« | »

Lasan'ny TGV angaha ny jirama? sy ekena ny 11 janoary saingy...

2009-01-08 @ 11:27 in Andavanandro

Gaga aho raha nandray ny faktioran'ny Jirama androany fa ny lokony no nanaitra ahy voalohany. Jereo anie:

Tsy fahotana velively na lasany aza, mety ho izay koa no mba tian'ny mpitondra. Fa mahavariana ihany na dia izany aza amin'izao toe-draharaha heverina ho mafana izao. Ny loko mavokely no loko namantarana ny Jirama hatrizay. Hiova ho manga antitra ve izy sa hampiaraka ny manga antitra sy ny mavokely izay loko famantarana ny fikambanana TGV rahateo? Ny ho avy no hanambara azy.

Vaovao hafa ankoatra izany, nanambara ny lehiben'ny faritra Analamanga sy ny Prefen'Antananarivo renivohitra amin'ny fotoam-pivavahana tian'ny Kaominina Antananarivo renivohitra hotontosaina fa ekeny no hanaovana izany, saingy anaty trano... mba hahamora ny fandaminana sy hisamborana ireo gadra nandositra izay mety hanakorontana anaty vahoaka amin'ireny fivoriana ankalamanjana ireny. Efa mananontanona ho'aho ny fifandonana.

Zavatra iray hafa ihany koa, nifanontona ny fifampiarahabana nahatratra ny taona eny Iavoloha sy ny karakarain'ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin'ny zoma (rahampitso) 9 janoary 2009 ho avy izao ka ahiana ny tsy hahatongavan'ny Ben'ny tanàna any Iavoloha indray. Gazety hafa anefa no nanambara fa saiky notontosaina omaly io fifampiarahabana tao amin'ny Kaominina Antananarivo io fa (izaho indray no manohy) mba ho fialana bala tsy hahatongavan'i Andry Rajoelina any Iavoloha dia aleo hahemotra rahampitso izy io. Tena tokony hosolàna ilay Ben'ny tanànanay fa ahiako misy mitondra amin'ny sangany!

Farany, ompa nataona mpihaino iray tao amin'ny kidaona maraina androany alakamisy 8 janoary 2009 ihany: Be dongidongy tamin'ny mpanjaka, hono, ity zanak'andriana (tsy iray fianakaviana amin'ny mpanjaka) iray nifehy tanàna somary lehibebe ihany ka niteny azy ny mpanjaka hoe: Fa inona no tadiavinao amin'ity be dongidongy ity e? Namaly, hono, ilay zanak'andriana hoe: Tsy mitady na inona na inona aho fa ny tadiaviko dia ny mandiky eo amin'ny seza fiandriananao! Eny ary, hoy ny mpanjaka, fa izao: mahazo mandiky soa aman-tsara eo amin'ny seza fiandrianako ianao fa tsy mahazo mivalandrano... koa ataovy ary!

Hevitra

Le blagy kosa :-)

Fa tena matoky be le hery ao andamosiny ve le zazalahy io fa de tena rotssskssss de lasa tokoa.

Nampidirin'i bozyboleta @ 15:55, 2009-01-08 [Valio]

Fa theoriquement aloha tsy mandefa solo-tena eny Iavoloha ihany i TGV satria izay no protocole e. Refa mandalo ao an-tanana ny filoha dia tsy maintsy tonga ingahy mera.

ilay jirama ngamba resaka marketinina na hoe presentation tsotra fotsiny e :)
mba tiana hahavahana ny jiro sy ny rano ;-)

fantako ny anaran'i jentl o
woooooo hooooooo

Nampidirin'i simp @ 16:01, 2009-01-08 [Valio]

sady mariky ny tsy fanekena demokrasia koa nge ny tsy fandehanana eny e.
Satria noho ny asany no iantsoana azy fa tsy noho ny hoe zaza maditra azy akory...

Ohatra hoe i Mc Cain ve zao dia tsy hanatrika ny inauguration an'i obama? :)

Nampidirin'i simp @ 16:05, 2009-01-08 [Valio]

tsy anaran-drajentl io fanahoanakoa ary no io no nivoaka?

Nampidirin'i jentilisa @ 19:05, 2009-01-08 [Valio]

Efa nosoloiko rasimplex a!
telopolo izany no mahalala ny anaran'ny olona nakako ny faktiora sy ny adiresin'ny trano

Nampidirin'i jentilisa @ 19:25, 2009-01-08 [Valio]

tsssssssssssss
faly mahafantatra ony hoe ;-)

Nampidirin'i simp @ 19:28, 2009-01-08 [Valio]

tena tara fahatongavana aho izany kletia e.
mety manao fihantsiana ingahikely fa efa tsy teo ho mera intsony fa mba tsy hilazana fotsiny hoe mitsoaka an-daharana. i Ny Hasina no efa nifanarahana (nifanarahan'iza ?) hasolo azy.

Nampidirin'i Rajiosy @ 21:51, 2009-01-08 [Valio]

Mba mahita olana alohan'i Habib kosa Rajiosy izany!

Nampidirin'i jentilisa @ 22:34, 2009-01-08 [Valio]

tandremo ihany ry zalà

refa avy nataon'i RA ANDRY TGV TOHATRA NIAKARANA MAIRE HAMOAHANY IREO DINOSORE EFA VITA IREO TAO ANDAMOSINY ISIKA DIA TE ATAONY TOHATRA SY SACRIFICE INDRAY AMPIAKARANA IREO DINOSORE IREO HANDRAVA NY TANANATSIKA;ELA NDRAY ALOHA RY ANDRY RA MIVAROTRA NY TANANANAY @ REO DINOSORE N LA REO AN?ZAHO TSY POUR RAVALO FA ALEO ALOHA HILAMINA @ LERY TOA ZAY REO EFA MAIMBO AVY ANY @ FASAN NY TSY MATY REO NO HO EO E NO NO NO
Nampidirin'i @ 11:09, 2009-01-09 [Valio]

rehefa manoratra mivandravandra be tahaka an'io ranamana diasahala @ mivazavaza nareo.

cool ihany fa mbola tsy raikitra akory ny gidraka

Nampidirin'i Rajiosy @ 19:17, 2009-01-10 [Valio]

"mahita olana alohan'i Habib" : volana sa fanahy inian'i jentilisa ilay "olana" ?
izay Habib ve no inona fa sao kosa rajiosy voky mahabibo :-)

Nampidirin'i Rajiosy @ 19:19, 2009-01-10 [Valio]

tenamatetika mihitsy io v io no tsy voatsindriko tsara ve?
tratra foana manko aho!

Nampidirin'i jentilisa @ 20:30, 2009-01-10 [Valio]

cessé d'etres cons

Vous etes tous des cons!
Tsy zaranareo aza ve misy an'ireo kalazalahy "nos tres grands politiciens" mba hanesorana an'ity levalo dondrombelona ity e!
Na CEPE aza tsy ananany!

Aleo rngah hikrontana de aveo alamina fa tss!

Moi, je n'accepte plus d'etre dirigée par vorte levalo!

FAISONS TOUS LA GREVE.

Y A QUE LE DEPART DE VALO QUI PEUT NOUS SAUVER DE CETTE PAUVRETE.

Ry gasy, mba misaina amizay fa tsy hiforetaka eo fona.

LA GREVE. Y A KE CA QUI RESOUT LE PROBLEME.

JE PREFERE N'IMPORTE QUEL DIRIGEANT A PART RAVALO.

LA GREVE.

LA GREVE.

DE TOUTE FACON, CA VA ARRIVER, QUE VOUS AIMEZ OU PAS. ENFIN.

Nampidirin'i GAIGY @ 21:23, 2009-01-10 [Valio]

Endrey! mba mampalahelo kosa ianao izany! Mandrava ihany aloha no fantatra avy eo mieritreritra izay hananganana! mora anefa ny mandrava fa sarotra ny manangana! koa tsyhitovy hevitra aminao mihitsy aho amin'iny!

Nampidirin'i jentilisa @ 07:37, 2009-01-11 [Valio]

finoanaranoray

Aleo velona ho an'ny fampandrosoana toy izay maty ho an'ny tanindrazana e...

ady hevitra fa tsy ady olona...

Nampidirin'i finoanaranoray @ 09:22, 2009-01-11 [Valio]

IZAO ALOHA DIA TENA MALAHELO @ IZAO KORONTAN-DAVA TSY MISY HIAINAN'NY MADINIKA SADY IZAY MBOLA ATAO TOHATRA FIAKARANA KOA; IREO LOHANDOHAN'NY POLITIKA TE AHAZO TOERANA SY HITSETSITRA NY MADINIKA FOANA,ARY REHEFA EO @ FITONDRANA IZY DIA MBOLA MAMENO PAOSY; MBA HO AIZA ITY TANINDRAZAN-TSIKA ITY E ? HIEMOTRA HO AIZA FOANA ? IZA RE NO MBA HO TSARA FITONDRA TENA SY MATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA HITSIMBINA NY MADINIKA SY MALAHELO ?
Nampidirin'i ODILE @ 14:15, 2009-01-30 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox