« | »

"Nakatona hoe ny Viva?" sy "Dera ho an'Andriamanitra!"

2008-12-14 @ 21:38 in Ankapobeny

Gravy tena gravy kosa izany filazana henoko androany alahady izany. Mba nivoaka hitako an-taratasy ny gazety Madagascar Tribune ny Sabotsy teo dia nalaza androany alahady fa nakatona hoe ny tele sy ny radio Viva izay an'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ankehitriny Andry Rajoelina. Nojereko ny tele ka tsy nisy fandaharana tokoa, nohenoiko anefa ny radio fa misy hirahira mandeha soa aman-tsara.

Gravy tena gravy fa toa tsaho ihany izany izy ity aloha raha ny fijeriko azy, nefa gravy tena gravy raha izany tokoa no tena marina. Inona loatra no antony hanakatonana azy? Amin'izao fitadiavan'ny filoha ny antoko politika rehetra hivory amin'ny 17 desambra 2008 izao ve no lazaina fa hakatona amin'ny antony tsy mazava loatra? Izany kosa ve tsy efa fihantsiana? saingy aza manantena Malagasy hitokona andro fety izany aloha fa zavamasina amin'ny Malagasy loatra izany fety izany. Ataovy izay atao fa ny fety tsy maintsy tontosa. Rehefa vita ny fety ka lany ny vola, any indray isika miresaka!

Hoy aho hoe dia efa misy kosa ny mitady hisian'ny korontana eto amin'ny firenena e! Fa toa tsapako ihany koa avy amin'ilay tsaho fa tena mety mora mipoaka be ihany ity toe-draharaha eto Madagasikara ity! Tsy mpahay momba ny fanakorontanam-pirenena loatra anefa aho na dia izany aza.

Fa natao androany alahady ihany koa ny fifaninanana mialoha ny famaranana eo amin'ny hira fiderana an'Andriamanitra karakarain'ny Mbs ao amin'ny "Raise your voice", fa dia nampiavaka ny tontolo androany ny hira Amerikana tavaratra sy ny teny anglisy, ankoatra ny teny Malagasy fa tsy hita tabilao kosa ilay tenim-pirenena fahatelo haintsika sy ankafizintsika loatra iny. Sa tsy mety hiderana na tsy misy fiderana an'Andriamanitra ny teny Frantsay?

Andeha atao hoe nahafinaritra ihany ilay fandaharana noho ny fikarakaran'ny mpifaninana rehetra ka izay diso paika kely fotsiny dia vita ny azy! raraka hatreo. Miavaka ireo antoko mpihira 4 niakatra ho any amin'ny famaranana satria antoko mpihira mpianatra ny roa amin'izy ireo dia ny Aumonerie Catholique Universitaire sy ny LJF's Choir (Lycée Jules Ferry), Antoko mpihira avy any amin'ny FJKM Ilafy ny tokana amin'ny antoko mpihiran'ny Fiangonana tafakatra ary ny Kapelaony avy any Toliary kosa ny iray izay vondrona mpihira mpiray fihaviana na mpihavana no marina kokoa.

Ny Kapelaony amiko manokana no mety mampiady hevitra satria tsy hitako izay maha-chorale an-dry zareo, ny sôlô no tena manjaka ary olona iray ihany no tena manao izany sôlô izany. Ireo manao hira lafika kosa anefa tsy dia mihira akory... noho izany, amiko, dia tarika mpihira ireo fa tsy antoko mpihira... raha hainareo ihany koa ny manavaka izany. Noho ny fampiakarana mba hisian'ny avy any amin'ny faritra fotsiny, araka ny fijeriko azy, amin'ny famaranana dia lasa sorona tsy tafakatra ny antoko mpihira iray izay tena mba nahafinaritra tokoa ny nataony nefa dia raraka ry zareo: ny Tomima sy Orima (Fahazavana sy fahatanterahana). Nefa anie efa tsy misy tokony idiran'ny fifandanjam-paritra intsony amin'itony e! nef amoa izay no sitraky ny mpitsara dia akory atao nefa tsy maintsy milaza ny hevitro ny tena.

Hevitra

aingana be ny niouz dia mihitatra. dia ahona izany ity resaka média citoyen ity? tsy aleo dinihana akaiky amizay ny Tor sns? http://advocacy.globalvoicesonline.org/projects/guide/
prévention aloha...

Nampidirin'i jogany @ 22:02, 2008-12-14 [Valio]

Hitako ao @ moov koa fa tsy haiko na tsia hoe tsy mahazo mandefa fandaharana ny viva tv, asa anefa.

Momba ilay raise your voice, ny teny frantsay raha hira chorale dia classique no tena mety aminy fa raha hoe a capela tsy dia mivoaka loatra,

Nampidirin'i maintikely @ 22:28, 2008-12-14 [Valio]

Sanction médiatique

Selon une décision du ministère des Télécommunications, des postes et de la communication prise dans la soirée de samedi, la chaîne de télévision Viva a été fermée. Le gouvernement lui reproche d’avoir diffusé un enregistrement des propos jugés susceptibles de troubler la sécurité et l’ordre publics émis par l’ancien chef d’État Didier Ratsiraka.

Nampidirin'i mpamaky @ 02:23, 2008-12-15 [Valio]

rectif

Ahitsy kely fotsiny "Orima sy Tomima" ilay antoko mpihira fa tsy ny mifamadika @io akory

Nampidirin'i maritoa @ 06:22, 2008-12-15 [Valio]

Viva nanota fady. Ny fahitalavira ihany no nakatona fa ny onjampeo mbola mahazo mandeha. Voa mafy amin'izao andro be dokambarotra izao no tsy mandeha, eeeee.

Mamangy amin'ny fahoriana tompoko.

Nampidirin'i DotMG @ 08:16, 2008-12-15 [Valio]

news2dago

DotMG => Misaotra Tompoko!!!

Ary Tv plus koa tokony hikatona satria nandefa an'ilay sary koa. Ento eny @ tribonaly fa misy vis de procedure io didy nivoaka io

Nampidirin'i news2dago @ 08:39, 2008-12-15 [Valio]

Sky FM [Toamasina], Feon’i Toamasina [Toamasina], Karajia [fandaharana tao amin'ny Radio Don Bosco, Antananarivo] ... izao VIVA TV ... an'iza no manaraka ?

Nampidirin'i tomavana @ 08:42, 2008-12-15 [Valio]

sao dia ny Radion'i Kido...ropamba no manaraka...

Nampidirin'i finoanaranoray @ 10:48, 2008-12-15 [Valio]

Mahagaga ahy koa hoe maninona ny sasany no mbola manao faux pas ihany kanefa efa fantatra fa raha vao misy faux pas kely fotsiny dia araraotin'ny fitondrana.

Justifiable tsara mihitsy ny nanakatonana ny VIVA TV, tokony tsy ni-folaitra mihitsy raha mieritreritra ny hanao zavatra... mitovy amindry zalahy Depioté migadra daholo ihany io e. Tratra amin'ny kendry tohana.

Nampidirin'i hery @ 11:47, 2008-12-15 [Valio]

tena tsy mampino ry zareo ny vaovao a! na izaho aza tsy mety tonga saina mihitsy!

Ny mpamoaka vaovao indray aloha tsy maintsy misy foana eo e

Nampidirin'i jentilisa @ 11:49, 2008-12-15 [Valio]

tsy faux pas no hilazana irey nataon'ny VIVA ireny fa "libertés 'éxprimé dans un pays democratique" fa hay dondrom-belona ny mpitondra dia tsy mahay izany, ny couler-ny fotsiny no mampiavaka an'i Mugabe sy ra8

Nampidirin'i naina @ 12:24, 2008-12-15 [Valio]

TIKO koa tokony akatona fa mivarotra poizina @ vahoaka Malagasy. Yaourt mibotsina dia tsindromina @ fanjaitra mba hiena, dia avy eo ny zazakely no marary kibo tsy fidiny. Mba mailo ihany!!! Iza no grave, izany sa ny zavatra nataon'ny VIVA??????
Nampidirin'i Amigos @ 13:00, 2008-12-15 [Valio]

>Mahagaga ahy koa hoe maninona ny sasany no mbola manao faux pas ihany

Mahagaga tokoa hoe nahoana no mbola misy minia TSY "mamboraka fitia" ny mpitondra ankehitriny ihany ... anefa efa "mibaribary" ny fitiavan'ny ray aman-dreny mpitondra azy ireo ;)

Nampidirin'i tomavana @ 13:19, 2008-12-15 [Valio]

news2dago

hafana izy izany sao dia hamoahana ady hevitra hafa mihitsy

Nampidirin'i news2dago @ 13:35, 2008-12-15 [Valio]

pakysse

Rehefa ny tanora izay anie no mirongatra tsy zaka fa aleo anao eo ihany fa ho hitany eo ny ahazo azy na oe mety ho lasa mpiondrana any Allemagne any ny fiafarany ngamba, asa?

Nampidirin'i pakysse @ 14:42, 2008-12-15 [Valio]

ny vaovao azoko farany aloha dé hoe : ny média hafa nandefa ilay vidéo ndratsiraka fa flash fotsiny. Ny viva kosa nefa dé ny intégralité ilay vidéo (2h). samihafa be izany, dé normal raha samihafa ny traitement. Ohatra hoe cnn ve dé navela nandefa vidéo an'i al qaida mandritra adin roa ?

Nampidirin'i lawn @ 15:48, 2008-12-15 [Valio]

IZaho koa mba gaga

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 15:53, 2008-12-15 [Valio]

Tsy maintsy hoe politika io ry zalahy a. Iny aloha tsy ho asiako resaka. Fa mba aiza moa zany le fahalalahana iteny sy izara vaovao e? Fanontaniana? Izaho aloha tsy nahita an'le film e fa angaha moa tsy hoe 45min le izy? sa 2h mintsy?
Nampidirin'i ariniaina @ 18:18, 2008-12-15 [Valio]

fa i deba koa no otran'ny efa manomboka mietraketraka ny tena marina e :-)

toa otran'ny efa manakaiky ny revansa 2002 lelika ee haha

dia ny viva ataon'zala fitaovana fotsiny. any no tena mbola tsy takatry ny boay kely...

c'est la vie!

Nampidirin'i simp @ 19:21, 2008-12-15 [Valio]

Araka ny efa nolazaiko ihany dia tsy mampino ihany ity tantara ity. hatramin'izao aloha dia tsy mbola naheno izay tena antony fototra nahatonga ity raharaha ity aho. Noho izany, mandeha ihany ny famakafakana madinidinika ary namoahako tsoa-kevitra.

Tsy izay Ratsiraka no atahoran'ny fitondrana

Fantatsika rehetra fa ny Viva Tv ihany aloha hatramin'izao no tratran'ny fanakatonana. Be ihany anefa ireo haino aman-jery no nitatitra. Inona nomety ho antony nahatonga ity fiavahana ity? Voalaza ary fa nivoaka manontolo ny tenin-dRatsiraka rehetra tao amin'ny Viva Tv. Ny hafa kosa dia sombintsombiny sy famintinana ihany no natao. Tsy mahagaga ary raha tsy nakatona ohatra ny TVplus satria napetrany amin'ny mahavaovao azy ny resaka. Ny Viva TV anefa dia nanao azy ho fandaharana manokana fa tsy vaovao intsony.

Nasiaka dia nasiaka ihany koa ohatra ny Antsiva ary namela ny olona hiteny malalaka eny fa na dia hatramin'ny ompa mihaja aza, tahaka ny maniry fatratra ny hanakatonana azy ihany koa ilay radio. Tsotra ihany anefa no ataony dia tanteraka ny faniriany: Mamoaka manontolo ny kabarin-dRatsiraka... izay nanakatonana ny Viva TV. Efa nisy rahateo moa ny nanadrohadro miangavy ny mbs hamoaka manontolo izany kabarin-dratsiraka izany fa tsy mba naheno izy tsinona.

Ny mpiresaka rehetra anefa dia mahalala avokoa fa azo lazaina ho soavaly maty izany Ratsiraka izany. Ka dia gaga tanteraka raha izay teniny no nanakatonana ny Viva TV. Aiza ho aiza ary ny mety ho lôjikan'ny fitondrana amin'ity resaka ity?

Fifampihatsiana eo amin-dRavalomanana sy Andry Rajoelina manokana ny resaka

Mody milaza hatrany ny Ben'ny tanàna fa tsy manao politika izy ary tsy te-hiditra amin'ny politika politisiana, kobay an-kelika ihany anefa ny azy. Raha niresaka tamin'ireo mpomba tanteraka ny TGV aho, ary tanaty fahatezerana ihany koa, no naheno izao teny izao: Fa angaha raha tsy nety nandeha tany amin'ny fanasan-dRavalomanana tamin'ny anniversaire-ny (izay 12 desambra io) dia hanaovana kakay toy izao? Nanaitra ahy izay teny izay. Tsy fantatro na nahazo fanasana na tsia ny Ben'ny tanàna, tsy fantatro na nanatrika na tsia izany fanasana izany ny Ben'ny tanànan'Antananarivo, fa raha izany no marina dia endrika tsy fanajana olona tanteraka izany. Tsy naharaka izay vaovao navoaka ny andron'ny 12 desammbra aho raha ny tao amin'ny Viva TV ka hahalala hoe namoaka ny anniversaire ve ny iva TV sa tsia fa ny TV plus aza namoaka fotoana maharitraritra ihany koa, izany hoe nahay nampifandanja ny vaovao rehetra ny tvplus ka tsy voakitikitika. Mahay ny asany ireo olona ireo izany.

Ny ampitson'iny ihany anefa ianao ( na ny televizionanao), izany hoe ny 13 desambra 2008, dia nanao fandaharana manokana ho ana filoham-pirenena teo aloha ary naharitra 40 mn izany. Ahoana ary ny mety ho fihevitry ny mpitondra fanjakana ao anatin'izany toe-draharaha izany. Tsy asianao sira ny mpitondra amin'izao fotoana izao nefa omenao lanja sady aderaderanao maharitra ny mpitondra teo aloha. Inona ny dikan'izany? Nandoa vola ohatrinona ilay filoha teo aloha ka nahazo avara-patana teo aminao? Raha araka izay, sy araka ny tombatombako dia toy ny mampihevitra ny Viva TV fa Ratsiraka no mbola filoham-pirenena fa tsy izany Ravalomanana izany. Mampifamadika toe-draharaha izany ny Viva TV ka izay ilay manakorontana. Tombatombana ihany anefa ny ahy fa tsy hisy hahalala izay tena marina isika.

Manaraka izany, efa nisy zava-nitranga hafa ihany koa nialoha ity raharaha ity. Resaka fako izany! Nanakiana ny resaka fako ny gazetin'ny filoha nandritra ny fotoana tsy nakana ireny fako ireny mihitsy. Namaly ary ny CUA avy eo ka ny nataony dia nariany teny Anosipatrana ny fako... satria misy tanin'ny Kaominina eny... rehefa miresaka Anosipatrana anefa dia mbs avy hatrany no ao an-tsaina ka toy ny nariana teny an-tokotanin'ny mbs ireo fako ireo hovalim-bontana hoe tsy misy anariana ireo fako ireo afa-tsy eto raha mitady ianareo! (aza fady vakio tsara ilay fehezanteny farany an!). Gaga aho aloha hoe fa nahoana no ariana eny Anosipatrana ny fako? ho fanalana baraka ny filoha sy ny vahiny mpandalo amin'ny digue amin'ny halotoan'Antananarivo ve? Nefa rehefa tena jerena dia ny higafy ny mbs no tanjona tao anatiny!

fehiny

Tombana ihany ny ahy ary izay ilay hevitra tera-bary! ny vy tsy mikitrana irery fa ao raha! ireo soratroireo tsy midika velively fa dia madio tanteraka ny mpitondra amin'izao fotoana izao fa tena manana ny fahadisoany tokoa izy. Miezaka mamantatra ny ao an-tsain'ny mpitondra no tena nanaovako ity hevitra ity.

Nampidirin'i jentilisa @ 21:12, 2008-12-15 [Valio]

ka tsy naman'ny mandevin-tay an-tsalaka ihany ve i TGV ra izany lesy? :)
sao dia mba tsy tsapan'lery aza fa ny inocence-ny sy ny hoe hiaran'ny tsy eran'ny aina no tena facteur ngezabe hanohan'ny vahoakan'Antananarivo azy.

ka ra hanomboka hiantsy ady otr'zany ve tsy ho rendrika ampitoerana ny sambo kle... mbo kozy ee. Lery anie ka tsy mbola manana lanja politika hoe afaka manenika ny nosy manotolo akory fa vao mivoaka ny tanan-dehibe dia mbola ady mafotaka raha hoe ho fantatry ny ol izy e.

Mety hoe stratejia ihany aloha ilay hoe asaina mikropaka i ramose fa hoy aho hoe sao dia mbola tsy dia ao @ tena capacite an'lery laotra izany. sao dia ataon'ny ol soavaly hojapiana fotsiny ao. Avy eo lany atody tanteraka... na koa lany andro misabaka otran'ny avi :)

atsipy ny teny any ampon'ny mahalala, atsipy ny vilia vaky :P

Nampidirin'i simp @ 21:29, 2008-12-15 [Valio]

misaotra an'i jentilisa aloha e
toa mitovy fijery ihany isika hoe misy ny fifampihantsiana araka ny nolazaiko taY @ Milay s'en fout.

mahaliana aloha ny endri-dalao e !

Nampidirin'i Rajiosy @ 23:58, 2008-12-15 [Valio]

Aleo averiko soratana eto ilao koms tao @ fetsy boky fa izay no fiangavian'i Jogany. Hoy aho hoe ny Viva nifitra tamin'ny barbelé ka aoka tsy hitaraina hoe mandeha ra ny hémorroïde. Hay mitovy fijery amiko ihany ny ankamaroan'ny mpiblaogy fa tsy dia hoe izaho irery no tsy mankasitraka ity "fihantsiana" ataon'ny boay kely ity.

Raha jerena ilay lohateny ho'aho dia hoe nakatona ny Viva ka mihira Haleloia i Jentilisa.

@simp: ny fikan'ny boaikely dia manao fihantsiana an-kolaka (soft kokoa) dia mamaly mafy Ramose (musclé) dia vao mainka mitombo ny fitiavan'ny olona (peuple du coeur mais non peuple de l'esprit) azy sy fankahalan'ny olona ny adv.

Nampidirin'i Mahefa @ 07:07, 2008-12-16 [Valio]

Moi mm

Aza dia manaiky loatra intsony ho taritina @ orona fotsiny moa e! Samia mandinika sy mamakafaka tsara aloha isika rehetra vao mikoropaka. Ny tendrim-po hono tsy mba namana! Karazam-panontaniana angamba ny ahy no ho entiko maneho ny hevitro! Iza no tsy olombelona amin'ireo rehetra ireo? Iza no olombelona tsy tia ny tenany? Tsy hanota? Tongalafatra? Iza no tsy milaza ho tia tanindrazana? Fa iza no hoatry ny tiatia tanindrazana bebe kokoa? Tsy izay vita miohatra @ fotoana nahafaha-nanao ve no ahafahana mamaly izany? Raha ianao no t@ toeran'ny andaniny: inona no nataonao? Ary raha ianao no t@ toeran'ny ankilany: inona no nataonao? Andramo ange ny hoe tena mipetraka @ toeran'ny tsirairay ianao e, dia mba ezaho valiana @ fo tony sy matotra anie ireo e (fa tsy tai-baombin'ny fo misendaotra fotsiny ka manao hevitra taingina). Mino aho fa hisaina in-droa in-telo isika vao hitsara!
Nampidirin'i Moi mm @ 10:49, 2008-12-17 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox