« | »

Fika ho an'ny mpanjifa moov

2008-05-23 @ 16:31 in Ankapobeny

Tamin'ny fanendrena ny DGn'ny Moov ho lasa DGn'ny Telma no nahitako fa mihoatra ny 500 000 ankehitriny ny mpanjifan'ny Moov. Raha nahita ny tarehimarika aho dia lasa tany amin'ny olan'ny orange tany alohaloha tany ny saiko. Raha nahatratra ny 1 000 000 araka ny nolazainy manko ny mpanjifa tamin'izany fotoana izany dia sarotra tokoa vao nahazo izay nantsoina ny olona iray. Matetika aza moa dia lasa toy ny messagerie vocale hatrany ny antso tamin'izany fotoana.

 

Ankehitriny dia mitovy amin'izany ny manjò ny mpanjifa moov izay misy ahy amin'izao fotoana. Marihina fa tsy ilay plug & surf 3G+ no ampiasaiko fa amin'ny alalan'ny antso an-tariby(telma) ihany. Nandritra ny ora telo farany niseranako manko dia  tsy tafiditra na tsy nahazo izay takelaka nozahako mihitsy aho ankoatra ny takelaka fandraisana nataoko google ny 53 miniotra amin'ireo raha atambatra. Ankoatra ny mahalafo azy kokoa noho ny any amin'ny cybercafé izany dia mbola hasosorana no azo amin'ny atsasaky ny niseranako (tsy ho ampahatelon'ny niseranako kosa aloha fa mihoatra e!). Heveriko ho fatiantoka lehibe ho ahy manko ny tsy mahazo fahafaham-po akory amin'ny fandaniana tsy fanaon'ny sarambambem-bahoaka loatra. Ny mankeny amin'ny cybercafé tsinona no fanaon'ny maro fa noho ny itiavako azy miserana amin'ny alina no nampidirako azy an-trano.

 

Na izany aza dia misy fika ataoko hampihenako ny fahasosorako, fa tsy hoe ahafahako miserana ampisosasosana na tsy mandoa vola tsy akory. Azo fantarina ihany manko amin'ny alalan'ny telefôna ny mahalala na mety ny miserana amin'io fotoana io na tsia; raha mety dia manararaotra eo amin'ny telo minitra eo aloha fa raha tsia dia aleo miala avy hatrany (mi-deconnecter).  Rehefa vita ny solon'anarana sy ny tenimiafina dia mitady fidirana aterineto ny telefôna.Amin'iny izy mikaroka fifandraisana iny dia mandefa chrono io telefona io. Faharetam-potoana hitanao tsara eo amin'ny efijerin'ny telefôna (ecran) io. Amin'iny izy mivadika ora iny raha toa ka latsaky ny roa segondra dia mipetaka amin'ny amin'ny efijerin'ny solosaina kosa fa ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia araraoty ny andro hitsidihanao izay tiana jerena rehetra.

 

Raha azo atao ary dia tsy mamaky izay tianao vakiana aloha fa isaky ny voasoratra ny 'done' na 'terminé' dia mamadika pejy indray ianao. Toy izany ihany koa amin'ny mailaka (yahoo ohatra) fa tsy akatonao fotsiny izy amin'ny farany fandrao tsy mety. Rehefa hitanao fa manomboka mihisatra ny fiseranana na afa-po amin'izay takelaka rehetra tianao jerena ianao dia mi-déconnecte amin'ny aterineto (moov) avy hatrany aorian'ny fanindrian'ny X menamena ery ambony somary ankavia iny. Raha efa izay dia ny bokotra mialoha (precedent) hatrany no tsindrianao hamakiana azy tsikelikely sy ampilaminana satria tsy manenjika fotoana intsony ianao. Raha tsy izany kosa dia mionòna mionòna amin'ny manaraka indray. Na dia hoe eo ampigadonan'ny faharoa segondra monja aza ny fivoahan'ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia efa sarotra ny raharaha.Fa rehefa miala tsy maintsy mi-deconnecte fa tsy hoe mijanona eo tsy akory. Amin'izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny fotoana fanararaotra manokana iseranana izany fa efa nifohazako ny tamin'ny telo maraina, dimy maraina na misasakalina fa tsapa mihitsy ny fahabetsahan'ny olona miserana noho ny fihisaran'ny connexion. Raha mahita fika hafa ianareo dia ilazao ihany aho fa izaho aloha mizara izay niainako nampihena ny fahasosorako. Marihina fa na saiky hividy ilay 3G+ aza aho dia misalasala hatrany amin'izay mety ho fisosa na fihisatry ny fiseranana.

 

Hevitra

Orange-Moov

Faly miarahaba anao ny tenako.

Tsara ilay torohevitra (ho anareo Moov io). Ny ahy aloha dia tsy amin'io fa amin'ny Orange (misy usb, angamba toa plug & surf ihany).
Miray saina aminao aho amin'ilay miovaova satria rehefa sahirana ny iray satria be olona loatra (toy i Orange teo ho eo) dia be ny mifindra. Voaarina (i Orange, ohatra) ihany nefa ny toe-javatra dia ny mpifaninana indray no be olona dia ianao mpanjifa tia mifindrafindra no ketoka tatsy teo ary eto amin'izao androny. Ny ahy dia nieretako kely ilay olana tamin'ny Orange iny dia fahafahampo no azoko na amin'ny antso an-tariby na amin'ny aterineto.

Nampidirin'i coolienne @ 16:59, 2008-05-23 [Valio]

Online blogging

Ialao tsiny amin'ilay teny vahiny eo amin'ny votoatiny fa tsy haiko ny milaza azy.
Rehefa mihisatra izy dia na ny mail na ny lahatsoratra blaogy tiana havoaka dia aleo efa atao vonona dieny mailoha (soratana amin'ny Word, na Wordpad). Dia vao mahazo connexion sy tafiditra amin'ny pejy ka afaka miasa postdata dia copier-coller dia lasa ny lahatsoratra-mail. Fa raha eo vao hanoratra dia sahirana.
Mazotoa :-)

Nampidirin'i coolienne @ 17:07, 2008-05-23 [Valio]

izay mihitsy ka, omanina daholo na ny soratra hatao na ny takelaka hojerena fa raha tsy izany mandany vola amin'ny tsy misy dikany.

Nampidirin'i jentilisa @ 07:00, 2008-05-24 [Valio]

Ny vahaolana dia ny tsy mampiasa azy ihany ka! Tonga dia miala amin'ny MOOV dia mitady FAI hafa. Raha tsy diso aho, toa efa voasakana ny mampiasa connexion 2 amin'ny fotoana iray, izany hoe ohatra manokatra google @ onglet 1 dia blaogy . com amin'ny onglet iray hafa. Asakasakareo fa izaho aloha tena nifona, tsy hanao intsony raha resaka moov.

Celtel izao no ampiasaiko, somary lafo ny sarany fa any indray tsy ny fotoana lany no mikaonty fa ny kilooctets tafita. Gmail no kaonty ampiasaina dia atao mode mobile. (ovaina ny config n'ny Firefox atao ohatry ny hoe finday no manokatra dia tsy mihinana bande passante betsaka).

Nampidirin'i DotMG @ 08:16, 2008-05-24 [Valio]

tena marina ve izany? tsy mety kosa izany ataoon-dry zalahy izany/ hitako no tsy nahatafavoaka intsony aho nandritra ny adin'iray farany

Nampidirin'i jentilisa @ 14:42, 2008-05-24 [Valio]

Tsy mety nga ra mampiasa browser bedabe tsy voatery mitovy fa ohatra hoe firefox ny 1 dia IE ny 1... sa mbola voasakana ihany?

Nampidirin'i simp @ 21:51, 2008-05-25 [Valio]

Oadray marina! dia sakanany ve ny takelaka roa miara-misokatra ? Tsy rariny kosa e!

Nampidirin'i coolienne @ 12:33, 2008-05-26 [Valio]

vao avy nanatitra teto mihitsy aho fa takelaka telo no nosokafako fa mety ihany ka ! moov no ampiasaiko fa io no efa tato amiko efa ho efa-taona izao, fony mbola dts e ! izaho moa rehefa tsy tafandalo cyber vao miana-kendry mandany fahana ato an-trano.
Ny fikako moa dia mi-enregistre izay page ilaiko na koa manao copier-coller mankany amin'ny word. Indraindray moa dia mi-déconnecter matetika rehefa mahita page dia mifindra indray dia miditra sy mivoaka eo !
Mazotoa daholo ary misaotra amin'ny toro-hevitra ihany koa.

Nampidirin'i tsikisariaka @ 20:46, 2008-05-27 [Valio]

ny ahy izao no tena tiako dia ny ahalalĂ na ny fotoana tsara iseraserana ka vetivety dia misokatra ny takelaka zahana.

Nampidirin'i jentilisa @ 11:56, 2008-05-29 [Valio]

io indray dia arakaraka e ! indraindray misosa ny @ folo alina nefa mbetika koa mihisatra be, rehefa mitovy saina isika hoe @ 10 malaaka dia betsaka ny misaina izay koa dia taraiky ao. ny amin'ny 3 maraina angamba no vitsy, hi hi hi

Nampidirin'i tsiks @ 11:03, 2008-06-03 [Valio]

Tsikisariaka a! izaho mpifoha amin'ny telo maraina mba hiserasera fa mihitsoka ihany koa ho'aho! marina e! ny hany misy vahana kely azo ihoriranana dia ny alahady mifoha alatsinainy satria valaky ny faran'ny herinandro ny olona amin'iny.

Nampidirin'i jentilisa @ 08:46, 2008-06-04 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox