« | »

Antso ho an'ny mpitondra, Arovy i Andry Rajoelina

2009-01-29 @ 08:34 in Politika

Misy ny antso ataon'ny namana hanagadran'ny mpitondra ny Ben'ny tanànan'Antananarivo noho izao toe-java-misy izao. Na dia nanohitra ny TGV mafy aza aho dia hafa mihitsy kosa ny ahy no takiako, aoka ny mpitondra mihitsy no hiaro an'i Andry Rajoelina satria tsy tombotsoan'ny mpitondra na oviana na oviana ny hanagadra azy amin'izao fotoana izao. Manjary mikorontana mitady fitakiana indray ny sasany na ny maro amin'ireo mpanaraka azy, zara aza mba milamindamina aloha ny toe-draharaha fa mijaly loatra ny fandraharahana maty antoka noho izay telo andro misesy tsy niasana izay. Fa raha samborina i Andry Rajoelina sao lasa indray ny filazana fa mbola gadrain'ny mpitondra hatrany ny 'demaokrasia'.

Efa karazan'ny "fahadisoana" ny nisamborana ireo mpianatra telo lahy "TGV" nampangaina ho nitoraka cocktail molotov ny tranon'ny minisitera roa sy ny trano fiofanana ho mpitsabo tetsy Befelatanana, nanararaotan'ny TGV hitakiana ny famoahana azy ireo teny amin'ny fitsarana kanjo nivadika ho fandrobana sy fandoroana ny tranon'ny TVM sy ny RNM izany. Efa "fahendrena" ny tsy nitifirana ireo mpilahatra sy mpandroba nandrava ny fananam-panjakana sy fananan'olo-tsotra ka ny an'ny filoha no tena maro tamin'izany nanerana ny firenena tamin'ny andro voalohan'ny fandrobana (alatsinainy), araka ilay teny nataon'ny filoha hoe "raha ny fananana rava mbola azo averina ihany fa ny ain'olona kosa tsy ho tafaverina mihitsy".

Miangavy ny filoha kosa aho mba hatsahatra hatreo ny "fireharehana" sy ny "fandrahonana" hisambotra an'izatsy na izaroa, fa raha hisambotra dia "tampohana" ihany no hanaovana azy. Aleo antso ho an'ny rehetra hanarina ny simba sy hiverina amin'ny asa andavanandro no lazaina fa tsy manisy teny akory izay ataon'ny ankilany na hanameloka ny ankilany amin'izao andro izao. Aoka ny rehetra samy "ho latsa-panenenana" tamin'izay fahadisoana nataony avy fa tsy hanondro ny hafa ho manana ny diso. Rano raraka tsy azo raofina ny nitranga teto amin'ny firenena ka samy hitandrina amin'izay ataony avy ny rehetra amin'ny andro ho avy.

Mangataka ny roa tonta aho hifanatona sy hifampindinika fa tsy misy manana ny tombony samy resy ianareo mpitondra ny firenena sy mpitondra an'Antananarivo amin'izao fotoana izao ary ny maty antoka indrindra dia ny vahoaka ihany. Rehefa mifampidinika re aoka tsy hisy fepetra mialoha fa ny tombotsoam-bahoaka tsinjovina, aoka ny filaminan'Antananarivo sy ny fampandrosoana azy sy ho an'i Madagasikara mihitsy no jerena. Aoka samy hanana ny anjara toerany ka ny mpitondra ny firenena hisahana ny firenena ary ny mpitondra an'Antananarivo hisahana an'Antananarivo ary aoka samy hamita ny fe-potoana iasany avy ny roa tonta. Omeo an'Antananarivo ny anjara volany, ampahafantaro ny besinimaro eo anatrehan'ny roa tonta izany, dia anjarany ny mamita ny asany. Avelao hiasa ny mpitondra, tsikerao izy eo am-pandraisana fanapahan-kevitra mety hivily lalana fa samy hotsarain'ny vahoaka ihany rehefa tonga ny fotoam-pifidianana.

Ny mpivavaka amin'ny vahoaka kosa aoka hivavaka ho an'ny firenena, ny rehetra samy hiverina amin'ny asa andavanandrony indray. Fa na dia torotoro noho ny zava-mitranga ankehitriny aza isika vahoaka, tompon'andraikitra ihany koa tamin'ireny seho rehetra ireny. Tompoon'andraikitra avokoa isika rehetra ka tsy misy afa-miala amin'izany fa izay mandà izany ahiako mbola hahavita hadalana indray. Mankasitraka izay nahavaky ny lahatsoratra hatramin'ny farany!

 sary nalaina tamin'i Madainitiatives's Blog io ilay nolazaiko omaly
 
 
 
 
jentilisa, 29 janoary 2009

Hevitra

Tsy ampy activités sy loisirs hoa ny gasy hany ka raha vao miova rythme @ fitadiavana dia manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
Hain'ny te-hi-gafy tsara ny manararaotra izany ka manome activités provisoires ho azy ireo, ny tsy fantany dia mandrora mitsilany izy!

Nampidirin'i Atidoha tainomby @ 09:11, 2009-01-29 [Valio]

ok

Na dia mifanohitra amin'ny hevitra arosoko aza ity resakao ity dia ekeko ampahalalahana ny hevitrao!

Samy manana ny fijeriny, fa dia ny hilaminana tokoa no tanjona e!

Nampidirin'i Tokinao @ 09:39, 2009-01-29 [Valio]

matotra beuh ! Soa kenda hahay hitsako, na ny andaniny nantenain'ny vahoaka hanirina taona maromaro lasa izay kanjo nampivandravandra hany ka nanjary itoeran'ny alahelony ankehitriny na ny ankilany nanararaotra vahoaka reraky ny lazon'adin'ny fiainana ka mampiasa azy ho ampinga entiny miady hikendreny ny tanjony.
Nampidirin'i ikalamako @ 09:49, 2009-01-29 [Valio]

Lasa mahamenatra be izao ny mitonona fa pro Tgv ingahy satria

fa heverin'ny olona ho
Mpanendaka
Mandroba
Mpandainga
Mpamitaka
Voavidy
Tia tena be loatra
Tsy mety afa po amin'izay azo

Nampidirin'i Apostolipoly @ 10:41, 2009-01-29 [Valio]

ny lalàna no mifehy ny olona

ny mpanao korontana dia aleo samborina daolo !tsisy tombontsoa ho any vahoaka ny zava miseho teo,nefa dia ny tetiky tgv oe mila demokrasia ,liberté,ka inona aza moa na voasambotra aza izy; tsy mpoba ndra8 aho fa miaraka @loi, ny manimba firenena sy mamono olona dia efa fahambaniantsaina,ary tsy demokrasia vely².

Nampidirin'i mifoha @ 11:31, 2009-01-29 [Valio]

Tokony alefa any tsiafa io TGV io fa manakorotana ny tananà .Aiza vé ko Pety assasin no tiana lery avoaka any amponja .

Nampidirin'i nah @ 14:47, 2009-01-29 [Valio]

NAH

Inona foana ity logikanareo tia hanagadra olona ity e?
Efa nisy nigadra angaha ianareo?
Tsy vahaolana ny fanagadrana amiko,ny fonja izany dia ny mpanjanaka no nitondra azy teto amintsika fa tsy tao anaty "institution" Malagasy izany.
Nanana fomba hafa isika hahafahana hifampiresahana sy hifanakalozana hevitra.Nisy ny toerana fikabariana sy ny sisa, dia aleo mba samy hieritreritra fa tsy hoe gadraogadrao.
Vao misy olana dia hoe aiza ny minisitra Frantsay, nilaza tamiko izy hoe.Dia maninona? Fa angaha rehefa minisitra Frantsay no nilaza fa hoe dia maninona? Ambony sa marina sa tsy maintsy hatao izay teniny.
Antsika no mieritreritra.

Nampidirin'i JECY @ 15:51, 2009-01-29 [Valio]

NAH

Inona foana ity logikanareo tia hanagadra olona ity e?
Efa nisy nigadra angaha ianareo?
Tsy vahaolana ny fanagadrana amiko,ny fonja izany dia ny mpanjanaka no nitondra azy teto amintsika fa tsy tao anaty "institution" Malagasy izany.
Nanana fomba hafa isika hahafahana hifampiresahana sy hifanakalozana hevitra.Nisy ny toerana fikabariana sy ny sisa, dia aleo mba samy hieritreritra fa tsy hoe gadraogadrao.
Vao misy olana dia hoe aiza ny minisitra Frantsay, nilaza tamiko izy hoe.Dia maninona? Fa angaha rehefa minisitra Frantsay no nilaza fa hoe dia maninona? Ambony sa marina sa tsy maintsy hatao izay teniny.
Antsika no mieritreritra.

Nampidirin'i JECY @ 15:52, 2009-01-29 [Valio]

ilay namoahana ny resaka ministra frantsay mihitsy no tsy takatrao ry JECY
Misy antony manokana io fa sady tsy filelafana no tsy fiankinan-doha ihany koa, nefa tsy fanavahana ihany koa.
Tokony hitanao ilay hevitra rehefa esorina ireo voalaza ireo.

Nampidirin'i Tsilavo @ 17:36, 2009-01-29 [Valio]

Tsilavo

Hitako ilay izy, fa isika no tokony hitandrina.
Ny mpitondra tsy milaza @ Malagasy ny marina rehetra.
Ahoana ny hevitrao ry Tsilavo @ fitakiana fananganana tetezamita.

Nampidirin'i JECY @ 18:26, 2009-01-29 [Valio]

MAzava izao fa mila mifona i Andry TGV ary mampiseho fanetren-tena eo anatrehan'ny olona sy Andriamanitra mba havotany. Izay tsy nanota tamintsika no aoka hitora-bato azy ary mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony. Mangataka aminy mba hivavaka amin'Andriamanitra marina fa tsy hanohy ny fahavetavetana natao teo. Miangavy indrindra sy milela-paladia azy mba tsy hamahan-dalitra ny vahoaka izay be dia be no efa maharaka ny manège rehetra. Aoka Jesosy hamangy ny fony ka hiala amin'ilay ratsy izy.
Nampidirin'i xxx @ 18:53, 2009-01-29 [Valio]

MPANGAINA i rajoelina hoy ny USA sy France

Neils Marquadt, the U.S. ambassador to Madagascar, said Thursday: "The resumption of dialogue has to be the next step. We're waiting for the right moment and we're optimistic it's going to occur very soon."

French officials have rejected statements Rajoelina has made that the former colonial power backs him. Marquadt said the same about similar comments Rajoelina has made about the U.S.

"We are not on any side," the U.S. envoy said. "We are on the side of" the people of Madagascar.

adikoa teny gasy ra mahey.

Nampidirin'i ketabozy @ 01:08, 2009-01-30 [Valio]

miharihary ny lainga

nilaza ny filoha fa ilay ministra frantsay mihintsy no nilaza fa Rolland Ratsiraka no ao ambadik izao fandrobana zao nefa omaly d nanamafy io minisitra io fa ts nisy resaka momba an izan mits tam n filoha fa ny mba hifandaminana no resaka nifanaovana zan oe n ifanatona. Sady ts n filoha rery ko no niresaka taminy fa i TGV ko.
mahamenatra sad mampalahelo ar manala baraka n ataon filoha ny Malagasy. Zan v no mbola itondra ts d asa fotsiny ze ahazo n Malagasy ts manantsiny

Nampidirin'i petakoel @ 07:25, 2009-01-30 [Valio]

Mbola fifampitongilanana hatrany ve no atao eto amin'ity sehatra ity? mbola hampirehitra ny afo bebe kokoa ve no tadiavinareo. iza moa no tsy mahalala ankehitriny fa ho loza no miandry antsika rahampitso Sabotsy amin'ny mety hiakarana eny Ambohitsorohitra. Mbola tianareo hatao sorona hatrany ve ny vahoaka raha tsy nitifitra ny miaramila tamin'ny alatsinainy? aoka lahy efa be izay fahafatesana tsy amin'antony izay. Fa iza no tena mitady ra mandriaka amin'ny kiribiby e?

tena malahelo amin'ny fanehoan-kevitra aho indraindray ary asehoko izany satria ny fanafenana izany fahatezerana sy tsy manaiky fa tezitra izany ihany no nahatonga ireny fandrobana ireny.

Nampidirin'i jentilisa @ 08:32, 2009-01-30 [Valio]

OH ry jentilisa a!, tsy miray hevitra aminao fa aleo izy aloha samborina dia atoka kely fa izy no mpitarika nahatonga izao faty olona sy fanimban-javatra zao indrindra fa ny fananam-pirenena.

Nampidirin'i libre @ 09:15, 2009-01-30 [Valio]

Antso ho an'ny mpifanandrina: manaova roulette russe.

Antso ho an'ny malagasy: Gadrao ny fahantrana, fa ny fahantrana no nanosika ny zatovo hanaiky handroba rehefa notambazana vola kely, ny fahantrano no nanosika ireo mahantra handroba rehefa afa-drakotra ilay tantely, na hahafaty aza izany.

Nampidirin'i DotMG @ 10:41, 2009-01-30 [Valio]

sarotra

Sarotra ny hamaly ny fanontaniana hoe hosamborina sa tsia satria :

1-raha hosamborina izy dia mino fa ho be dia be ny tsy faly hoe demokratia, demokratia na dia efa hita aza fa nanimba;
2-raha tsy samborina indray anefa dia manahirana satria mampiseho ny olona hoe tsy manaraka ny lalàna ny eto amintsika. Amin'izay ora izay hanao ny ataony daholo ny olona rehetra.

Nampidirin'i sarotra @ 08:55, 2009-01-31 [Valio]

Frantsay

Inona ny but n'ilay ministra frantsay ni-telephone and Ra8, Andy Tezavendrana sy rolland ratsyraka?
Inona ny idirany ratsyraka amity? sa te hampiditra ani didier amy baolina ny frantay?
nahona no tsy nantsoiny koa i zafy, andriamanjato, sy ratsirahonana?

Nampidirin'i ketabozy @ 21:42, 2009-01-31 [Valio]

Ka izao anie no tokony ho takatr'i zandry kely TGV vao 33 taona monja e! Ataon'ny mpanohitra FITAOVANA fotsiny ihany hahazoan'izireo izay ilainy izy fa tsy tokony hohadinoiny fa raha ny toetsain-dry RATSIRAKA sy ny forongony , tsy misy seza kely ho azy akory eo raha sanatria ka ho matiny eo aza ny VOAY . Toa tsy hitany akory ireto mamba noana marobe miseho ho mpanohana azy kanefa miharihary izao fa ireo mpahazo zéro na un virgule kely isaky ny fifidianana ka manantena fa io misy manan-tseza manangasanga dia tsy menatra mijapy train ka hanambaka ity zandrikely. Ka izany no hilazako amin'i Zandry kely hoe mieritrereta ihany fa tsy hahamenatra ireo mamba noanan-tseza marobe manodidina sy miseho ho namanao ireto mihintsy ny HAMONO HAHAFATY ANAO rehefa mazava eo ny lalana . Sanatria tsy mi sous estimé ny fahatanoranao aho razandry fa tsy adala akory ny Ntaolo razantsika raha niteny hoe :"Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany " . Aza dia manaiky ataon'ny goaika antitra FITAOVANA na matim-bola sy voninahitra fa mba saino lalina , alao ambony alao ambany sao tra-nenina . Lasa ihany manko ny saiko mijery sy mitazana hoe nahoana moa ireo goaika antitra ireo no tsy sahy nijoro mivantana hanohitra raha mahatsiaro tena fa natao ankilabao fa nahoana rehefa nanana olana kely mikasika ny radio VIVA i zandry kely vao namporisihina sy mody notohanana ? Mba maolo lesy ry zandry kely fa Ratsimandrava aza anie tsy nomeny fotoana ela akory e!

Nampidirin'i Kama @ 18:21, 2009-02-01 [Valio]

Tsy lasa intsony

MBA miova,efa lany andro ny fanagadrana.anga mahazo mamy aminy Ravalo ianao io.Mba mahatsiaro ny Gasy izay tsy misy hohanina isanandro moa ianao io rehefa misakafo.mba fantrao fa lafo ny vidimpiainany vahoaka madinika any mada nohony aty ampita, efa tsy lasa ny ataony Ravalo dia mialà, azy daholo izao fananany Gasy Izao,Vanille, menaka, vary ,volamena,sns...TSy ekena intsony ny Gasy mifampihinana ,1fois nandritra ny 7taona vao nisy Gasy nahasahy nanohitra, fa ny teo aloha ampidiriny en prison,Democratie ve izany?tsy maintsy tohizana ny tolona.
Nampidirin'i Mijoro @ 11:32, 2009-02-10 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox