« | »

[Mitohy ny tantara alahady]: Ambohijatovo hitokana ny kianjan'ny demaokrasia

2009-01-17 @ 09:18 in Politika

Tsy hoe miova manontolo ny lahatsoratra nosoratako androany ity. Na misy aza ny tsikera azoko tamin'ny nanaovako azy mivantana dia misy lafiny mahatsara azy ihany koa satria mba hita ihany koa ny fahadisoana nataon'ny mpampita vaovao nohenoiko (ary tafiditra anatin'izany ny Viva radio). Nahafinaritra mihitsy ny fisian'ny ora tamin'ny fakantsarin'i Avylavitra sy ny fiezahany hipika ny sary amin'ny lafiny misy olona sy tsy betsaka olona loatra. Afaka jerena ao tsara hoe ahoana izany feno nolazain'ny Viva Radio izany tamin'ny folo ora sy sasany (raha tsy hoe diso atasak'adiny angaha famataran'andron'ilay fakantsary). Marihina fa sary nalain'ny namana hafa kosa ny sary avoakako eto na dia tsy tomombana loatra aza ilay fakantsary. Marihina ihany koa fa fantatra amin'ny fanohanana ny mpitondra kokoa aho no mitantara mivantana aminareo. Ilay lazaina ho mpisolelaka e! Mazava loatra fa tsy maintsy mandray ny andraikitra satria hitako fa tratran'ny sivana ny mpanohana ny TGV ao amin'ny Moov. Manome sehatra azy ireo kosa aho eto amin'ny fanehoan-kevitra mba hamoaka ny vetsovetsony sy ny fomba fijeriny. Ataoko fa sambany teto an-tany no nisy fitantarana mivantana ataona tsy mpankasitraka izay manao izany fihetsiketsehana izany. Tsy nanatri-maso aho fa nampitam-baovao.

9:15
Nisy mpiantso iray, fantatra amin'ny fanohanany ny fitondrana, nilaza fa mpandrangitra no tena ataon'ny mpanao gazetin'i Viva satria lazaina fa lasa nitsoaka niafina any amin'ny Banky foiben'i Madagasikara any Mahajanga ny filoha Ravalomanana. Ndry! fa angaha moa tsy Madagasikara any Mahajanga? Avelao kosa izy mba ho any e!

10:30
Nilaza ny radio viva fa hipoka tanteraka ny kianjan'Ambohijatovo. Niantso ny mpanome vaovao ahy fa mbola nalalaka be izany afovoany izany.(hamarino amin'ny ora ao amin'ny flickr avy lavitra izany hoe feno izany)

10:38
Nilaza ny viva fa sakatsakanana ny lalam-pirenena tsy handehanan'ny olona avy any amin'ny faritra tsy hanatrika ity fotoana eto Antananarivo ity. Mitady fialantsiny amin'ny tsy tena fahazoany olona ry zareo: miampanga ny tsy fahombiazana sahady angaha ry zareo? Efa asa fanaon'ny mpitandro ny filaminana anie ny misava ny entana rehefa misy ny mampiahiahy.

10:45
Hirahira no mandeha eny an-kianja, Ra-chicky no miditra ny sehatra mandimby an'i Bekoto! Hirahira hafa kosa no mandeha amin'ny radio Viva.

11:00
Polisy monisipaly maherin'ny 50 sy tanora maherin'ny 2000 no mitafy sivily no misahana ny filaminana eny, hoy ny Viva! Amin'izao ora izao no feno ny kianjan'Ambohijatovo araka ny nampitain'ny mpanome vaovao ahy. Misy atsasak'adiny ny fahasamihafan'ny filazana hoe feno ary samy manana ny lazainy hoe feno. Fomba fijery izany! (Dia mamerina hatrany aho hoe jereo indray mandeha ny sary navoakan'i Avy lavitra misy ora)

11:06
Hiram-pitolomana na malaza amin'ny fitolomana hatrany no mandeha amin'ny radio Viva amin'izao fotoana izao. Ny hiran'ny Rossy no tena miverimberina. Efa mandeha amin'ny viva isan'andro rahateo moa ny hiran'ny Rossy indrindra fa manomboka amin'ny valo maraina eo ho eo.

11:08
Averina fa fantatra ny nampikatso ny fiara fitaterana avy any Antsirabe sy Toamasina!

11:15
mitatitra ny namana fa ny sora-baventin'ny FCD no hita any aloha hatramin'izao. "Herin'ny fanovana ho amin'ny demaokrasia mandrava ny jadona". Nolokoina mainty ny fefy vy avy any amin'ny vavahady ambanin'Ambohijatovo!

11:27
Miditra ny sehatra any Ambohijatovo i Samoela! Milamina miandry ny fahatongavan'ny tompon'andraikitra voalohany ny rehetra!

11:35
Lazain'ny mpitantara mivantana fa maro dia maro ny avy amin'ny farintany no tonga amin'ny fanokanana ny kianjan'ny demaokrasia. Izay ary no misy aty fa ampitaina aminareo any Anosy (an!) any Ambodivona ny fitenenana! hoy ny mpanao gazety iray tao amin'ny Viva, mpiasa tao amin'ny RNM angamba izy io taloha!

11:55
Miverimberina hatrany ny hiram-panentanana amin'ny radio viva, misy ny miverina in'efatra, in-dimy na mihoatra, indrindra fa ny hiran'i Rossy. Nolazain'ny mpitantara mivantana moa fa hitany any ny mpanao gazetin'ny TVM sy ny MBS ary ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy amin'ny fokontany... Antso amin'ny alalan'ny finday tsikelikely manko no ataon'ny radio Viva fa tsy fitantarana manontolo na hoe tsy mitsahatra.

12:05
Misy fiara 4x4 niditra ny vavahady ambany ka ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina izany! Mizotra mandeha an-tongotra izy hamakivaky ny kianja saingy nasain'ny mpiambina niditra ny fiara indray ka eny ambaravarana no mitsangana manofahofa tanana amin'ny mpanohana azy!

12:07
Horakoraka hoe:"io ny anay! io no anay! TGV! TGV!" no re ary misy koa ny mihorakoraka hoe "prezidà! prezidà!" araka ny hita sy re tao amin'ny TV Plus Madagascar. Handray ny toerany ery ambony sehatra ny Ben'ny tanàna!

12:15
Mitety ny olona ny lehilahy manao "bain de foule" ary ny nataon'ny filoha Ravalomanana tamin'ny 2002 mihitsy no naveriny, hoy ny tatitra nataon'ny namana mpampita amiko!

12:23
Redonina ny hiram-pirenena!

12:26
Miditra ny kianja ny Ben'ny tanànan'i Toamasina teo aloha Rolland Ratsiraka! ny mahavariana amin'izy ity dia ny fidirany aorian'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Inona avy hatrany ny ao an-tsaina? Rolland Ratsiraka ve izany no hirotsaka ho filoham-pirenena? Ny hafa kosa efa saiky tonga taloha avokoa fa izy kosa no nigadona farany

12:30
Tsy nilaza mihitsy ny fahatongavan'ny Ben'ny tanànan'i Toamasina teo aloha io ny radio viva. Nadine Ramaroson ao amin'ny Conecs no mikabary momba ny hoe fivarotana tanindrazana amin'ny vahiny. Tsy mandeha mivantana amin'ny radio ny kabary fa fampitana ataon'ny mpanao gazety VIVA ihany no itondrany azy!

12:40
Nolazain'ny radio nasionaly malagasy (radiom-panjakana) tamin'ny vaovao ity lanonam-pitokanana ity. Nolazainy moa fa nanomboka tamin'ny 10 ora ny lanonana, hoy izy, ka nafanain'ny mpanakanto maro izany, ary amin'izao fotoana izao hoy izy dia mandeha ny kabary sy ny fanentanana maro samihafa! sao dia misy milaza indray fa tsy lazaina amin'ny radiom-panjakana mihitsy ity zavatra ity.

12:45
Ny solontenan'ny faritra 22 indray no mifandimby amin'ny fandraisana fitenenana amin'izao fotoana izao araka ny tatitra nataon'ilay namana hatrany. Tena miankina be dia be taminy aho izany. Toy ny filoham-pirenena sahady izany ny lehilahy mihaino ny mpanohana "avy any amin'ny faritra atsimo" ary toa nolazaina aza fa tangalamena tamin'ny fotoanan'ny mivantana nataon'ny mpanao gazetin'ny VIVA!

13:04
Fotoana lavalava izay dia nivadika hoy toy ny radio evanjelika tampoka teo ny radio viva. Hafa indray iny! mitondra am-bavaka ny fotoana angamba! marihina hatrany fa tsy miampita mivantana ny zavamisy any Ambohijatovo fa antso finday tsikelikely... amin'ny fifandraisana mikasokasoka no amintinany izany misy eny! Efa mihasarotra amin'io fotoana io ny fifandraisana.

13:10
Hitsangana ny mpanatrika hiredona ny Madagasikara Tanindrazanay!
Hikabary ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina!
Anisan'ny voalohan'ny teniny ny hoe "Nitsangana Antananarivo, nijoro ny Iarivonay, Nitsangana ny Vahoaka malagasy. Manomboka anio dia antsoina hoe kianjan'ny demaokrasia...Tsy maintsy aongana ny jadona (naverina indroa!)... Asongadiny mazava tsara koa fa tsy azo samborina i Andry Rajoelina!
Toy izao ny tatitra nampitainy nandritra ny herintaona niasany:
Satria ny Ben'ny tanàna no tsy tiana dia ny vahoaka no faizina, tsy ekentsika izany! Na ho betsaka aza ny fanakatsakanana dia mbola hijoro i Andry TGV... Mahavariana fa voatery tapaka an-tenantenany ny fampitana ny kabary satria tsy tomombana ny fitaovana hoy ny mpanao gazety! (eto no nolazain'ilay namana iray milaza ny heviny ery ambany ery hoe nanadino io filazana io ilay mpampita vaovao ahy! marihina fa tsy nahazo azy tamin'ny finday intsony aho ary izy koa nilaza fa tsy nisy intsony ny fandehanan'ny tambajotra teny na Zain io na Telma na Orange). Efa noalzainy moa izay nolazainy fa ny ampitaiko eto kosa dia ny fitakiana ny hialan'ny Minisitra roa eo amin'ny governemanta dia ny Minisitry ny vola sy ny minisitry ny fanajariana ny tany. Andrasany hatramin'ny alarobia ny valin'izany! Takiany ihany koa ny hamoahana ny sary amin'ny TVM rehefa tonga eny an-toerana ihany ry zareo!

13:40
Gaga amin'ny fomba fiteny aho satria raha miteny ry zareo hoe Andry Rajoelina ity mikabary ity ny feo re na dia ratsy dia ratsy aza ny fifandraisana dia Rolland Ratsiraka mihitsy. Tratra koa teto ny mpanao gazetin'ny Viva nijanona tany amin'ny toby fiasany any Ankorondrano nilaza fa Rollanda Ratsiraka izao mikabary izao! Marihina hatrany fa tsy voampita mivantana mihitsy ny kabary noho ny haratsian'ny fifandraisana!

13:57
Tapitra ve ilay kabary teo? Tsy mazava mihitsy ny teny re: Hosokafana (iniana) ve ny VIVA TV? Tsy mety azoko intsony ihany ka ny mpanangom-baovaoko! Raha niteny ny fitakiana ny hanokafana ny Viva TV angaha ny Ben'ny tanàna dia nisy ireo andian'olona niteny hoe "izao dia izao"; mieriterritra aho fa fandrika io! Hitokana ny kianja amin'izay aloha ny rehetra!

14:22
Feno olona mandehandeha Analakely hoy aho tampiandohana! hay moa hizotra ho any Ankorondrano ry zalahy! Niniana ny nandalo ny magro Antanimena na ny misy ny le Calumet taloha! Miadana ny dia miadana ny faneha raha ny fanombanako azy!

14:40
Mizotra ho any amin'ny fampielezan-tsarin'ny VIVA amin'izay ny olona, notarihina, hanokatra ny viva tv.

15:00
Tonga any amin'ny foiben'ny VIVA amin'izay ny olona. Amin'ny firy ary izy ity no handeha e! fantatra amin'izay fa brouillé tanteraka ny antso rehetra nandritra ny kabarin'ny Ben'ny tanàna teny ambohijatovo. Mbola tsy hitsahatra ity vaovao ity fa hivoatra haingana dia haingana angamba.Voalaza ary izao fa naparitaka ny olona fa aleo milamina miandry ny hatramin'ny alarobia fe-potoana farany. Misy miaramila roa kamiao manko niandry fa niditra tamin'ny tsy ara-dalàna avy hatrany raha vao namaha teo.

18:00
Nampilaza ary ny tao amin'ny radio VIVA fa hisokatra rahampitso alahady ny VIVA TV (Endrey! efa vonona ny hiambina sahady lahy ny vahoaka!). Nandritra ny kabary natao ihany koa no efa nilazana fa hifamotoana indray eny amin'ny kanjan'ny demaokrasia ry zareo amin'ny Asabotsy ho avy izao. Izay ary aloha no azo ambara hatreto. Rahampitso ve izany dia hiditra amin'ny tsy ara-dalàna amin'izay ry zareo? Moa ve ahafahana milaza sahady ireny olona tonga ireny fa tena maro? Na izany na tsy izany dia tsy nilaza isa mihitsy aho eto. nosoratana koa izao ho tahirin'ny tantara!

19:30
Saiky noadinoiko, nandeha tamin'ny TVM ny vaovaon'Ambohijatovo sy ny sary saingy be no tsy nahita satria tapaka jiro Antananarivo iray manontolo. Niverina ny jiro vantany vao vita ilay vaovao nitranga teny Ambohijatovo! Ny nahitanay sary dia satria mandeha amin'ny bateria avy hatrany ny tele fijerenay vantany vao tapaka ny jiro. Aiza avy hatrany moa ny saina? niniana ve ny fahatapahana?

Eto izany, ity mivantana nosoratako ity dia mivantana avy amin'ny olona tsy nanatrika teny an-toerana fa tamin'ny alalan'ny radio viva aloha sy ny radio hafa ihany koa ary farany ilay mpampita vaovao amiko! Tena samihafa mihitsy ny fiantraikan'ny olona nanatrika sy ny tsy nanatrika. Ny Nanatrika manko nahazo ambiance moa ny tsy nanatrika kosa afaka manao recul hoy ny fiteny izay!

 

jentilisa, 17 janoary 2009 - Marihina fa tsy Avy lavitra mihitsy ny mpampita vaovao ahy tamin'ity fotoana ity fa olona hafa mihitsy!

 

Hevitra

dia miandry ireo voakarama 75.000fmg isan'olona hanakorontana veh izany??? mmhhhhh

Nampidirin'i tsylaizaiko @ 10:19, 2009-01-17 [Valio]

Dia tena mahafinaritra ry Jentilisa ny fitantaranao azy fa tena ohatry ny mihaino radio an.
Izaho kosa dia tena mbola saikatra amin'ity resaka TGV ity. Tsy mipetraka any an-toerana ka ny famaky eto amin'ny aterineto ihany no tena ahafantarana izay mitranga e. Ka noho izany dia manahirana ny maka hevitra tena matotra. Ny hitako kosa dia ny olona mampalahelo asaina milahatra foana. Tsy manana ny atao hoe avocats angaha ingahy TGV?

Nampidirin'i sipakv @ 13:37, 2009-01-17 [Valio]

Asa ianao raha nahatsikaritra fa voasivana ny mpanohana ny TGV ao amin'ny forum moov.

Nampidirin'i jentilisa @ 13:43, 2009-01-17 [Valio]

Fa misaotra nanaraka satria ho anareo any ivelany indrindra no tena nanaovako ity bolongana ity e!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:45, 2009-01-17 [Valio]

Adinoko ny namaly hoe toa tsy nihevitra ny hitondra ity raharaha ity any amin'ny fitsarana mihitsy ny tompon'ny Viva na dia nisy aza ny fitenitenenana izany!

Nampidirin'i jentilisa @ 14:06, 2009-01-17 [Valio]

finoanaranoray

ilay lera ve ilay hiran'ny Rossy?

Nampidirin'i finoanaranoray @ 14:08, 2009-01-17 [Valio]

nice move kosa aloha ny nitondrana an'i rolland e: * lery manana sombitsombiny influence avy @ anarany izy any @ sisiny * nizaka ny tsy eran'ny aina koa t@ mbola mera... * ny tena important indrindra: mazava ny second izany au cas ou gadraina andry tgv. Izay manomboka probable Tokony tsy enti-po fotsiny ra-8 sy indrindraindrindra ireo manodidina azy... tsy manana autorite @ in in afatsy ny mairie ny bandy kely manko. Afaka mivazavaza mandrapaharivan'ny andro izy fa rehefa tsy ampiditra fitoriana any @ tribonaly administrativa tsy misy manery an'i rafanja hanokatra ny viva mintsy... Ny opposition zao a coup sure miandry an'i tgv ho gadraina fotsiny dia hirotaka... alefaso ny adihevitra @ calcul mandeha any @ sisiny @ zao ee :P
Nampidirin'i simp @ 14:13, 2009-01-17 [Valio]

Isan-karazany mihitsy ka. Tadidinao ve ohatra ilay hiran'ny Hazo midoroboka momba ny vahoaka madinika iny?
An'iza ny sandry sy an'iza ny hery e!

Nampidirin'i jentilisa @ 14:28, 2009-01-17 [Valio]

ok

Misaotra mitantara jentilisa a!
>>>sipakv : mitovy hevitra aminao.
>>>Jentilisa : efa nolazaina t@ olona mialoha ve io fandehanana ho any @ fahitalavitra VIVA io sa teo an-toerana vao naposaka?

[ary aiza moa io toerana io koa azafady :)?].

Nampidirin'i Tokinao @ 15:42, 2009-01-17 [Valio]

teo an-toerana vao naposaka ary any Ankorondrano nomisy azy.

Ho avy afaka ora vitsy monja ny sary!

Nampidirin'i jentilisa @ 16:02, 2009-01-17 [Valio]

Mahaliana ny tatitra an-tsoratra e, dia efa tsindrian-daona ihany mandra-piandry ny sary. Misaotra !

Nampidirin'i tomavana @ 16:19, 2009-01-17 [Valio]

Efa misy sarin'i Avy lavitra azontsika jerena. Maro dia maro! Tsindrio ny soratra hoe sary etsy ambany. Hoy i jentilisa ihany!

Nampidirin'i sarin'i avylavitra @ 16:42, 2009-01-17 [Valio]

Gasy

Misaotra betsaka an'i jentilisa mitatitra ny vaovao izay zava-dehibe tokoa,indrindra ho anay aty ivelany mba tsy hahatonga ny tena ho tompon-trano mihono. Ny hirariana @ izao toe-draharaha mitranga izao dia ny hahaizan'ny vahoaka Malagasy mandinika sy mamakafaka tsara @ zay zavatra mety hitranga mba tsy hisian'ny korontana tsy mitondra vahaolana velively fa ny vahoaka madinika foana no hiarany avy eo.Manahy aho mantsy fa ny ankamaroan'ireo mpanao politika @ izao dia miandry kendry tohina fotsiny hanao fitaovana ny vahoaka indray.Ary vitsy raha hisy ny hoe tia tanindrazana te hitady fihovana marina hampandroso ny tanintsika @ izy ireo,mampalahelo io nefa izany no marina.Ny ratsy koa moa tsy kely lalana na eo aza ilay hafanam-po sy finoana tany am-boalohany hanao ny tsara.Ny fahefana sy ny voninahitra ary ny fitiavam-bola mampanao ny tsy fanao rehefa tsy miambina ianao,fakam-panahy be ireo.Entaniko ireo Malagasy kristiana noho izany hivavaka ho an'ny tanindrazana mba hanakanan'Atra ny hevi-petsin'ny satana mitady hamotika foana.Ny Gasy ve dia tsy mba afaka hiaina amim-piadanana @ taniny mihitsy Tsy rariny izany
Nampidirin'i tsiky dia ampy @ 17:21, 2009-01-17 [Valio]

Avocat ? Tribunal administratif ?

SipaKV, mahafinaritra be ilay fahatokisanao ny fitsarana malagasy. Hadinonay aty an-toerana tokoa fa nafindra tany Washington ny renivohitr'i Madagasikara. ;-)

Nampidirin'i Barijaona @ 18:09, 2009-01-17 [Valio]

Fanitsiana

tsara aloha ilay hoe ampitaina tsikelikely ny vaovao e, amin'izay mba mahara-baovao ho an'izay mijery ny takelaka, nefa mila jerena ihany koa hoe tena marina daholo ve ny ampitaina rehetra, azo lazaina mantsy fa ny 50% ny vaovao ampitaina eto dia tsy marina avokoa, ka izay no hanoroako hevitra hoe tsaratsara raha vita ny zava-nitranga vao ampitaina (soso-kevitra ihany iny an) Fanitsiana: tsy nikabary tao ambohijatovo mihitsy na in-draim-bava aza ingahy Rolland Ratsiraka, nanatrika izy fa tsy anisan'ny teny amin'ny lapihazo akory aza. ny fiara mpitatitra nasionaly mampitohy an'Antananarivo sy Tamatave; Antsirabe (tulear, fort dauphin... sud); Majunga dia tsy navela hiditra an'Antananarivo raha tsy nanomboka tamin'ny efatra ora hariva (mino aho fa tsy hisy fisavan'ny mpitandro filaminana hitarazoka be tahaka izany) ary nazavaina malalaka tamin'ny mpandeha fa mikorontana antananarivo dia mbola miandry baiko aloha (tsy fialan-tsinin'ny viva velively io) anisan'ny adinon'ny mpilaza vaovaonao (na ninina tsy notanterina) ny ampamoaka nataon'i Andry TGV momba ny station MBS sy ny contrat momba ny tanin'ny CUA, toy izao ary izany: nasehon'i Andry TGV ny taratasy nifanarahan'ny CUA talin'ny nitantanan'i Marc Ravalomanana ny tanana sy ny tompon'andraikitry ny MBS tamin'izany dia i Yvan andriasandratriniony (president senat amin'izao)fa hofain'ny MBS ny tanin'ny CUA etsy anosipatrana mandritra ny 50 taona amin'ny hofany 4000Fmg /m2/an (800Ar/m2/an) ary nasiam-panitsiana io t@ febroary 2007 ka natao hoe, tsy voafetra indray ny hanofan'ny MBS ny tany (izany hoe mihoatra ny 5 taona izany) ary tsy hofaina intsony fa maimaimpoana noho ny service atolotry ny MBS ny CUA (inona io service io) nambarany ihany koa ny momba ny mpiasan'ny commune nampidirina tamin'ny fotoan'androny izay rehefa natao ny fanadihadihana dia tsy miasa ao @ CUA fa any @ Alma (orinasa an'ny Filoham-pirenena) ary rehefa tonga ny fandraisam-bola dia any @ CUA no mandray vola ireo ry zareo no fanitsiana sy fanampiana tiako atao. ay farany, saika hadinoko, tamin'ny 10:16 ny tenako no tonga teny, tena efa feno hipoka ny kianja ambony tsy nisy izany afovoany mbola malalaka izany, ireo tsy tafiditra dia teny ivelan'ny fefy teny amin'ny lalana( satria moa tapaka iny lalana iny) ary ny havoana ambonin'ny arabe iny moa dia feno olona ihany raha misy fanazavana hafa tiana ho fantatra dia milàza fa ny tenako nanatri-maso teny 10:15 h@ 14:30 fa tsy nantsoina an-tariby. misaotra an'i jentilisa niezaka nampita vaovao
Nampidirin'i Naina @ 20:52, 2009-01-17 [Valio]

fanitsiana

jentilisa

Misaotra anao nampita izay. Mbola vao eo ampanitsiana ny lahatsoratro mihitsy aho izao satri anadroany hariva vao hita avokoa ny rehetra! marihiko anefa fa ny mpanao gazetin'ny viva radio no nohenoiko tamin'io fotoana io ary ny tao no nandiso vaovao! tsy fahadisoany anefa satria ny fihainoana ny kabary dia tena Rolland Ratsiraka mihitsy

Nampidirin'i jentilisa @ 21:20, 2009-01-17 [Valio]

jentilisa

Ny mivantana mety mahatonga ny zavatra ho tahaka izany. Marihiko ihany koa fa tsy nanatrika teny aho! izay ohatra no tsy nilazako tomban'isa mihitsy! eo ampamidirana sary ihany koa aho izao.

Izay vao azoko ny mahatafavoaka ny sary fa andramako eto indray

Nampidirin'i jentilisa @ 21:24, 2009-01-17 [Valio]

Diso be lay mpanome vaovao anao razoky a!

ity hafatra farany nalefan'i Naina ity no betsaka azon'ny rehetra inoana amin'izay tena nitranga teny an-toerana. Izaho dia teny nanomboka tamin'ny valo sy sasany ary nihodina eran'ny tanana vao niverina indray niditra ny faritra maitson'Ambohijatovo. Avy eo dia tena tsy niala tao sy nitoko-zihitra teo ambanin'ny fananganan-tsaina. Nanoloana ny lampihazo sy ny seza natokana ho an'ny vahiny. Indraindray aza dia tafakatra maka sary hatreny ambony sehatra. Noho izany dia naharaka tsara ny zavatra niseho rehetra teny. Nalaiko daholo ny feo rehetra teny ary aty amiko raha misy te-hamerina hihaino, nanomboka teo amin'ny fotoana niakaran'ny Ben'ny tanana ka mandra-pahavitan'ilay fanokanana. Tsy nisy olona hafa toa an-dry Rolland Ratsiraka nikabary tao, I Nadine RAMAROSON, ny solon-tena avy any amin'ny faritra, ny mpihira, ny vehivavy iray namaky tononkalon'i Rado. Misy fintina tena fintina tokoa momba izany ao amin'ny gazetyavylavitra.wordpress.com ao. Raha misy te-hanao fampitahana. Izay ihany...Koa mba iangaviako Jentilisa mba hiteny mafy ny loharanom-baovaony fa mandiso zavatra sy mamahan-dalitra ny olona razoky izany mpanome vaovao anao izany a! Momba ny hoe nentina sy ve ny olona, dia tsy izay no izy, fa Andry RAJOELINA niteny fa amin'ny Alarobia, ny vahoaka kosa tsy nanaiky fa IZAO DIENY IZAO. Dia tsy nahaleo dohiaka ny vahoaka i Bandykely ka lasa tokoa nankany. Ankoatra izay aza dia saika tsy tany no nalehan'ny olona, fa hoe andao ho eny Anosipatrana, hanidy ny MBS IZAO DIENY IZAO.
Asaivo manara-baovao sy manao tatitra tsara kosa ilay mpanome vaovao anao fa diso be e! Asaivo miresaka amiko Avylavitra izy raha mila fanampiana fa aty amiko misy feo efa ho firy ora be izao azontsika amlpihainoana azy. Miala tsiny masiaka fiteny fa tsy voako ilay lainga be namahanany anao sy ny hafa. Dia tsy hino ve ianao raha ilazako fa nisy nizara toaka gratos vao maraina teo akaikin'ny ZAIMAIKA mba hikendrena hanakorontanana, fa noho ny fahamailoan'ny vahoaka dia vaky tady nandositra ihany no niafarany. Jereo ao anaty flickr avylavitra ao misy bandy mifehy loha toy ny dahalo izay. Narahako manokana sy nalaiko sary hatreny amin'ny toerana nipetrahany miohitsy fa ireny no namporisihana hanakorontana, saingy tsy afaka nanao na inona na inona nony tonga tany satria efa voalamina sy voapetrapetraka mialoha kosa ny zavatra rehetra e.
Tsy idirako lalina loatra ny resaka manohana sy manohitra, fa ny ahy ny mampita vaovao no tanjoko, ary sarotiny aho raha fahanana lalitra.
Na izany aza, misaotra anao tokoa tamin'ny fampitàna izay mba azo nalefa mialoha ho an'ny havana lavitra any.
ireto misy rohy azoko omena (sary tsy misy feo fa miala tsiny an -video sy flickr avylavitra ireo)
http://www.youtube.com/watch?v=UmLQTK7Wc5Q
http://www.youtube.com/watch?v=XaKUhGCpoxo
http://www.youtube.com/watch?v=U8J_sxEByEA
http://www.youtube.com/watch?v=aDsrFY7b_6Y
http://www.youtube.com/watch?v=F67ym6gnGjk
http://www.youtube.com/watch?v=T1FQVAKOchI
http://www.youtube.com/watch?v=fvSwtwdATEE
http://www.youtube.com/watch?v=fxqmbGfVraY

Nampidirin'i Avylavitra @ 22:06, 2009-01-17 [Valio]

Nilaza lainga ve izany izy?

jentilisa

Ny tena niteraka ny adihevitra teto moa dia ny amin'ny filazana hoe feno sa tsia ny teo amin'ny faritry ny kianjan'ny demaokrasia ao anatin'ny zaridainan'Ambohijatovo. Ny kianjan'ny demaokrasia eto dia ny faritry ny zaridaina manoloana na ampitan'ny Omnis sy ny AFD. Manana hevitra anankiroa ny teny hoe feno. Misy ny antsoina hoe feno fotsiny izao ary misy ny antsoina hoe feno hipoka.

Raha ny fiara no antsoina hoe feno, ny dikan'izany dia tsy azo ampidirana olona intsony izy. Ny fiara anefa raha ny eto Madagasikara dia mbola misy ny mampiditra olona ihany ka atsangana indray ny olona hidiran'ny hafa. Raha nolazaina ary fa feno ny kianja tamin'ny 11 ora nefa mbola mbola azo nampidirana na nanatsofohana olona eo ho eo amin'ny arivo na mihoatra ihany io faritra io voalaza dia tahaka ny milaza izany hoe tsy feno indray ilay izy na dia feno aza. Nahoana no izany teny izany? Ny feno nolazaina tamin'io fotoana io dia mipetraka ny olona tao anatin'ny faritra (samihafa mihitsy ny isan'ny olona ao Antsahamanitra izay 3000 ny isan'ny mpijery raha mipetraka avokoa ireo olona ireo; nefa mahatratra ny 5000 kosa raha mifanety sy mitsangana avokoa ny mpijery). Ny teny malagasy noho izany raha milaza hoe feno dia tsy "absolu" izany fa "relatif" ihany.

Noho izany, dia mbola afaka miteny tsara aho fa tamin'ny 12:07 izay nidiran'i Andry Rajoelina vao feno ny kianjan'ny demaokrasia satria izay vao feno tsy azo nampidirana olona intsony ny faritra fa tsy mbola feno izy teo aloha raha mbola azo nampidirana olona ihany. Ataoko fa tsy azonareo melohina amin'izany fijeriko izany aho satria teto vao tsy afa-mipetraka intsony ny olona ankoatra izay manana seza manokana tamin'ny mpanatrika ny fotoana. Koa tsy maintsy hiteny mafy ilay mpampita vaovao ahy ihany ve aho noho izany?

Nampidirin'i jentilisa @ 05:37, 2009-01-18 [Valio]

Mitohy ny tantara!

jentilisa

Alahady 18 janoary 2009

7:30
Nanandrana nitsapa ny VIVA TV aho ary tsapa fa mandeha ny herinaratra ao amin'ny foibe fandefasantsary ao. Tsy nametraka sary na inona na inona anefa ry zareo fa mainty be fotsiny ny efijery! Midika izany fa efa nidirana ny biraon'ny fampielezan-tsary. Efa mandika ny didy fandrarana fandefasana azy izany ny mpitolona.

9:30
Nojerena indray ny fantsona misy ny VIVA TV ka efa misy tokotanin-doko manga ary sisiny laoranjy ny sary!

10:30
Niverina nitsapa hatrany aho ka manjavozavo ao anatin'ny loko voalaza teo ny sarin'i Andry TGV tamin'ny biletà faran'ny taona 2007 iny. Miandry ny fanombohana fotsiny sisa izany ny rehetra! miandry ny mety ho fiambenana ataon'Antananarivo ity toby ity ihany koa aho.

10:35
Tapaka ny feo tao amin'ny VIVA Radio, tsy herinaratra tapaka fa mety ho tsy fetezana teknika! naharitra atsasak'adiny izany fatahapahana izany ka tamin'ny 11:05 indray vao niverina ny hirahira. By the river on Babylon nohirain'i Boney M no nisantarana ny fiverenan'ny feo!

Nampidirin'i jentilisa @ 09:15, 2009-01-18 [Valio]

Sobika.com

jentilisa

Marihiko fa tsy izaho no nanoratra tany amin'ny sobika.com saingy tsy nampaninona ahy rehefa tsy nilaza betsaka ilay nitonona ho jentilisa. Efa mahazatra moa ny mahita fifanalikana eo amin'ny samy Malagasy indrindra fa ho an'ny any ivelan'i Madagasikara. Raha tsy izany manko tsy afa-mihevi-tena ho ambony. Misy moa ny miseho mitsikera ny amin'ny teny malagasiko nefa izy manoratra amin'ny teny frantsay! afaka miteny azy hoe zana-tsaina frantsay aho amin'izay saingy moa mampisy ny fifampiresahana izany?

Io fomba nanaovako azy mivantana io dia hala tahaka avy amin'ny Twitter saingy mavesatra dia mavesatra izany amin'ny fikorianan'ny serasera eto madagasikara. Izay kely eo ampelatanana noho izany no atao. Tsy mpanao gazety tsy akory aho fa tia mba mampita vaovao ihany e! noho izany fankaherezna ho ahy avy hatrany raha nosokajiana ho mpanao gazety matihanina aho na dia tsy nianatra momba izany mihitsy aza.

Raha lazaina ho mionona amin'ny honohono aho dia ny Radio VIVA, izay inoan-teny ho toy ny mesia ny teny rehetra voalaza ao ho an'ny mpankasitraka ny TGV, miala tsiny aho miteny izany, ihany no rangory fototry ny loza voalohany. Nahoana? Ka tao no nihainoako ny mivantana be indrindra koa.

Misy izao teny izao ao nolazain'ilay milaza ho rabearimanana: "izao ataonao izao no nataony RNM tsy miteny ny votoatiny fa mody atao banga ny fitresaka azy sahala aminy hoe fetindramose anareo !dia tsy menatra akory ry jentilisa mampitovy ny lazainy olona teny antoerana aminy hoe i ramosendry jentilisa indray hono no nohobiany olona!aza mba mareninddrenina hoa,nazava tsara mihintsy ny hiaka nataony olona hoe tgv prezida,beny tanana prediza!fa angaha io MEGALO anareo io ry zalahy tsy mety mihintsy raha tsy mamitaka kely a? izay fa dia veloma any aminy lery nilefa any jangila e,sa nofornina indray io?miaraka aminy lianah any!sur e!!!"

Hovaliako eto io: Efa nanoratra mazava aho fa tapatapaka ny fampitam-baovao nataon'ny Radio VIVA, ny Radio VIVA no tena niankinako nandritra ny kabary, ka izay fampitan-dresaka nataon'ny mpanao gazetin'ny VIVA ihany no nataoko an-tsoratra. Nolazaiko tsara ihany koa fa ratsy dia ratsy ny fampitam-peo nandritra io fotoana io. Raha mahatsiaro ianareo ireny "ampitampitao" (lohatenin-kira malazan'ny tarika Hazo midoroboka t@ 1975 sy ny mihoatra nisy an'i Rossy sy miverimberina matetika ao amin'ny Radio VIVA ihany koa) taloha fampitan'ny RNM ny vaovaom-paritra avy amin'ny BLU ireny dia mbola kentsoketsona kokoa noho ireny ny feo mivantana avy tany Ambohijatovo. Izaho izany dia niaina tahaka ny olona tsotra tsy nankeny Ambohijatovo nefa nanaraka tamin'ny radio VIVA indrindra indrindra ny fandehan'ny raharaha teny. Akory atao babako raha misy milaza ato fa diso ny 50%n'ny zavatra nosoratako.

Ny fahadisoana lehibe indrindra teto angamba dia ny hoe "nikabary i Rolland ratsiraka" satria ny fomba fiteny tamin'io fotoana io dia tena Rolland Ratsiraka navela teo fa tsy heno tsara tamin'ny radio moa ny feo. Tratra toa ahy ihany koa ny mpanao gazetin'ny VIVA tany amin'ny toeram-piasany ka nilaza avy teo hoe "kabarin'Atoa Rolland Ratsiraka moa izany rentsika izany" rehefa tapaka indray ny fampitana ny vaovao noho ny "brouillage de son" tamin'ny fampitam-peo tamin'ny alalan'ny findain'ny mpanao gazety. Mazava loatra raha be no tsy renay taty an-tokantrano ka lazaina fa manatsonga vaovao "tsy misy fanazavana". Ny mpanao gazety nataoko loharanom-baovao ve no melohiko sa ny fitaovana ampaisain-dry zareo no tsizarizary?

Raha noforonina ny hoe nitsoaka tany Mahajanga ny filoha Ravalomanana omaly Sabotsy dia ny VIVA Radio no nanambara izany ka asakasakao! Androany alahady maraina kosa aloha izy dia nanatrika ny fotom-pivavahan'ny FJKM tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena. Ny ankoatra izay moa dia tarihina ianao hahay hamaky tsara izay voasoratra rehetra tsy entim-po loatra! Misaotra nandalo teto na dia izany aza!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:10, 2009-01-18 [Valio]

finalement inona zany no ho ataon'i tgv e?

hoe asiana ultimatum vaovao indray ve hoe @ alarobia zany?

dia raha tsy izay dia sokafany avy hatrany?

Nampidirin'i simp @ 17:59, 2009-01-18 [Valio]

-

avylavitra : tsara mihitsy ny nametrahanao hafatra teto mba ahafahana mihaino ny zava-nisy marina. Na izany aza, hitako ho tsara koa ilay fitantaran'i jentilisa mivantana ka ampahereziko manokana.

Raha aravina moa ireo dia hita ho mipoitra ny marina :
- tsy feno ny kianja t@ voalohany, ary avy eo dia feno ihany.
- tsy nikabary ny pds tamatave. Tsy i jentilisa anefa no nandainga fa ny radio no notanteriny.

Misaotra hatrany e!
Mankahery an'i jentilisa koa amin'ny fanaratsiana mahazo azy amin'ny haino aman-jery. Ny hazo avo hono halan-drivotra e!

Nampidirin'i Korio @ 21:42, 2009-01-18 [Valio]

Tao ve i Samoela? Mba mangataka fanamafisana avy amin'izay nanatri-maso.

Dia manantena handre matetika indray an'ilay Méditation (efa 10.0 angamba) an'i Sareraka...

Nampidirin'i DotMG @ 08:41, 2009-01-19 [Valio]

ie tao daholo ireo mpihira "Vazo miteny" izany hoe: Samoela, Ra-Chiky, Sareraka

Nampidirin'i Naina @ 09:22, 2009-01-19 [Valio]

soratra

bon !!! miangavy an'i jentilisa mba azavao tsara ny tena tianao ho lazaina !!!ary lay namana nakasary sur v enao fa ts sary nofidina sy notsongaina ny sarinao ny tiako ho lazaina d zao oe eny @ lay toerana ts d misy vahoka no nalainao sary d @ zay mahita kômantera apetraka fona i njentilisa !! ra te ampahalala vaovao marina d aza abontsina lay resaka fa aleo ande @ zay zavatra mitranga eo ts ampalaza anao akory io na oe ho lasa filoha enao !! na ho lasa ts haiko ...!!! Ny mikasika lay oe nitsoka any Mahajanga ndray ts hiran'i ngahy sareraka v iny fa d nahona lotra no forisena oe zao ny volazany radio VIVA na izao ... aza mandray atendrony fa diniho tsara alo zay vao mamoka vaovao ..!! Ny mikasika lay oe tsizarizary v ny fitaovana apiasain-drizareo aza atao @zany ko fa ts mora ange ny mapita io mivantana ee..! fantarao v fa refa ratsy ny andro mety hanimba ny frekansa na ny fifandraisana !!! fa lay filazanao azy oe (tsizarizary ny fitaovana) zay no tsy mety sa enao manana fitaova tena raitra sy arifomba !! ny azoko lazaina angamba d zao mijereva re gazety tompoko ô fa d aza faly ny habotsina lainga sy tsao fotsiny eee!! Mikasika @ lay ao @ Moov ndray matahotra ko angamna ry zareo fa saody ho foanana ny Moov d sivanina ny panohina ny TGV sa efa voaloha vola ko io
Nampidirin'i Mr_Cool @ 11:19, 2009-01-19 [Valio]

amiko alo de tsy nety ny nataonao e!mapmeme be enao jentilisa a!inona no antony ampitanao vao2 zay tsy fantanao akory ny fahamarinany? raha tany mivantana enao de resaka afa. Sady mbola miseho milay be fotsiny tokony ho nanatry maso enao vao miseho milay mamoaka lahasoratra;otran maha lasa saina be oe: misy manakarama koa sa mitady hampiely vao2 tsy marina?
Nampidirin'i razanadrasoa @ 13:10, 2009-01-19 [Valio]

valiny

Zao e. Miala tsiny aho fa somary vary @ anana ihany le fiteniko. Avant toute chose, ce site reste informatif. A vous avec votre intelligence de faire la part des choses et de vous forger votre propre avis. Il a fait ce site selon sa perception des choses et c'est son plein droit et la meilleure chose à faire c'est de l'encourager. Zay foana mantsy mahavoa antsika malagasy. Trop passionné ka tsy manao la part des choses fa tady anao pensée unique foana. Raha conte ny hevin' ny ary de ary zany. Tsy misy tonga lafatra fa tokony manaiky ny limite ny ny tsirairay ary manaiky fa afaka manao erreur. Hevitra koa ny ahy io.
Nampidirin'i zandry @ 17:51, 2009-01-20 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox