« | »

Aiza ny zo maha-olona ny mpiasan'ny Kaominina (Antananarivo)?

2008-12-28 @ 08:26 in Andavanandro

Tsy rariny intsony fa efa tafahoatra, Tsy hoe tsy manana fampitam-baovao ilazany ny hetahetany izy ireo dia anaovana izao toeran-tsy zaka rehetra izao. Fa na tsy heno aza ny fitarainan'izy ireo ka mizaka ny mafy ireo mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo; mahatsapa ny fanimbazimbana ny zo maha-olona ihany ny tena, satria na ny voafonja aza tsy mizaka ny mafy tahaka azy ireo.

Iza amin'ny olona eto Antananarivo ka nandalo ny afovoan-tanàna indrindra izay tsy aiza fa manaraka iny araben'ny fahaleovantena na kianjan'ny 13 mey no tsy nahita ny fanosihosena ny zo maha-olombelona ireto mpiasan'ny Kaominina ireto? Fa raha ninia tsy nandeha tamin'io toerana io ianao, nefa manaraka ny vaovao an-tsarin'ny tv plus na mbs ihany dia ho kiriko tanteraka. Tsy toeram-pivoahana na fanariam-pako aza fady indrindra i Analakely. Eto Antananarivo, re tompoko, no renivohitry Madagasikara ary heverina ho tsy niserana teto Antananarivo raha tsy mandalo izany Analakely izany; koa nahoana no tsinontsinoavina tahaka izao io toerana io? Analakely no fitaratr'Antananarivo, fitaratra lehiben'i Madagasikara, ka aza hanehoana ny havoretrana tahaka izao.

Misy ny haino aman-jery manararaotra ny loton'Antananarivo, nefa soa ihany fa eo ihany koa ny mampiseho ny fiezahana ataon'ireo 20 mirahalahy manana anjara manadio an'Analakely, miasa mandritra ny tontolo andro mamafa sy mitatitra ny fako ariana fahatany eny rehetra eny. Fa nahoana no takiana ny hanafoanana ny asa an-terivozona atao amin'ny voafonja eo amin'ny lalàna nefa nahoana ireto mpiasan'ny Kaominina ireto, izay tsy voasazy na nanao heloka, na dia eo aza ny tsaho fa gadra manolotena hanadio ny tanàna ireto olona ireto mba ahafahany mivoaka ny fonja, no asaina mifitra ny diky sy ny fivalanan-drano ary ny loa (degaoba) ataonao eo afovoan'Analakely io? Tsy rariny!

Raha izao no mitohy dia ho voarombaka vetivety ny medaily volamenan'ny halotoana fa tsy medaily alimo intsony raha izao halotoan'Antananarivo izao no jerena. Tsy ny Fiadidiana ny tanàna na ny fitondrana ihany no tompon'andraikitra amin'izao fa ny mponin'Antananarivo indrindra indrindra. Inona moa no fako betsaka indrindra? tahona masikita! satria manko revy no atao ka mahalala ianao fa tsy hamafa ny loto ataonao dia ny hafa no zimbazimbaina amin'ny fanariana ireny loto ireny? Milaza fa madinika sy sahirana ve dia ny olona hafa mitovy saranga aminao ihany no asainao mizaka ny tsy eran'ny aina avela hihinana ny tadiny? Mba eritrereto ihany lahy! Aza potehina re aza fady ireny fefy iarovana ny zaridaina ireny ô! Aza potehina re aza fady indrindra ny zaridaina endriky ny tanàna e!

Mbola maro ny sazy zakain'ny mpiasan'ny Kaominina, noho ny havoretran'Antananarivo, toy ny baoritra atao lafika amin'ny entana amidy amoron-dalana sy afovoan'araben'Ambodifilao sy Behoririka. Soa ihany aza fa tsy avy ny orana tao ho ao fa raha tàn'ty nisy izany tsy mahala baoritra lena raha izay kifafa fa tanana mihitsy no manala izany baoritra lena izany. Mitaky aho: Atsaharo ny fanaovana tsinontsinona ireo mpiasan'ny Kaominina ireo fa tsy ambany zo noho ny gadralava lazaina ho manao asa an-terivozona nefa tsy manao izany tsy akory izy ireo! Raha izaho, dia famonoana ho faty no mendrika ireny olona manao tsinontsinona tafahoatra ny olon-kafa tsy nanao heloka, ho fanajana ny tanàna, hanajana ny mponin'Antananarivo, saingy tsy hanaiky izany manko ny mpandala ny zon'olombelona (indrindra fa ny zon'ireo mirehahareha fa tsy misy afaka manao na inona na inona azy ireo amin'ny hadalana izay ataony ka manadino ny zon'ny olona tsotra miezaka manao ny marina).

 

Jentilisa, 28 desambra 2008 

Hevitra

Resaka Hamas sy Isiraeliana

Resaka tsy misy ifandraisany amin'ity lahatsoratra ity fa mifandray amin'ny vaovao malaza amin'izao fotoana izao kosa dia ity lahatsoratra hitako tany ambadimbadika ity. Nahoana Isiraely no "voatery" nanafika an'i Gaza? Na amin'ny teny frantsay aza ataoko fa azonareo tsara ny voambara: hevitra amin'ny lafiny na fijery Isiraeliana izany no asehoko. Be loatra manko ny hevitra mivoaka avy amin'ny Arabo fa toa iniana ampanginina kosa ny hevitra Isiraeliana. Tsindrio ny anarana Adinisiraely aza fady dia ho hitanao izany.

Nampidirin'i Adinisiraely @ 22:42, 2008-12-28 [Valio]

manomboka aiza ny fahadiovana?

Ao ny milaza fa ao an-trano, ao indray ireo manao hoe fitaizana , any an-tsekoly...Na hitondra fitaovana vaovao sy raitra isanandro aza ny manam-pahefana dia tsy hahita vokany raha tsy ny fomba fisainana no miova.

Nampidirin'i mpanontany @ 10:36, 2008-12-29 [Valio]

Fa tena mba migafy kosa aloha ilay Adinisiraely e. Asa izay hevitry ny tompom-blaogy fa izahay mpamaky tena mangidihidy maso mihitsy @ilay hors sujet

Nampidirin'i Gaza @ 10:49, 2008-12-29 [Valio]

- azo lazaina ve fa tamin'ny herintaona lasa tsy nisy loto tahaka ny @ izao fotoana izao ?
- raha toa ka nadio kokoa herintaona lasa dia tsy atahorany sady tsy hajain'ny olon-tsotra izany ny mpikarakara ny tanĂ na ankehitriny ;
- raha toa moa ka efa naloto hatramin'izay dia marina fa ny fitaizana am-potony no tsy ampy kanefa... : "moa afaka mandray sy mampihatra izany fitaizana izany ireo mpanao maloto" ?

Nampidirin'i Rajiosy @ 11:42, 2008-12-29 [Valio]

relax enao jentl a :)

io kosa aloha tsy tokony hanaovana etat d'ame be satria asany le izy e :P

Na izany na tsy izany, raha hita fa hoe tena "inhumain" ny "conditions" hiasany, ingahy mera no tokony mba mihary fitaovana hiasany tsara. Toy ny hoe gantanana sy boots, uniforme ary zavatra hanaronany ny orony...

Ny antsika koa tokony mba asaina manao asa fanasoavana toy ny any ivelany ireny olona mpandika lalana ireny. Ohatra hoe tratra mitondra fiara nefa mamo ohatra dia mandoa lamandy kely fa tsy maintsy mande manadio tanana na otran'zany e. Oeuvre de bienfaisance hoan'ny kaominite.

Nampidirin'i simp @ 12:04, 2008-12-29 [Valio]

O letia ry rajiosy a,
fa nahoana no darohan'la baomba foana hono i palestiana e?

mba omeo fanazavana kely ny adinisraely ee :P

Nampidirin'i simp @ 12:05, 2008-12-29 [Valio]

sos soso-kevitra

Ny fitadroana ny fahadiovana dia mtaky vaha-olana roa:
1-lavitra ezaka ( fanabeazana)
2-Maika : asiana CCTV na olona mpitandro ny fahadiovana, toy ny mpitandro ny filaminana ny tanana sy toerana be mpanadalo rehetra (Analagama ohatra ...) ary any amin'ny toeran-kafa dia ny fokontany no handray an-tanana an'izany.

Nampidirin'i mpanontany @ 12:14, 2008-12-29 [Valio]

sos soso-kevitra

Ny fitadroana ny fahadiovana dia mtaky vaha-olana roa:
1-lavitra ezaka ( fanabeazana)
2-Maika : asiana CCTV na olona mpitandro ny fahadiovana, toy ny mpitandro ny filaminana ny tanana sy toerana be mpanadalo rehetra (Analagama ohatra ...) ary any amin'ny toeran-kafa dia ny fokontany no handray an-tanana an'izany.

Nampidirin'i mpanontany @ 12:14, 2008-12-29 [Valio]

Tamin'ny taona 1996 no nahitako an'Antananarivo naloto tsy nisy ohatra izany. Fako miavovona no nataon'ny olona tao amin'ny tsenana'Andravoahangy rond-point. Tsy fantatro aloha izay lehiben'ny tanana tamin'izany. Razanamasy? Iny amin'ny Avenue manamorona ny lapan'ny tanana may iny moa dia namofona nampihoaka mihitsy. Saika tsy hiverina tany Iarivo aho nandritry ny taona vitsivitsy fa kivy. Taty aoriana moa dia nadio ny tanana na dia feno setroky ny taxi be aza ny rivotra. Porofo izany fa mety miova ny toe-tsaina, ka nahoana amin'izao fotoana no tsy miraharaha indray ny olona. Ao raha. Ho any indray aho amin'ny janvier izao ary toa kivy ambony ihany amin'ity fitantaran'i Jentlisa azy ity. Raha izao aloha no mitohy dia tsy ataovy nofinofy ihany izany fivoarana izany e. Ho lany amin'ny fanadiovana ny tanana ny vola tokony hampiasaina amin'ny zavatra hafa mahasoa.

Nampidirin'i Su @ 15:56, 2008-12-29 [Valio]

mamerina sy manantitra

ny resaka fahadiovana dia miankina amin'ny tsirairay , alohan'ny zavatra rehetra.Ny tsirairay no tokony hiezaka hanadio ny sainy ,ny vatany ary ny manoloana sy tandrify azy.Matoa mbola miverina ny loto dia midika izany fa tsy niova ny toe-tsaina .Ka na hanafatra fitaovana sy hametraka ben'ny tanana vaovao isan-kerinandro aza dia tsy hisy vokany.

Nampidirin'i mpanontany @ 17:43, 2008-12-29 [Valio]

Raha resaka loton'Antananarivo no resahina dia ady hevitra lehibe ,fa izao fotsiny no mba tiako ho tsindrina

Ny mponina tsirairay avy dia samy tokony hanaja ny fahadiovana indrindra ny manodidina azy ,tsy hanao maloto etsy sy eroa (valan drano,valam betiny,degoba ,sns ....)
Etsy an-daniny koa dia ,ankoatra ireo mpiasan'ny kaominina nolazai'i Jentl teo dia tokony hanampy ny mponina koa ny kaominina @ fametrahana toerana hanaovana izany maloto izany.

Ny fanabeazana sy ny fampivoarana ny toe tsaina ihany koa anefa no apinga ahatratrarana ireo

Nampidirin'i Maritoa @ 19:25, 2008-12-29 [Valio]

simp : aoka ho tsinjovina ny fahadiovan'ity sehatra ity. aoka ho an i kaisara izay an'i kaisara ary ho an'i jentilisa izay an' jentilisa e ...sns tsy voatanisa :-)

Nampidirin'i Rajiosy @ 19:46, 2008-12-29 [Valio]

:)
ary mba manahoana ny dioan'i Jerosalema ry zalah :P

sao dia tokony asaina manao stazy any aloha ra-tgv :)

Nampidirin'i simp @ 16:02, 2008-12-30 [Valio]

tana palestina

Ohatry ny misy fitoviana eo amin'ny zavamisy any Isiraely sy Gaza, ny Silamo mahery fihetsika tokoa anie ny zavanisy teto Antananarivo e!

Nampidirin'i jentilisa @ 16:39, 2008-12-30 [Valio]

marina aloha fa asany io ary rariny raha tokony hanao ny asany ao anatin'ny ara-dalana ry zareo zany hoe ampy fitaovanahanatanterahany an'izanyasany izany.
Inona anefa ireo fitaovana ireo ary iza tamin 'ireo ben'ny tanana nandalo teo no mba efa nanome tampim-bava ho an'ireny mpiasan'ny commune mandio fako eny analakely ireny ?????

soso-kevitra :
-ho an'ny sarababem-bahoaka : tandrovo hatrany ny fahadiovana ary ovao ny totsaiana tia manipitsipy sy tia mandoto fa hjoe efa misy hanao io ary izay no hanaramana azy
-ho an'ny mpitondra ny tanana : omeo fitaovana ara-dalana ny mpiasa farafaha ratsiny mba hahafahany miaro ny tenanay amin'ny maha olombelona azy indrindra eo amin'ny fahasalamana

marina ra jentl fa tsy ho ela intsony dia ho azon'ny tananan'Antananarivo ny meday volamena ny fahalotoana raha toa ka mbola minia manao sy mandoto arak'izay tiany ihany ny vahoaka rehetra monina sy mandalo eto

Nampidirin'i ravatorano @ 15:23, 2008-12-31 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox