« | »

Oay ity karapanondroko! jereo koa ny anao

2008-05-29 @ 12:01 in Ankapobeny

Gaga dia gaga aho nahita ny karapanondroko rehefa avy nijery fandaharana iray tamin'ny fahitalavitra aho. Izay nanamboatra kara-panondro folo taona eo ho eo izay dia tratra avokoa. Inona hoy ianao? tsy misy fitomboka ho'aho ny sary amin'ny kara-panondro e! satria manko karatra sarotra alaina tahaka izy ity dia tsy maninona ve raha tsy nasiana fitomboka ny sary? Inona ny manakana ahy tsy hanova ny sarin'ny olona eo raha te-hanao hosoka aho? saingy tsy hanao izany aho aloha noho ny fitandroako ny fahamarinana.

Izao aho manontany anao: Jereo koa hoe ny kara-panondronao? Tsy voalazan'ny lalàna hono hoe tsy maintsy asiana fitomboka io. Dia lasa ny saiko manao hoe lalàna dia mamporisika hosoka koa izany lalàna malagasy izany. Ovay avy hatrany fa mampidi-doza... Etsy ankilan'izany dia nampanaovina sonia fanindroany hatrany aho rehefa maka vola any amin'ny banky kahoy aho hoe sao tsy matoky ny kara-panondro intsony koa ary ity banky misy ahy ity?

Hevitra

jentilisa: sao de fosika aza ny kara panondronao sany ahy ny fosika fa ny ahy dia misy fitomboka ary manirikiry ahy mihitsy ilay fitomboka fa manakona ny tarehiko iray manontolo

Nampidirin'i sazykely @ 13:24, 2008-05-29 [Valio]

Kay! adinoko ny nanoratra hoe ny karapanondroko dia natao tao amin'ny boriborintany voalohany tamin'ny jona 1999 ary ilay karapanondro kely io fa tsy ilay ngeza volontany ireny. Aza fady hoe satria ireo nanana ny kely no tena tsikaritra fa misy io toe-javatra io.

Nampidirin'i jentilisa @ 15:22, 2008-05-29 [Valio]

Sazykely : Ise voatavo tsy mifandraka dia misy fitomboka - hi hi.

Ny karapanondroko koa aloha tsy misy fitomboka ny sary e. Janoary 2001 ny ahy no azo ... tany Arivonimamo. :)

Nampidirin'i pissoa @ 17:46, 2008-05-29 [Valio]

lol

harilova

Ny ahy ry ireto nojereko daholo ny karapanondroko dia misy fitomboka daholo a
hi hi hi

Nampidirin'i harilova @ 21:50, 2008-05-29 [Valio]

Misaotra jentl a !

Nampidirin'i tsiks @ 06:21, 2008-05-30 [Valio]

ny ahy misy ka, firaisana V, taona 2004

Nampidirin'i Lalasoa @ 22:34, 2008-05-30 [Valio]

ny anontaniako anie izao dia hoe ilay karapanondro lehibe sa karapanondro madinika ilay anareo e

Nampidirin'i jentilisa @ 08:30, 2008-05-31 [Valio]

Ilay kely ny ahy ka !

Nampidirin'i pissoa @ 15:17, 2008-05-31 [Valio]

Hita ho'aho koa, ny kely manko no tena ahitako io tsy misy fitomboka amin'ny sary io.

Nampidirin'i jentilisa @ 12:33, 2008-06-01 [Valio]

Fa ny pasipaoro koa tsy misy fitomboka fa ilay ohatra ny autocollant iny fotsiny no misy MDG lool. Tsy haiko iny raha mora angalarina koa. (Ilay taloha izany, fa za mbola tsy nahavita ilay vaovao hi hi)

Nampidirin'i pissoa @ 12:44, 2008-06-01 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox