« | »

Kianjan'ny demaokrasia: hotokonana foana io na inona na inona nitranga!

2009-01-15 @ 06:35 in Politika

saritatra gazety Ao raha 14 janoary 2009
 

Na nosokafana na tsia ny VIVA TV, efa niomana ny hitokana ny kianjan'ny demaokrasia hatrany ny eo amin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo Renivohitra. Lalana efa noraisina iny (fanapahan-kevitra efa noraisina) ka inoana fa hotohizany ny fanarahana azy! Artista manandaza maro no nalaina mba hanafana izany fitokanana ny kianjan'ny demaokrasia hotontosaina ny Asabotsy 17 janoary 2009 izany. Io sisa no fomba mahomby eo ampelatanan'ny fiadidiana ny tanàna hanangonana olona maro, efa nataony manko io tamin'ny famalifaliana faran'ny taona teo amin'io kianja io ihany. Ny sisa mampanontany tena dia hoe ho tonga hanatrika fety ve ny olona rehefa ampiarahina ny hira sy ny politika (na rehefa manahy ny hisian'ny savorovoro kosa ny olona)?

saritatra gazety Taratra 14 janoary 2009
Nanandrana hatrany hamantatra izay hanara-dia azy hatramin'ny farany ny ao amin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo teo ho eo. Raha ny olona tonga no jerena, jereo ny vohikala ofisialin'ny tanàna, tamin'ny nitokanana ny kianjan'Andohalo dia vitsy tsy araka ny nantenainy ny sarambamben'ny olona tonga nanatrika teny. Raha nitohy izany ny alahady nataony fiaraha-mivavaka ho an'ny firenena sy ny mponin'Antananarivo, na dia hita ho maro jerena aza ireo olona tonga ireo, dia mbola vitsy tsy araka ny nantenainy... sy araka ny fijerin'ny filoha Ravalomanana ihany koa nahasahy niteny ireny hoe mpampihorohoro sy mpaka takalon'aina ireny. Omaly indray dia ninia nanely tsaho ny avy amin'ny fiadidiana ny tanàna na ny mpanara-dia azy fa ho avy hanakatona ny radio VIVA ny mpitondra fanjakana amin'ny alalan'ny zandary sy miaramila, saingy tanora 20 raha be indrindra no namaly ny antso, tanora TGV mazava loatra vonona hiaro an'Ambodivona (foiben'i VIVA). Tena tadiavina mandrakariva ny handrangitana ny vahoaka e!

sary zaridainan'Analakely faran'ny taona 2008 fony tapabolana tsy nisy orana teto

Fa inona no nitranga raha nosokafana ny VIVA TV? Vao maika hieboebo ny Ben'ny tanàna fa mahomby hatrany amin'ny zavatra takiany ka hotohizany ny fananganana marina tokoa ny demaokrasia. Mbola misy anefa ny radio hafa mikatona (any Toamasina izay nisy nalaza tamin'ny fampiroboroboana ny fankahalana Merina) ka mitohy ny tolona amin'ny fitokanana ny kianjan'ny demaokrasia. Ny Malagasy indray anie tia mirevy foana ka rehefa mahazo olona amin'io sabotsy io dia hahazo toky tsara amin'izay. Lasa tombony sy fitaovam-pifanandrinana lehibe eo ampelatanan'ny TGV izany ny fahitalavitra raha nisokatra satria ny sary no manintona indrindra. Mbola fatiantoka amin'ny mpitantana ny tanàna noho izany ny tsy fisokafan'io VIVA TV io. Azo lazaina noho izany fa tena mahay milalao fanorona politika ny mpitondra fanjakana raha fantatra fa tsy hanokatra velively io fahitalavitra io!

sangisangy gazety inona ny vaovao 14 janoary 2009

Fa mismisy ihany ny manana alahelo amin'ny fanaovana an'Ambohijatovo ho kianjan'ny demaokrasia, satria eo no fialan-tsasatry ny mpianatra sy mpiasa maro lavi-podiana rehefa atoandro, ka manahy ry zareo hikatokato-poana ny toeram-pialantsasatra sisa afovoan-tanàna ho an-dry zareo.

 

jentilisa, 15 janoary 2009

 

Hevitra

maivana bé!!!!

zany vé no mba fomba fijerinao ny raharaha???? maivana bé tsy misy fotokevitra fa hita sy tsapa ho manao "fanatisme" fotsiny @ ny fanohanana ny fitondràna izay efa manao tsindrio fa lavo ny vahoaka tsy mandady harona! ary manao ampihimamba ny harempirenena nefa dia mbola hitanao ho hasohasoina!!! tsy hampihemotra ny olona zany!!! fa ny tody tsy misy fa izy ravalomanana no nampianatra an'izao!! sa rehefa ianareo no misioka dia voromanga fa rehefa ny hafa dia tsy mety sy hanaovana hery famoretana???? LERA hoy ny hiran'i Rossy fa tofoka ny vahoaka!! taiza ireny fihetsika mamangy marary @ hopitaly ireny no tsy nisy hatrizay sy ny famoriana bén'ny fokotany sns... sa may ny endim-boanjo dia zao vao mikoropaka??? hahaha!! Moa mba fantatrao MPISOLELAKA io fa lasan-dRavalomanana sy ny fianakaviany ary ny tariny rehetra anié ny fananampanjakàna é! raha tsy hitanisa fotsiny eto aho ny momba ny "étable" na valan'omby any andranomanelatra antsirabé izay eo @ ny tanin'i TIKO no hanorenana azy nefa ny projet dia an'ny ministère ny agriculture sy élévage dia atao contrat 5 à 6 ans no fépotoana dia avy eo lasan'ny TIKO tsotrizao fotsiny satria miorina eo à ny taniny!!! ary koa: dia tsy tahotra tsy henatra no hilazna fa mitentina 290million no devis nanamboarana ireny trano kelin'ny "commune rurale" kely tsirairay avy rehetra ireny ary iza no nahazo ny marché hanao ireny asa ireny hoy ianao???? tsy iza fa dia lasan'ny fianakaviana akaiky an'i lalao Ravalomanana ka asa raha mba misy mitsipika any aminao izany na dia kely aza fa ny vahoaka tsy mandady harona dia efa tofoka sy léo fa ianao manohàna ihany na dia efa mihinana sy misotro ronono antavy aza!!!!
Nampidirin'i fikambanana manohatra ny tsy ara-dalàna @ 10:13, 2009-01-15 [Valio]

Ka izay oa le tsy mety @ ity ady hevitra ity samy tonga de entim-po daholo isika fa tsy mba mamakafaka tsara aloa!
Io na iza no eo na iza tsy maintsy ny tombotsoany aloa no jereny vao ny an'ny hafa efa lalana natioraly @ olona izany fitivan-tena izany fa aza manofinofy koa anefa oe raha ny ekipan'ny tgv no eo tsy ho lasany daholo koa ve ny fananam-bahoaka sa sahy milaza enao(Mivana b) oe tsy hanao izany izy asa alo e!

Nampidirin'i news2dago @ 12:29, 2009-01-15 [Valio]

mianara mamaky @ fo tony

Raha hanangana ny kianjan'ny demaokrasia ihany dia miara-mianatra izany e! mahazakà ny hevitry ny hafa fa tsy tezitra raha vao mahita olona mamoaka ny heviny nefa tsy mitovy amin'ny anao!

herim-po very maina raha hanagana an'io nefa izay miseho bevava ihany no re!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:52, 2009-01-15 [Valio]

finoanaranoray

izay misefosefo voalohany hoa no diso...na dia toa marina aza...

Nampidirin'i finoanaranoray @ 14:02, 2009-01-15 [Valio]

Marina izany! ento mora e!
ny lalao mbola ho ela...

Izay koa no mahatonga ny anaran'ity bolongana ity hoe maharesaka! satria tsy tongobolo ka tampenam-bava hoy ny fiteny mety tsy ho fantatry ny tanora ankehitriny intsony!

Nampidirin'i jentilisa @ 15:22, 2009-01-15 [Valio]

ndryyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyy

Adinonareo tanteraka fa i ANDRY TGV ange ka olon'ny serasera e .Vereziny @ kely foana ianareo .Tsy misy zavatra antenainy @ zao rehetra mitranga izao afatsy ny fampafantarana ny tenany . Izy mbola tsy ampy taona tsy hirotsaka president mitsy .Fa ho avy ny andro hanaovany tampody fohy dia hahita tsunami ohatra t@ nahalany an'i barrack obama nareo .Mba mamakia ihany stratégie de la communication indraindray fa zary very @ katesizy.

Nampidirin'i SAINA MATSILO @ 16:20, 2009-01-15 [Valio]

saina matsilo,
sao dia nareo koa no diso kajy kle
mbola fin 2016 nge izy zany vao hilatsaka e?
tsy karazan'ny mandoto pasipaoro ihany ve izy zao ra izany no tanjony?

plus ny risque hoe higadra @ tsinapa...
ra vao mideborda io @ sabotsy io dia zay no nataony anie eee.

Le hevitra hoe ingah mera mandidy ny prezida koa anie no tena absurde be ny tena marina e.
Tokony nampidiriny tany @ tribonaly administrativa ra izany no tena tanjony...
mety tsy ho mora ny fandehan-javatra fa farany aloha mety hanaradia an'i pety ihany lery e...
sady izay tsy mba hoe fin de mandat akory ra8 fa mbola aty aloha be aty ve ranga...
diso maika loatra @ lay stratejia...

mbola virja @ politika lery ny tena marina e... mbola mila mianatra kely... na maka experiansa :)

Nampidirin'i simp @ 19:14, 2009-01-15 [Valio]

hahaha!

izaho aloha tsy nianatra momba ny serasera kosa fa mba nijerijery ihany e! fa na ahoana na ahoana tsy misy mahery noho ny sary na ny hitan'ny maso ka efa isa be tsy azony ny tsy fivoahan'ny Viva TV

Nampidirin'i jentilisa @ 20:07, 2009-01-15 [Valio]

mhhhh

Mitovy hevitra @ news2dago : na iza na iza no hoe eo dia tsy maintsy omeny tombony ny aferany.

simplex : mitombina mihitsy zany. Raha mikasa hilatsaka 'zaoi Andry ... tsy ho lany mihitsy. Fa dia ho lany passeport araka ny teninao. Ny ahiana dia mety hitrangàn'ny korontana fotsiny ka hiverenan'ireo efa nesorina (izay azo antoka fa hanampy an'i Andry).

fikambanana manohatra ny tsy ara-dalàna>>>> Voalohany, ataoko fa tsy ampieriteretana ny fiampanganao an'i jentilisa ho "MPISOLELAKA". Mba milaza ny heviny fotsiny izy tsinona fa tsy mahazo tombony amin'izany. Manaraka izany :

- raha 5 à 6 ny contrat @ "valan'omby" : ela be ve izany hoy ianao ? Tsy hitanao angah ireny zone franche izay nampidfirina taloha ireny ? 99ans ny contrat-ny. Ary tsy misy orinasa matanjaka hanao contrat 1an na 8mois zany fotsiny.
- raha eo @ tanin'ny tiko kosa no misy ilay izy ... tsy midika izany fa hijanona ho an'i ravalo ny eo amboniny. Efa voasoratra io fa tsy kilalaon'ankizy. Ireny zone franche ireny angah eritreretinao fa ho azontsika malagasy rehefa tapitra ny fe-potoana ? tsy ho entiny mody ny azy?!!!

Nampidirin'i Korio @ 20:51, 2009-01-15 [Valio]

Erireritra

Ka raha tsy i andry zany no hilatsaka dia tsy maintsy kandidaka goaika antitry ny politika na olom-baovao no eo!!!

Le raharaha politika efa iaraha-mahalala fa "same shit different assholes" fotsiny!

sady jereo reo efa samy mpanankarena ary samy manana ny mokon-dohany dia mbola ho ohatr'izay hatrany hatrany iooo...dia ny vahoaka kely no mampalahelo!!

enfin bref!aiza zany le tena issu @ ty raharaha ty?

Nampidirin'i Papoose @ 01:12, 2009-01-16 [Valio]

Samy manana ny safidiny fotsiny! izay no maha-demaokrasia ny demaokrasia! na samy diso aza ny roa tonta!

Nampidirin'i jentilisa @ 05:01, 2009-01-16 [Valio]

za

fa nahavita inona tao amin ny zaridainan ambohijatovo moa ny tgv no hitokana azy io?nahavita nanadio sa nahatsangana zavatra tao?tsy menatra akory mitokana zavatra vitan olona,be vava nefa tsy izy akory, dia ny tena no menatra....................................................

Nampidirin'i za @ 00:56, 2009-01-17 [Valio]

za

fa nahavita inona tao amin ny zaridainan ambohijatovo moa ny tgv no hitokana azy io?nahavita nanadio sa nahatsangana zavatra tao?tsy menatra akory mitokana zavatra vitan olona,be vava nefa tsy izy akory, dia ny tena no menatra....................................................

Nampidirin'i za @ 00:57, 2009-01-17 [Valio]

tss

fa nahavita inona tao amin ny zaridainan ambohijatovo moa ny tgv no hitokana azy io?nahavita nanadio sa nahatsangana zavatra tao?tsy menatra akory mitokana zavatra vitan olona,be vava nefa tsy izy akory, dia ny tena no menatra....................................................

Nampidirin'i za @ 01:00, 2009-01-17 [Valio]

tss

fa nahavita inona tao amin ny zaridainan ambohijatovo moa ny tgv no hitokana azy io?nahavita nanadio sa nahatsangana zavatra tao?tsy menatra akory mitokana zavatra vitan olona,be vava nefa tsy izy akory, dia ny tena no menatra....................................................

Nampidirin'i za @ 01:02, 2009-01-17 [Valio]

tss

fa nahavita inona tao amin ny zaridainan ambohijatovo moa ny tgv no hitokana azy io?nahavita nanadio sa nahatsangana zavatra tao?tsy menatra akory mitokana zavatra vitan olona,be vava nefa tsy izy akory, dia ny tena no menatra....................................................

Nampidirin'i za @ 01:03, 2009-01-17 [Valio]

fa i za sy tsss ve aloha tsy eto dago dia tsy mahita ny an'Ambohijatovo e, madio sy miloko tsara fohy ny bozaka, nefa fantaro fa tsy izay no hotokanana eo, ho lasa kianjan'ny demokrasia ambohijatovo dia izay no tokanana, tsy nisy olona nahavita akory ambohijatovo ka hotokanan'i andry, ny kianja no hotokanany, mba manaraha vaovao fa aza miteniteny foana e
Nampidirin'i Naina @ 21:49, 2009-01-17 [Valio]

io ambohijatovo io

T@ andron'i tim nahatsara io ambohijatovo io ttoy izao taloha io dia nampahonena kely tsy nifefy,naloto,ny bozaka maina kely ,misy aza tany fotsiny fa tsy nisy bozaka,tsy azo hipetrapetrahana ohatr'izao akory fa ianao io miteny io mihintsy notsy maharaka vaovao anefa mba miteniteny olona

Nampidirin'i bary @ 11:58, 2009-01-20 [Valio]

io ambohijatovo io

T@ andron'i tim nahatsara io ambohijatovo io ttoy izao taloha io dia nampahonena kely tsy nifefy,naloto,ny bozaka maina kely ,misy aza tany fotsiny fa tsy nisy bozaka,tsy azo hipetrapetrahana ohatr'izao akory fa ianao io miteny io mihintsy notsy maharaka vaovao anefa mba miteniteny olona

Nampidirin'i bary @ 11:58, 2009-01-20 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox