« | »

Aterineto Malagasy : Mahazo alalana hirediredy

2008-12-17 @ 06:44 in Ankapobeny

Nihora-kafaliana ny tena nandre ny tenin'ny Minisitra Bruno Andriatavison, izay misahana ny fifandraisana, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, milaza fa malalaka ny fitenenana eto Madagasikara ka ohatra amin'izany ny aty amin'ny aterineto izay ahitana ny karazan-kevitra sy fitenenana rehetra; fa anjaran'ny mpampahalala vaovao ny mamoaka na tsia izay voalaza any. Eo amin'ny fiheverany izany dia tsy toerana fakana loharanom-baovao loatra ny eto amin'ny aterineto fa rediredy no betsaka. Teniny nandritra ny fotoana nanontanian'ny mpanao gazety azy momba ny fanakatonana ny Viva TV io.

Hatramin'izao izany dia tsy misy atahorana ny fanehoan-kevitra aty amin'ny aterineto. Mety ho tsotra ny antony, mbola vitsy ny olona mivoivoy amin'itony toerana itony ka ny Malagasy dia ny mijery sy ny mamaky no mahazatra azy kokoa fa tsy ny manoratra loatra. Ankoatra izay Malagasy efa zatra ny manoratra sy maneho ny heviny dia olona tezitra tanteraka na tena faly matoa izy maneho hevitra izay. Midika koa izany fa eo anatrehan'ny mpitondra fanjakana dia tsy matotra tsy misy atahorana loatra koa izay voalaza amin'ny aterineto, satria ny maro amin'ny mpitabataba tsy manisy hisatra (frein) amin'izay ambarany dia olona mipetraka ivelan'i Madagasikara na tsy mbola miseho masoandro tahaka ny sariko ka hitandrina.

Amin'ny ankapobeny izany dia tsy voasokajiny ao anatin'ny fampahalalam-baovao ny bolongana sy ny dinika ary ny karajia amin'ny aterineto. Lafiny tsara ho antsika Malagasy eto an-toerana izany indrindra indrindra, nefa tsy tokony hohararaotina handikana ny lalàna sy ny fitsipika efa napetraky ny serasera ohatra.

Izay no ela fa hirediredy anatin'ny fitandremana ary aho, malalaka aho izany satria tsy misy fahalalahana tsy misy lalàna izany fa baranahiny matoa tsy misy lalàna. Efa nanoratra ny filazan'ny Minisitra ihany aho momba ny Viva TV ka tao no nahenoana fa ankoatra ny famerenana manontolo ilay lahatsary dia nanambara ny mpanao gazety fa mbola averina manontolo indray afaka fotoana fohy amin'iny alin'iny sabotsy iny ihany (sy amin'ny fotoana manaraka) ilay lahatsary. Midika izany ary mivandravandra fa tena natao hanakorontana sy nikendrena handravana ny fihaonana tontosaina anio any Iavoloha mihitsy ny raharaha fa tsy hoe tsy fahaizana mifehy ny fampahalalam-baovao.

Mety hilaza ianao hoe: dia ahoana ireny kabarin'ny filoha na mpitondra fanjakana averimberina ireny. Mazava be, tsy misy fitenenana anaty vaovao hoe averina manontolo ity amin'ny vaovao rahariva na manaraka. Fa mitokelaka tampoka aho mandre ny voalazan'ny gazety La Gazette de la Grande Ile eto ampanoratana hoe: "Hokendren'i Andry Rajoelina ihany koa (izay hanakatonana) ny mbs"... eisy e! tena miaraka adala ireto marina! Efa tamy ihany koa izany ny "mpanao didy jadon(a)" an'Antananarivo e!(mbola tsy mpitondra ny firenena akory!) izany ve no atao hoe valy fingika fingaka? Fa dia efa miomàna aloha ialahy ry jentilisa fa Tsiafahy no miandry an'ialahy rehefa izaho no mitondra an'i Madagasikara, izaho no lazain'ialahy fa mpanao didy jadona sahady eto? Sady tena alaheloko mihitsy ny tsy nahazoako ny Madagascar Tribune teo an!

Na izany na tsy izany tena vao maika mihamitombina ilay ahiahy nandritra ny fifidianana hoe ataon'ny sasany saribakoly ity reharehan'ny tanora ity na misy mpanimpy hoditr'akondro lalandava eo anatrehany. Eto no tena ahatsapana fa ny fahalalahana tsy midika velively fa manao izay tiany atao ny mpiara-miasa amin'ny tena akaiky fa misy fitspika tsara apetraka mazava ihany koa mba tsy hifamitahan'ny mpiara-dia.

Hevitra

????

Asa na marina na tsia fa henoheno fa toa ho vidian'Andriamatoa Andry Rajoelina ny Madagascar Tribune????? fa ny tsara dia hoe mba efa misy sahy manohitra ny jadona ataon'ny mpitondra ankehitriny, tsy afaka hanohitra ianao raha tsy manana fahefana nefa kosa aleo fanoherana am-pisainana sy ara-dalana.

Nampidirin'i naritsimba @ 10:58, 2008-12-17 [Valio]

Saika hovidiany fa tsy neken'ny mpitondra tamin'ny fomba ankolaka e!

Nampidirin'i jentilisa @ 11:15, 2008-12-17 [Valio]

Araraoty ny firediredena! lol
iny indray no tsy hitako?

io na radidy na ra8 na rajoelina ny sosy miditra any aminy ihany fa no ao voalohany fa ny mpanohana sy ny mpifidy kosa farany foana!

De @ fomba ahn moa no hanakatonana ny mbs e

Nampidirin'i news2dago @ 11:34, 2008-12-17 [Valio]

Toa tranon'ny Kaomina no misy ny MBS raha tsy diso aho?...

Nampidirin'i finoanaranoray @ 13:34, 2008-12-17 [Valio]

Ka eo indrindra ny tiany idirana amin'ny resaka!

Foanana ny fifanarahana tamin'ny Kaominina teo aloha dia amin'izay miala ho azy ny mbs eee!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:45, 2008-12-17 [Valio]

Izaho sahala amin'ny mahita hoe dérapage contrôlé iny tantara iny ary hatreto aloha dia mbola ao amin'ny nikendren'ilay ao ambadiky ny TGV azy ny fandehan-javatra. Ny havoaky ny ampitso no asa...
Izaho sahala amin'ny mahita hoe hisy raha mafimafy hitranga eto alohan'ny fihaonamben'ny vondrona afrikanina. Saingy toa atody miady amam-bato ilay izy.

Nampidirin'i DotMG @ 16:14, 2008-12-17 [Valio]

oadray kosa! tsy efa hitanao angaha ireo olona efa vonona nyhitokona rehefa vita fety ireo? sady efa mafana mihitsyizy izao ao amin'ny VIVA radio fa mba mihainoa ange e!

Isaky ny Sabotsy izany, kianjan'ny demokrasia e!

Nampidirin'i jentilisa @ 20:10, 2008-12-17 [Valio]

Izaho tsy d'accord amin'ilay hoe didy jadona raha esorina amin'ny tanin'ny kaominina ny MBS. Tsy jadona fa mety hoe toe-tsaina ambany angaha dia manaiky aho.
Dia ahoana ilay kianjan'ny demokrasia? Ny 13 mai ve no hosokafana ho an'izay te haneho hevitra? Adinoko tamin'ilay blaogy momba ny teny maloto voaresako fa io voambolana iray hoe 13 mai io koa dia tena teny maloto be mihitsy. dôty. Toa io voambolana io no nampikatona ny karajia raha tsy diso aho.

Nampidirin'i DotMG @ 09:50, 2008-12-18 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox