« | »

Telma: Io fanjakazakan'ny mpampiasa io

2008-04-06 @ 15:57 in Andavanandro

Mpiasa aho fa tsy mpandraharaha, noho izany tsy maintsy amin'ny fijerin'ny mpiasa no itondrako ny resaka. Eto aho tsy menamaso amin'ny mpampiasa fa rehefa tsy mety dia teneniko. Satria moa mpandraharaha no mpitondra ny firenena dia tahaka ny tsy manam-peo mihitsy ny mpiasa. Soa aza misy itony bolongana itony hamoahana ny feon'ny vitsy mpihaino sy ny mihavoatsindrin'ny hazolena ampitahorina lava amin'ny hoe "tsy misy ny tsenan'asa ka mahazo miala izay te-hiala fa be ny mpitady". Marihiko fa tsy tratran'izany tranga izany loatra aho fa mandre kosa ny manjo ny mpiasa hafa.

 

Efa nisy ihany ny fotoana delegen'ny mpiasa aho. Raha mahazo izany andraikitra izany tsy maintsy mianatra ny lalàna (dia ny lalàna sosialy na ny lalànan'ny asa izany). Tadidiko tsara fa toy ny mpampiasa ny firesahanao amin'izany "inspecteur de travail" izany. Raha nila hevitra tamina tranga vitsivitsy aho dia izy indray no namaly, nihoa-pampana noho izay nolazain'ny mpampiasa ahy izay Vazaha Tandrefana, hoe ianareo ao ary tsara toerana noho ny mpiasa hafa koa inona indray no takianareo? Vinitra mihitsy aho nivoaka io trano tao Antsahavola io ka nampitamberina ny resadresaka anjorony hoe efa nandray vola tamin'ny mpampiasa ireny "inpecteurs de travail" ireny ka tsy misy ilàna azy intsony. Niditra tao amin'ny birao nisy azy aho dia ery amin'ny 5m miala ny biraony ery no asainy mipetraka ary tsy maintsy miteny mafy miresaka aminy. Tahaka ireny mpiadina mitady mpiasa ireny no nahatsapako ny tenako.Andeha mody lazaiko hoe izaho angaha no mifanahin-jaza fa tokony ho izany no izy.

 

Ankehitriny, mitambolona indray ny tsiahin'ny omaly mieritreritra ny manjo ny mpiasan'ny telma izay iharan'ny fandroahana faobe (efa manakaiky ny arivo) nefa tsy misy tsipalo-teny avy amin'ny fanjakana akory. Efa tsy mahagaga intsony raha ny gazety no tsy miteny ihany koa.Mba mpijery vaovao vahiny ihany ny tena ka mahatsapa ny laharam-pahamehan'ny mpanao gazety any ivelany izany resaka asa izany indrindra ka hoe misy fandroahana faobe amina orinasa iray. Mba manao ahoana kosa ny lanja omen'ny gazety malagasy ny fandroahana faobe mahatratra 900 ao amin'ny telma. Ny gazetiko no naheno io resaka io voalohany fa zoro kely zara raha nahatratra folo andalana no anjara toerana sahaza azy tao anatinatiny tao. Raha gazety vahiny io marina tsy pejy roa natokany ho amin'iny fotsiny? Mety ho diso anefa aho amin'izany vinavinako izany.

 

Fa ny tena sampona dia ity: ny mpiasa ela niasana indrindra no roahina ka soloina tanora 200 heverina fa mahavita ny asa. Tonga manko dia nolazain'ny tompon'andraikitra iray fa tsy maharaka ny haitao ankehitriny intsony ireo mpiasa horoahina ireo ka ho fandaniam-poana fotsiny izy ireo. O ry zalahy! tsy ho antitra angaha ianareo? Tsy maharaka ny lalànan'ny asa intsony angamba aho fa araka ny lalàna eto Madagasikara fantatro dia ny olona nampidirina farany hatrany no tsy maintsy esorina voalohany raha misy fandroahana faobe tahaka izao. Tsy rariny mihitsy satria henoheno fa toa karama telovolana eo ho eo ihany no zo ho azon'izy ireo ho sandam-pandroahana. Olona firy taona sisa dia ho retirety ve no horoahina sahala amin'izao? Tsy firaharahiana ny zo mahaolona mihitsy... olona tsy hisy mpandray na oviana na oviana raha mitady asa fa ny tanora izay kendrena ho ampidirina ihany no be mpitady amin'ny tsenan'ny asa aloha.

 

Na dia heverina fa tokony hihetsika avokoa aza ny vondrokerin'ny mpiasa rehetra manoloana izao toe-javatra izao ary ny sendika no tokony ho lohalaharana amin'izany, dia sarotra ihany ny hanatanterahana izany noho ny haino aman-jery aloha voalohany. Ireo no mpanentana voalohany ka raha tsy misy fitenenana sy famoahan-kevitra hanoherana izao fandroahana tsy ara-drariny, satria sady mandroaka no mampiditra mpiasa izao, avy amin'ireo heverina fa solombavan'ny mpiasa mivantana ireo dia ho potika tanteraka ny tontolon'ny asa eto Madagasikara.Ho nofinofy izany hoe roapolo taona niasana izany fa ho avy ny fotoana 40 taona dia roahina ny mpiasa ka tsy hahazo asa vaovao intsony. Miaraka amin'izany na dia heverina ho mihamahay aza ny tanora dia tsy hisy na oviana na oviana ny fanatsarana ny tontolon'ny asan'izy ireo fa ny sipan'ny deba ihany no mety haharitra ao amin'ny toerany raha mahay mihazona. Ny hafa dia hitaintaina lalandava. Ny tena nahararak'ivy ahy dia ny filazan'ny gazety iray hoe nahazo fampitandremana avy amin'ny BIT sy ny OIT i Madagasikara fa aleo hoy izy amin'ny manaraka ny antsipiriany. Tsy aleo ve tsy miteny rehefa tsy hamoaka fa mahasosotra. Oviana izany amin'ny manaraka izany?

 

Mandinika aho fa tsy miasa ankalalahana ihany ny gazety eto Madagasikara fa matahotra ny mpitantana. Tsy hitako izay hanoherana mpitondra raha ny mason'ny mpitantana ao amin'ny orinasa iasanao aza atahorana. Tsy aleo mangina? Oadray! hay moa tsy misy milaza ny heviny ry zalahy amin'izy ity fa mitati-baovao fotsiny. Mba nilaza ny heviny ihany i Soava ao amin'ny Malaza fa maneso ny rehetra indray no ataony fa tsy manome tsiny ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny telma mihitsy izy. Hamaranako azy dia hoy ny fitenenana iray izay hoe na dia lehibe aza ny vatolampy rehefa tsy miteny angeren'ny vorona. Ny eto indray fisaratsarahana toy ny fasika no mitranga, ary ny fasika any amorontsiraka any tsy vitan'ny... fa tena andevenana mihitsy ary toy ny ilaharana vao maraina mihitsy aza. Enga anie mba tsy ho toy izany kosa ny hanjo ny mpiasa malagasy!

 

Hevitra

Jentl a,
ra vao lava be le izy dia very ny audience...

tsara kokoa ra asiana version resumee kely any @ farany na otr'zany :P

misaotra mialoha :)

Nampidirin'i simp @ 20:59, 2008-04-06 [Valio]

simp, misy hevitra maromaro ilay izy aloha. Izany hoe ny lalana rehetra toa tampina daholo :
- ny inspecteur de travail ahiahiana ho voavidin'ny mpampiasa
- ny mpanao gazety koa, tsy miraharaha fa vao mainka manampy trotraka aza ny sasany, dia tsisy dikany ihany izay hetsika mety hataon'ny sendika
Kanefa :
- voahosihosy ny zon'ny mpiasa
- toa voadika koa ny lalàna
ny tolotra koa tsy maharaka ny tinady eo amin'ny tsenan'ny asa

Raha ohatra aloha misy fandikan-dalàna kosa dia tokony ho afaka mitory ny sendika e.

Nampidirin'i lap @ 07:00, 2008-04-07 [Valio]

misy marina io lazin'i simp io ry jentilisa a!

Nampidirin'i news2dago @ 08:09, 2008-04-07 [Valio]

tsy misy analana tsy misy anampiana ra-jentl fa voalaza tsara ny hevitra. raha sorena @ tsy rariny ve ianao na ianao mihitsy ary no ianjadiany, dia ho vitan'ny andalana dimy va re ra-simp ?

mba hanintonana ny mpandraharaha ainvestisera mantsy dia foanana tanteraka ny zon'ny mpiasa. indrisy !

Nampidirin'i Rajiosy @ 12:17, 2008-04-07 [Valio]

lap, misaotra ee.

Azoko ihany le sentiment an'i jentl fa araka ny tenin'i lap hoe ra misy tsy manara-dalana ao, ohatra ny hoe ny antitra no tsy maintsy azomina na hoe mihoatra ny karama telo volana ny sandam-pandroahana (10 andro isaky ny taona nijanonana ozy le gazety iray), poinsa mety tsy hahazo rariny ihany ry zareo @ zany na dia hoe novidiany azany inspektera ee.

Pratika efa fanaon'ny orinasa ny manao fandroahana goavana ra manana olana ara-ekonomika izy na misy "restructuration" goavana ataony. Google zao vao hanao otr'zany koa. Mampalahelo ilay mpiasa tsy manana fidiram-bola fa izany akory tsy manome zo andrizareo hoe izy no handidy @ orin'asan'olona.

Na izany na tsy izany aloha tokony manao ankety rafanja satria 900 be zao ve ranga kou ra tsy fanjakan'ny baroa izy ity kou :)

ireto ny gazety nitatitra an'le izy:
tribune
tribune
lekspresy
midi

rajiosy,
tsy hoe afohezina ho andala 5 akory ilay lahatsoratra fa mba asiana famitinana kely eny ambany e. Otran'ireny "executive summary" ireny fa any @ farany fotsiny ka...

Nampidirin'i simp @ 16:05, 2008-04-07 [Valio]

Lalàna anie no mametraka hoe izay miditra farany no roahina voalohany e! avy eo izay tsy manana charges izany hoe izay tsy manan-janaka. Lalàna io fa tsy inona tsy akory.

Manaraka izany dia nanao hafetsena be ny tao amin'ny telma, nanana fifanarahana manokana ny mpiasa sy ny mpampiasa: napetraka tao tamin'ny voalohany ary efa niainana ela fa raha misy fandorahana tahaka izao dia iray volana isaky ny taona niasana no aloa. Nefa vao tsy ela (telovolana raha ela izay) dia novàn'ny mpitantana ho 10 andro isan-taona indray izy io. Midika izany fa efa nisy finiavana handroaka olo-marobe sahady tao.

Manaraka izany, inona daholo ireo tanora efa manakaiky ny arivo vao nalain'ny telma ireo nefa izao dia handroaka marobe indray? Raha any amin'ny asam-panjakana izany dia efa nalaza indray hoe nisy kiantranoantrano ny raharaha fa izao manko ef atsy miankina no mitantana dia tsy sahy loatra ny milaza izany.

Marihina fa io soratro io dia tora-po fotsiny fa tsy nila nodinihana lalina ka izay voasoratra dia voasoratra hoy i Pilato.

Nampidirin'i jentilisa @ 12:42, 2008-04-08 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox