« | »

Taratasin-dainga ho anao

2008-11-19 @ 08:44 in Toekarena

Elaela zareo izay tsy nanoratako taminareo izay. Tsy salamalama noho ny havizanana manko ny havanareo na vizana ka maneho endrika tsy salamalama, tsy fantatro intsony izay tokony hanoratako azy e! fa dia naninona indray ary no natomboka tamin'ny taratasin-dainga indray ity raharaha ity?

Voalohany ankoatra ilay tsy fahasalamana teo ary dia lany ny fahana moov tamin'ny endriny teo aloha. Manana sanda vaovao indray manko ny fahana moov amin'izao fotoana izao. Fahana moov vaovao izay lany hery indray amin'ny 31 oktobra 2009 ho avy izao tahaka ilay fahana moov teo aloha izay lany hery tamin'ny 31 oktobra 2008 lasa teo. Inona ay ny fiovana misy?

Hita avy hatrany aloha ny faharetan'ny fahana tsirairay avy, voasoratra tamin'ny fahana taloha ohatra fa raha 2 ora sy fahefany no faharetan'ny fahana 5000 ariary dia amin'ny ora vitsy mpampiasa ihany izy sisa rehefa taty aoriandriana fa tsy fantatro mihitsy kosa ny faharetany amin'ny ora mahabe mpampiasa ny serasera. Ankehitriny roa ora sisa no zakany ho an'ny fixe sy ny adsl fa ora iray ihany ho an'ny moov 3G+ ka tsy misy fiovany izy amin'ity sokajy voatonona farany ity.

Dia toy izany ihany koa, lasa 4 ora sisa no zakan'ny 10 000ar nahazo 5 ora teo aloha ary 8 ora sisa no zakan'ny 20 000ar teo aloha izay nahazaka 11 ora teo aloha. Marihiko etoana fa mpampiasa ny aterineto amin'ny fotoana mahavitsy mpampiasa azy aho ka tena niainako tokoa ilay 11 ora nahafapo ahy mandritra ny iray volana teo aloha. Noho izany hatreto izany raha tohizako toy ny taloha ny fanaoko dia lasa mahalany latsaky ny 30 000ar isambolana izany ilay 20 000ar fandaniko teo aloha. Misondrotra 10 000ar latsaka izany ny fandaniako tao anatin'ny ora mitovy izany hoe misondrotra be amiko izany ny vidin-tserasera ataoko. Lasa ny saiko, arakaraky ny itabatabana fa ho avy ity hazondamosin-tserasera hanamora ny fifandraisana ity (backbone) no miakatra ny vidiny e! sa izaho no tsy nahazo resaka tsara? tsy tokony hihamora kokoa aza ve? tratran'ny lainga aho izany na izaho ihany no nampandainga ny tenako. Iray izay.

Manaraka izany, pack telma moa no ampiasaiko nefa ao amin'ny lafiny teknika dia nampidirina tao anatin'ny sokajin'ny moov3G+ io pack telma io. Lafiny teknika ihany ve izay sa lasa manaraka ny fepetran'ny 3G+ amin'ny vidiny ihany koa ny pack telma (izany hoe 4 ora no zakan'ny 20 000ar novidiako)? enga anie mba ho ahiahy tsy mitombina ny ahy fa raha tsy izany dia nisondrotra avo roa heny izany ity tantara ity.

Resaka hafa indray, tsy nisy antso avy amin'ny mpihaino ny fandaharana kidaona maraina androany (19 novambra) noho ny lafiny teknika hoy ny mpanentana. Aiza kosa? sao dia miahiahy hafanan'ny toe-draharaha noho ny fanalana amin'ny asany ireo mpiasan'ny antenimiera kosa ianareo dia mody hoe... satria mankaleo anareo ny antsoin'ny fampanoavana mpanao fanadihadiana lava. Tsy maintsy misy manko ny mpampirisika sy ny mpampiady angely amin'ny antso sahala amin'ireny. Tsy aleo ve ampidinim-peo tahaka ny fanao teo aloha izay mitady hafanafana fo ankoatra ny efa hakana ny anaran'ny mpiantso sy ny laharam-piantsoany?

Faramparanana ny androany fa sao lava loatra, mbola miziriziry tsy midina hatrany ny vidin-tsolika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Ny filazan'ny mpaninjara moa dia hoe tsy mbola lany ny tahirin-tsolika tamin'ny vidiny mbola lafo be ireny. Mampieritreritra sahala ny hoe natao hanangonany betsaka araka izay azo natao tamin'ireny nahalafo be azy ireny. Fantany manko fa tsy hihetsika ny Malagasy dia manararaotra ry zareo ary raha avy ny fahatezerana ka mamotika sanatria ny olona dia hirangaranga ao anatin'izany fa tsy ho azo anaovana fandraharahana velively eto Madagasiakara. Ny vahiny tokoa no mifehy ny toe-karena eto Madagasikara ka sintonina aloha ny tombondahin'ny tombombarotra (tombombarotra ankoatra ny tombombarotra novinavinaina). Izao koa no vokany rehefa tsy mandray ny tokony ho andraikiny ny fanjakana ary tsy nampianarina handray ny andraikitra tokony hoataony ny olom-pirenena. Ny fihetsiketsehana anie tsy voatery ho fanozongozonam-panjakana na fanonganam-panjakana e! saingy izanyhatrany moa nomasaka na ho an'ny maro amin'ny vahoaka na ho an'ny mpitondra mifandimby dia tailantailana hafahafa izany ilay toe-draharaha.

Hevitra

Fa nahoana no dia atao hoe taratasin-dainga izy ity?

Nampidirin'i ni81 @ 10:09, 2008-11-19 [Valio]

ny @ vidin-tsolika dia tsisy hafa @ aty Frantsa koa : ela fidina !

dia lasa eritreritra aho hoe raha mpivaro-dasantsy tokoa aho ka miakatra tsy an-kijanona ny vidiny dia manangona betsaka mialoha aho rehefa mividy satria fantatro fa mbola hiakatra ny vidiny any aoriana. dia @ izay koa afaka manararaotra mampakatra ny vidiny @ mpanjifa aho rehefa miakatra ny any @ tsena iraisam-pirenena nefa ny ahy izay efa nangoniko ka novidiko t@ vidiny ambany kokoa no amidiko.

izao anefa nivadika tampoka ny rasa fa nidina ny vidin-dasantsy @ tsena iraisam-pirenena nefa izay efa nangonina mbola tsy lany !

na koa efa lany ny nangonina dia nividy @ vidiny ambany saingy mody atao hoe ilay nangonina no amidy aloha @ vidiny ambony. tombom-barotra mihoam-pampana !!

dia mangatsiatsiaha e

Nampidirin'i Rajiosy @ 12:27, 2008-11-19 [Valio]

Tsy mihena ny vidiny satria ny vidin'ny brut androany, mety afaka telo volana vao atao livraison (rehefa miteny vidin'ny pétrole izy dia tenenina foana livraison izao). Nefa ny livraison koa mbola ela satria mande sambo...

Dia arakak'izay. Ny aty frantsa izao efa nihena fa mbola resaka centimes d'euro. Mety any @faran'ny décembre any vao tena hita ny fihenany.

Io tenin'i rajiosy io @ fotoanan'ny crise no tena be mpanao...

Nampidirin'i maintikely @ 18:30, 2008-11-19 [Valio]

Na dia hoe manan-kolazaina be aza ny OPEC @ vidin-tsolika dia @ tsenan'ny borsa (vaoplaosy ;-)) no mametra ny tena vidiny... somary volatile (mora manidina?) doly anefa ny ankamaroan'ny vokatra voalisitra @ izy ireny tato ho ato ka izay no mahatonga ny mpi-bizina hoe mailo mailo. Maty antoka be izy ra hoe ampidinina sahady ny vidiny antsinjarany nefa anio sy ampitso dia mety hitraotra be indray ny vidiny any ampotony...

Na izany na tsy izany aloha @ ity resaka resesiona efa ao antokonam-baravarana ity dia somary hihena ny tinady, ka mety tsy dia hihetsika firy ny @ izao angamba ny vidiny any ampotony ee... mahareta kely fa hidina ihany io. Saingy hoe tsy hidina proportionellement @ fidinan'ny any ampotony aloha ee. Ny antsika koa tsy dia misy loatra ilay hoe fifaninana eo @ samy mpivarotra ka any no tena olana... zay ihany koa ny olana @ TELMA sy ny MOOV: karazan'ny manao monopole kely ihany ry zala refa tsy hanao zavatra ny orange sy ny karazany...dia ny mpanjifa no mizaka ny tsy eran'ny aina... aleo endrasana aloha ny tady opitika dia ho hita eo zay hataony :)

mangatsiatsiah ee :P

Nampidirin'i simp @ 21:11, 2008-11-19 [Valio]

Toa efa mitsofoka i Orange amin'ilay "internet everywhere"...fa tsy haiko hoe ahoana ny fikisany mandady ve sa migorisa?

Nampidirin'i finoanaranoray @ 06:07, 2008-11-20 [Valio]

Mba asio kabary fankasitrahana matetika indray fa manjary tena ratsy endrika ny fihevitro ny aty an-tanindrazana matetika e :)

Nampidirin'i kdaombaramita @ 07:42, 2008-11-20 [Valio]

Mahafinaritra ny fitadiavantsika teny malagasy mandrakariva!

Io kdaombaramita mba misy zavatramahafinaritra koa ary e! saingy tantely amam-bahona kelyihany ilay izy e!

Nampidirin'i jentilisa @ 07:48, 2008-11-20 [Valio]

tsy aleo ve ry zareo tompon'andraikitra mihintsy no asaina maneho ny heviny amin'ity resaka vindin'ny fahana (sy ny faharetany) ity. Toa mieritreritra aho hoe atao betsaka ireo tolotra, na ovaina ny anarany dia amin'izay fanina ireo mpanjifa dia tsy sahy mimenomenona intsony... Manahy aho ho efa zary nifindra ao amin'ny moov koa ilay fomba fiady ao amin'ilay orinasa rahavaviny (mpanao antso antariby) izay toa manao tolotra fitaka ...
Aleo hanao fa tsy hotsarain'ny mpanjifa ve izy rehefa tonga tokoa ilay fifaninanana madio e (saingy mndrapaha-tonga izany dia isika mpanjifa aloha no toa lasa mitatatra ho an'i Rainilezafy eto e)

Nampidirin'i saveoursmile @ 14:58, 2008-11-20 [Valio]

Fa adinoko koa ny nanoratra fa hay moa 30 andro sisa ny faharetan'ny fampiasana ny fahana raha 90 andro teo aloha!

Nampidirin'i jentilisa @ 08:37, 2008-11-21 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox