« | »

O ry jirama o! Mitombo izany vidinjiro izany aloako izany

2008-07-05 @ 09:11 in Toekarena

Marina fa misy vitsivitsy ihany ny mpiara-miasa amiko namako no miasa ao amin'ny Jirama. Tsy mikendry azy ireny aho na hanafintohina azy ireny velively. Efa nambara ombieny ombieny fa nahantona ny fampakarana ny vidinjiro saiky natao na hatao. Gaga anefa aho fa nitombo be ihany ny vola naloako. Inona ny antony?

Iray volana izany no nandrenesantsika fa nisy fitokonana nataon'ireo mpandray ny marikisan' ny jiro sy ny rano any an-tokantranon'ny tsirairay avy any. Mazava loatra fa misy fihemorana ny andro mahazatra fandalovany any an-trano. Efa nanamarika sahady ny gazety fa ny mpampiasa ny jiro sy ny rano (tsy tokony hoe mpanjifa satria tsy maintsy ilaina izany jiro sy rano izany amiko sady orinasa tokana no misy eto) no ho matiantoka amin'izany fitokonan'ny mpiasa mandray marikisa izany. Tsy te-hino aho satria efa nisy fitokonana enimbolana teto Madagasikara... fa noezahin'ny jirama ny nandamina azy mba ho toy ny fandoan'ny olona isam-bolana ihany no aloan'ny tsirairay. Nihevitra aho fa noho ny fahatarana folo andro dia hojeren'ny jirama io olana mety hianjady amin'ny mpampiasa io sady vola rahateo no resaka. Kanjo, diso hevitra aho.

Nataony tany amin'ny vaniny (toy ny hoe vanim-pary no tiako ilazana ny tranche izay azo atao hoe silaka koa?) faharoa daholo ny fahataran'ny fahatongavan'ny mpandray marikisa. Tsy niraharaha ny mpiasan'ny jirama... tsy niraharaha ihany koa ny fitantanana tao amin'ny jirama. Mazava loatra fa na tsy niakatra aza ny vidin-jiro, ny fahatarana tsy avy amin'ny mpampiasa ny jiro sy ny rano kosa dia fanasaziana anay voatonona farany. Vola no tadiviin'ny jirama dia nahazo vola fanampiny izany izy. Ny ahy manokana dia nanakaiky ny avo roa heny tamin'izany fandoako isambolana tamin'ity taona ity no lasa aloako raha maherin'ny telo heny noho izay naloako tamin'ny herintaona katroka izany (jona 2007).

Lasa ny eritreritro manoloana io toe-javatra mihatra amiko io. Lasa mieritreritra resaka ambadika eo amin'ny olona vitsivitsy tao amin'ny fitananana ny jirama sy ireo mpitokona aho. Lasa manao hoe nisy ny nitarika ny mpiasa hitokona hahatara ny fandraisana isa any an-tokantrano ka hampitombo izany ary dia hitombo be ny vola aloan'ny tsirairay (io no tena tanjona) rehefa tsy asondrotra ihany ny vidin-jiro. Dia mody mifampizizo ihany ny tsirairay... Tena tsy misy fikambanana mpiaro ny olotsotra iharan'izao fanondrotana ankolaka izao ve? Izao raha tany amin'ny faharoapolo ny volana no fandalovan'ny mpandray marikisa lasa aty amin'ny fanombohan'ny volana ry zareo vao mandalo ao an-trano.Eee! aza mba voany tahaka izao ihany e! fanitombo be ihany ilay miandry amin'ny iray volana nefa aho tsy mba nampiasa solosaina loatra nandritra iny volana lasa iny a! sa nandeha foana moa ny televiziona tao an-trano?

Hevitra

ny Jirama mampiasa centrale thermique => ny centrale thermique mampiasa petrole-gasoil => miakatra ny vidin'ny petrole => miakatra ny vidin'ny jiro.

ny Jirama manao investissements miezaka manatratra ny fitombon'ny filàna angovo => y investissements miankina @ vidin'ny vola (taux d'emprunt) => ets ets

raha vao angovo no resahina hatraiza hatraiza dia fiakaram-bidy izay no tonga ao an-tsaina.

ka akory atao fa mirotaka ny olona ? subventions ? asa fa na ny mpitondra aty Frantsa aza vaky loha be koa (i Sarko kely loha :-)

soloina ny mpitondra, tsy mampiova ny fiakaram-bidy saingy afa-bonkina vetivety ?

Nampidirin'i Rajiosy @ 10:38, 2008-07-06 [Valio]

:)

Efa nampoizina mintsy io t@ le mpiasa nigrevy ireny fa zany hoe samy nanao kabari-politika na ny mpiasa nitokona na ny mpitantana ny Jirama. Tsy hisy fiantraikany any @ mpanjifa? ny masoko (vakiana hoe mon oeil :)), ny lojika tsotsotra dia miteny fa tsy nilaina niasa mandritra ny 1 volana feno ireo mpiasa ireo ra tsy manova in in mintsy ny fanaovany grevy...

Tsy anjaran'ny mpanjifa indray ve izao no migrevy? :P

Nampidirin'i simp @ 22:42, 2008-07-06 [Valio]

Lafo tokoa !

Ary isika eto Madagasikara dia tokony tsy hionona amin' ny angovo sy herin'aratra azo avy amin' ny barazy intsony satria ny rano dia efa miha-ritra tsikelikely, ary ny hain-tany dia efa mamely erak'izao tontolo izao.
Ny tokony hatomboka angamba, dia ny herin'aratra avy amin' ny angovo nucleaire.
Isika rahateo manana an'ireo matieres premieres ilaina amin' izany, izay azo trandrahana tsara eto Madagasikara.
Sa ahoana hoy ianao ry Jentilisa ?

Nampidirin'i lehilahytsyresy @ 06:55, 2008-07-07 [Valio]

"angovo nucleaire" : hevitra tsara saingy tsy vitavita foana amin'izao hoe miaraka @ vava.

nisy an'i Pr Raoelina Andriambololona efa an-taonany maro no nanosika an'izy io tany amintsika saingy niteny tany an'efitra ny lehilahy t@ izany.

ny barazy sy ny eoliennes angamba no tsara asiana resaka ? asa ?

Nampidirin'i Rajiosy @ 13:11, 2008-07-07 [Valio]

Azo eritreretina daholo izany na dia dradraina fa lafo be aza ny fanatanterahana azy. Isika Malagasy rahateo tsy atahoran'ny Amerikana ka afaka mampiasa ny angovo nokleary tsara mihitsy raha tiantsika.

Nampidirin'i jentilisa @ 17:09, 2008-07-07 [Valio]

:)
Noho ny antony hoe mbola tsy voafehintsika ny fikirakirana ny nokleary (sady tsy mahazo na mieritreritra ny hahaizana an'izany akory aza) dia voatery tsy maintsy hiantso ny expertise avy any andrefana isika. Izany anefa mazava hoazy fa tsy hotakatr'tsika mintsy ny vidiny. Eny e, mety azo eritreretina ihany fa dia efa miomana aloha izany fa tsy maitnsy hanjakany eto ny harenantsika mandritra ny 50 taona ho avy :)
moa koa atahorana sao hiteraka katastrofy eo... ny firendehibe sasany izany mintsy no antony tsy nampiasany nokleary.

Ny alternative misokatra ho antsika kosa anefa dia eo ny saribao natoraly le any Sakoa io, ny ankamaroan'ny firenena vao misondrotra (pays emergents) dia mampiasa an'io doly, na du moins en partie. Fa zany hoe mety ho henjana ihany ny investissement tsy maintsy atao. Surtt hoe hydraulique sy thermique doly ny matosintsika...

Farany dia eo ny solika. Misy chance ahitana solika ao @ harenankibon'ny tany malagasy. Mety ho bonne chance ihany zany isika, sady tsy mila manova matosy fa tonga dia miainga... Eo koa ny hoe afaka manao an'ireny biocarburants ireny. Izany zao investissement azon'ny JIRAMA atao tsara fa tsy haiko hoe manin no tsy mba consider-na akory... na ny manao fitahirizana solika hoandrizareo manokana aza moa tsy ataony ka aiza ary... mais bon, mety eo @ le probleme ana-tresorerie doly ngamba no mampitontona an'zany rehetra izany...

minoa fotsiny ihany ozy, sa ahoana?

Nampidirin'i simp @ 21:56, 2008-07-07 [Valio]

le any Sakoa ra-simp efa misy orinasa mitrandraka fa lafo loatra ilay izy ho an'ny ao an-toerana dia tsy misy mahatakatra.

hany ka aondrana any Sina ny saribao nanahary io. araka ny voavakiko dia eo @ 25 taona eo ho eo dia tapitra ilay zavatra.

Nampidirin'i Rajiosy @ 20:21, 2008-07-09 [Valio]

Lasan'ny Chinoa fotsiny ve izany ny entana? dia tahaka ny ahoana ny azon'ny gasy amin'izany?

Nampidirin'i jentilisa @ 12:29, 2008-07-10 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox