« | »

Nailiky ny FJKM ry Ratovohery Eddy (Zoky Eddy)

2008-08-03 @ 21:57 in Finoana

Tsy tany amin'ny FJKM aho androany no namonjy fotoam-pivavahana fa tany amin'ny FLM Ambatovinaky. Miala sasatra moa ny Sekoly Alahady misy ahy ka dia naleoko niakatra tany an-tanàna ambony indray (intelo alahady androany).Noho izany tsy reko mivantana ny filazana tao amin'ny vaovaom-piangonana fa olona no nampita tamiko. Tsy nianona tamin'ny filazan'ny olona iray fa lasa nanontany olona hafa iray fiangonana mihitsy. Dia voamarina tokoa fa teny midina izy ity (avy aiza ary?) ary nolazaina fa "tsy miara-miasa amin'ny FJKM (Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara) intsony Ratovohery Eddy sy ireo mpiara-miasa aminy (iza no tena tompon'ny fanapahan-kevitra?). Hevitreverina fa naely nanerana ny sahan'ny FJKM ity filazana ity ka ny eto an-drenivohitra aloha no mahalala azy androany.

Loharanom-baovao hafa ihany koa no nandrenesana fa na Ratovohery Eddy aza dia mahalala tsara fa tsy mahazo mampianatra (manao seminera) any amin'ny FJKM intsony izy ka ny FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) no miara-miasa aminy amin'izao fotoana izao (ankasitrahako ny FLM izany).Koa amin'izao ankatoky ny zaikabe sy ny fankalazana ny ivon'ny fankalazana ny faha-40 taona ny FJKM hotanterahina any Mahajanga izao dia te-hahalala aho hoe inona no anton'izao teny midina izao? Nisy fahotana mahafaty nataony ve? Nanevateva ny FJKM ve izy sa nandika ny lalàna fiorenan'ny FJKM? Sa tsy mifanaraka amin'ny foto-pinoan'ny FJKM ny zavatra ampianariny? Miandry fanazavana avy amin'ny Foibe na izay niandohan'ny teny midina aho. Naninona no tsy niandrasana Sinaoda Lehibe ny fanapahan-kevitra... Sa ity no karazana antso manao hoe Mivoaha! Mivoaha ao Babilaona ianareo oloko, fa Rava Babilaona lehibe?

Raha misy ny fitenenana hoe tsy miara-miasa dia karazany fandroahana ankolaka ihany izany. Ny fiangonana manko araka ny fihevitro misy ilay teny hoe tsinjaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana fa ny Fanahy dia iray ihany, tsy voatery ho maso avokoa ny momba ny tena, ary ny maso tsy mahazo miteny amin'ny tanana hoe satria tsy maso ianao dia tsy ekena ho momba ny tena (fiangonana). Koa raha misy singa amin'ny tena esorina dia tokony ho araka ny filazan'i Jesoa manao hoe raha ny tananao no mahavery anao, esory any fa aleo ianao voavonjy tapatanana toy izay very manontolo miaraka tamin'ilay nampanota anao. Fanomezam-pahasoavana ho azy ny mampianatra koa raha tsy mahazo mampianatra intsony izy dia tsy avela manao ny asam-pahasoavana nomena azy...midika ho fanalana azy ihany fa tsy inona tsy akory.

Tranga efa niainako manko ny nandrarana ahy tsy hahazo mampianatra sekoly alahady intsony tany amin'izay FJKM (tsy ilay ampianarako sekoly alahady amin'izao fotoana kosa aloha) iray izay. Tsy hoe nahabevohoka zanak'olona aho na nanodikodina zaza tsy ampy taona fa nianatra saikolojia tany amin'ny fiangonana tsy miankina iray izay (ny fiangonan-dRakotomalala Romain) no nisy nahita sady izaho koa tsy niafina ka ahiana mety hanao fampianaran-diso. Mazava loatra fa tsy manana na inona na inona mamatotra ahy aho ka raha izay kely tiako zaraina no andrarana ahy, misintaka soa aman-tsara aho mazava loatra.

Tsara ihany angamba ny mampahafantatra izay tsy mahalala hoe iza moa Ratovohery Eddy. Tsy afaka ny hihambo ho mahalala azy aho fa izay fantatry ny maro nanana fifaneraserana lavitra azy ihany no fantatro. Voalohany, tsy mpitondra fivavahana izy fa kirisitiana tsotra, izany hoe lahika. Tao amin'ny Fikambanan'ny Mpiara-mamaky ny Baiboly deparitemantan'ny fanolorantsaina ho an'ny mpivady no azo lazaina fa nipoiran'ny Mission Pour Le Salut et le Service de la Famille na Fikambanana Vonjeo ny Fianakaviana izay naoriny. Manana ny teny faneva manao hoe "Ringana ny oloko noho ny tsy fisian'ny fahalalana"izy ary dia io fandaharana Vonjeo ny Fianakaviana io no tena ahafantarana azy. Teny Firantsay ny famelabelarana nataony tamin'ny voalohany (noho izy nampianarina tamin'ny sekoly Firantsay fahatanora) fa taty aoriana vao naompany ho amin'ny teny Malagasy hahatratra ny sarambambem-bahoaka indrindra fa ny tanora.

Sahiko ijoroana ihany koa fa efa nanaraka ny seminerany aho indroa (sa intelo akory aza) izay. Ny voalohany tao amin'ny Radio sioka Vao izay tsy hita nanjavonana ankehitriny ary nifampitohy avy hatrany tamin'ny fanarahana mivantana ny seminera notontosaina tao amin'ny tranompokonolona Analakely (andiany faha-30) ary ny fahatelo dia vao tamin'ny herintaona tao amin'ny FJKM Ambatonakanga. Anisan'ny nampijoro ahy ho tsy ho voahozongozona tamin'ny finoana ny seminerany, ka nahafahako nijoro tamin'ny maridrefin'ny baiboly fa tsy izay lazain'ny olona sy ny ataony mifandaka tanteraka amin'ny torolalan'i Kirisity aza.

Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Hevitra

Marina izany

Matetika dia sarotiny tokoa ny denomination tsirairay amin' ny fankatoavan' ny mpikambana an'ireo fotokevitra izay tsy maintsy inoana.
Noho izany, sarotra ho azy ireo tokoa ny manafangaro ny heviny amin' ny hevitra izay tsy mitovy amin' ny azy. (Ny fivavahana moa tsinona dia fanompoana, kabary tsy valiana)
Raha zohiana ny tantara, dia hita fa efa maro tokoa ny zava-nitranga toy izany.
Anisan'ny mpitondra hevi-baovao toy izany moa i Lotera (Luther), i Calvin, ...sns...sns...izay mety efa fantatsika ihany...

Nampidirin'i lehilahytsresy @ 04:33, 2008-08-04 [Valio]

Raha mitondra hevitra vaovao izay mivoana amin'ny fisainan'ny FJKM i Zoky Eddy dia mety ho izay tokoa izany.

Fa raha sendra resaka politika indray no tafiditra ao dia tena tsy rariny.

Nampidirin'i Hery @ 07:54, 2008-08-04 [Valio]

ilay "zavatra"

raha misy afaka manamarina ny tsaho heniko - toy izao ilay tsaho : nisy "zavatra" izay eritreretin'ny fjkm hono hoe "masina" (tsy azo itsahina-tsy azo hipetrahana), nefa nolazain-drangahy Eddy fa tsy tokony ho hajaina amin'ny maha "zavatra" azy fa ny hevitra fonosiny no tokony ho hajaina - dia nipetrahany (na koa notsahiny) hono ilay "zavatra"...marina ve izany seho izany?
Nampidirin'i finoanaray @ 07:56, 2008-08-04 [Valio]

ny tsaho henoko mba disoy na hamarino - misy "zavatra" izay eritreretin'ny fjkm fa masina hono ka tsy tokony hipetrahana na hitsahina - dia hoy hono razoky hoe tsy ilay "zavatra" no tokony ho toavina fa ilay hevitra ao amin'ilay "zavatra" - dia nopetrahany (na notsahiny mihitsy aza)hono ilay "zavatra"

Nampidirin'i finoanaranoray @ 08:00, 2008-08-04 [Valio]

Sihon-dresaka no henoko fa toa oe sekta hono ity zoky Eddy ity ankehitriny e! toy izany koa i Mr Romain, izay moa no hisokajin'ireo mpanenjika azy fa izao dia mampita resaka fotsiny fa tsy oe momba ny atsy aho na iroa tsy anjarako izay! Ny olona no aoka hitsara sy hamakafaka dia samy mandray izay tandrifiny. Ny anay manokana zao dia mbola tantara mitohy ihany ity fahafahana manao ordinasiona eveka Vehivavy sy ny resaka Homosexuel. Ary rava maina ny fivorina tany Lambeth tany Londre! Akamatatra kely inona ary ny fiangonana misy ahy ô? Ity misy indice kely Mambra feno ao @ FFKM izy! LOL

Nampidirin'i news2dago @ 08:06, 2008-08-04 [Valio]

Hoy ny teny hoe : "ma grâce te suffit, car ma puissance s'accomplit ds la faiblesse, je me glorifierais donc bien plus volontiers de mes faiblesse afin que la puissance de Christ repose sur moi" (1 Cor 12 : 9). Tsy tokony atao hahakivy izany ary tsy ilaina valiny fa efa voasoratra daholo ny fanenjehana ny kristianina. I Eddy koa no nampijoro ahy t@ finona raha tao anaty fahalemena tanteraka aho. Fa tsy olana izany e, mahereza hatrany ry Jentilisa. Tohizo ny asa izay nomen'i Tompo anao. Ianao ve manana page perso @ topc ?
Nampidirin'i Kdaombaramita @ 08:53, 2008-08-04 [Valio]

Aza fady Kdaombramita raha tsy tafiditra mihitsyny soratrao. tsy avy aty amikoiny fa indrindra manondrana tahaka izany ihany ity vavahadin-tseraserantsika ity.

Nampidirin'i jentilisa @ 10:07, 2008-08-04 [Valio]

fijeriko manokana

Raha ny faminavinàko manokana dia mety ho nisy tsy fitoviam-pomba fijery (toa an'io nolazain'i finoanaranoiray) io angamba.

Resaka fombafomba ihany io amiko fa tsy midìka ho dia tena "ady" na fifandrafìna goavana akory. Ny zava-dehibe dia samy mino an'Atra iray izy roa tonta. Koa raha ny hevitro dia tsy tokony hanakatra zava-dalina foana isika fa sao dia vao mainka hampiely tsaho (resa-pôlitika, sns).

Amin-draTokinao moa dia tsy misy fiangonana marina na dia iray aza ; fa izay maharesy lahatra, mahasambatra ny olona iray, ary mizara fahasambarana ho an'ny manodidina azy, no marina aminy. Ka tsy tokony hifampitsara.

Sakamalaho sy havozo hoy ny fitenenana

Nampidirin'i Tokinao @ 12:35, 2008-08-04 [Valio]

Izy aloha dia vantam-piteny ka mety nisy voatsindrona am-bavafo angamba tany ho any ...
asa fa fahazaran'i Zoky Eddy ny miteny hoe: Izay ny ahy ny teniko fa izy koa tsy mety aminao ampodio aminakahy!
Ka nampodiany hatramin-dRazoky izany!

Nampidirin'i Lalasoa @ 22:03, 2008-08-04 [Valio]

Miarahaba antsika rehetra!
Araka ny tatitra henoko dia nisy taratasy izay navoakan'ny foibe FJKM tsy mamela ny fiangonana FJKM rehetra hanaovan'ny Zoky Eddy famelabelaran-kevitra intsony. Izaho manokana sy ho an'izay miangona ao @ FJKM Ambohipo dia isaky ny 2 taona no manao an'io fampianarana io ao @ FJKM Zoara-Fanantenana Ambohipo i Zoky Eddy, tokony ho amin'ny fiandohan'ny taona 2009 no anaovany izany saingy efa nilaza ny Mpitandrina Rakotobe Rajaomanjato fa tsy asiana ady hevitra ny taratasy avy @ foibe FJKM fa dia ajanona ny fampianarana.(Tao anatin'ny alahelo raha ny fijery an'ny pasitera t@ izay fotoana izay.)
Ho an'izay efa nanaraka ny fampianarana dia misy ny tia ary misy ny tsy tia, toy ny mangahazo mangidy malemy io, ka hanina @ halemem-panahiny, ny mampalahelo dia misy mihitsy ny olona izay sahy nijoro vavolombelona araka ny voalaza fa nisoloky olona i Zoky Eddy no nahazoany ny fiara izay ampiasainy raha tsy diso aho dia Peugeot 505 familiale io fiara io.
Ny hevitro manokana dia tena tafiditry ny Pôlitika ny FJKM ankehitriny, izaho rahateo protestanta FJKM, ka izay olona mitady hanelingelina sy sahy milaza ny marina ka manohintohina ny fitondrana ankehitriny dia atao toy izao nahazo an'i zoky Eddy izao avokoa.

Nampidirin'i naritsimba @ 14:10, 2008-09-26 [Valio]

Valiny

Miala tsiny amin'ireo rahalahy Pastera aho fa izaho koa mitovy amin'i Zoky Eddy: amiko ny Baiboly rehefa tsy mitondra fiainana ho anao dia zavatra sahala amin'ny zavatra rehetra ihany, ka na ipetrahako na .... dia tsy maninona izany. Zoky Eddy koa no nanova ahy fony izaho mbola tsy Mpitandrina, ary efa imbetsaka aho no nanaraka seminera sady tonga any aminay iska roa taona izy ary tena hitako fa manova fiainana maro tokoa. Koa inona mo no tanjona amin'ny fitoriana Filazantsara raha tsy ny hambabo olona maro ho an'ny Tompo?
anjaranareo ny mieritreritra ny fomba andresendahatra ny olona hanaraka sy handray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjin'ny fiainany manokana.
Fiadanana

Nampidirin'i Lekely @ 16:45, 2010-10-15 [Valio]

Miala tsiny tompoko, fa tena toetra ratsy ato @ FJKM ity mandrarandrara ity. Raha vao hita fa mahasarika olona maro ilay fampianarana, fitoriana dia lazaina fa secte ka tsy azo ampidirina ampiangonana intsony. Efa fantasika rehetra ny momba an'Andravoangy Fivavahana e!.Misy fiangonana iray koa teny mavitrika @ fitoriana filazantsara ka mahasarika tanora maro, ary tena resy lahatra ny @ Jesoa Kristy eto andrenivohitra. Maniry aho mba ho toa io daholo ny fjkm rehetran aza hitako????.
Tsy fombafomba ny fivavahana re olona e!, ka rehefa manakiana ny hita fa tsy mety ve dia ailika,ary lazaina fa fivavahana diso na fampianaran-diso. Mila miverina mianatra an!

Nampidirin'i sahivonona @ 13:58, 2012-07-13 [Valio]

Miarahaba tompoko, anisan'ny manaraka ny seminera vonjeo ny fianakaviana ny tenako amizao ary ao anatin'ny fampianarana izany indrindra no ahalalako fa ny olona tsy mahazaka ny marina, zatra mandeha amin'ny maizina fa tsy misy intsony ny fahazavana fa takonana amin'ny fomba rehetra.

Nampidirin'i Solo @ 07:26, 2012-07-25 [Valio]

Jesoa no Tompo! Izay tsy manohitra fa Izy no Tompo dia momba... Ka na fiangonana io na fikambanana io na asa? Dia any an-danitra ihany no tanjona iombonana fa ny "lalana" no samihafa. Ny lalana resahako eto dia ny karazam-piangonana sns ... fa raha ny tena marina dia iray ihany no lalana dia i Jesoa Kristy irery ihany.

Nampidirin'i Haja @ 18:15, 2012-08-24 [Valio]

Baiboly io zavatra lazainao io. Ny tiany ambara dia hoe tsy ny fanajàna azy ivelany no tena zava-dehibe fa ny fankatoavana sy ny fanekena ary ny fandraisana ny votoatin'ny Baiboly ho marina ka hoarahina eo @ fiainana .Tsy mety @ FJKM zay foto pisainana izay.

Nampidirin'i piso @ 09:17, 2012-12-07 [Valio]

Amiko ndray de izao: Boky toy ny boky rehetra ny Baiboly rehefa tsy iainana ny ao anatiny. Ka izay tianao izany na ny anatiny no iainana na ny ivelany. Ny an'ny sasany manko ny ivelany. Mirary ny Fiadanan'ny Tompo aminareo rehetra.

Nampidirin'i Pasteur KOERA @ 08:14, 2013-01-19 [Valio]

Resak tsy mahasoa no tsy mampandroso izany, matoa ny FJKM nanao izany fanambarana izany dia efa nisy ny fanadihadihana sy fandinihina lalina.Misaotra Tompoko

Nampidirin'i Toky007 @ 06:35, 2013-02-13 [Valio]

Nanaraka ny seminera nataon'i Zoky eddy tamin'ny televiziona ny tenako, ary nahita ny marina no nolazainy ary mivantana, ka izay no tsy zakan'ny sasany. Tsara tokoa amiko io seminera io ary raha mbola mitohy dia mampahery azy...

Nampidirin'i Sylviana Rabenasolo @ 07:00, 2013-08-24 [Valio]

Tsy maninona zany eh!na mahazo mampianatra ao @ fjkm na tsy mahazo,tsy mampaninona 'zany.Na mahazo sitraka na tsy mahazo sitraka,mifaly mandrakariva noho ny @ tompo.Fampianarany Zoky Eddy io.Efa nanao betsaka tamin'io fiangonana io koa ianao ka aleo mba ho any hafa indray.Tena mankasitraka Zoky Eddy ah!Tena nandray fiainana be dia be taminao izahay.Tena tsarovanay ato amponay mandrakariva ianao,eny na dia tsy hitany masonao aza izahay,dia mivavaka ho anao mandrakariva.Ny tompo anie hombanao Zoky ah!.

Nampidirin'i Gerard Rakotomalala @ 12:41, 2016-08-21 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox