« | »

Tsy halloween

2008-10-31 @ 21:24 in Finoana



Somary nahagaga ihany fa tsy re teto amin'ny tanàna tamin'ny dokambarotra na ny mifanahatahaka amin'izany loatra ilay fety malaza any Etazonia na Amerika avaratra... Tsy fantatro loatra antsoina hoe Halloween teto Madagasikara e! Nisy ve ny fandrarana sa inona ny antony? Tamin'ny herintaona manko noezahin'ny mpivarotra ihany ny hampalaza azy ity saingy lasa fetin'ny mpifankatia bis ihany ilay izy. Nentina nandaniana ny alina fotsiny. Levona tanatin'ny Zoma mahafinaritra tsotra fotsiny aloha izy tamin'ity taona ity. Tsy nisy fanamarihana manokana intsony.

Toa nisy ihany angaha ny fivezivezena eran'ny tanàna izany, saingy tsy nandre aloha aho, hoe asiana fety eny amin'ny araben'ny fahaleovantena amin'ity alina ity; nefa lasa ihany ny eritreritro hoe sao dia ilay fetin'ny fizahantany karakarain'ny Ortana ihany izany fa afangaron'ny olona heveriny fa hanamarika ny Halloween ny TGV. Izaho kosa tsy mihevitra ny mpitantana ny tanànan'Antananarivo haka tahaka be fahatany hanandratra kolontsaina vahiny tsy mahazo ny fon'ny Malagasy tahaka ny Halloween.

Nisy ihany ny radio niresadresaka momba azy ity saingy tsy nanaitra ahy mihitsy e! Ny fantatro dia tsy raharahan'ny besinimaro ihany koa, ary ny tena mahavariana na ny loterana aza tsy mahalala ny maro raha anontaniana. Tsy mba horakorahana ihany koa moa ilay izy fa nentina mangina. Ny mitataovovonan'ny 31 oktobra 1517 manko no nametrahan'ilay Mpanitsy fivavahana  Martin Luther (tsy King) ny petra-kevitra 95 teo amin'ny varavaram-piangonan'i Wittenberg (Lutherstad) ary nanoratra tany amin'ny arsheveka Albert de Mayence tsy hampivarotra ny indolzansy intsony. Noheveriny fa fitaka nentina hanaovana varotra fotsiny (hahazoana volabe ) io indolzansy io.

Raha tamin'ny teny Latinina no nanoratana ireo petra-kevitra ireo noho ny fahazarana sy ny fomba dia voadika haingana tamin'ny teny fantatry ny olona ihany (alemana eto). Nahoraka tamin'ny tanàna maro ny momba ity petra-kevitra ity izay nanaraka ny toriteny nafonja ihany koa. Ity indro ity no ilazan'ny mpahay tantara loterana azy hoe andron'ny filazantsara. Tsy ny indolzansy no notoheriny fa ny fivarotana azy (in dr.Theol. MARTIN LOTERA sy ny asany nosoratan'i LJ Danbolt ed faharoa p.63). Tsy nanao tsinontsinona ny  indolzansy izy, fa ny filazantsara no kosa no nasandrany ho ambony kokoa (in idem). Ny fiovana sy ny fanitsiana dia nandeha tsikelikely fa ity andro ity kosa no tena nisy fiantraikany goavana indrindra tamin'izay nataon'ity mpanitsy fivavahana ity.

Fa dia inona loatra koa angaha no nahatonga ahy hametraka indray ity tantara ity? Voalohany, teraky na zanaky ny reformasiona aho. Tsy hoe io no tonga lafatra fa mpanoro ny lalana tokony hodiavina ihany ho an'ny mpanara-dia an'i Kristy. Faharoa, tsy mba mpankasitraka velively ny fivavahana lasa raharaham-barotra itadiavam-bola mihoam-pampana aho. Tsy ny vola no mamelona ny fiangonana fa ny Fanahy Masina amiko. Mpanompo mahatoky ny vola fa Tompo lozabe. Mampalahelo anefa fa matetika takon'ny varotra mandrakariva ilay fetim-pivavahana (raha atao hoe fety ihany koa) ka izay mihetsika rehetra dia vidiam-bola avokoa. Tranga iray nanimba ny raharaham-barotra nifandraika tamin'ny fivavahana hiankina amin-javatra tsy mifototra amin'ny filazantsara ity 31 oktobra 1517 ity ka satry averimberiko mandrakariva. Aleo ihany manko amin'ny fahafoizan-tenan'ny tsirairay no anompoana fa tsy vidiam-bola akory ny lanitra.

Hevitra

azoko an-tsary mihitsy rajentilisa mianakavy mihira ny "he manda fiarovana".

tena vitsy mihitsy angamba rangaha ity no mahalala io tantara io. fandreko ihany ilay reformasiona io (mahazo fanasana isan-taona @ fiangonana loterana aho hankalaza ny refôrmasiona), fantatro ilay tantaran'i lotera, fa noheveriko hoe tsy misy ifandraisany :

matin'ny tsy fahalalana ny oloko :-)

Nampidirin'i Rajiosy @ 23:04, 2008-10-31 [Valio]

Ny halloween dia fety amerikanina (fa tsy hoe fety kristianina akory).
Normal tsara raha toa ka tsy voatery hoe halaza be eto Mada io, satria fetin' ny amerikanina fa tsy antsika.

Nampidirin'i gasypetaka @ 02:04, 2008-11-01 [Valio]

Ny tiako lazaina dia nezahina nampidirina tanaty fiainana malagasy ilay fety saingy tamin'ity taona ity dia tsy nisy nanao dokambarotra hisintona olona hanao halloween tamin'ity taona ity afa-tsy iray ihany angamba.

Nampidirin'i jentilisa @ 07:28, 2008-11-01 [Valio]

hoy ianao teo hoe tsy vidim-bola akory ny lanitra, eto aho dia manaiky marina dia marina tokoa, fa ny tena nahagaga ahy sy naha tafintohina ahy dia pastera izay ao Paris milaza hoe fa ahoana aza ianareo izany??, mantsy ny mpiangona hoe ny olona rehetra efa manao rakitra vola taratasy sy ravim-bola fa ny anareo mbola vola vy mikorintsana ihany???? tankina kely aho sady tonga saina hoe fa iny rakitra iny ngah moa tsy hoe izay foy??? fa dia lasa resa-bola hatramin'ny hoe mila manao latsak'emboka isam-bolana 10€ fara faha keliny ho an'ny pastera @izya maty hanina ry zareo...... samy manana ny lalànany marina ny fiangonana fa ny fpma dia hitako ho tia vola loatra kannnnn,

euhh miala tsiny fa toa nivaona t@ilay loha hevitrao ilay valin-teniko

Nampidirin'i sipagasy @ 10:59, 2008-11-01 [Valio]

Tena tsy mety tokoa ilay fomba fiteny satria mandratra sofina. Misy anefa ny adidy efaina ka ny fanaovana ny mangarahara amin'ny be sy ny maro ahafantarana ny vola miditra sy mivoaka ihany no ahatsapan'ny mpandray sy ny diakona izay tokony ataony amin'ny lafiny lazain'i sipagasy io.

Eo no ilàna ny fahaiza-mampita ny hevitra na ny resaka fa tsy bontolo tahaka izany.

Nampidirin'i jentilisa @ 13:17, 2008-11-01 [Valio]

"Ein' feste Burg ist unser Gott" (He manda fiarovana, Andriamanitsika) vitsy koa angamba no mahafantatra fa ingahy Martin Luther tenany no namorona io hira io.

Misaotra amin'ny fampahitsahivana Ra-Jentl indro rohin'ireo ireo petra-kevitra 95 .

Mba hafa koa izany fitondra-draharaha any amin-dry zareo "ch'tis" izany :O sady izy io antsitra-pò ... ka raha ny raharaha tsy mandeha ... iza no handrotsaka eo ?

Nampidirin'i tomavana @ 13:26, 2008-11-01 [Valio]

Sa ireny no endriky ny "indolzansy" -n'ny taonjato faha-XXI ... izay tsy mandoa dia ho very ?

Nampidirin'i tomavana @ 13:45, 2008-11-01 [Valio]

Eo amin'ny kojakoja indray kosa sy ny fandaniana no tena ipetrahan'ilay resaka any amin'ny fpma io. Tsy midika velively fa tsy miakatra any an-danitra raha kely ny arotsaka fa toa lazaina ho henatra kosa raha dia kely no arotsakao.

Io indrindra anefa no atahoran'ny olona miditra ny fiangonana reforme amin'ny ankapobeny satria mipaozy mikatrakatraka avokoa ny olona any ary toa karazana fifaninanana ny fandoavana ny adidy.

Rehefa tsy manameloka anao ny fo amam-panahinao tsy hitako izay olana fa manjary mandroaka ankolaka ilay olona ianao hoe. rehefea tsy mahavita aleo tsy mankaty!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:55, 2008-11-01 [Valio]

any @ fiangonana prôtestanta dia antoky ny fisiany ny habetsahan'ny rakitra. ny katôlika mandray vola avy @ vatican. ny loterana avy any Norvezy sy Alemana. ny an'ny prôtestanta malagasy rehefa mahihitra ny mpiangona dia foana ny fiangonana. hany ka rakitra in-dimy be izao amin'ny alahady iray no ataon'ny fjkm ao antananarivo. hoy ilay pasitera nitory teny izay hoe mamohehatra hono ny raim-pianakaviana manao madinika ny asabotsy hariva mba atao rakitra ny alahady fa tonga dia ilay 25000 ariary iny izany efaina any am-piangonana. nitsiky tsy ravo satria tany @ rakitra fahatelo dia ilay raviny ariary zato sisa no tam-paosy, tany @ fahadimy dia ilay efa keta sy kodiny. zatra ny rakitra roa e !
Nampidirin'i Rajiosy @ 16:06, 2008-11-01 [Valio]

Ka io araka ny ampanaovana betsaka ny rakitra no mahakely ny famoahan'ny olona vola sady mahatonga azy hieritreritra hoe ny an'itony koa toa ny vola no tena tadiavina.

Roa ihany dia efa mety aloha raha ny tokony ho izy e!

Nampidirin'i jentilisa @ 16:37, 2008-11-01 [Valio]

Nijery ny Wikipédia anglisy aho momba ny Halloween fa tsy voatonona tao i Luther fa dia ny Papa katôlika aza no malaza ao kokoa. Ary ny zavatra tsapa ihany koa dia ny ankamaroan'ny fety kristianina rehetra rehefa halalinina dia miainga avy amina fety "jentilisa" avokoa (ilay jentilisa eto dia dika malalaky ny hoe Païens na Pagans) (eto dia ny Halloween sy ny Toussaint). Hany ka maro ireo mpampianatra soratra masina mpanakiana ny "fiangonan-dehibe" no milaza fa ny devoly no tena mibaiko sy tompoin'ireo mitonona ho kristianina ankehitriny.

Nampidirin'i DotMG @ 14:41, 2008-11-03 [Valio]

Tsy voasoratra ary tsy hita tokoa izay ifandraisan'ny halloween amin'i Luther. Ny Toussaint (andro manakaiky indrindra tamin'ny fihetsika nataon'i Lotera) satria io no fetim-piangonana no nampisy akony be dia be tamin'izay nataon'i Lotera tany Alemaina indrindra indrindra.

Nampidirin'i jentilisa @ 16:23, 2008-11-03 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox