« | »

Politika fanorona: Resin-d Ravalomanana Marc aloha izao i Andry Rajoelina

2009-01-21 @ 21:52 in Politika

 tsy valintafo io labasy hitanao io fa tafo
 
Antony vitsivitsy no ahafahako milaza io toe-javatra io. Alin'ny alarobia 21 janoary 2009 izaho no manoratra aminareo. Nahatsiaro ny anaran'ny bolongako tany amin'ny blogger aho amin'izao fotoana izao, indrindra fa mihamafana indray ny taimbava politika. Mamantsy i Andry dia mamaly i Marc, anjaran'i Andry amin'ny Sabotsy indray ve? Ny fanorona manko tsy tahaka ny echec fa afaka mitohy mamely hatrany ny iray raha mbola afaka mamely na tiany ny mamely ny andaniny na mijanona antenantenany izy, tsy maintsy mihinana anefa raha misy ny azo hanina fa tsy afaka mijanona hoe izaho tsy hihinana. Isaky ny sabotsy ihany ve i Andry sy ny tariny no mametraka ny vatony fa ny andro hafa kosa anjaran'i Marc sy ny ekipany? Izany hoe mampihinam-bela ve i Andry? Inona no ho vitany indray mihetsika, andro iray dia ny sabotsy? Heveriko aloha fa voa i Andry eo amin'izay lafiny izay! Eo ihany koa ny toetr'andro izay nifanojo tamina rivo-doza roa aloha amin'izao fotoana izao.
fenoy rano io tafo io dia ho hitanao ny lozanao 
 
Faharoa, finoanoam-poana: mbola tsy afaka amin'ny Malagasy aloha io amin'izao fotoana izao. Misy mihintsana ny soratra hoe Antananarivo narantiranty tery Ampamarinana. Nisy rivotra mahery hoe dia niendaka ny sasany, tsy mampino ihany aloha e! tsy  maintsy hieritreritra hoe sabotazy kosa io. Toy izany ihany koa, nisy hazo nianjera tao amin'ny kianjan'ny demaokrasia, noho ny fahanterany mazava loatra (tatitra heno tamin'ny radio tana, kidaona maraina) nefa misy manadrohadro hoe "lazao fa sabotazy ihany koa e!"; eo indrindra isika, fambara zavatra amin'ny hafa hatrany ny zavatra toy izany na dia tokony ho tsy misy dikany aza. Eo amin'ny toe-tsaina minomino foana mbola ananan'ny maro dia mbola fampitandremana aloha izay, velona ny fanontanana anaty hoe hotohizana ve ny tolona? (hafa isika mpiserasera manam-pahaizana an!)

Ity lafiny fahatelo ity dia raisiko manokana. Efa rentsika ihany fa nianjera ny tafon'ny sehatra saiky hanaovana kianjan'ny mpihira gasy, izay vao notokanana tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nilaza ny andaniny fa manify loatra ny rindrina no antony, tsy ekeko io fa rindrina 22 ihany ilay izy fa tsy 11 tsy akory rehefa hita ny sary. Laviko ihany koa anefa ny filazana fa nohozongozonin'ny mpiambina an'i Marc ny tafo na hoe nisy poteau nendahina no nampianjera ny tafo, niovaova ihany moa ny fiampangana fa anjarany izany. Tsotra ihany ny fanazavana:
Afaka manamarina any amin'ny iarivo-town isika raha tsy tafavoakako ny sary, jereo tsara fa labasy ny tafo nanaovana ny lampivato; io no fahadisoana, izany hoe teo amin'ny famolavolana ny trano no fahadisoana fa tsy hoe tanjaky ny rindrina na hoe sabotazy ihany koa. Raha natao labasy io tafo io dia tokony ho mora very ny rano avy aminy ary hihenjana ilay tafo (jereo ny an'Antsahamanitra) sady tsy atao manakaiky ny marindrano ny fametraka azy; fa tsy mivalombalona mora iangonan'ny rano ka mahatonga ny fisiana dobondrano ambony tafo. Ataoko fa azonareo avy hatrany ny tiako lazaina. Rehefa avy ny orana dia miangona amin'izay faritra ambany ny rano, ny labasy anefa tsy tatera-drano loatra ka tsy hitsika io. Vokany, lasa mavesatra ilay tafo satria mavesatra noho ny beton anie no zakainy e! Tsy mety maina mihitsy ny rano miangona ao, koa raha adinon'ny mpikarakara ny manosika (manary) ny rano avy aty ambany dia ao mandavataona io. Tsy atao mahagaga noho izany raha indray nianjera ny tafo satria be loatra ny rano teo amboniny. Averiko indray, fahadisoana teo amin'ny famolavolana ny nanaovana ny tafo ho labasy ary mbola hianjera foana io raha mbola ifikirana tsy hanovana azy ho fanitso na beton avy hatrany. Asa! mbola tenim-pankahalana hatrany ve ny ahy?

Fahatelo sady aleo faranana ny resaka, toy ny tsy afa-mihetsika fa ambenana toy ny managadra tena sahady i Andry rehefa ankalazaina fatratra izao siosion-dresaka hisamborana azy izao. Maro dia maro ve ny olona vonona hanolo-tena hiaro azy? tsy ho reraka ve ireo? Tadidio tsara, tamin'ny Sabotsy dia saiky handeha an-tongotra ny tenany hiditra ny kianjan'Ambohijatovo saingy noho ny raharaha dia niangavian'ny mpiambina izy hiditra ny fiara satria lasa sarotra dia sarotra ny miaro azy.
Tsy ho mora noho izany ny miambina azy rehefa eny an-dalana izy. Noho izany, sarotra ny ifampiresahany amin'ny vahoaka afa-tsy amin'ny toerana azo antoka amin'ny fiarovana. Etsy ankilan'izany anefa, noheverina ihany fa tsy ho sahy hivezivezy an'Antananarivo intsony izao Marc izao fa dradradradraina ho tsy tian'ny olona intsony ka mety ho voaompa (sa voatoraka kiraro?) kanjo dia ny eny ambany tanàna araka ny filaza no nandehanany. Nahay nihetsika i Marc androany satria tsy nihazakazaka nankany anindrana izy ka hoe tsy raharahako izay Antananarivo. Endrika fampifanoherana tahaka izany hatrany manko no narangaranga raha vao misy voina any ivelan'Antananarivo tokony handehanan'ny mpitondra fanjakana ka mety hahatonga ilay fihevitra fa zanak'Ikalahafa ny eto Antananarivo rehefa tsy nifidy izay napetrany hofidiana.

Noho izany, tokony hanana paik'ady matotra ny tariky Andry raha te-hahazo olona hafa tsy mankeny Ambohijatovo. Raha mahavita aza izy dia hiezivezy an'Antananarivo mihitsy ny asabotsy rehefa tsy afaka ihany ny andro hafa. Hevitra ihany ny ahy fa raha mbola lazaina ho fankahalana ihany dia tsy hitako intsony. Raha toa indray moa ka hitanao ny lafiny hitanao fa i Andry no mahazo vahana aloha eo amin'ny politika fanorona amin'izao fotoana izao dia apetraho ary ny hevitrao.

Fanamarihana: Misy ny mitaraina fa misy tsy mety ny fametrahana hevitra, fantatro tsara izany. Ny tsotra indrindra hitako aloha dia izao: Rehefa vita vaky ny lahatsoratra dia tokony ho vonona ihany koa ny lahatsoratra raha lavalava mety ataonao dia "actualiser"-o aloha ny lahatsoratra, ankotrihina hoy aho izay dia adika (copier) ilay lahatsoratra novononinao dia soratana ny anarana na solon'anarana ary averina ny marika lazain'ny Authimage dia alefaso amin'izay. Enga anie ho tafitra ny hafatrao!



jentilisa 21 janoary 2009

Hevitra

lol

aminao raha resy zany zao i Andry dia ahoana ny hevitrao sy ny pronostikanao @ zay manaraka eo?

Nampidirin'i Papoose @ 01:23, 2009-01-22 [Valio]

Resaka Daewoo

Novakiana tao amin'ny vaovaon'ny TV Plus omaly ny fanambarana ofisialy nataon'ny PDG an'ilay société koreana, tsy tadidiko tsara ny anarany fa mitovitovy amin'ny hoe "Madagascar Future Entreprise Daewoo" (mila hamarinina) fa tsy mitombona velively ny filazana fa efa azon-dry zareo ny tany nangatahiny tamin'ny fanjakana Malagasy. Kanefa ry TGV sy ny mpanara-dia azy dia nanitrikitrika mihitsy fa efa lasan'ny koreana ny tany, izay moa no antony nangatahan-dry zareo ny fialan'ny minisitry ny fanajariana ny tany. Sa mety nandainga ve ilay PDG ? Hita eo ny tohiny.
Nampidirin'i CitizenGasy @ 07:27, 2009-01-22 [Valio]

Potika hatrany ny demaokrasia! noho ny fifandiran'izy mianaka no antony. Mbola hanoratra momba io aho fa hiomana ho amin'izany aloha. Izay no tena nampalahelo aho

Nampidirin'i jentilisa @ 07:36, 2009-01-22 [Valio]

NAnaitra ahy ilay sary faharoa (raha Ratsirahonana io), dia ho lasa fitaovana ve ?

E e e, tena fifandiran'olon-droa ny tantara e, izay ilay polotika e, ry zareo mihinan-kanina tsara eo ambony latabatra na miady toy ny alika ary fa raha izao no raikitra ny rotaka dia isika vahoaka no hijinja ny voka-dratsy.

Nampidirin'i Nirina @ 13:17, 2009-01-22 [Valio]

Tsy Ratsirahonana io ka!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:23, 2009-01-22 [Valio]

Andry no manao ny marina ary izy no inoako fa handresy satia momba azy ny Andriamanitra tokana nahary ny tany sy ny lanitra.

Nampidirin'i deretol @ 16:16, 2009-01-22 [Valio]

Andry no manao ny marina ary izy no inoako fa handresy satia momba azy ny Andriamanitra tokana nahary ny tany sy ny lanitra.

Nampidirin'i deretol @ 16:16, 2009-01-22 [Valio]

manao kilalao maloto ve raha tsy maintsy tonga any an-daklasy ny mampianatra amin'ny sabotsy, ary amin'ny 2 hariva vao mirava...hamarino anie ... maso be tsy mahita ny fanorona koa ve izany?...

Nampidirin'i ndrema @ 18:25, 2009-01-22 [Valio]

ny mpampianatra fa tsy ny mampianatra o...tsy miakatra amin'sabotsy sao mankeny ambohijatovo...mba marina koa ve izany?

Nampidirin'i ndrema @ 18:28, 2009-01-22 [Valio]

ho an'i deretol

deretol > mba sokafy ange saina e! Tsy misy olona marina izany eto ambonin'ny tany fa samy efa nanota daholo : na ravalo io na i andry, na izaho na ianao.

"Manana ny rariny" @ toe-javatra iray angaha hoe dia misy ihany.

Manaraka izany : ny hafatrao dia toy ny manambara fa izay rehetra tsy miandany @'i andry 'zany dia "minia manaraka devoly", na koa manohana "olon-dratsy" daholo. Mba sokafy ange ny fijery e! Samy malagasy isika, na izaho, na ny hafa na ianao, samy tia tanindrazana koa fa tsy misy maniry ady an-trano, na koa ny hitohizan'ny fahantrana eto Madagasikara. Na izany aza dia samy manana ny fijeriny fotsiny : ianao manome rariny an'i andry, izaho kosa toa mahita hoe ravalo no manana ny rariny "kokoa". "kokoa" hoy aho satria efa samy nanao fahadisoana sy efa samy nandainga ry zareo ireo.

Koa aza "fanatique" be toy izao.

Toy ny miteny ianao hoe : israelianina no marina, na koa ny palestinina. Samy tsisy marina ireo : fa samy diso na dia samy mahita izay rariny ho azy avy aza.

Raha mivavaka tokoa ianao dia manaova hoe : "izay mahasoa anie hataon'Andriamanitra" fa aza manery an'Andriamanitra hanaiky ny safidinao izay mety ho diso.

Fahendrena malagasy io fomba fiteny io, fa misy teny mitovy amin'io ao @ baiboly (raha kristianina ianao), sy korano masina (raha silamo ianao)

Nampidirin'i Korio @ 19:47, 2009-01-22 [Valio]

ahiko hisy harary fo be ny hiafaran'lisany ireto ra izao no mitohy kle

tsy te ahita ah :P

Nampidirin'i simp @ 19:55, 2009-01-22 [Valio]

Ny ahy fanamarihana mba tiako hatao dia mikasika ilay lazain'ny mpahay tantara hoe "cycle". Ohatran'ny mety tapitra izany foana ny antsika gasy fa misy mitady anakorontana.

Io Ra-Jentilisa mba anaovy lahatsoratra ho anao mpandinika.

Dia manofy aho izany hoe rehefa tonga ny investiture n'izay ho avy eo amin'ny 2012 dia mba manatrika koa ingahy Ravalo (ohatra an'i Bush e); dia alefa helicoptère avy eo hiala sasatra.

Hatramin'izay nisy fifandimbiasana teto mantsy dia gidraka foana fa tsy mba nisy hoe mi-tsodrano anao filoha vaovao hahaleo hahalasana.

Nampidirin'i pkm @ 08:39, 2009-01-23 [Valio]

maro dia maro izany asa miandry ahy izany nefa anie aho ampangaina ho voakarama hiaro ny fitondrana e!

Misaotra aloha ny amin'izay fa ho avy aho amin'ny fotoana mety

Nampidirin'i jentilisa @ 09:36, 2009-01-23 [Valio]

Notorian'ny Daewoo hono i Rolland Ratsiraka

Vaovao navoakan'ny Le Quotidien androany : nametraka fitoriana any Paris ny Daewoo International, fitoriana mihatra amin'i Rolland Ratsiraka pour diffamation et outrage satria nolazain'i Rolland Ratsiraka ampahibemaso omaly tany Antsiranana fa Daewoo hono no nanome ny antsasaky ny vola hividianana ny fiaramanidina Force One. Asa iza indray no mandainga amin'ity raharaha ity fa tsy hay intsony... Raha misy manana fanampim-baovao ianareo dia mba zarao aminay e.
Nampidirin'i CitizenGasy @ 15:49, 2009-01-23 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox