« | »

TGV sy EMMO NAT: Tontosa ve ny fanonganam-panjakana?

2009-01-27 @ 19:05 in Politika

Nahagaga sy nahavariana tokoa ny fahasahian'ny Heil nandritra ny andro vitsivitsy izay. Nahavariana ihany, tsy dia mahalala ny lalàna aloha aho fa aoka hojeren'ny mpahay lalàna izany, fa "réquisitionné" eo ampelatanan'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ankehitriny ny mpitandro ny filaminana rehetra. Niteny ihany koa ny Heil fa efa nihaona mivantana tamin'ny EMMO NAT araka ny teniny, entina mandamina ny tanàna anatin'ny "couvre feu" izay napetraky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, manomboka amin'ny 9 ora alina ka hatramin'ny 4 ora sy sasany maraina. Mbola tsy milamina mihitsy moa ny eto amin'ny tanàna hatramn'izao na dia efa mihamaromaro ihany aza izay maty nandritra ny fandrobana izay.

Toa mihamazava ny tetika, nataony izy tenany ireo korontana rehetra ireo mba hahazoany ny hery vondro-tafika eo ampelatanany, Holazainy fa rehefa nanome baiko ny miaramila izy no nanaraka ny baikony ireo hery mitam-piadiana rehetra ireo. Ny tena mahatalanjona ahy manokana dia ny EMMO NAT ve ny mifampiraharaha amin'ny mivantana fa tsy mba ny EMMO REG na ny EMMO FAR? Moa ve tsy efa midika zavatra ilay sehatra fitantanana ara-miaramila eo ampelatanan'ny Heil? ary moa ve tsy efa fantampantatra ihany fa karazandrazan'ny hoe "efa ampelatanantsika ny fahefana ara-miaramila manerana ny firenena amin'izao fotoana izao" no ho fanambarana lehibe holazainy eo amin'ny kianjan'ny 13 mey rahampitso? andro iray sisa no andrasantsika hahitana ny tena marina! Efa feno fifaliana izay ny mpanohana ny TGV sy ny mpialokaloka rehetra any ivelan'i Madagasikara any. Fihetsiketsehana no natao hatrizay fa efa vita omana hatry ny ela ny fanonganam-panjakana. Tsy mahagaga loatra raha tsy nanaiky ny hifampiraharaha amin-dRavalomanana intsony izy.


fanazavana: EMMO : Etat-Major Mixte Opération

Vaovao farany, ny ao amin'ny EMMO REG no nitafa tamin'ny mpanao gazety nilaza fa hotontosainy ny fampiharana ny "couvre feu", nomarihin'ny jeneraly ... tsy voaraiko tsara ny anarany dia ny Kaominina Antananarivo renivohitra no tena hanampy be dia be amin'ny fampitaovana azy ireo. Nolazainy ihany koa fa tsy hanakana velively ny famoriam-bahoaka hotontosaina rahampitso izy. Mbola afaka mieritreritra tsara izany zavatra re izany tsara isika na dia izany aza!

jentilisa 27 janoary 2009

Hevitra

inona ilay Heil ry Jentl ?

Nampidirin'i ikalamako @ 19:22, 2009-01-27 [Valio]

Ikalamako =>ilay jiolamboto iry e!

Nampidirin'i news2dago @ 19:34, 2009-01-27 [Valio]

mailo

tandremo ihany ra-jentl ny zavatra lazainao fa ireo milaza democraty ireo anie tsy hay mihintsy izay apoakany eo raha tonga eo izy e!!!!!!

Nampidirin'i Ni-ni @ 20:46, 2009-01-27 [Valio]

Iznay ve ?

Vaovao daholo moa izany!

Fa vao avy niantso Officier Be ((namana)) anakiray izahay teo, dia saika voaopa raha niteny sy nanontany azy hoe: efa Ny Mera hono no manome baiko anareo miaramila izao??

Aza mahasosotra sy mifandoto hoy izy fa izay ilay tena tsy mamely.
Nampiany koa hoe:
Iza koa no ho baikoin'izay iny???

Vaovao henoko tamina olona atokisana koa ny ahy ka dia ampitaina!

Nampidirin'i tipasifa @ 21:02, 2009-01-27 [Valio]

Aiza kosa e

raha ataonareo hoe jiolamboto iAndry, de r8 ndray mba ataovy hoe faikany. Le faikany iry e rehefa manondro azy. izy manko no ena faikany tamin'ity raharaha ity, ary tsy mala aminy zahay satria raha mba nifanaja tsy ho toy izao no nitranga teto. fantatray daholo ny tantara fa aza mba fahana-dalitra mitsy zahay a. TGV jusqu'a la fin, ok...
Nampidirin'i Saddy @ 21:08, 2009-01-27 [Valio]

news2dago : hay ve ! :-P

Nampidirin'i ikalamako @ 21:18, 2009-01-27 [Valio]

Ny fiheverako amin'izao fotoana izao dia ity:

Tahaka ny paika rehetra natao hanalana ny filoha Zafy Albert tamin'ny toerany, noho ny lalaon'ny firenena miteny frantsay notontosaina teto Madagasikara ka lasan'ilay rangahy iry ny voninahitra, no natao koa izay Nanalana ny filoha Ravalomanana hidiran'ilay rangahy ho tafiditra indray na ny mitovy anarana aminy sitrany ahay ka izy indray no handray ny fihaonana an-tampony indroa misesy eto Madagasikara ka ho lasany ny voninahitra.

Manaraka izany, tahaka ny nandorana ny Rovan'i Manjakamiadana ho karazana fisoronana amin'ny alalan'ny afo hivereneny eo amin'ny fitondrana no nandorana ireo trano, fivarotana, orinasa maro ho karazana fisoronana amin'ny alalan'ny afo indray hiverenan'ny anarana hiverina fanintelony eo amin'ny fitondrana. Ahiahy io nefa dia soratako sahady. Efa nopotehiny tanteraka tokoa ilay fahavalo politika nanongana azy ka heveriny fa tsy hisy intsony ny hahaongana azy mandrakizay eo amin'ny fitondrana avy eo. Tsy mazava loatra manko ny nitetezany nanerana an'i Madagasikara ka izay nandalovany dia nirehitra avokoa.

Il n'y a jamais deus sans trois? Nandalo Ramaka dia may ny tanàna? Fitiavana ny tanindrazana ve ny manao zao famotehana izao dia hitondra ny fitondrana ianao avy eo? Izao avo azoko tsara ilay hafatra hoe Arovy tsara ny Heil amin'izay mety ho maty momoka ihany ny teti-panorona efa vita omana hatry ny ela. Adidn-dRavalomanana mihitsy aza ny miaro azy io fa izy ihany no ho voasoketa ho namono, na dia mety tsy hanana izany eritreritra izany aza ny tenany.

Nampidirin'i jentilisa @ 22:12, 2009-01-27 [Valio]

Tena ny fahatsaana tamin'ny fanambarana kosa no nahatonga ny eritreritra ho any e

Nampidirin'i jentilisa @ 22:14, 2009-01-27 [Valio]

tahaka ny fantatro io Officier lazainao io sady mahafantatra ahy! sa ahoana hoy ianao?

Nampidirin'i jentilisa @ 22:15, 2009-01-27 [Valio]

Azo antoka mihitsy ka!

Nampidirin'i tipasifa @ 22:26, 2009-01-27 [Valio]

misy voretra be ity resaka ity ry zareo a
mila mifampijery tsara anaty maso i ravalo sy rajoelina fa misy resakalika ty
raha tsy mahay mampiasa atidoha rajoelina fa sodoka monja haka toerana dia izay no vita ny aminy

Nampidirin'i tsilavo @ 22:32, 2009-01-27 [Valio]

Jereo anie ito ao @ site-n'ny TIM e!

TOA HOE AO TOAMASINA HONO PIERROT SY SOPHIE, MARINA VE ZANY?????

Ilazao daholo izay azo lazaina e!

Nampidirin'i tipasifa @ 22:59, 2009-01-27 [Valio]

Fantatra araka ny nolazain'ny Radio Antsiva fa handalo ny RNM ny "filoha" Ravalomanana anio. Tsy nolazaina mihitsy ny ora hadalovany amin'io toerana io. Ho toy ny valin'izany sahady dia nampitandrina ny ao amin'ny Emmo Reg fa aparitany (hotifiriny?) izay manao fivorivoriana rehetra... toy ny mampitandrina sahady ny mpanohana an-dRavalomanana tsy hivorivory hanatona ny RNM hanotrona ny filoha Ravalomanana... Indrisy! toa efa tao anatin'ny fanonganam-panjakana hatry ny ela ny mpitandrony filaminana teto Madagasikara.

Ireo mpitarika voalohany tao amin'ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila mihitsy manko no niara-nanao famelabelaran-kevitra tamin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Tsy maintsy hanaitra izany sary izany eo imason'ny rehetra!

Nampidirin'i jentilisa @ 06:07, 2009-01-28 [Valio]

28 janoary 2009

Antsirabe: Miomankomana ny ho any amin'ny TOP (Tiko Oil Production) indray ny jiolahim-boto ao Antsirabe: Manahy mafy aho fa tsy hiditra an-tsehatra mihitsy ny vondrona mitam-piadiana rehetra raha tsy efa vita avokoa ireo fananan-dRavalomanana rehetra ao!

Nampidirin'i jentilisa @ 06:22, 2009-01-28 [Valio]

FAR - REG - NAT >>> inona no dikan'ireo ry Jent ? Ary maninona no atao hoe Heil ila anaran'ilay jiolahimboto iry ? HAzavao kely fa tena tsy arako azafady

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 08:10, 2009-01-28 [Valio]

Far midika hoe faritany, reg midika hoe region ary nat midika hoe national. ny mahatonga ilay hoe Heil ndray dia jereo ny sary tany alohaloha tany fa misylohateny kely nanaitra ahy manokana any, izay no antony.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:08, 2009-01-28 [Valio]

Aza mihinana amam-bolony

Ilay oe faikany sy jiolahim-boto ary tontakely kosa aloha rehefa topaza-maso de ilay nandroba ny kely indrindra (sakafo mby am-bavan'ny Malagasy sy ny PPN) sy mitady handroba ny lehibe indrindra (dia ny fiandrianam-pirenena) @ alalan'ny "DEMOKRASIA". Zao anie tsy misy afaka hilaza fa Ravalomanana no nanesotra ny sakafo teo am-bavan'ny vahoaka e, fa ny Ben'ny tananan'Antananarivo niaraka t@ ireo tontakeliny avy eny andohatapenaka sy Manarintsoa etc... . d'ailleurs refa hita de aleo tsorina fa vitsy monja ireo intellectuels nilahatra teny @ 13Mai (mpiasan'ny commune sy izay mifandraika aminy, ary ny sasany t@ fianakavian'ny ben'ny tanana) fa ny maro dia ireo tontakely sy jiolahy mpamaky trano (zarany aza izy ireo avela hiseho masoandro sy hiasa malalaka). zao ny mponin'Antananarivo no tonga @ ilay hoe nokakerin'ny amboa kely tiana satria tsy hanan-kanina ohanina. Ny PPN moa zao de efa lafo be raha ahita ary (Menaka 1 litatra = 8000 Ariary), iza ary no antony hoy nareo, tsy I Ravalo izay namokatra ireo PPN ireo ho an'ny vahoaka Malagasy fa ilay miseho azy ho kely fa dada. Ny olona nianatra sy nandia fianarana tsy hitango lalitra eny @ 13 Mai izany mba hitolona @ ny tolona tsy azy akory. sa i Saddy koa isan'ireo tontakely?
Nampidirin'i ben_ny_tanàna_atsyhoatsy @ 10:09, 2009-01-28 [Valio]

ok

>>>>>kdaomba : heil dia teny almà) midika hoe "salut". Ny malaza indrindra dia ny "heil hitlérien", fa ity antsika ity kosa dia "heil jioulamboutien".

Mba ampiasao moa akia ny google ry kdaomba-keliko a :). Aleo za hikôtikôty an'i kdaomba fa tena mafy re 'ty a! ny mi-delire sisa r'zareo no tsy ataoko a! Marina e

Nampidirin'i Tokinao @ 11:06, 2009-01-28 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox