« | »

Halakin-tsarety

2008-04-12 @ 13:01 in Andavanandro

Tena sarotra tokoa ity teny malagasy ity. Marina fa haiko ihany ilay izy saingy ny manahirana ahy dia hoe azon'ny olona ve izay soratako? Io lohateny io izay ahiako fa tsy azon'ny atsasak'izay mamaky. Aleo soratana ihany izay mety ho dikany na tsy dia haiko loatra aza ny teny frantsay:" Vitesse de la charette". Lava be raha toa ka soratako hoe hafainganam-pandehan-tsarety sady sao voakiana mandrakariva fa tsy mety ho fohy mihitsy ity teny malagasy ity.

 

Ny fiainana andavanandro eto Antananarivo no lazaiko amin'io. Tsy ho an'ny maika mihitsy eto amin'ity tanàna ity fa manaraka ny onjan'ny tsy mahara-dalana eny isika rehetra. Ny lalana tery nefa ny sarety tarihina tsy ho afa-mihazakazaka mihoatra noho ny fiara mitandrahatra efa tsy mampaneno anjomara intsony. Dia toy izany ihany koa eny amin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra, efa terin'ny mpivarotra fa ny mpiantsena koa tsy azo terena handaha haingana mihitsy. Ianao no tezitezi-poana irery raha vao maneho tsy fahafaliana ka mety hahazo ny teny hoe fa vahiny avy aiza koa angaha ity?

 

Dia toy izany koa ny fiainana ankapoben'ny Malagasy. Toa tsy miraharaha no fijery azy. Hafa ny lalàna mifehy ny mpiara-monina. Toa tsy natao ho an'ny maika eto amin'ity tanàna ity. Manaraka ny dian-tsarety ny fiara hafa rehetra ka tsy mahagaga loatra raha taraiky lalandava isika amin'ny ankapobeny. Fomba fihevitro ihany anefa izany fa anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra.

Hevitra

tanana ny mora mora e

Nampidirin'i news2dago @ 14:32, 2008-04-12 [Valio]

re-salala:

"io izy fa
aza avela ny taninao
io izy fa
rotidrotika"

aza kivy e,
mbola ho avy ilay maraina :)

Nampidirin'i simp @ 18:36, 2008-04-12 [Valio]

Miala tsiny fa somary ho lava:
>

Nampidirin'i R. Allain @ 05:32, 2008-04-13 [Valio]

Nisy lalao baolina kitra goavana ho an'ny Firenena hono teny Mahamasina.
Vitsy ny Mpividy tapakila ara-dalana hampandrosoana ny federasiona FMF, fa lasa teny Ambonin' Ampamarinana sy Andrefan' Ambohijanahary daholo ny hakamaroan' ny Mpijery; samy te "hijery fotsiny" baojo daholo, kanefa koa tsy misy te ho gisitra @ fanakihanana (na fitehafana indraindray). Hipoka ireny toerana fijeren-davitra ireny, sady "manala azy" ihany eo am-pijerem-baolina (hanalana ny ngidin'ny fiainana): misotrosotro, mihirahira, mandihindihy, ets. Tsy misy fetrany, ... ary dia manao maloto eny @ manodidina eny koa aza (jereo http://jentilisa.blaogy.com/)
Mitsitokotoko ny Mpijery ara-dalana (nandoa vola) eny @ gradins.
Ny Manan-kaja sy ny Manana ny Ampy moa mba nisy ihany teo @ tribunes.
Niditra ny Mpilalao (nomena maillots) sy ny Mpitsara.

Aty Dago moa ny lalao, koa dia niova tanteraka ny fitsipika.
Tsy afaka masiaka loatra ny Mpitsara sao dia hidinan' ireo Mpijery maro avy eny ambony havoana ireo raha vao tsy azoazony ny fitondrana ny lalao.
Koa dia nisy ary ny Mpilalao sasany no nifidy ho eny @ gradins koa, fa mba hoe te hijery tsara ny ataon' ny sasany koa (na Namany, na Mpifanohitra). Angaha tsy hafahafa, satria lasa tsy ampy isa ny Mpilalao na ny andaniny na ny ankilany, koa dia naka zorony vetivety ireo Mpitsara sy ny "Commissaires au Match" avy any ivelany. Nikaon-doha ny fomba hanohizana ny lalao mba hahafa-po ny maro an' isa.
Ny Mpanao Gazety moa dia nirotsaka ho "Mpitantara Mivantana" teny daholo (marihina: tsy afaka manao fanadihadiana lalina moa @ izany, fa izay hita eo sy tsaho mandeha sy sendra re no lazaina avy hatrany).
Dia nalefa haingana ity lalao vita Malagasy ity, sao dia miandry ela loatra ireo "Mpijery" karazany roa, nohatevenin' ny Mpilalao sasantsasany. Raha tsy izay mantsy dia tsy ho hay izay mety hiseho eo. Ireo Mpijery, na ny nifidy ny toerana avo lavitra na ireo eny @ gradins moa dia samy nitondra radio avokoa mba hanarahana ny vaovao momba izay "miseho eny ambony kianja" (izay hitan' ny "Mpitantara" mantsy e). Tsy dia fantatra marina izay votoatiny ilay fikaonan-doha moa, ary dia samy milaza izay heveriny fa marina daholo ny "Mpanao Gazety" tonga maro teny.
Ny Mpitsara hay moa, noho ny maha tsy an' ny atsy na ny aroa azy, dia nanapa-kevitra fa afaka mampidi-baolina @ izay tsato-by akaiky azy indrindra fotsiny rehefa mahazo baolina.
Tsy mba nofantarin' ireo Mpanao Gazety izany raha tsy efa ela be taty aoriana, vita ny baolina. Hany ka, rehefa teo am-pitantarana ry zareo, dia nifanjevo ny sain' ny Mpijery mihaino radio. "Tena tsy alehany mihintsy! Miala teo! Mamono tena! ... " ets

********
eeee.
Angano ihany io e. Azonao tohizana araka izay tianao ny fizotry ny lalao. Ireo efa eo ireo ny Mpandray Anjara, fa dia samia mitantara izay heveriny ho rariny e.

Nampidirin'i R. Allain @ 05:34, 2008-04-13 [Valio]

Io Angano io no tonga tato an-tsaiko rehefa nahare ("Fitantarana Mivantana"?) fa tsy nety "nilalao" (nidongy ?) fotsiny izao ilay Mpilalao nomena maillot iray tany Avaratra tany izay.
Ianao koa anefa Ra-Jentilisa toa mahita Mpilalao maro (sa Mpijery fotsiny moa izany ny maro @ ireo, mifanjevo ao ?) hafa manao ny danin'ny kibony koa izy izany !

Nampidirin'i R. Allain @ 05:45, 2008-04-13 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox