apôstôly sy J.C) dia nitandrina ny asabotsy. Nony maty anefa J.C. dia nenjehina ireo mpanaraka azy: sady nenjehin'ny jiosy no nenjehin'ny fanjakana rômana koa. Ho marimaritra iraisana amin'ireo jentilisa anefa (ireo izay mivavaka @ andro alahady t@'izany fotoana izany) dia natao alahady ny andro fiangonana. Izany moa, araka ny fijeriko, dia tsy misy maharatsy azy satria "masina daholo" ny andro rehetra hoy J.C. Ary tsy ny fanompoana ny andro iray no maha-voavonjy na tsia.

Ka hoy aho hoe : ilaina tokoa ve ny hanamelohana an'io fihetska iray io? Tsy ny fombafomba ange no maha-voavonjy sy mahadiso e! fa ny ao am-po sy ao an-tsaina e!

Tsy vao maika hiteraka pôlemika ve izany! Raha ampahafantarina sy torìna any @ fiangonana kristiana rehetra mantsy ity resaka ity dia vao mainka hirongatra ny fanaovana izany (avy amin'ireo tsy mpino). Ho betsaka ny rocker hanao azy. Sady izao koa : amiko dia tsy manana alalana hanenjika azy ireny ny fanjakana satria malalaka ny olona rehetra hifidy ny finoany : na ho kristianina, na ho mpanompo an'i satana (rehefa mbola tsy manakorontana).

Marihiko eto fa eritreritra sendra mandalo ato an-tsaiko ity ka aza atao anenjehana ahy :-). Na izaho aza manko mety hiova hevitra afaka 3 segôndra :-)

Tafaresaka finoana ihany raTokinao ny farany :-).

Nampidirin'i Tokinao @ 18:58, 2008-03-23 [Valio]

raToky,

ra azoko tsara izany dia i rajiosy no nanenjika an'i jentilisa ?

Nampidirin'i simp @ 20:35, 2008-03-23 [Valio]

"ny toky fitaka fa ny atao no hita"

tsy aleo ve aloha jerena izay hataony dia mba @ izay no hitsarana azy hoe satanika na ahoana.

* Misy fandaharana momba na mitory an'i satana ve ao?
* Manambaka olona ve izy?
* Misy delit, na hoe infraction que ce soit ve nataony?

Ny satanisme ve tsy otran'ny hoe karazana eglizy ihany koa. tsy haiko ze ataony any na mitarika @ ratsy na ahoana fa a priori aloha ra tsisy zavatra tsy manara-dalana dia azo atao e. Firy tokoa moa ny radio aram-pilazan-tsara ao? sa hoe lasa radio aram-pilazan-dratsy ny rta hahaha

Nampidirin'i simp @ 20:40, 2008-03-23 [Valio]

diso fihevitra ingahy ra-simpl tamin'ity ! araka ny filazany dia nanenjika ny kristiana voalohany ny jiosy fa tsy ny jentilisa tsy akory ha ha :-)

"Raha ampahafantarina (..) dia vao mainka hirongatra ny fanaovana" : ekeko tanteraka !

sady efa dépassé anie ilay resaka devoly e. iza amintsika no tsy mivavaka be ao am-piangonana ny alahady kanefa tsy mangalatr'akoho ny alatsinainy ? raha tena tsara be isika mpivavaka tsy efa mba nandroso kely variraiventy ve io firenentsika tia vavakasady tian'i jesaosy io ?

Nampidirin'i Rajiosy @ 20:49, 2008-03-23 [Valio]

hoy i rajiosy:
ny kristianina no noenjehan'ny jiosy fa tsy ny jentilisa

hoy koa i rajiosy:
iza amintsika no tsy mivavaka be ao ampiangonana ny alahady kanefa tsy mangalatra akoho ny alatsinay?

zany hoe
kristianina= jentilisa latsaka fefany :-P

cqfd

;-)

Nampidirin'i simp @ 20:57, 2008-03-23 [Valio]

Ny hoe ho betsaka ny rocker hanao azy. Ny kil aloha dia feno mihitsy izy tamin'ny rta nanao fandaharana manokana momba ny rock. ny hira moa dia efa mifaninana amin'ny any ivelany ny an'ireo tanora vao misandratra. Izany hoe tsy misy ahiana intsony ny amin'iny fa efa vita na tontosa soa aman-tsara. Ity kosa dia orinasa lehibe no tondroiko manokana.

Nampidirin'i jentilisa @ 17:42, 2008-03-24 [Valio]

Ny tompon'ny baiko no tiana lazaina ry jentilisa. Izany patrick cottrelle izany ve, pdg, ho gasy !

Nampidirin'i dd @ 09:42, 2008-03-25 [Valio]

nefa mihevitra kosa aho fa fanapahan-kevitra iarahan'ny mpitantana ao izany fa tsy ny dg (tsy pdg kaaaa!)irery ihany.

Olondehibe ireo mpitantana ireo fa tsy hoe tanora mbola mandroandroatra sy tia mitroatroatra!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:31, 2008-03-25 [Valio]

Misy mahavariana ahy izany fanehoan-kevitra tsy mivoaka izany nefa izaho ihany no nanoratra azy teto. Hoy aho hoe dg tsotra ihany angamba sisa io Cotrelle lazainao io fa tsy maintsy fanapahan-kevitry ny mpiaramitantana ao amin'io orinasa io ihany ny fametrahana ireny sarim-pamantarana ireny.

Tsy hoe zavatra tsy misy dikany anga akory ny atao hoe "logo" fa entina iavahana amin'ny mpifaninana eee!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:42, 2008-03-25 [Valio]

tena matematisiana mpanao lôjika ve ra-simpl e ? sao dia tompon-dakan'ny silôzisma no hiafarany ? aiza koa no latsaka fahefany fa atao hoe latsaka dimy e

Nampidirin'i Rajiosy @ 19:33, 2008-03-25 [Valio]

http://fr.youtube.com/watch?v=mXv4QYyaI9c&feature=related

Mazotoa e!
Henoy tsara ity clip ity ry zalahy a!!!

Nampidirin'i NAMI @ 23:12, 2008-03-25 [Valio]

ahoana sy ahoana hono ny votoatiny ry NAMI fa zahay tsy mahazo tosaka be itony anie ka tsy hahare izany mihitsy e!

Nampidirin'i jentilisa @ 16:19, 2008-03-26 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox