« | »

Nasaina nigafy ny mpomba ny TGV dia tsy voafehy intsony!

2009-01-25 @ 22:59 in Politika


Manamarika dieny mialoha aho fa ady amin'izao fotoana izao izany mampita vaovao izany. Samy manana ny paik'adiny ny andaniny sy ny ankilany ka tsy fantatra intsony izay marina sy tsy marina. Niniako navela mihitsy ny lahatsoratra nialoha ity hahitanao ny hafainganan'ny fivoaran-javatra amin'izao fotoana izao. Raha nanova lohateny aho dia loharano azo natokisana no nahazoako azy. Efa fivorian'ny mpikambana ao amin'ny governemanta no hanaovana izany fa tsy tonga dia tanterahina avy hatrany ny fanatanterahana azy fa miandry "ilay feo" tsy avy amin-dRavalomanana fa avy amin'olon-kafa sy olo-maro. Efa tao anatin'ny tanjona ihany koa ny hitabataban'ny mpanohana ny filoha ny hisamborana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo; araka ny fanaon'ny mpanohana ny TGV ihany koa hamaliana azy araka ny fijeriko azy satria ry zareo ihany manko no nitatatata teny amin'ny 13 mey fa "ny feon'ny vahoaka feon'Andriamanitra"(ka mitaky ny hisamborana azy ny vahoaka amin'izao fotoana izao! quelle logique mais c'est ainsi!).

Nanao ahoana ary ny fandehan'ny fitsenana ny filoha Ravalomanana androany alahady 25 janoary 2009? Raha ny hamaroan'ny olona dia vasoka tanteraka ny an'ny TGV omaly sabotsy, hany ka tsy mahagaga raha nanomana gafy ry zareo. Na dia ny hamaroan'ny fiara mitandahatra manaraka ny arabe efa notononina mialoha handalovan'ny filoha aza dia efa nahaletra ny sasany efa fanatika loatra ka tsy mahatandrina izay ataony intsony. Nandeha ny fiarabe nitondra fanamafisam-peo nivezivezy nanerana ny lalana mandefa hira fankalazana ny TGV sy mihorakoraka TGV, ninia nandalo ireo olona miandry ny fandalovan'ny filoha ireo manana fiara avy amin'ny TGV ka mandrangarana ilay "heil..." efa mihamalaza amin'izao fotoana izao. Mba nisy ihany ireo tapikan'olona nihorakoraka ny maha-TGV azy ireo fa tsy nokitihin'ny mpomba ny filoha rehefa tsy nanakana ny lalan'ny filoha. Mandrangitra mandrakariva ny mpomba ny TGV fa nitony hatrany ny mpomba ny filoha. Teto 67 ha dia ankizy eo ho eo amin'ny 10 - 12 taona eo ary miisa 60 any ho any no nampanaovina akanjo TGV nampihorakorahana TGV teo anoloan'ireo mpomba an-dravalomanana mbola miandry ny fandalovany. Mba fantatr'izay ireo ve ny zavatra ataony? Nefa rahampitso dia ampianarina ny atao ny ataohoe "demaokrasia" hoe ny mpianatra rahampitso aorian'ny fanaovana kidnapping lehibe.  

Nivadika kosa ny toe-draharaha teo Ambohimanarina, maro dia maro manko ny mpitsena tao kanefa teo ihany koa ary tsy vitsy ny mpanohana ny TGV. Nobahanan'izy ireo fanariam-pako lehibe ny arabe tokony handalovan'ny filoha eny amin'ity faritra ity. Mazava loatra fa tsy maintsy nakisaky ny hafa izany barazy izany. Rehefa nandalo ary ny mpanara-dia ny filoha dia nisy vitsivitsy tamin'ireo mpihorakoraka TGV no nitora-bato ny fiaran'ny fiadidiana ny Repoblika. Nentanin'ny fo loatra ve sa voakarama? ny ampitso no hanambara azy. Nahita izany ireo hafa mpihoraka tsy maintsy nandositra ihany koa... saingy ny hafanam-po mialoha ka nahazoana ny sarin'izy ireo no itsimponana azy ireo tsirairay any amin'ny misy azy any amin'izao fotoana anoratana izao (miasa tokoa ny sampam-pitsikilovana amin'izao fotoana izao).
 


Teto amin'ny 67ha, rehefa niala tamin'ny toerana nisy azy amoron'arabe ny mpanohana ny filoha, dia nanangana ny "andrimasom-pokonolona" baiko avy amin'ny VIVA radio kosa ny mpanohana ny TGV, amin'ny fibahanana ny fiara rehetra tsy hahazo miezivezy mbola andro mazava. Horakorahan'izy ireo (25 eo ho eo ny isany) sy rahonany hotoraham-bato izay fiara mbola mitady hikiry handeha amin'ny arabe manaraka ny lalam-baovao hany ka miverin-dalana tsy fidiny avokoa ny fiara rehetra. Marihina fa fanentanana ataon'ny VIVA radio izany rehetra izany. Na ny fiaran'olona mipetraka eto 67ha aza dia tadiaviny tsy avela mody... indrisy! ny vitsy an'isa sa ny maro an'isa no manao izany? (ny antson'ny mpihaino ihany no nahalalana fa efa nitora-bato mihitsy ry zalahy ireo ka maro no vaky fitaratra ny fiarany teto 67ha) izaho mipetraka eto 67ha aza efa nojerijeren-dry zalahy akaiky saiky hotomoriny saingy hitany tsy nisalasala angaha dia tsy sahy nokitihina, na dia nantsoitsoina aza.

Mandeha dia mandeha moa ny fanentanana amin'izao fotoana izao (26 jan @ 00: 30 ora Antananarivo) fa efa mananika an'Ambohimitsimbina sy Ambodivona ny miaramila ka manentana ny rehetra hirodorodo. Misy ireo mpiantso no tezitra fa toa tsy miraika akory ny olona antsoina... Entanina koa amin'izao ora anoratako izao ny olona (mpiantso no manentana) mba hosamborin'ny "fokonolona" avokoa ny mpitondra fanjakana (minisitra, praiminisitra, filoha,...) rehetra mipetraka eny akaikiny eny satria mba mahay misambotra koa ny vahoaka raha mitady hisambotra an'i TGV ry zareo. Misy ihany anefa no lasa mihoa-pefy ireo "andrimasom-pokonolona" ka mitora-bato avy hatrany izay fiara "ahiahiana", teny amin'iny faritra Ambatonakanaga iny no nisy izany... Nanala tena avy hatrany ny tao amin'ny VIVA fa tsy tokony ho ny TGV velively no manao izany fa fanasoketana ihany izany. Mbola velona ihany koa anefa ny fanentanana ataon'"olom-pirenena" ao amin'ny VIVA Radio hanafihana ny tobin'ny MBS izao alina izao (00:48 ora Antananarivo).

Malahelo avokoa na dia ireo mpanohana ny TGV aza amin'izao fihoaram-pefy tafahoatra izao. Manala tena ny TGV satria mpihorakoaraka hoe TGV migafy sy mitoratoraka ireto olona ireto. Miezaka ny hiampanga ny TIM na ny mpitondra izy ireo saingy ny hita teny Ambohimanarina moa no manao ahoana satria ny tao amin'ny VIVA ihany no niteniteny fa "misy amin'izao fotoana izao ny fisamborana ny ankizintsika niantsoantso TGV no samborina amin'izao fotoana izao". Hay tena nirahin'ny tao amin'ny VIVA na ny TGV mihitsy ireo olona teny Ambohimanarina niantsoantso TGV ka nisy nitora-bato avy eo ireny!

Hamarana ihany aho fa mbola hiasa maraina ka andeha aloha hatory... Mahasahia izay mpihaino VIVA mandà ireo teny tao amin'ny VIVA radio ka voatsimpona teto ampanoratana ireo (mbola mandeha manko ny antso fanentanana amin'izao 00:56 ora Antananarivo izao. Ho voasamboatra ao anatin'ny ora vitsivitsy ve i Andry sa tsia? Na ho tsia aza ny valiny, mety ho sahirana ihany izy handeha eny amin'ny kianjan'i 13 mey rehefa mazava ny andro!


jentilisa, 26 janoary 2009

Hevitra

Ilay resaka hoe "lasa misy mpigafy tampoka teo" kosa aloha dia mampahatsiahy ahy ny tamin' ny andron' ny TTS izay jomaka voakaraman' ny [...] tamin' izany andro izany mba hanakorontana ny mpilahatra sy mpivory izay nahasahy nanohitra ny [...].

Nampidirin'i iNaivo @ 23:36, 2009-01-25 [Valio]

ketabozy

inina koa ity: [...]?

Ratsyraka ve ny tina lazaina. ratsiraka no manana TTS, ary mbola manana maro be sy milisy ao Toamantsina ao, hiakatra hanosotra anareo menakavy raha ilaina izany. Iny Rolland Ratsyraka lebeny TTS teny Ambojatovo sy 13 may nga tsy hitanao?

Fa na izany aza, aleo tsy samborina i Andry. Mahagaga raha mbola tsy misy mpianakavy niresaka taminy sy ny rainy, hatraminizao. Fa raha samborinao izy, miady isika iray tranobe, ka tsy mety.

Ny adalan'ny tena tafiana lamba sy anarina!

Nampidirin'i ketabozy @ 23:52, 2009-01-25 [Valio]

Misaotra anao Jentilisa mizara vaovao!!! tena hiderana anao ny fitiavana mizara!! Mankahery sy mankasitraka ny fizarana ataonao hatrany izahay!!
Nampidirin'i Eric @ 00:43, 2009-01-26 [Valio]

mampalahelo

Maro ny zavatra mampalahelo @ ity tantara ity. Ny tena mampalahelo, dia ny fahitana fa ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany dia toa mihoa-pefy avokoa na ara-bava aza, mandrangitra tsy laitra, ny fahenoana azy ireo t@ radio dia tena nahitana izany mazava be. Noho ny tsy fitovian-kevitra, dia hatramin'ny zaza tsy manan-tsiny no rahonana @ radio. Ny Pôlitika, dia misy mba hitsinjovana indrindra ny Olombelona. Misy fotoana izany, tokony hisaina objectivement ny rehetra: noho ny pôlitika indray ve no hifanimban'ny olombelona? misy fotoana tokony hiverenana @ fototry ny Pôlitika ka hibanjinana ny maha-Olombelona ka mba avela kely aloha ny Pôlitika. Tsy mahagaga loatra raha nisy fihoatraham-pefy toy io tanterinao io, raha ny fahenoako ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany t@ radio. Ny mbola tsikaritro ihany anefa, dia ankoatr'ireo feo 2 fanatika ireo, dia misy tokoa kay ilay 'feo fahatelo': teny Ambohibao aho t@ tonga ny PRM, samy nihoraka sy ni-fandrangitra teo moa ny andaniny roa, fa rehefa mihaino ny resaky ny olona ianao na tafaresaka aminy momba ny fiainana, dia maro ireo tsy fanatika. Ary izaho aloha dia efa hatry ny ela no nahatsikaritra fa toa mitovy ihany ny mampieritreritra ireo andaniny TELO ireo. Izay ny hevitro. Tsy pôlitika akory, ary tsy hahafaly ny etsy sy ny eroa, fa olombelona mahatsikaritra eo anivon'ny Olombelona Malagasy.
Nampidirin'i Thierry Andriamirado @ 02:47, 2009-01-26 [Valio]

Soa ho an'ny vahoaka ?

Toy ny mahazatra dia ny vahoaka madinika foana no hibaby ny vokatry ny adilahy politika. Na Ravalomanana na Rajoelina dia azo antoka fa tsy ny tombontsoan'ny vahoaka 100% no kendreny. Ny mpitondra dia natao hanompo ny vahoaka sy ny firenena fa tsy sanatria hampiasa ny vahoaka ho fitaovana mba hiaro ny tombontsoan'ny tena. Mampalahelo ireto mpitondra (leaders) malagasy.

Nampidirin'i Mamy @ 04:47, 2009-01-26 [Valio]

Izany rehefa bandy kely maivan-doha e, efa tsapa dieny voalohany izao fa dia ireto malagasy tsy mieritreritra. Viva hoe manentana ? rekakiko ôô, sambory any le kely maivana io fa fanetriben'ny firenena e !

Nampidirin'i Ramalagasy @ 06:37, 2009-01-26 [Valio]

Samy miseho ho favo ka zao no jakany eh!!! aleo ataon'ny sasany any rehefa miseho ho tsy refesi-mandidy, aleo ko hosamborin'ny hafa any rehefa mitenitenyy foana!!!
le ra8 koa no tena nitady an'io nge fa aleo ho any eh!!! naninona zao raha naverina nalefa ilay TV dia mety tsy ho toy izao io, be hambony loatra!!! ilay kely iry ndray moa ratsy toro hevitra sy mafana fo loatra ngamba ka manaonao foana. Ny vahoaka ihany no hijaly na inona io na inona eh.

Nampidirin'i lolo @ 09:22, 2009-01-26 [Valio]

aiza ny marina?

Ilay bandy kely maivan-doha ary ilay lehilahy lehibe tsy mahay manaja tena !

Nampidirin'i tsirika @ 12:10, 2009-01-26 [Valio]

zay miaraka @ tgv ranga zay vonoy zay raha vonon nareo
fa zay tgv hatramin ny farany rampitso tonga eny @ 13
27 janvier 2009
ZE RAY MAFY BE RANGA
TONGA IAZAHAY DE HIFONKA RONGONY BE DE ATAOVY EO ZE ATAON IALAHY
FA MAZAKA NY ATY E

Nampidirin'i tojo @ 18:17, 2009-01-26 [Valio]

marina ne la ry zama
MIANTSO AN TSIKA REHETRA IZAO ZE TGV DE TONGAVA RAMPITSO
MARDI 27 JANVIER 2009
MANINONA NY VAHOAKA NOKARAMAINA VOLA FA IZAHAY NIANDRY AN FILOHA TSY NOMENA VOLA
DE SAMY MANAO BOTO ZANY IO

Nampidirin'i belo @ 18:22, 2009-01-26 [Valio]

emeteur solon ny emeteur
dia rampitso mifanjevo e zay anisany anao belo be zay
teneno daholo lesy ry zala

Nampidirin'i tolotra @ 18:25, 2009-01-26 [Valio]

ok!miala any ary aho annn!

>Dia efa mampilaza aho fa tsy ataoko ho afa maina izay mbola mampihemotra an'i gasikara eo!satria mbola mitady pouvoir!Miasa irery aho ary mahaomby izany! Vahoaka tsy misaina fa izy ihany no hanafa izay laniny eo na zay simbany eo!tsss!nareo ve mihevitra fa tsy assuré ireo orinasa nodoranareo ireo?
Nampidirin'i Sambilo @ 21:12, 2009-01-26 [Valio]

Mety ve i Jentilisa?

Toa tsy henoheno? Manantena fa "safe" tsy maninona ianao.

Nampidirin'i Mpanaraka @ 22:18, 2009-01-26 [Valio]

Tsy mahafehy tolona ny TGV

Hita ankehitriny fa tsy voafehin'ny TGV ny tolona ataony raha oharina amin'ny tolona efa nitranga teto amin'ny firenena. Tamin'ny 1991 ohatra dia tsy nisy zavatra voaroba izany satria ny vahoaka ihany no nifehy ireo izay te hihoam-pefy. Toy izany koa ny tamin'ny 2002, nitolona tam-pilaminana ny vahoaka. Ny an'ny TGV kosa ity toa nivadika fandrobana fotsiny no betsaka. Sa izay ilay tolona miaraka amin'ny môly araka ny voalazan'ny mpanohana azy etsy ambony ?

Nampidirin'i CitizenGasy @ 08:10, 2009-01-27 [Valio]

Ho an'ny mpifoka rongony

Rehefa mandeha ry zalahy ny VIVA dia mba mangataha Publicité gratuit ao fa atsembohan'lisany ny mampandeha an'io an! Dia ténéno tgv hoe "ho ela velona ny démokrasia sy ny tontakely mpamaky trano mamo rongony". Lisany ry zalahy no maha-afrikanina ity firenena ity an! Tsy maninona fa izay no mba safidin'lisany ka atao ahoana éh? Tsy maintsy miara-miaina @ olona mirefarefa eto zany hatramin'ny farany. Tsy mba ny fanavaozana ny fampianarana no mahamaika an'lisany fa ny vary hoanina androany ihany. Manao maloto eny @ làlana lisany refa mamo dia lazaina fa tgv sy ravalo tsy manao ny asany. Tsara anie ny mifoka rongony eh! Tonga dé mampirefarefa tsara mihitsy. Sady raha tsy misy fivoarana ity raharaham-pirenena ity dia an'ny totakely ny tanàna. Mahazo aina tsara mihitsy lisany @zany.
Nampidirin'i _____69 @ 19:21, 2009-01-27 [Valio]

ny tena marina

eto aloha ry jentilisa dia somary mampalahelo ihany ny filazanao hoe nitora-bato ireo pro TGV izay lazaiko izay nanatri-maso teny fa LAINGA no afafinao tsy manome tsiny anefa aho satria vitsy ny olona toa anao sahy mamoaka vaovao mivantana (izay tsy marina ny 50%) ary anao ny bilaogy ka afaka milaza ny hevitrao izay tsy voatery ho marina ianao, marihiko aloha fa maro ny pro TIM nitsena ny filoha R8 teny am-pahatongavana anisan'izany ireo nokaramaina 5.000 AR nefa avy eo tsy nomena afa-tsy 2.000 AR (tsy voatery hino anefa ianao satria tsy nahita toy ny mahazatra), ny pro-TGV indray dia nanomboka teny Ambohimanarina ka hatrany ankazomanga izay nitondra pancarte hoe "r8 non" nihodina avy hatrany ny lalan'ny filoha vao nahita ireo ary teo no nisamborana ireo pro-TGV Efatra (04) izay mpianatra teny ankatso.
vaovao taorian'ny natorizanao : tamin'ny 02 45 no nanao amboletra ireo antsoina hoe mercenaire etranger avy amin'ny SADC marihina fa tsy misy gasy ary manao caguoule, izay tsy miteny afa-tsy anglisy ary namaky ny andrimasom-pokonolona teny ambohimitsimbina ary naka forcé ny emeteur radio viva,
nanomboka teo dia tsy nisy feo intsony ny radio viva (ary izay angamba no tsy nahenoana an'i jentilisa androany (26 jan) fa tapaka ny fakana vaovao)

26 jan 10.00 kianja 13 mey: niakatra ny ben'ny tanana, izaho moa somary tara kely ka ny faraparan'ny kabariny sisa henoko, nilaza izy fa andao isika ho eny @ fitsarana hamoaka ireo namatsika nosamborina, nony teny anosy dia efa nisy miaramila gasy vitsy teo amin'ny lapan'ny fitsarana ary miaramila maro teo amin'ny radio nasionaly, somary nadehandeha teny rehetra teny moa aho ka poa toy izay dia nandao ny toerana ireto miaramila (angamba teo @ 20 teo) ary nilaza fa anareo io dia ataovy izay tinareo( henoko tsara io fa tsy noteneni'olona) teo dia nanomboka nongotana ny fefy sy tora-bato t@ radio sy tv nasionaly ary ny niafarany moa dia may tanteraka, tsy mbola nisy toy izany h@ 1972 nakaty :), MBS, MBS hoy ny olona nirohatra nakany anosipatrana daholo ny olona ka efa teo ireo mercenaire ny tao anatiny aloha efa nadio e! nitifitra ny irey t@ ireo merce ka roalahy maty avy hatrany fa ny iray naratra nifanenjehana moa ireto miaramila fa tsy tratra ary tsy haiko fa azon'ny olona h@ basy sasany an'nireo miaramila aza, may ny MBS, teo dia nitohy nakany @ magro ankorondrano ny dia sady nifandrombaka entana ireto olona no nandoro ny magro sy ny auditurium, may koa iny izany, raha nihazo iny soarano iny aho dia mbola tsy may ny magro tao fa kosa efa nibanaka hoy ny fitenenana ary efa mitaona entana avokoa ny olona, naheno vaovao avy @ olona aho izay marihiko fa tsy fantatro ny fahamarinany fa lazaiko ihany hoe efa may ihany koa ny magro Tanjombato sy ny tranon'i Mox ramandimbilahatra.

hatreto dia nody aho ary tsy misy afa-tsy ma tv sisa tele mandeha. rahampitso indray dia mbola eny amin'ny 13 mai no fotoana

Nampidirin'i naina @ 09:25, 2009-01-28 [Valio]

asa na izaho no diso fijery fa....

Ylan Miarahaba anareo, Dia mahagaga lehireto ity ianareo, tsy haiko hoe mitampina ve ny masonareo sa ahoana? diniho tsara na miteniteny foana na hoe mitakitaky foana ny vahoaka raha;

-Mahita zavatra hanoherana an'i Andry foana ny fitondrana ka haharatsy laza azy.

-Ny tany nonotofana eo Andohatapenaka, izay tsy ara-dalàna. Moa ve mba fantantsika mazava ny tena anton'io fanotofana io?

-Ny tanindrazanay any Ambatondrazaka, izay alainy an-keriny ka 20 000Ar ny 1Ha(hekitara) ary raha tsy manaiky dia sady tsy mahazo vola no lasany ny taninao,mba rariny ve?

-Io Force One izay novidiana io, volan'iza io? -Ny hetra alain'ny fanjakana amin'ny karaman'ny olona sy izay rehetra mihetsika eto, moa ve nampihena ny fahantrana tokoa ilay izy? toa vao maika aza mahakivy ireo izay mba miasa.

-Ny vola izay natotan'ny PDS sy ny fitondrana tao amin'ny Imprimerie iray teto Antananarivo, ara-dalàna ve izany?

-Ny trano izay vao atsangany eo Faravohitra, dia milaza marina ny tenako fa 15 000 fmg na telo arivo ariary tompoko no nividianany an'io tany io sady natao an-keriny. Vokany, maty nohon'ny aretim-po ilay tompony.

-Ny tsy fahafahana maneho hevitra amin'ny alalan'ny radiom-pirenena sy ny toy izany, ny tsy fahafahana mandray ampahadiovan-tsaina ny hevitry ny olona sasany, ny fanaovana didy jadona, ny fanenjehana ireo mpanao politika hita fa matanjaka noho izy, mety aminareo ve izany?

-Ny société OLAM, izay Maorisianina no tompony, vao haingana no niala sy voatery niala teto madagascar satria nomena ny ramatahora. Mpanao exportation ana vary mena,... any ivelany izy io, izay mampiasa malagasy maromaro, kanefa dia nampatahorin'ny ministera tsy maintsy nakatona satria voalaza fa hoe marcher an'i Magro io. Moa manaiky an'izany ve ianareo.

-Ny vary any Ambatondrazaka, fa nahoana re no tsy maintsy ny magro ihany no afaka mandray ny vokatra sy mitatitra azy aty fa tsy mahazo manao intsony ny olon-tsotra e??

-Ny fanagasiana ny fianarana, efa avy voa teo izahay ka mino aho fa na ianaro koa aza tsy manaiky an'izany.

-Ny resaka DAEWOO, dia tanin'iza indray no ho voatery homena azy?? ny tanindrazako tsy homeko intsony. Ny malagasy anefa dia ho toy ny mpiasa tsotra fotsiny fa tsy misy tena tombony mivaingana ho azy izany.

-Ny lavanila, nahoana re no nidina ny vidiny e?? tsy te hilaza azy aho fa aoka ho fantatrareoi izao, ny filoha ra8 dia mivarotra vanila lafo be kanefa dia alainy mora amin'ny gasy izany.

-Nahoana re no kapaina amin'ny ranjony avokoa ireo mpandraharaha malagasy mba mandroso e? diniho raha mba mahita mpandraharaha malagasy lehibe intsony ianareo, fa efa lasa sesitany sy voapanga avokoa izy rehetra, toa an-dry Edgar Razafindravahy tompon'ny Kobama satria efa re fa hoe hifaninana aminy amin'ny manaraka, les 3 frères izay nahafahany nanjaka tokana teo amin'ny sehatry ny PPN, mba hananganany ny magro. betsaka e... raha tsy mino ianareo dia mandehana manontany, fa ho tantaraiko anareo koa izay efa nataony.

-Ny vola azony amin'io resaka ady amin'ny sida io, mba firy isanjato amin'ireny moa no tena miasa marina? mieritrereta.

-Ny lalana vita, fa tsy misy avelany mivoaka ny vokatra tiany ho geazina.

-Ny lalana vita fa izay tany tiany halaina dia tsy maintsy azony.

Sao de lava loatra fa izao e!, izay tena mbola manohana azy dia efa mieritrereta izay hitontonana rehefa mba lasany koa ny fanananao. Tsy adalan'ny olona ny manao tolona na inona na inona mety vokany na ratsy na tsara, satria tsy misy intsony ny fomba ahafahana maneho fa tsy mankasitraka ny fanaony ny vahoaka. Ka raha tsy i Andry ary dia Iza???

Amiko, tsy te hijery aho hoe i Andry na iza, fa io aloha no tsy mbola lasa any am-pona afaka ny hanohatra azy dia manohana azy aho. Lazaiko fa efa tamin'iny fifidianana tamin'ny 2001 iny aho no nifidy farany ary tsy nisy intsony taorian'izay satria leo ra8 ka tsy nanao intsony. Aza manaratsy Arema sy goaika antitra ry ireto a, fa ireo TIM ireo anie ka izy fotsiny e, saingy namadika palitao ka toa hoe mamy hoditra!!! Farany, marina fa nisy vokatra tsy nampoizina iny fihetsiketsehana iny, kanefa minoa ahy ianareo fa mbola ho ratsy ny tantana raha toa ka mbola izao fiavonavonan'ndra 8 izao no mitohy. Veloma vetivety.

Ylan

Nampidirin'i ylan @ 14:54, 2009-01-29 [Valio]

tandremo ny fomba fijery

Mazava be izany Atoa isany Naina sy Ylan a! tsy mahagaga raha tsy mahita marina avy amin'ny vavan'ny hafa intsony ianareo, satria izay atmosferan'ny TGV eny amin'ny 13 mai isan'andro (ianao ihany Atoa Naina no milaza azy anie!) no manefy ny fomba fijerinao sy izay mitovy aminao (mouvement de masse) ary inona no atahoranao izay mpilaza vaovao miezaka hanana fomba fijery tsy mitongilana toa an-Rajentilisa e?
Nampidirin'i tesoro @ 15:21, 2009-01-29 [Valio]

Tsara ny hisian'ny tantara toy itony e. Ny mba faniriako dia ny hananan'ny mpikirakira ity blaogy ty fomba fijery tsy mitanila mba ahafahana mitantara ny tena zavatra mitranga.

Nampidirin'i Dominique @ 06:30, 2012-01-05 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox