« | »

Antsirabe sy ny hakantony: Manodidina ny gara

2008-11-13 @ 12:52 in Andavanandro

Izao ary dia mba hampiseho sary vitsivitsy tamin'ny nandalovako tany Antsirabe tamin'ny volana aogositra 2008 aho.

Manangasanga mampiavaka ny tanàna hatry ny ela ny tsangambaton'ny fahaleovantena.

Ny eo ampitan'ny tsangambato ihany koa manana ny fiavahany! ery ambadika ery ny gara

Ny eo anoloan'ny fidirana mankao amin'ny Hotel de Thermes no mba misy jet d'eau kely ho an'Antsirabe.

Trano manana ny lazany sy ny tantara izany trano izany!

Tranon'ny paositra anisan'ny kanto ihany koa. Fantatra avy hatrany hoe Paositra ao Antsirabe raha vao mahita azy ity.

Tranon'ny Paositra niorina nandritra ny fanjanahantany!

Ampitan'ny tsangambaton'ny fahaleovantena sy ny paositra ity ho an'izay tsy tany Antsirabe nandritra ny fotoana maharitra.

Hatreo aloha fa amin'ny manaraka indray e!

 

Hevitra

Miezaka manatsara endriky ny tanAna kosa ny kaominina Antsirabe voalohany raha ireto sary tsara loko ireto no jerena. Ny trano dia madio, ny lalana koa dia tsy mba misy fako miparitaka, ary ny zaridaina dia toa voaasa sy voatondraka tsara.
Ny fakan-tsarin'i Jentilisa koa aloha dia mendri-piderana sy isaorana be dia be mihitsy.

Nampidirin'i iNaivo-koely @ 13:42, 2008-11-13 [Valio]

Wowww

Misaotra an'i Jentilisa nametraka sary teto. Tena tsara tokoa lesy a

Nampidirin'i Veloo @ 14:03, 2008-11-13 [Valio]

Resaka

Ary efa mande ve ny train mankany Antsirabe?

Nampidirin'i Veloo @ 14:04, 2008-11-13 [Valio]

ary hadinon'i jentilisa kosa ny nampiseho ny hakanton'ny tovolahy sy tovovavy ao bira e. Any hono no tena ahitana sipa sy bandy amle oui. ra zao no mba nisy teto zao an.

Nampidirin'i aina @ 14:47, 2008-11-13 [Valio]

kdaombaramita

Mirevy an'i Bera letsy ialahy izany an !

Nampidirin'i kdaombaramita @ 14:58, 2008-11-13 [Valio]

Mahafinaritra foana ny fahitana sary avy any, ary hita fa mandroso ny fanadiovana sy ny falaminana eo an-tanan-dehibe.
Misaotra mitondra azy ireo.

Nampidirin'i mangamaso @ 17:28, 2008-11-13 [Valio]

Akory aby androky?
Za tsary mba mandainga fa avy tany amin'ny tanàna koa anga aho;mankasitraka e!

Nampidirin'i 8votaka @ 17:35, 2008-11-13 [Valio]

finoanaranoray

Kdaomb: Mirevy Bera sa mirevy Bira?

Bera izany amin'ilay rakibolana taloha mbola tsy nivaoka hafa mihitsy...:-)

Nampidirin'i finoanaranoray @ 18:20, 2008-11-13 [Valio]

waow, tananan'ny fahazazako, misaotra ra jentl' a!

Nampidirin'i Ikalakely @ 19:50, 2008-11-13 [Valio]

miangavy an'i jentl mba hamaky ny hevitra laharana faha-4 ;-)

Nampidirin'i simp @ 23:15, 2008-11-13 [Valio]

Misaotra eeeeee, tanàna nahalehibe ahy Antsirabe, ts hadinoina mandrakizay ! :))
Misaotra indrindra an'i Jentilisa!!!:)))))

Nampidirin'i Vale @ 01:15, 2008-11-14 [Valio]

Ary manan-talenta mihitsy ilay Ra-Jentl'ity ! Misaotra e

Nampidirin'i tomavana @ 01:24, 2008-11-14 [Valio]

Misy dia tena mampihomehy mihitsy ianareo ireto! tao amin'io tanàna io aho no teraka koa tsy atao hahagaga raha tiako ny toerana nahaterahako.

Fa sarotra ihany anie ny haka sary olona noho ny henatra e! raha ankizy dia mangataka alaina sary mihitsy fa rehefa mihalehibe dia sarotra ihany ny amin'izany e!

Nampidirin'i jentilisa @ 09:39, 2008-11-14 [Valio]

ary tena mety fantatry jentl zany le fianakams nay ao bira ao an. eo antsenakely zareo. sipa kambana roa vavy reny izy.

Nampidirin'i aina @ 14:50, 2008-11-14 [Valio]

Tena tsara tokoa J'adore cette ville!!!! tanana nanaovana fialamboly no niainako tamin'ny fianankaviako, nisy ny fahoriana, sy ny fahasambarana Une ville simple est sympa Bonne idee!!!!!!!!!!! Harabaina
Nampidirin'i bijy12 @ 20:45, 2008-11-14 [Valio]

Tena tsara tokoa J'adore cette ville!!!! tanana nanaovana fialamboly no niainako tamin'ny fianankaviako, nisy ny fahoriana, sy ny fahasambarana Une ville simple est sympa Bonne idee!!!!!!!!!!! Harabaina
Nampidirin'i bijy12 @ 20:45, 2008-11-14 [Valio]

steph

milay Antsirabe ê! tena tiako mihintsy koa!! misaotra t@ sary !

Nampidirin'i stephane197 @ 08:19, 2008-11-17 [Valio]

manotany

fa mba manao ahoana loatra kay zany toe tsainan ny sipa ao bira zany
Nampidirin'i mika @ 22:28, 2010-12-22 [Valio]

jentilisa

Ny sipa sy ny bandy? ataoko kosa fa mety hoe mitovy amin'ny tanandehibe rehetra ihany fa tsy dia misy fiavahany loatra... Hatreo ihany no azoko lazaina angambany,

Nampidirin'i jentilisa @ 23:24, 2010-12-22 [Valio]

izaho dia mba maniry ary mirary ihany koa ny mba hanana namana eto Antsirabe, vehivavy izay mba mety mitovy fanirina amina, koa ito ny adresse e-mail ko setrarivo@yahoo.fr eto Antananarivo no misy ahy.
Misaotra mialoha

Nampidirin'i RAMANANARIVO Gaston @ 10:43, 2014-04-10 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox