« | »

Maimbo toaka,maimbo ampy, maimbo...

2008-03-27 @ 22:14 in Andavanandro

Afakafaka iny ny fetin’ny Paska, fety anisan’ny faratampony eo amin’ny kristiana saingy vitsy kokoa ny olona mankany ampiangonana amin’io fotoana io miohatra amin’ny fetin’ny krismasy na Noely. Na izany na tsy izany tsikaritra fa mihena kokoa ankehitriny ny olona mankany ampiangonana raha raha oharina amin’ny taloha (1980). Taloha manko raha voatery nampiasaina ny akany hipetrahan’ny olona dia efa maro kosa ankehitriny ny ao ampiangonana ihany aza dia fenon’ny mpiangona tsara. Ny isan’ny mponina anefa nitombo dia nitombo tokoa.

Hatramin’ny ela kosa dia miharihary fa ny alatsinain’ny paska no malaza eo anatrehan’ny olona noho ilay fety mihitsy, tahaka izany koa moa ny amin’ny pentekosta. Malaza satria fitsangatsanganan’ny be sy ny maro na mivoaka ivelan’ny tanàna izany na mamonjy ny zaridainan’ny tanàna ihany. Raha zatra ny fiainana teto an-tanàna dia ny fotoana toy itony no ahatsapana fa nitontongana tokoa ny fiainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Taloha manko dia ny mankany Antsirabe no nifandrombahan’ny maro, na manana na tsy manana havana ivantanana, na manana na tsy manana trano atoriana. Efa foana ny fiaradalamby nandehanana ho amin’izany ary asondrotry ny fiarakodia mpitatitra mankany ho avy roa na telo heny hatrany ny sarandalana hany ka tsy raharahan’ny olona intsony izany mankany Antsirabe izany. Ny eto an-tanàna sisa no iononan’ny rehetra. Izay no mahafeno ny toerana manodidina an’Antananarivo rehetra rehefa fotoana tahaka izao. Ny eto Antananarivo aloha no mahavantana ahy ka soratako.

Fa ny tsy dia misy mpiresaka firy ho’aho dia ny aoriana na ny alin’ny alatsinain’ny paska. Eo no tena ahitana ny havoretran’ny Malagasy, indrisy, toetra na fanao mila ahitsy. Raha ho an’ny olo-tsotra rehefa mihataka ny tanàna, ny toerana rehetra dia azo anatanterahana ilay fitenenana hoe “ny olombelo-tsy akoho” avokoa na dia ny iray metatra miala ny toerana isakafoanana aza ho an’ny sasany (vao nahita aho fa tsy hoe manitatra tsy akory). Tena mahatsiravina sy maharikoriko. Ny fikambanana na ny fiangonana no maro manokana toerana hanalana poritra fa mbola misy olona mamorona toeran-kafa ihany fa tsy manaiky hofehezina; na dia hoe maika noho ny maika aza ve dia...?

Fa ny teto an-tanàna no tena loza. Niserana teo anoloan’ny lapan’ny tanàna taloha eo Analakely aho fa voasinton’ny hamaroan’ny olona. Efa alimbe io. Ny hita voalohany dia ny hamaroan’ny latabatra eo. Latabatra izany rey olona! Ny karazany eo amboniny kosa dia telo ihany amin’ny ankapobeny. Ny voalohany dia ny karazan-toaka rehetra, efa mahazo mivarotra toaka avokoa moa ny olona amin’izao fotoana izao araka ny tetibolampanjakana 2008 fa dia mandoa ny haba ho an’ny fanjakana fotsiny. Ny eto Analakely no tsy fantatro hoe araky ny fanjakana ho mandoa ny haban’ny fivarotana toaka avokoa ve ireo mpivarotra rehetra ireo. Mafy mihitsy ity fitadiavan’ny fanjakana vola ity fa mahagaga hoe maninona no tsy ekeny mihitsy raha izany fivarotana toaka gasy? Vola ho azy koa anie ireny e! Sa misy tombotsoa manokana ho ana olona ambony sasany mba tsy handoavan’izy ireny haba? Sa rehefa tsy ara-dalàna ny fivarotana azy ireny vao tena mandeha ny tsena?

Ny karazan-javatra faharoa hita ambony latabatra kosa dia ny tsakitsaky miaraka amin’ny toaka. Tsy mirevy kosa manko raha tsy mba asiana tsakitsaky miaraka aminy e! Vao nandalovako atoandro ny toerana maro ireny fivarotana tsakitsaky ireny fa io tany nolokoina menamena ho an’izay mahatadidy io mivadika mainty toy ny feno tsikoko ireny ho’aho. Afon’arina kosa ve no ampiasaina! Tsakitsaky izany anie ka ny kiendiendy no tena ankafizina e! Ny karazan-javatra fahatelo indray moa dia ny fanaovan-doka. Maro anie izy izany e! Raha ampandoavin’ny fanjakana ny hetra mifanaraka amin’izany moa maninona fa mivandravandra hoe tsy mandoa izany ireo e! Ny haban-toerana ihany. Fa ny toera-mpilokana manana anaraka kosa aloha ataon’ny fanjakana mamay mihitsy. Ataony amin’ilay hoe te-hanao eo. Oadray hay moa izay fivarotana anaty trano rehetra no tratran’ny fanondrotana avo telo ka hatramin’ny folo heny avokoa, ary ny artista aza moa izao nampidirina handoa hetra ihany koa. Tsy olana anie ireny raha mazava ny fitantanana ary fantatra ny alehan’ny vola fa toa bakoavin-dry zalahy hilibany fotsiny anie no tena manahirana ka aiza no tsy hitsikasina amin’ny tany (scoop gazetyAvylavitra) rehefa tahaka izay, nefa enga anie mba ho toy ny fianjeran’ny olona sendra tsy nahadingana fotsiny io fa tsyhoe inona tsy akory.

Fa hatramin’izao tsy hitako ihany izay hifandraisan’ny voasoratra amin’ny lohateny. Eo indrindra isika izao. Tamin’izaho nizotra ho eny amin’ny lapan’ny tanàna tamin’io alina io ihany tsy ny hita ihany no tsikaritra fa ny heno ihany koa. Izaho moa hatraty amin’ny gara no miatsinanana. Arakaraky ny hanatonako ary no ahenoako karazam-pofona isan-karazany. Fofona mifaninana ny ho mahery indrindra. Roa no tena “favori” mifaninana dia ny antsoina hoe maimbo ampy sy ny antsoina hoe maimbo toaka. Noheveriko fa efa akaiky sahady ny “metro”, ny tonga tao an-tsaiko voalohany moa dia hoe heno hatraty ve ny fofon’i “metro”? Fa tsy manaiky resy koa ny fofon-toaka, izay no tena mahagravy azy. Fofona roa no tena miady ka tena resy tanteraka ny fofon’arina sy izay endasina na atono eo amboniny. Tsy maka lavitra koa moa ny olona fa rehefa poritra dia maka sisiny na maka miafina ambadika fotsiny dia lasa izao. Aiza tokoa moa ny toeram-pivoahana akaiky eto indrindra? Tena ilay ao Soarano ampitan’ny Boriborintany io marina, fa lavitra ihany ho an’izay poritra an! Tsy mety vita koa moa ilay eo amin’ny ilany avaratry ny zaridainan’ny lapan’ny tanàna io koa.

Fa ny tena mampiaiky ahy dia ny faharetan’ireto olona mirevy ireto? Zakan-dry zareo rehetra ireo ve izany fofona izany sa anatin’ny revy koa? Izaho izay mandalo fotsiny aza saiky nihoaka sa noho izaho tsy mpankafy ilay karazan-drevy mihitsy? Ny tena mampalahelo ahy amin’ity tantara ity dia ilay tanàna no ahiako hanana anaram-bositra amin’izao karazam-pofona izao. Ny mahavariana dia ny mbola hitondran’ny sasany zazakely (latsaky ny dimy taona) amin’izao alina izao koa. Tena tsy hitako izay antony fa dia mahery tokoa angaha ny fanintonan’ny revy ka rehefa tsy hita izay hametrahana azy dia aleo entina. Nefa dia tena fampijaliana azy ireny mihitsy ange izany e! Dia ahoana raha te-hatory ny ankizy? Teny andalana hody indray aho no nifanena tamina tovovavy vitsivitsy ka ny hafa mitazona ny namany izay varimbarina. Fa vao nifanehatra akaiky izahay dia fofona “maimbo olombelona” matanjaka be araka ny fitenin’Itrimobe no re. Nihorona ny hoditro iray manontolo. Teo aho no tena niaiky fa tarazo ratsy tsy afaka amin’ny Malagasy (indrindra fa ny avy eto Antananarivo sy ny manodidina ny havoretrana) fa raha tsy izany tsy nisy ilay fomba fitenenana fandre talohan’ny fanjanahantany manao hoe “maimbo olombelona maimbo olombelona lanin’Itrimobe i Fara”. Sady mbola maro rahateo ny Malagasy fady manorina kaboney hatramin’izao.

Hevitra

Ny mikasika ny taoka gasy ngambany dia noho izy tsy voa-control ny famokarana azy dia tsy fantatra mintsy ny tena heriny (misy hoe 90 degre zany ny sasany) manimba ny fahasalamana izany hoan'ny tsy zatra ary mety hamono mintsy aza. Tsy voa-control koa ny fivarotana azy ka lasa mande bojo tsisy hetra le izy.
=> zany hoe tsy dia tena hita ny tombon-tsoa azo avy aminy. Efa misy ny toaka legale rahateo ka izay ngamba no tena manampy be @ ilay decision hoe aleo ho illegale ihany izy ireny...

Le fitondra-tena ndray, io koa tena ilana education civique intesive mintsy sy hetra/dina aloha hoan'ze koto voretra isany. Indray mande za nahita ol nipipi eo imasom-bahoaka @ sisin'ny arabe, tsy tahotra tsy henatra nefa ol bedabe ny mandalo eo. Tenenina izy dia izy ndray no manopa tssssssssssss. Maharary no mahamenatra ozy ny fitenenana...

Tokony asiana dina/hetra mintsy hoan'ze mpandoto e. Na mpivarotra io na mpividy.

Nampidirin'i simp @ 22:47, 2008-03-27 [Valio]

Mbola tsy nahavita namaky tanteraka aho fa dia nandalondalo fotsiny aloha ny masoko tamin'ilay lahatsoratra :-). Na izany aza dia te hanampy ny voalazan'i simp :

Marina io voalazanao io, fa izao koa aloha e : tokony ampitomboina ny isan'ny trano fidiovana ho an'ny daholo be (toilette publiques) :-).

Ilay "metro" moa ho antsika tsy mahazo resaka dia ny WC public ao Analakely (ampitan'ny "Pavillon").

Misaotra mitantara jentilisa a!

Nampidirin'i Tokinao @ 22:59, 2008-03-27 [Valio]

Mbola tsy nahavita namaky tanteraka aho fa dia nandalondalo fotsiny aloha ny masoko tamin'ilay lahatsoratra :-). Na izany aza dia te hanampy ny voalazan'i simp :

Marina io voalazanao io, fa izao koa aloha e : tokony ampitomboina ny isan'ny trano fidiovana ho an'ny daholo be (toilette publiques) :-).

Ilay "metro" moa ho antsika tsy mahazo resaka dia ny WC public ao Analakely (ampitan'ny "Pavillon").

Misaotra mitantara jentilisa a!

Nampidirin'i Tokinao @ 23:04, 2008-03-27 [Valio]

Mihena indray zany ny mpizaha tany any Bira :-(

Fa ohatra ny efa nisantatra ny JO sahady ilay korsa fofona raha ny filazan'ny mpitantara :-D

Nampidirin'i lap @ 00:15, 2008-03-28 [Valio]

>Sady mbola maro rahateo ny Malagasy fady manorina kaboney hatramin’izao.

Misy lafiny roa aloha e, sady tsy ampy ny fampitaovana trano fidiovana sy fisasana mnara-penitra, no tsy ara-dalàna koa angamba ny fitaizana sy ny fanentanana hoamin'ny fahadiovana ... foto-pahasalamana.

Rehefa mipetraka ireo ka mbola misy mihoa-pefy ihany izay angamaba hoy aho vao miditra an-tsehatra ny dina/sazy araky ny hevitri Simp.

Nampidirin'i tomavana @ 14:11, 2008-03-28 [Valio]

tomavana gaosista an :)

marina zany e,
fa saingy hoe misy fanombohana doly ny zava-drehetra? :P
ampahany @ vola azo @ Dina/sazy no anamboarana fivoahana poblika ;-)
plus misy tsy manara-dalana, hita fa mety tsy ampy ny toerana fivoahana, fa plus mahazo vola, plus mitombo ny hoenti-manana managana izany... a long terme izany mahita equilibre ihany...

rediredy fehizay...

Nampidirin'i simp @ 22:39, 2008-03-28 [Valio]

Maimbo

Tena mahafinaritra mamaky ny lahatsoratrao ry Jentilisa an !
Tapaky ny hehy aho no sady malahelo !
Zavatra nahavariana ahy tany 6 volana lasa izao dia mba misy ezaka ihany fa ilay tapi-maso eo akaiky amoron-dàlana ihany e !
Ny fako angonina etsy aoriana kely etsy !
Kanefa ny lalitra maro, ny olona maro !
Madio vetaveta e !
Aiza moa ny voalavo no tsy ho maro ?

Misaotra fa voalazanao ireo zava-doza manimba ny Malagasy:
- Zava-pisotro maha-mamo
- Filokana
- Haveretrana (tena, saina, sakafo, toerana)
hoy ny fitenin'ireo vazaha hoe: "on a la totale o" !

Grave an !

Maharary mahamenatra.

Mampahery !
Misaotra mitantara!

Nampidirin'i Helisoa @ 03:30, 2008-03-29 [Valio]

Voretra ny malagasy e! izay no tena marina! ny olona koa dia sarotra tenenina sy ahitsy izy!

Ny ahy dia ny dalle lasa fanaripako no tena mba tsy voako koa miampy ireo nolazainao ireo satria rehefa avy ny orana avy eo dia mitsikafona mivoaka daholo ireo maloto nariana tao! ary rehefa maina kosa ny andro dia miakatra izay tsy izy kosa ny fofona maimbo tena tsy hitako intsony izay hamaritana azy e!

mila sazina angamba vao ho hendry ohatra oe gadraina mihitsy izay tratra, fa kosa atao maro ny toerana hivoahana!

Nampidirin'i news2dago @ 09:03, 2008-03-31 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox