« | »

[no edit] Nandresy i Barack Hussein Obama : Ny anao kosa manao ahoana?

2008-11-04 @ 21:16 in Politika

Voasariky ny saina mamirapiratry ny kintana eny an-danitra sy ny tsipika mitsoriadriaka fotsy sy mena avokoa ny mason'izao tontolo izao. Variana ihany ny maso mahita ny fanjelanjelatry ny saina Amerikana mandravaka ny sehatry ny fahitalavitra eto Madagasikara (ohatra: viva tv nanao fandaharana manokana). Sahala amin'ireny hifidy ireny ihany koa i Madagasikara, hany ka tsy mahagaga raha misy ilay sangisangy nataon'ny mpanao sariitatra maneho tambanivohitra iray mankany amin'ny biraom-pokontany manontany raha ao anaty lisi-pifidianana ny anarany satria tsy maintsy hifidy izy fa hanao raha izany Obama izany. Hoy koa aho hoe: reharehan'ny Amerikana ery ny sainany fa ny sainam-pirenenao mpamaky io moa mba ankafizinao va? Sa tahaka ny ahoana no atao mba hitiavanao azy?

Dia hoy aho any an'eritreritro any hoe raha mifidy tokoa izao tontolo izao, ka na tsinjaraina isaky ny kaontinanta aza ny famoaham-bokatra dia amin'ny alalan'ny vokatra mampiavaka ny tany an-dalam-pandrosoana mahantra sy heverina fa tsy mahalala ny demaokrasia loatra no ahalany an'i Obama na valim-pifidianana anjakazakan'ny mpitondra heverina ho jadona na tsy manaiky ny isian'ny mpanohitra ao aminy. Eny fa na Eoropa Andrefana aza mety ahazoany 80%. Voka-pifidianana mahamenatra ny tandrefana izany tsy fisian'ny fifandanjan-kery izany, karazan-kenatra anie ny nahalany ny filoha Chirac tamin'izy nifaninana tamin'ny Le Pen iny fa angaha izany raharahian'ny Afrikana? Nahavalalanina mihitsy ny nanaraka ny mivantana tamin'iny fotoana iny fa tahaka ny Frantsay nanana razambe ankoatra ny Frantsay teratany no nandresy tamin'iny fotoana iny. Tsy mahagaga raha ny fotoana manaraka ny noheverina ho Le Pen-bis no lany ho filohan'ny Repoblika taorian'izay, fahoriantsaina anie izany no nahazo iretsy nihorakoraka dimy taona taloha.

Ny Amerikana Amerikana foana na iza mitondra eo na iza! Mirehareha amin'ny mahaizy azy izy. Manandratra ny kolontsainy izy, miaro ny tombotsoany amin'ny fomba rehetra izy fa ny anao kosa manao ahoana? Toa manao fitan-droa... sadasada ihany fa sady te-ho mpitarika na olona mpitantana ambony eto Madagasikara no mizaka ny zom-pirenena heverina fa miaro ny tombotsoany manokana. Mampanahy tokoa angaha ny fampiasam-bola eto an-toerana ka aleo tehirizina any Eoropa ihany ny vola. Nefa hoy ny Soratra Masina ho an'ny Kristiana izay hoe any amin'izay misy ny harenao no itoeran'ny fonao. Any foana tokoa ny eritreritra sy ny fitiavanao ary raha azo atao aza dia any no ilevenanao, saingy lafo dia lafo moa ny hofantany any (na dia ho an'ny maty aza) ka rehefa tsy zaka aleo ampodiana eto ihany.

Izaho moa izany tsy afaka hanonofy inona loatra amin'izany fifidianana Amerikana izany. Hanana fijery hafa kokoa amin'i Etazonia angaha ny mason'izao tontolo izao rehefa lany amin'ny fomba ofisialy i Obama (ankamantatra: Firy ny isan'ny mpifaninana amin'i Obama? diso ny valinteninao raha i John McCain irery no eritreretinao). Ny fijery no miova nefa izany fijery izany dia mety hanova zavatra be dia be ao an-tsaina ihany koa. Ny nofinofiko fotsiny dia hoe: Oviana ny Malagasy no hieritreritra fa amin'izany fifidianana izany tsy ianao mpifidy no izarana vola na tee-shirt fa ianao no manao latsak'emboka na manao fitia tsy mba hetra anohananao izay olona fidianao? Tsy ny olona mirotsaka hofidiana sy ny antokony ihany no mitady sy mandany ny vola hanaovana ny fampielezankevitra fa ireo rehetra resy lahatra sy mihevitra fa hahazo tombotsoa amin'ny fanohanana iny olona mirotsaka hofidiana iny.

Fa raha izany fomba izany manko no tafiditra eto Madagasikara mahazo mangovitra izay rehetra miseho azy ho manambola hanao fafikatrana ny hareny mandritra ny fampielezan-kevitra nefa manantena fa hahatafaverina azy vetivety rehefa tonga eo amin'ny toeram-boninahitra. Amin'izay fotoana izay ihany koa tsy hisangisangy tamin'ny vola laniny nandritra ny fifidianana ny mpifidy fa hanaramaso tsara ny fandehan'ny toe-draharaha rehetra. Mieritreritra aho etsy andanin'izay fa io fomba sy nofinofy lazaiko io ihany no ahafahan'ny tsy manam-bola nefa mana-namana sy tena mpanohana manilika amin'ny fomba ara-dalàna ny mpitondra efa manana ny harenany goavana dia goavana. Amin'izay fotoana izay ho henjana dia henjana ny fanaraha-maso ny fitantanana ary izay vao ho tena hahatsapa ho tompon'andraikitra ny rehetra fa tsy ho mpitazana sy mpizaka ny tsy eran'ny aina fotsiny. Mandra-pahoviana anefa vao hisy izany? Nofy tena nofy tokoa fa ny samy mpanana ihany no hifaninana ary dia aleo ajanona hatreo indray ny redirediko mandra-pahavitan'ity fifidianana malaza androany ity.

Hevitra

Asa na mba marina ny asa soratr'ity mpanoratra ity Webster Griffin Tarpley mikasika an'i Obama
Nampidirin'i finoanaranoray @ 17:27, 2008-11-05 [Valio]

asa re rajentl fa raha marina ny reko dia 700 tapitrisa dôlara no nampiasain'i BHO ary 200 any ho any ny an'i JMC. izany hoe tsy lavitra 1 miliara lavitrisa dôlara eo ho eo no lany nanaovana fampielezan-kevitra. ny fitia tsy mba hetra moa dia voalaza fa 60%-n'ny mpanome ny mpaminany diampanam-bola be. raha toa moa ka nandray ny fanomeam-bolam-panjakana izy dia voafetra teo @ 200 tapitrisa dôlara isaky ny kandida ny vola nampiasaina.

tsy hoe ratsy avy hatrany ilery fa misy mampieritreritra. rehefa manome ny ngeza tsy misy ny maimaim-poana.

kanefa aloha dia miara-manandratra ny hôsana isika izao :-)

hum hum

Nampidirin'i Rajiosy @ 17:54, 2008-11-05 [Valio]

sao dia alavitra loatra izany tanjona zany ry jentl a. Aleo atao tsikelikely ny dingana fa sao tsy tratry ny aina. Ny tanjona mety amintsika izao dia ny miezaka tsy hanao Mugabe ohatra, mety ho vitantsika ve?

sahia manao fingana lehibe :)

Nampidirin'i simp @ 22:53, 2008-11-05 [Valio]

Fa hono oa e! tsy ny rainy ve no tena mitondra io anarana hussein io fa ny azy efa barack obama fotsiny e! sa za no tsy maharaka kle

Nampidirin'i news2dago @ 05:27, 2008-11-06 [Valio]

:-)

Tena anarany io ka :-) Somary mbola manahirana an'ny olona ny mijery na mamaky an'ilay hoe "Hussain" ka mazava ho azy dia nampiasan'ny "Republicans" mafy dia mafy mihitsy io anarana hoe "Hussain" io mba hanaratsiana an'i Obama. Ny Amerikanina na ny "North Americans" mantsy raha voa anarana hafahafa tsy mitovy @ azy fotsiny dia efa ailikan'izay ohatra hoe raha vao tsy Joe na Smith na etc...Ka na ilay hoe Barack Obama fotsiny aza dia efa nasiana resaka be ka maika moa nisy an'ilay "Hussain" Dia naely mafy dia mafy ny tsaho hoe "Silamo" izy eee...Anarana tsy fantam-patatra io eeee, tsy tena amerikanina izy e etsetra etsera...KANEFA tena faly dia faly izaho fa noho io anarana io ary tsy nandaitra mihitsy ny fanaratsiana tena mampalahelo sady manafitohana izay nataon'ireo "Republicans" noho io anarana io (Hussain). Izao midika fa tena nivoatra sy niova ny toe-tsainan'ny ankamaroan'ny olona...ASA mety any aoriana anyyyyy mety hisy RAKOTO, na RABE na CHUNG-SUN na MOHAMED koa ny anaran'izay President hilatsaka hofidiana any Amerika. Ny tiako ho lazaina dia izao e....Alaiko t@ andian-tenin'ny Ramose "Colin Powel" hoe....misy koa ange miaramila Amerikanina Silamo izay mahafoy ny ainy miady any Iraq e...Io moa dia nalaina t@ ilay "Picture Documentary" izay misy an'ilay renim-pianakaviana silamo amerikanina mitomany eo @ fasan'ny zanany miaramila lahy (US soldier) izay vao tena tanora dia tanora tokoa namoy ny ainy noho ny ady any Iraq. Izany hoe tokony hijery mihoatra noho ny volon-koditra na anarana na finoana etc ny tsirairay rehefa tena samy tena tia, manaja, mankamamy ary miasa mafy ho an'ny tanindrazany. Izay no tena hitako fa tena fandresena lehibe ho an'i Obama :-)

PS: tsy hoe famaliana "direct" hoan'i News2dago io an...fa tsikaritro fotsiny fa novaina ilay anaran'ity post ity dia mba te-hamoaka ny ato anatiko fotsiny izaho...

Nampidirin'i Mirana @ 06:27, 2008-11-06 [Valio]

Hussein

Azafady Hussein fa tsy Hussain :-( Lasa be ny fihetse-poko lol...mbola faly be sy party be eeee

Nampidirin'i Mirana @ 06:31, 2008-11-06 [Valio]

ok

tokinao

Mba mitsidika sy namaky dia mametraka hafatra e :).

Misaotra anareo nanazavazava an'ity raharaha ity.

Nampidirin'i tokinao @ 22:31, 2008-11-06 [Valio]

ankasitrahana na dia nametraka hafatra fotsiny aza.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:22, 2008-11-07 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox