« | »

Aza terena hiankina amin'ny Fanjakana ny Fiangonana

2008-11-03 @ 15:23 in Finoana

Andro vitsivitsy izay toa resaka finoana sy ny mifandraika aminy hatrany no voasoratro. Nahavariana ahy indray manko ny lohateny lehibe navoakan'ny vaovaontsika gazetin'ny fianakavian'ny filoham-pirenena androany alatsinainy manao hoe tsy azo sarahina ny fiangonana sy ny fanjakana iny. Sarotra manko ny hieritreritra fa ny ao an-dohan'ny filoham-pirenena raha niteny iny izy dia hoe miankina amin'ny fiangonana ny fanjakana. Ny fiangonana no fitaovana nampiasainy nahomby indrindra niakarana tamin'ny fitondrana ary ny fiangonana rehetra tao amin'ny FFKM no tena nampiasainy tamin'ny alalan'ny fanaovana fanampiana isankarazany. Nahazo fahatra tany amin'ny faritra maro izy noho ny fiangonana tao amin'ny FFKM izay misy hatrany amin'ny toerana tsy takatry ny fiara aza. Ny FFKM manko sisa no fahatra nanaovana ny tsindry lentam-pahefana tamin'ny fitondrana Ratsiraka II. Tsy nahagaga loatra raha mora nirona tamin'ity lehilahy nahay nampiasa ny fiangonana ity ny maro an'isa teto Madagasikara.

Tamin'ity fe-potoana faharoa nitondrany ity dia toa tsy nahalala afa-tsy ny FJKM amin'izay ny lehilahy (ny mpitondra faratampony). Vao tsy praiminisitra intsony Atoa Jacques Sylla, katolika sady tanindrana, dia nahita zavatra hafa dia hafa mihitsy ny vahoaka. Efa nisy tamin'ny andron'i Zafy Albert no sady Tanindrana ny filoha no tanindrana ny praiminisitra (Fracisque Ravony sy Emmanuel Rakotovahiny). Anisan'ny naharatsy endrika azy io na dia maro tamin'ny minisitra aza no tanivo (Merina sy Betsileo). Tamin'ny andron-dRatsiraka indray dia nokendreny ho tanivo hatrany ny praiminisitra (Betsileo ny ankamaroany afa-tsy ny Jeneraly Desiré Rakotoarijaona ihany). Fa eto kosa efa Merina ny filoham-pirenena mbola Merina ihany koa ny Praiminisitra ary samy FJKM ihany koa izy ireo. Nahatsiaro ho voahilika ve ny Katolika (indrindra rehefa nalefa nisotro ronono ny Son Eminence Armand Gaetan Razafindratandra)? Ny hita aloha dia te-haka ny fijoroany tsy miaraka amin'ny fitondrana ary tsy te-hifampitambitamby amin'ny fitondrana ny Arshevekan'Antananarivo vaovao Odon Razanakolona. Nanomboka tamin'ny tsy nanekeny halain'ny angidimbin'ny filoham-pirenena tany amin'ny faritra SAVA iny izany. Tsy maintsy nanitikitika ny sain'ny filoham-pirenena iny fihetsika iny. Io indray ilay resabeko e!

Marihina anefa fa na dia tsikaritra ho manana fironana mitongilana amin'ny FJKM io aza ny filoha dia tsy vitsy mihitsy ny olona avy amin'io antokom-pinoana io no tsy mankasitraka ny fitsabahana be loatra ataony. Mihevitra izy fa izy sy ny volany no tena iankinan'ny fiangonana. Atao hoe resaka fiaraha-miasa hatrany ilay izy nefa mikendry hatrany izy ny hanao kendaroroka ny fiangonana sy manery ny safidiny ho safidin'ny fiangonana. Nasehon'ny fiangonana hafa fa manana ny fijoroany ny fiangonana, efa tokony hampieritreritra azy ireny. Te-hijoro amin'ny mahaizy azy ny fiangonana, tompoko, fa aza terenao hiankina aminao. Ary mampiseho azy miharihary ny EKAR aloha amin'izao fotoana izao.

Dia izay indray ny resabeko androany.

Hevitra

Nahoana no i Ra8 no Chuck Norris-n'i Madagasikara ?

Satria i Ra8 sady afaka mitia ny vola [mamôna] fatratra sady manompo an'Andriamanitra [filoha lefitry ny fiangonana FJKM ]

Nampidirin'i tomavana @ 19:00, 2008-11-03 [Valio]

Ny momba ny filoha fantatro ihany fa ny momba an'i Chuck Norris kosa tsy fantatro loatra ka tsy haiko ny mamaly ny teninao.

Nampidirin'i jentilisa @ 19:42, 2008-11-03 [Valio]

Azafady fa vazivazy nalaza teto amin'ny mponin'ny nety efa taona lasa izay mikasika ilay mpanao sarimihetsika iray antsoina hoe Chuck Norris [Chuck Norris facts indreo ny rohy]

Nampidirin'i tomavana @ 23:21, 2008-11-03 [Valio]

Ramahatra sy rakotomavo koa letia praministr'i deba, tanivo no andriana...

Izaho indray aloha miteny hoe tsy tokony asiana cause cotiere sy cause finoana izany ny fitondrana e. Ny tokony ho izy fotsiny dia tsy tokony asiana favoritisme sy ny hoe halako bika tsy tiako tarehy et surtt hoe mametra-pialana rehefa tsy mahavita azy... izay somary sarotsarotra ihany fa hoy ny voanjo hoe il y a un debut a tt.
Tsy manin na samy tanindrana aza ny filoha sy praiministra na hoe samy tanivo refa hoe mahavita azy saingy hoe hatr@ zao aloha mbola tsy nisy nahavita azy mintsy na ny 1 aza ka toa diso teorika ihany le kozy :)

sinon, inoako fa anisan'ny nametrahana an'i Mgr Odon Razanakolona eo @ toerany ny hamerenana ny legalite (sy ny tokony ho izy) eo @ fiangonana katolika, izay ny conference episcopale no instance tokony hiteny @ anaran'ny rafim-pitondrana sy finoana katolika... izany hoe tsy voatery hi-cautioner ny famindran'i ra8... ra izao no mitohy poinsa tsy maintsy tena hangala-bato @ zay lery @ 2012 ra te hi-passer 1ere tour ihany :)

Nampidirin'i simp @ 23:46, 2008-11-03 [Valio]

ok

Mitovitovy hevitra @ simp za! izay mahavita azy ihany no ilaina. raha mbola misy ny hoe : avy àry ananona ny filoha, avy atsy ianona sy i anona dia efa fanavakavaham-poko izay amiko : satria na dia olona tsy mahavita azy zany, rehefa hoe azoazon'ny filoha sy avy any amin'ny faritra niaviany dia apetraka eo. Haiko fa "idealy" ihany izany nefa tokony ezahina tratrarina. Tokony hitovy daholo ny olona rehetra (izany hoe ny Malagasy rehetra). Ny tsy laviko kosa dia ny hoe : tokony ho avy any amin'ny faritra iray ny solontenan'izany faritra izany.

Mahatsikaiky iray manaraka, ary tsy mampitovy hevitra ahy @ jentilisa :
Eto amin'ity lahatsoratrao ity ianao dia miteny fa : "Aza terena hiankina amin'ny Fanjakana ny Fiangonana". Ekeko tanteraka io. Tsy ampy anefa io amiko, satria "ny Fiangonana koa dia tsy tokony hoterena hiankina amin'ny fanjakana" ary indrindra indrindra "tsy voatery ho ampian'ny fanjakana".

Ny fiangonana dia toy ny fikambanana rehetra rehetra eo imason'ny fanjakàna ; fa tsy misy hoe : iry misy ny filoha, na iry misy ny praiminisitra ka tokony ho izao. Fikambanana matanjaka fotsiny izy io satria be mpikambana.

Tsy tokony hifampiankina mihitsy ireo raha tsy izany dia hisy foana ny "fijery mitanila" avy @ fanjakana na mpitondra, ary hisy foana koa ny kiana avy amintsika vahoaka. Eny fa na dia tsy mitanila aza ny fitondrana, dia hahitantsika fitongilanana foana izany raha mbola misy io fifandraisan'ny fanjakana sy finoana io.

Ilay lahatsoratrao farany moa dia hitako milaza an-kolaka hoe : tokony hijery manokana ny antokom-pinoana iray ny Fitondrana.

Hoy ianao mantsy tao hoe :
----------------------
Saika tsy nolazaina tamin'ny rnm ny fisiany fa tamin'ny vaovao teny frantsay ihany no nilazana azy. Eo no manahirana satria hevitro manokana tahaka ny tsy miraharaha ny katolika mihitsy ny filoham-pirenena.
-----------------

Ny anampiako azy dia ny hoe : ngah dia tsy mahazo manana ny fiainany manokana ny Filoha e? Amiko, raha protestanta izy, dia rariny raha any @ prôtestanta no miangona matetika.

Tafaresaka finoana sy pôlitika ndray raToky androany :).

Nampidirin'i Tokinao @ 00:49, 2008-11-04 [Valio]

Fijery independant

Ity resaka foko ity dia zavatra nentin' ny vazaha nanaovana "zarazarao hanjakana".
Ny resaka finoana koa dia mitovy amin' izany tanteraka.
Takaitran' ny fanjanahan-tany daholo na ny fifandrombaham-pahefana ifaninanan' ny foko samihafa (Tanivo contre Tanindrana), na ny fifaninanan' ny finoana samihafa (Protestanta contre Katolika).

Mazava ho azy fa ireo mpitondra taty aoriana koa dia nahay nampiasa an'ireo fitaovana roa fampizarazarana ireo mba nahafahany niakatra sy namikitra mafy teo amin' ny fitondrana.
Tsy filoha iray no resahiko amin' io fa izy rehetra.

Nampidirin'i iNaivo-koely @ 05:28, 2008-11-04 [Valio]

Tsara dia tsara tokoa ny fanehoan-kevitra ataonareo. Ireny manko no ahitana ny fandraisan'ny mpamaky ny hevitro. Hameno ireo tsirairay ary aho.

Tadidiko tsara mihitsy teo ampanoratana fa Ramahatra dia efa Praiminisitry Ratsiraka saingy niniako tsy nosoratana ny anarany satria fanapahan-kevitra natao tao anatin'ny fahalalana fa tena efa nitsontsorika tanteraka ny fitiavan'Antananarivo azy no nandraisany iny fanapahan-kevitra iny. Izany hoe tena tao anaty kajikajy politika no nanaovany iny fa tsy tao anatin'ny tena safidiny. Fijeriko azy izany dia fanentsenana fotsiny ny nampanaovana ireo mirahalahy mianaka voalaza teo ireo ho praiminisitra tamin'ny fotoan'androny. (firy volana sa firy taona moa no nitantanan'izy ireo io andraikitra io?).

Isika nametraka ny hevitra anefa dia mitovitovy hevitra ihany amin'ilay hoe izay heverina ho mahavita azy no tsara apetraka eo ary tsy tokony ijerena fihaviana sy finoana izany. Mazava tsara hatreo fa tsy voafetran'ny kajikajy intsony ny mpitondra ary tsy voatery handray olona fantany tsara fa tsy hahatontosa izany andraikitra napetraka taminy akory.

Eo amin'ilay hoe mahavita azy sy tsy mahavita azy. Matoa ireo olona ireo no noraisina hanatontosa araka ny fijeriko azy dia ireo no noheverina fa hanatontosa ny fandaharan'asa nankinina taminy. Mety tsy hifanaraka amin'ny eritreritry ny sarambabem-bahoaka mihitsy io fandaharan'asa io na dia mpifidy aza izy noho izany tsy ny sarambabe no mpitsara amin'ny hoe mahavita azy na tsy mahavita azy fa ilay nanendry azy. Ny andraikitsika dia ny mitsara ilay nanendry satria tamin'ny safidintsika no nahatonga azy teo rehefa tonga izany fotoana izany.

Eo amin'ilay hoe fiangonana toy ny fikambanana rehetra eo imason'ny fanjakana. Nampahatsiahy ahy ny tantaran'ny FJKM tany ampiandohan'ny nanaovana azy ho FJKM io. Raha nametraka ny karazana lalampanorenana manko ny fiangonana dia nametraka mazava tsara hoe "Jesoa Kristy no (fi)lohan'ny fiangonana". Tsy neken'ny Fitondrana io voasoratra io ary io no nandavana azy tsy ho fiangonana mijoro ara-dalàna ka tokony hakatona avokoa rehefa FJKM (1968 - 1972). Tsy nampihatra izany fanakatonana izany mihitsy anefa ny fitondrana Tsiranana satria fantany tsara ihany koa ny herin'ilay fiangonana. Zavatra hafa tsy laitran'ny fitondrana tamin'ny FJKM ihany koa dia ny tsy nenekeny mihitsy hametrahana ny sainam-pirenena malagasy ho ao anaty trano fiangonana na dia didy napetraka aza izany. Ny antony dia tsotra ihany: tsy misy ifandraisany ny fanjakana ety an-tany sy ny fanjakan'ny lanitra. Ny niafarany moa dia niongana ny fitondrana ary nanapa-kevitra hampijoro azy ara-dalàna ny minisitry ny ati-tany izay tsy iza fa ny kolonely Ratsimandrava.

Eo imason'ny fanjakana tokoa izany dia fikambanana ny fiangonana fa eo imason'ny fiangonana ny fiangonana dia mpitory ny fanjakan'ny lanitra (moa manaiky ny fisian'izany fanjakan'ny lanitra izany ny maro amin'ny mpiangona? adihevitra hafa indray ny amin'izany).

Ataoko fa ny eritreritra tanatin'ilay fiaviana sy finoana nipetraka teo aloha dia ho fandrindrana ny fiaraha-monina efa napetraka tao anaty fizarazarana araka ny efa voasoratrareo ihany. Mba ho voaantoka kokoa ny filaminana sy ny fifandraisana. Ankehitriny moa efa ny fahombiazana sisa no masontsivana itsarana ny tsirairay. Efa fivoarana lehibe anie izany e!

Momba ny lazain'i Tokinao hoe ny hevitro mametraka ny tokony hijerena ny katolika dia tsy laviko izany. Izao manko no zavamisy: Tsy mba lazaina amin'ny vaovao teny malagasy mihitsy tao amin'ny Radio Madagasikara ny fotoam-pamaranana ny sinaodin'ny arshidiosezin'Antananarivo. Fotoan-dehibe teo amin'ny katolika teto Antananarivo izany. Olona an'aliny no nanatrika io fotoana teo amin'ny kianjaben'i Mahamasina io. Manaraka izany saiky nilaza io avokoa ny haino aman-jery rehetra teto an-toerana ankoatra izay ninia tsy nilaza. Manana endrika fanilikilihana izany ary io fanilikilihana io no tsy ekeko. Raha tsy nanatrika tany Mahamasina ny filoha tamin'ny Alahady, azy izany; fa ilay vaovao iniana tsy lazaina mihitsy no tena laviko tanteraka. Izaho tsy miteny hoe asandrato ny katolika fa ny teniko dia hoe asio dikany ihany ny katolika.(Marina fa tsy nangataka ny hampitana azy mivantana amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny fitondrana ao amin'ny EKAR fa mba tonony ihany re azafady fa mba nanao zavatra teny ankalamanjana izy sady fantatry ny rehetra izany.)

Etsy ankilany, ny nahatonga ity lahatsoratra ity dia ilay filazana fa tsy afa-misaraka ny fiangonana sy ny fanjakana. Tenin'ny filoham-pirenena io ary teniny tao amin'ny FJKM Tranovato Faravohitra, ao ny fiangonany... Tsy laviko izany koa tsy mahagaga raha ao mihitsy izy. Fa ny nanaovan'ny "Ny vaovaontsika" azy ho vaovao lehibe no nanimba ny ambiansy araka ny fijeriko azy. Toa fanaovana zinona ny fotoan-dehibe tetsy Mahamasina manko ilay izy.

Alohan'ny farany amin'ity fanehoan-kevitra eto ity, hanana fotoan-dehibe etsy Mahamasina ihany koa amin'ny alahady ho avy izao ny FJKM. Fotoam-pamaranana ihany koa io ary famaranana ny Hetsika Jesoa Kristy Ho an'i Madagasikara tao anatin'ny herintaona. Manana Zo hanao izany ny FJKM fa ny faniriana lalina ao anatiko ao, enga anie mba ho Jesoa Kristy tokoa no hisongadina avy ao fa tsy olona na zavatra hafa. Efa fantatra ihany fa tsy izay toriteny no ho hivoitra amin'ny vaovaon'ny haino aman-jerim-panjakana fa ny tenin'ny mpitondra fanjakana ao... ary dia mbola tiako lazaina ihany ilay teny manao hoe: Aza terena hiankina amin'ny Fanjakana re ny Fiangonana.

Nampidirin'i jentilisa @ 08:29, 2008-11-04 [Valio]

ava dia lava sady mahaliana ny resaka. ny fijeriko indray dia izao : ny fiangonana amin'ny maha-fikambanana azy dia fitondrana (manana filoha sy rafitra sy mpiangona). toy ny antoko politika na ny sendika izay fitondrana ihany koa. ary ny fanjakana mazava ho azy dia Fitondrana. rehefa samy fitondrana dia misy ny "rapports de force" ka indraindray izany mihavana ary indraindray miady na mifanditra. ny Fitondrana-Fanjakana no tampony ka raha mahery be ny fitondrana hafa (ohatra ny katôlika) dia tsy Fitondrana intsony izy izany. Tsy Roa No Mandidy no filazan'ny taloha azy.. rehefa tsy ho eo @ Fitondrana intsony i Ravalomanana dia azo antoka fa hijotso ny fahefan'ny FJKM. ny katôlika indray dia fitondrana mahery vaika sady maharitra kokoa noho ny fiankinany sy fanoavany Fitondrana avy any ivelany : ny Vatican sy ny Papa. ny loterana koa toa mandray volabe @ fiangonana rahavavy alemana sy norveziana. ary ao anatin'ny katôlika dia misy hery mifanandrina : ilay ankavia no nanendry an'i Mgr Razanakolona ary nanalavitra an'i Kardinaly izay avy aty ankavanana kokoa. i Benoit XVI indray kanefa dia somary ankavanana no firehany pôlitika. farany, io PM io anie ka sady avy any Tsiroanomandidy no katôlika no fahafantarako azy e saingy tsy dia misehoseho loatra @ fivavahana tahaka ny filohan'ny antenimera izy :-)
Nampidirin'i Rajiosy @ 18:17, 2008-11-04 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox