« | »

Raha nahay nihomehy iny Vakana iny

2008-08-09 @ 08:53 in Ankapobeny

Asa raha noho ny fialan-tsasatra efa tafiditra tsara amin'izao fotoana izao fa dia hirediredy tokoa moa izany. Misy tokoa manko ho an'ny mpanoratra zavatra matotra mandrakariva ny fotoana anoratana zavatra tsy matotra tsindraindray mba ho ala hamohamo eny ihany. Noho izany azonao atao mihitsy ny tsy mamaky ity lahatsoratra iray ity. Atao karazana angano ilay izy aloha. Tsy ataoko hoe Ikotofetsy ny Imahakà intsony ilay tantaraina fa andeha atao hoe Ikotofatsora sy Idontofetsy (fa tsy i DontoMG mihitsy aloha fa aleo mody atao hoe izaho io!).Indray andro, hono, indray ity izany e!

Iray lalana Ikotofatsora sy Idontofetsy no nahita zatovolahy iray niambozona vakana mahafinaritra. Ny Vakana no Ravaka fanaon'ny olona taloha ifampiavahana noho ny herim-po aza. Ataoko fa maro isika no mahafantatra ilay fomba fiteny hoe "Izaho ve no namono ny voay dia ny hafa no hiravaka ny Vanginy?", rehareha ny miravaka Vangim-boay satria zavatra sarotra indrindra izany tamin'ny fotoana tsy nisian'ny basy... fa ankehitriny noho ny lasitra tandrefana iainana dia karazany ratsy izany mikitikitika na mikasokasoka nify izany, nahita ilay vatomamy nify aho fa rikoriko avy hatrany sady nieritreritra anaty hoe iza koa no hitsakotsako nify? Tsy mahagaga raha tsy misy mpividy mihitsy ilay vatomamy nify! Ny mpitady solonify aza no mety hanontany hoe "solonify ve io"? Marina kosa aloha fa manome endrika ny tarehy tokoa ny nify e! aza mba banga ihany. Oadray! rediredy soratana tokoa ka mivaona sahady! andao hiverina amin'ilay tantara fa tsss...

Tena mahafinaritra tokoa ilay Vakana na dia noho ny fanintonana ataony amin'ny mason'ny mpijery sy ny mpandalo fotsiny aza. Tsy mahagaga ary raha mba voasintona ihany koa ny mason'Ikotofetsy sy Imahakà, oadray...Ikotofatsora sy Idontofetsy no izy. Meva anie izany e! kanto dia kanto tokoa. Raha nahita ary Ikotofatsora sy Idontofetsy fa mbola zatovolahy ilay miambozona Vakana dia mieritreritra ny hanambaka ry zalahy. Raha mahatadidy ny tantaran'Ikotofetsy sy Imahakà ianareo dia tsy mba mamono olona mivantana mihitsy ry zalahy fa ataony ihany na izany aza izay hahafaty ilay olona tiany angalarana ankolaka, dia tahaka izany koa ny azy mirahalahy... fa izao no sampona; tsy ilay zatovolahy no tiany ambakaina voalohany indrindra fa ry zalahy no te-hifanambaka aloha. Tsy mety atao toy ny Valala manko ity Vakana mahafinaritra ity ka hoe ifanapahana fa na iray ihany ny tompony, na raha mahay mifanaraka dia tsy misy tompony fa mifandimby miambozona. Tsy hety amin-dry zalahy mihitsy anefa io toe-javatra faharoa io fa ny ho tompony manokana ihany no kendreny. Tadiavina noho izany ny hevitra hanilihana ny iray fa dia tahaka ny tsy kaonty mihitsy amin'io fotoana io ilay zatovolahy miambozona ilay Vakana. Ity tokoa no tonga amin'ilay fiteny hoe "Valala eny An-danitra ka asiako sira" eisy aho hoe e!

Sampona faharoa, samy mahalala izy mirahalahy fa mikendry ny hahazo ilay Vakana ny andaniny sy ny ankilany. Iray lalana matetika anefa izy mirahalahy ireto. Manomboka mipetraka ny olana. Toa samy tsy hahay hifandefitra amin'ity Vakana iray ity izy mirahalahy. Toa tsy ho tontosa intsony ilay fanoharana ratsy manao hoe "iray petsapetsa" sy ilay fanoharana tsara manao hoe "iray donak'afo". Nefa toa samy miroso tsy handefitra ihany koa na dia efa ambozon'olona aza ny Vakana iadiana (aiza ny taratasy manamarina fa efa azy ny Vakana?)...

Dia lasa ny saiko nanao hoe, raha nanana maso manko iny Vakana iny efa hitany soa amantsara ny fipelipeliky ny masonareo nibanjina azy mandrakariva, raha nahay nihomehy manko iny Vakana iny efa nitokelaka tokoa izy, raha nahay naneso manko iny Vakana iny efa tsy Ikotofatsora sy Idontofetsy intsony no iantsoana anareo fa Ikotofanambàka sy Idontofetsena. Raha nanana vava manko ny Vakana iny niteny hoe "Angaha Vakana tsy mahalala tompo aho ka tadiavinareo alaina fotsiny izao? miresaka aminareo aho ka miresaka aminareo fa ny foko tsy akory tsy ho lasanareo velively"

Fa hono tokoa ho aho. Toa tsy mba misy tantaram-pitiavana mihitsy amin'ny tantaran'Ikotofetsy sy Imahakà e? Ny tantaran-dry zalahy izany no angano malaza nefa tsy tantaram-pitiavana ô?

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox