« | »

Ho afa-miditra soa aman-tsara ve raha mbola misy gazety vaovao?

2008-04-21 @ 13:47 in Kolontsaina

Efa bebe ihany izay ny gazety eto amin'ny tanàna izay raha mitovitovy daholo ihany izay ambarany, ka jerena avokoa ny lohatenim-baovao avoakan'izy ireo. Dia lasa ny saina mieritreritra hoe mety hahazo mpanjifa ve raha mbola misy gazety vaovao mivoaka indray? na gazety mivoaka isan'andro io na gazety mivoaka isa-kerinandro. Ahoana ny mety ho eritreritrao ho takelaka mbola banga eo amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety malagasy ka hahatafitra izay vaovao mikendry ny hahomby na ho tafiditra soa aman-tsara na hahaliana ny mpamaky ny zavatra avoakany? Ny vaovao amin'ny teny malagasy no tsara kokoa sa ny vaovao amin'ny teny frantsay?

 

Hevitra

news2dago

hamoaka gazety anga i jentilisa e! tsy aleo ve ity blaogy ity no hatsaraina de izay sa ahn?

Nampidirin'i news2dago @ 14:20, 2008-04-21 [Valio]

Etude de marché ?

Misy fanadihadiana be anie ato izany e ? Efa tonga angaha ny eritreritra dia manao "étude de faisabilité" ianareo ?

Nampidirin'i Crjo @ 15:19, 2008-04-21 [Valio]

Asa ianareo raha mamaky any amin'ny africaintelligence fa misy mikasa hamoaka gazety izany eto Madagasikara dia izay no nahatonga ahy hanoratra e!

Dia mba fantariko mialoha koa ny hevitsika amin'izany gazety mety havoakan-dRavatomanga izany. Ilay tompon'ny vondronasa Sodiat io

Nampidirin'i jentilisa @ 16:19, 2008-04-21 [Valio]

ravatomanga ve tsy efa lasa senateur zany oe TIM de mazava ho azy fa hifanandrina @ naina ratsitohaina izy zany izay mety ho kandida mety ho lany filoham-pirenena @ fifidianana manaraka

Nampidirin'i news2dago @ 17:19, 2008-04-21 [Valio]

ampiko kely ilay hevitro teo oe i naina tompon'ny gazety les nouvelles sy taratra izay efa manana ny toerany eto ka asa izay ketrika ataony i ravatomanga izany! ny polyclinique etsyilafy efa mampiteny ny moana ny saram-pitsaboana ao dia ady ny samy mpanana tokoa izy ity satria capitalista no mpitondra eto e

Nampidirin'i news2dago @ 17:22, 2008-04-21 [Valio]

>Ahoana ny mety ho eritreritrao ho takelaka mbola banga ...

Tsy ampy mihintsy ny fitaterana "vaovaom-paritra" ka raha toa ka manana mpanao gazety isam-paritra sady mahatafita vaovao ara-potoana ilay gazety vaovao dia mety hisongadina amin'ireo efa eo an-toerana

Nampidirin'i tomavana @ 07:57, 2008-04-22 [Valio]

tsarovy fa gazety mpivoaka isan'andro 2 raha misy dia misy no mahavita tombom-barotra. ankamantatra : inona àry no antony mahamay ny maro hiditra @ io sehatra io ?

Nampidirin'i Rajiosy @ 21:43, 2008-04-22 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox