« | »

Izay tsy miaraka aminay dia fahavalonay?

2009-02-09 @ 20:57 in Politika

Asa ianareo any ampitan-dranomasiina any raha hahatsapa ny mihatra amin'ny tsirairay eto Madagasikara amin'izao fotoana izao? Taorian'iny fanafihana tsy mitam-piadiana nanosehan'ny sasany ny tsy mahalala loatra ny hanaovana azy eny Ambohitsorohitra iny dia tsy azo atao loatra ny mampiseho miharihary ny heviny, raha ny marina dia karazan'ny foana hatreo ny fahalalaham-pitenenana raha ny eto Antananarivo no resahina. Ny mibahana any an-tsain'ny olona aloha na dia tsy voambara mivantana aza izany dia mitovitovy amin'ny hoe: "Izay tsy manohana izay ataonay dia fahavalonay." Toy ny manao hoe izy ihany no marina, ny ataony ihany no mety... efa kazarany ahatra amin'ny tsirairay noho izany ny jadona sy ny fanampenam-bava.

Noho ny poa-basy sy ny grenady angaha dia nihamarenindrenina kokoa ny olona na ny andaniny na ny ankilany. Tsia, manampin-tsofina amin'izay hevitra tsy mifanaraka amin'ny azy angaha no marina kokoa. Niharan'izany ny Monsenera Odon Marie Arsene Razanakolona raha nitsapa alahelo tetsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina ny andron'ny alahady. Noteren'ny olona ampahibemaso ny lehilahy haneho ny fanohanana ny tolona tarihin'ny TGV saingy nihenahena. Tezitra ny olona ka raikitra ny horakoraka fanarabiana tsy ifandrenesana, saiky tsy hitany ny varavarana ivoahana. Tratran'ny demaokrasian'ny mpitaky demaokrasia amin'ny itiavan'ny mpitolona azy izy.

Nisedra izany ihany koa ny filohan'ny Antenimieram-pirenena raha nilahatra hanome ra teny amin'ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona. Any amin'ny tariky ny osy mainty manko rangahy io ka tsy mendrika ny hanome ra ny mpiray tanindrazana aminy izany. Ao amin'ny antokon'ny herin'ny maizina io Atoa Jacques Sylla io araka ny fihevitry ny mpitolona mampihevitra ny tenany ho antokon'ny ondry fotsy ka sao mamindra aretina na fahotana eo raha manome ra. Soa ihany fa sahy sedra izy, nefa eo ihany koa ny fitenenana vahiny manao hoe: "il a tout à gagner". Mety ho azo raisina ho kandidàn'ny fampihavanam-pirenena manko ny lehilahy rehefa afaka fotoana kelikely any... tsy ho gaga mihitsy aho aloha rehefa tonga ilay fotoana. Tsy zakan'ny sasany koa araka izany ny nahatongavan'ny Minisitra teo aloha Atoa Benjamin Davidson Andriamparany namangy sy nitondra fanampiana ny maratra satria tsy tao anatin'ny kajikajy politika angamba.

Ary hatramin'izao dia mila vaniny hatrany ilay noheverina ho ondry fotsy, tsy nanaiky hanao sorona ny tenany, fa aleo mahita "Isaka na Izaaka" voasaringotra teo amin'ny kirihitrala iny (na Isimaela kosa eo amin'ny finoan'ny silamo), hatao ilay sorona alatsa-drà... Oadray! tena tsy mahay lesona sekoly alahady mihitsy aho izany. Raha nandefa ny olona hirohotra ho eny Ambohitsorohitra manko ny lehilahy dia nieritreritra tao an-tsainy ilay tenin'ny Soratra Masina manao hoe: "Raha misy maka an'Ambohitsorohitra dia omeo azy ihany koa Iavoloha, tahaka ny efa nakany ny RNM ka nanomezanao azy ny TVM sy ny MBS sy ny Magro sy izay hafa tsy fantatro intsony..."

Izay no ela fa noho ny fananana maritiora, dia nentina nandehandeha manerana ny arabe, tahaka ny fanaon'ny palestiniana rehefa misy mpitolona novonoin'ny Isiraeliana ireo sorona ho an'ny ondry fotsy, oadray, demaokrasia aza fady indrindra, oadray tanindrazana manko e! ka nahavory olona maro tokoa, nohararaotina izany toe-javatra izany hilazana amin'ny maro fa manomboka rahampitso ny fitokonana faobe, ka efa nanakatona ny azy mandra-pahatongan'ny 1 martsa 2009 ny sekoly frantsay...tsss, resaka tsy misy ifandraisany izany ka! fiarovana aina fotsiny ny azy. Raha ny nolazain'ny fampahalalam-baovao samihafa no henoina dia rahampitso ihany koa no hotononina ny mpikambana ao amin'ny governemanta efa hoeken'ny mpanao gazety rehetra avy hatrany ho ara-dalàna satria avy amin'ny "vahoaka".

Marihina anefa fa efa niomankomana hiatrika izany sahady araka ny itarafana azy ny ao amin'ny Emmo Nat (na Emmo reg) niatrana sahady teny amin'ny kianjan'ny 13 mey io takariva hadiva ho alina io. Hampirohotra ny olona ve ny fandrenesana izany sa hampandositra ny olona kosa. Teny amin'ny manodidina teny ihany manko io tolakandro io ( alatsinainy 09 febroary 2009) tamin'ny 3 ora teo ho eo, dia nisy olona nihazakazaka (toa paikana jiolahim-boto koa ilay izy no tena marina!) avy tany an-kianja tany, fa nisaritaka daholo ny olona namonjy aina tamina zavatra tsy misy dikany (na tsy misy akory aza). Nitsofohany daholo izay rehetra azo nitsofohana na toeram-pivarotana na toeram-piasana misokatra na tranon'olona tsy voarindrim-baravarana. Tena mihorohoro ry zareo ny olona fandrao misy mitifitra avy any an-tafontrano any. [kodiarana vaky nipoaka hay moa no niatombohan'ity raharaha ity].Nefa izany tsapa izany dia ahafahana mitaratra fa hampihemotra ny olona ny fahitana ny mpitandro ny filaminana indray manodidina sy hiaro ny kianja, manahy aza aho fa ho avy ny tsaho hoe efa miatrana sy mandry any ho any indray ry zalahy niafina tao amin'ny tresor sy ny finance tamin'ny Asabotsy ireny... nefa moa ny tolona tsy maintsy mandresy hoy ny tigetra henoko vao haingana izay, ahatsiarovana ny fitenin'ilay mpitondra sady mpitari-tolona iray manao hoe "tsy maintsy mandresy ny tolona!" (na hihinana t.. aza ny olona, hoy ny fanampiny nataon'ny MaFana t@ 1976 - 1977 tany ho any, sa tsy fantatrareo mpahay tantara izany?). Nandalo teny aho io maraina 10 febroary 2009 io fa niala tsy hita ny Emmo nat. Noho ilay fihaonana mety hotontosain'ny mpanohana an-dRavalomanana rahampitso alarobia 11 febroary angamba ny antony raha izany.



Jentilisa, alatsinainy 09 febroary 2009

Hevitra

sitraka

Misaotra indrindra ry jentilisa nanome vaovao ho an'ny tena vahoaka. Maro amin'ireo gazety mantsy no mitongilangilana ka tsy hita ben'ny ihany. Tohizo fa tsara, ary ny marina ihany lazaina.

Nampidirin'i zakilinina @ 22:31, 2009-02-09 [Valio]

Tsy mahazaka demokrasia ny eo @ 13mai! henoy ireny fanalam-baraka atao @ filoha ny fjkm sy ny ffkam i ra8 moa dia efa tena tsy hita ho lazaina intsony ny fanaratsiana atao @ ao viva radio ireny ambodia mitafy hodin-janak'ondry mihitsy ry zareo ireo

Nampidirin'i news2dago @ 07:32, 2009-02-10 [Valio]

tena malahelo tanteraka ny tenako eo anoloan'izao toe-javatra mitranga izao! tena potika ny firenena ary mbola hopotehina. Diso ny filoha (Ravalomanana) satria olombelona izy ka tsy nahay nitantana araka ny tokony ho izy ny firenena ka somary variana nanatsara ny sarin'i Madagasikara (izay tsy azo lavina fa tsy maintsy natao!!!) any ivelany ka somary tratra aoriana vao nijery ny resaka ara-tsosialy ka dia nararaotin'ireo olona tsy mieritreritra firy sy tsy mitsinjo ny lavitra ny tsy fahampian'ny fahaizan'ny olona sy ny fahantran'izy ireo ary natao sorona mihitsy mba hitadiavana seza. Ho anay efa niaina tolona maro dia tonga dia hitako eny amn'ny endriky Andry fa olona tsy mahalàla akory izany firenena izany ary hita taratra fa tombotsoa manokana no laharam-pahamehana aminy ary ny mampalahelo dia tsy ho izy akory no ho eo fa ahifiky ny mpiara-dia na ny ao ambadika izy avy eo ka hiverina indray ry Ratsiraka sy ny forongony hitsentsitra an'i Madagasikara ka mbola i la Frantsa indray no hahazo vahana eto. Tsy levon'ny frantsay mihitsy mantsy ny zava-drehetra eto satria tsy mahazo vahana izy ary indrindra moa fa lasa teny officialy faha-3 ny teny anglisy! Hafatra ho an'ny besinimaro: aza dia mihaino radio viva sy antsiva firy intsony fa mandaitra be ireo matracage ataondry zareo fa dia mahagaga mihitsy kanefa dia resaka mivarotra rivotra fotsiny ny 99,5% . Tena mila vonjy isika ka tsy maintsy mifanome tanana amin'izao fotoana izao ka mila mikaroka ny hevitra (madio) rehetra mba tsy hahavoaongana ny filoha fa aleo lavitra be izy no eo toa izay iretsy mitady hanongana. Hatao aloha izay hahatongavana @ fifidianana saingy izao: amin'ny ara-dalàna ary tsy anticipée velively fa very isika! ohatry ny "cauchemar" ny ihainana izao ka enga anie ka ho nofy fotsiny ihany fa mba hiverina ny filaminana ary irariana mba hahita tetika Ra8 mba hampitsimbadihana ny toe-draharaha fa tena ho loza ity! ahoana ary no hatao e? Tsara be aloha ity blog jentilisa ity an, mba mihaja ny serasera Deraina manokana ny nanao azy

Nampidirin'i Tsimiova @ 09:26, 2009-02-10 [Valio]

F'angaha ry jentilisa tsy hoe hifampiresaka izy roalahy fa efa tonga ny mpampihavana? No mbola hanohy ny fanapotehana tanindrazana ihany ny mpikomy?

Resaka media: ny ahy ny tena mahagaga ahy ilay @ youtube i Andry milaza hoe les malgaches sont entièrement dans la pauvreté nefa vao mainka potehiny, inona mihitsy re no tombotsoa azony amin'izao e?

Nampidirin'i Lany aiky @ 09:33, 2009-02-10 [Valio]

Soa ihany fa tsy teo amin'ny kianjan'ny 13 mey indray ny emmot nat! hay moa ka niomana hanao fihaonambe ao amin'ny kianjaben'i Mahamasina ny mpanohana ny filoha ravalomanana ka aleo indray aloha hanao eo izy!

ny ahiako sady possible dia hisy hifanafika io rahampitso io. mety hisy ny hahita hevitra hoe mody mankary na mankatsy nefa ny hanafika no ao ambadika. enga anie ka ho diso aho.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:38, 2009-02-10 [Valio]

marina

marina mihintsy izany fa zaranireo tgv ireo ary oe ande hanao fihaonana ao mahamasina ny mpomba ny filoha dia tsy maintsy ho any ireo olona efa voakaramany hatrizay ireo hanakorotana ny fihaonana dia avy eo mandroba eny am manodidina eny, tokony tsy hanao io fihaonana io ny mpomba ny filoha fa ny tokony ho ataony pitondra fanjakana am zao dia ny manao referandom, de ho ita eo oe mbola tian ny vahoka ve ra8 sa tsia? ra eny mou de tokony hangina ireo panakorotana ireo na samborina sy garaina mintsy fa panakorota ita maso fa ra tsia kosa no lany dia miala amim boninahitra ny filoha Ravalomanana , efa niezaka nanao ny mety e, ary tena nanao deraina ny ezaka vitany, afa-po izy, isika vahoka ko na de tia ny tsy ialany aza dia manaiky satria izay no safidimbahoaka sa ahoana hoy ianareo, ahitsia aho ra diso fa olontsotra tsy dia mahay lalana
Nampidirin'i olontsotra @ 09:56, 2009-02-10 [Valio]

hevitra fanampiny

Apetrako ny fanontaniana: hono aho aho: ny 80% ny tetika nampiasain'ny Andry sy ireo mpara-dia aminy dia "amalgame" ny hetsika 91 sy 2002! dia tsy mba efa naka traik'efa tokoa ary ve ra8 sa dia tsy mahay mihitsy ireo manoro hevitra azy? sa misy olona manao sabotazy ny manodidina azy ka mamadika azy na mnely ny tetikady mba ho fantatry ny mpifanandrina? ny mampalahelo koa dia ny tenin'ny jeneraly Ramakavelo izay tena tsy mendrika ka mampisavorovoro ny sain'ny maro nikasika ny fitifirana ireny sa ahoana hoy ianareo? ary ny fihanonana rahampitso dia tokony hasiana barrière ngezabe mihitsy (ataon'ny emmonat) dia tsy afaka mifanandrina ny andaniny sy ny ankilany amin'izay satria azo antoka fa ny mirona amindra8 dia olona tsy tia korontana sy tsy mba liandrà. Tsy tokony avelavela amin'izao ry zareo ity firenentsika tadiavin'ny sasany potehina ity a! lazaina fa amidy ny tanindrazana e! sns mba hampifendrofendro kanefa tsy mitsinjo ny lafintsarany. tany ngazana ange izany saika hofain'ny Daewoo izany e! fa ny habeny aloha dia tsy ilay voalaza io fa misy efa hitanay ihany fa io aza no hampihena ny doro-tanety eto amintsika satria sakafo no hovolena (katsaka). Izaho milaza aminareo fa na eo aza ny "maladresse" ndRa8 dia tia tanindrazana izy ary manonofy ny mba hitovizan'ny eto amin'ireo firenen-dehibe na dia ny endrika fotsiny aza ary tsy hahita filoha miasa mafy toa an'iny isika miankavy! tsy hisy intsony izany aloha hatreto! mampalahelo

Nampidirin'i Tsimiova @ 10:13, 2009-02-10 [Valio]

toniny

metymba hahazo olona firy ity rahampitso ity? toa anelanelam-potoana be no andro fiasàna? fanamarihana: indraindray dia tsy lasa ny taratasy fa asiany soatra hoe wrong code kanefa ilay laharana eo no soratana eo?

Nampidirin'i Tsimiova @ 10:35, 2009-02-10 [Valio]

Hafa mihintsy ny mamaky vaovao eto @ ity blaogy ity satria mandajalanja tsara ianao ary azo lazaina hoe "Objectif" .
Aty ampita ao no mipetraka ary mahatsiaro anareo malagasy rehetra mpiray tanindrazana.
Mahereza.

Nampidirin'i Miray fo @ 10:35, 2009-02-10 [Valio]

-

Tsimiova : mitovy hevitra aminao tanteraka aho. Ndao hivavaka ho an'ny rehetra :
- mba ho tonga saina ny mpanakorontana
- mba hahita vahaolana ny tompon'andraikitra.

Izay mahasoa anefa ataon'Atra

Nampidirin'i Korio @ 12:23, 2009-02-10 [Valio]

Ary taiza aloha ilay mpiambina ani TGV no mahita basy e ? normale ve ireny e ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 12:31, 2009-02-10 [Valio]

marina

mba aona mou le oe vola azoni tgv oe amina miliara? resaka mande aty Tana aty manko izany ka tsy de aiko ny fahamarinany fa izany no anontaniako anareo.fa niaino radio antsiva izahay teo ary mitantara mivantana ny zava niseo tao ao 13mai zareo de oe avelao ry zareo anao ao mamasina fa o ita eo ra ahavory ol na tsia de oe koa o ita eo izay tena panakorontana nefa efa ita maso oe le ol karamainy tgv reny zao efa alefa hanakorontana eny. De oe isika rapitso ozy i dj tvg ts miasa tsy mianatra fa mijanona any atrano de ts miasa iany koa ny fitaterana de o ita eo oe iza no mbola mafy loha sy faly am favoazany sasany, lazainireo fa oe o jereny am tele ono oe ireo no tia sy mankasitraka ny ra latsaka, tena ol adala mintsy reo tgv reo, nga ny ol forceny ho tgv? samy manana ny tiany io, de jerena kou ny asa vitany, inn no asa vitani tgv teto Mcar? nandoro, nanimba, nandroba, nanomo ol na oe nitarika ol ovonoina.
Nampidirin'i olontsotra @ 12:48, 2009-02-10 [Valio]

ANTSO HOAN IREO MAJORITE SILENCIEUSE

Raha manaiky hianao fa tokony ho tandrovana ny fahazoan’ny tsirairay maneho ny heviny, ary tokony avela hiteny amin’ny haino aman-jery rehetra ny mpanohitra kanefa tsy hovoatohintohina ny fahafahany, manaiky hianao fa tokony halalaka sy mangarahara ny fifidianana rehetra, tokony halalaka ny fahafahana miary hoan’ny mpandraharaha rehetra, ary tokony hitovy izy rehetra eo anatrehan’ny lalàna ka tsy hisy ny ampihi-mamba, ary koa manaiky hianao fa tokony hohatsaraina ny fitantanan-draharaham-panjakana,

Kanefa koa hianao tsy manaiky ny famoizana ny ain’ny mpiara-belona nohon’ny fitiavan-tenan’ny mpanao politika, ny fisandoana ny safidinao eny an-dalam-be, tsy manaiky ny fandrobana sy ny fandorona fananam-bahoaka sy fananan’olon-tsotra, ny famotehana ny toe-karena, ny fandravana ny vokatry ny herim-ponao, ny hoavin’ny zanakao, ary mahita fa tandidomin-doza ny firenena amin’ny fanjakan’ny baroa sy ny fisaraham-bazana mety hitranga,

Anisan’ireo maro an’isan’ny majorité silencieuse hianao

Aoka isika tsy hidina an-dalambe sao sanatria hanampy trotraka indray ny savorovoro, aoka isika hanao izay handrenesana ny feontsika amin’ny fomba tokana ahafahan-tsika mampiseho ny fitiavantsika ny tanindrazantsika sady hitsinjovantsika ny hoavin’ny taranakintsika :

Aoka isika hanohy ny asantsika hampandeha ny orinasantsika, aoka hampianatra ny mpampianatra, aoka ny mpitsabo hitsabo, ny mpivarotra hivarotra, ny mpitsara hitsara, tanteraho ny asantsika any amin’ny ministera rehetra, ny andraikitr’isika any amin’ny orinasa rehetra, mba hiantohantsika ny hoavin’ny taranakintsika sy ny toe-karentsika. Izay hiany ny fomba ahafahantsika manompo ny tanindrazantsika : tsy misy afaka mampiova ny fari-piainan-tsika raha tsy ny herim-pontsika sy ny asantsika ihany. Aza mety ampitahorina na rahonana.

Ezaka tsotra fotsiny no angatahina amintsika : asio ruban na lamba kely mavokely ny lava-bokotrao mba ahafantarana fa isika no maroanisa, ary mba hitsinjovana antsika amin’ny izay ezaka rehetra atao hamahana ny olana ara-politika.

Ampitao amin’ny namana mitovy hevtra amin-tsika rehetra izany. Ampiasao ny internet, ny sms, sy ny fomba mety rehetra

Nampidirin'i feohafa @ 02:35, 2009-02-11 [Valio]

Miray hevitra

Mahaliana ny famakafakana ataonao, ary miombon-kevitra tanteraka

Ny fahitako an'izao toe-draharaha izao, de tsy mba adin'izy mirahalahy mianaka intsony, fa tena misy firenen-dehibe mety tsy ho iray fa maro manohana ny fampihorohoroana, satria te handrombaka ireo harena eto amintsika, na koa mihorohoro manoloana ny fahombiazana ara-toe-karena nandritra ny fitondran'ny mpitondra ankehitriny....

Manoloana izany de tokony ho mailo isika malagasy, miainga hatrany @'ny fokontany ka hatrany ambony latabatra manodidina ny filoha...

Nampidirin'i tsiafoi1 @ 06:57, 2009-02-11 [Valio]

manohana

feohafa:Tsara ny hevitrao ary feno fahendrena no mandresy lahatra anay koa. Tsy resy tsy akory ny olo-mangina. Tokony samy hiezaka ny tsirairay mba hiasa hatrany ary hanao bebe kokoa noho ny mahazatra aza mba hanaporofoana fa mandray anjara amin'ny fampandrosoana isika fa tsy mba naman'izay mpanakorontana sy mpandrava ary mpandrombaka fahefana amin'ny tsy rariny. Tokony hiavaka tokoa ny fomba fiadintsika ka tsy hanao toy ny fanaon'ny ankilany izay tsy manaja io demokrasia lazainy fa voafehiny sy tadiaviny io. Kanefa tsy maintsy maneho ny hevitsika isika ka amin'ny fomba ahoana ary? antso an-tariby? lafo loatra ho an'ny sarambambembahoaka, amin'ny radio? mbola ho sarotra ihany koa. ny fitakian'ny besinimaro aloha dia ny fanehoana andalambe ny hevitra ihany hatramin'izao ary izay no takatry ny besinimaro na dia tsy mora sy feno "risque" aza. Efa tongotra mby an-dakana moa ny an'ny maro ka tsy hay tohaina intsony ka dia aleo aloha hiroso ny eny Mahamasina anio satria efa nanome toky ny mpikarakara fa tsy hisy ny korontana. Rehefa vita ny androany dia hevitra tsara azo aroso izay hevitr'i feohafa izay fa izany hoe izao fotsiny, asa na zakan'ny malagasy izay na tsia satria iaraha-mahalala fa ny toe-tsaina no tena anisan'ny tsy ahafahantsika miroso sy mivoatra mba tsy ilazana hoe tena io mihitsy no vatofototra! Tsy mba tia misehoseho ny malagasy fa "discrets" ary izay no tsy hitovizantsika amin'ny firenena rahalahy sasany toy ny ao Afrika. Ohatra ny omena eto hoe izay nanao T-shirt ra8 dia nejehina sy nampihorohoroana tamin'ny tolona 2002. Ka aleo aloha hitam-poko hitam-pirenena fa maro anisa isika (isika hoy aho) dia azontsika atao amin'izay ny miroso amin'io soson-kevitra naroso io. Tsy azo ekena kosa aloha ny fampihorohoroana sy fandemen-tsaina ataon'iroe mpiara-dia amin'ny TGV e! Fahadisoana goavana sy tsy azo arenina mihitsy raha omen-tsika an'ireo ity firenena ity. Olon-kendry isika ka tsy hisafidy na hiray tsikombakomba amin'izay mitetika ny hanapotehina an'i Madagasikara

Nampidirin'i Tsimiova @ 07:38, 2009-02-11 [Valio]

aza kivy

Tsy mahazo manary toky isika fa tsy haharesy ny vavaka ataontsika ny ratsy. jereo ny salamo 91 izay mampahery antsika amin'izao andro sarotra izao. Ary tsy hisy mihitsy izany fanonganam-panjakana izany fa samy matoky isika

Nampidirin'i Tsimiova @ 08:33, 2009-02-11 [Valio]

vaovao tapatapany goavana

Hipoka i Mahamasina, izay no vaovao azo lazaina izao satria dia tsy honohono fa dia ny maso mihitsy no nahita, ny indro kely angamba dia tsy mba nahavimbina fakantsary satria nadeha moto no avy ny orana! mahafinaritra ny mijery ny firaisankinantsika malagasy e! ekena ekena! ireny no atao hoe vahoaka e! tsy nampihemotra ny olona ny orana nikija sy tsy nanampahatapernana (somary nijanona kely teny anelanelany dia avy indray)
vita aloha iny ny dingana voalohany hampisehoana an'izao tontolo izao hoe mila filaminana isika ary tsy hisy mihitsy afaka hiasa ao anaty korontana sy tsy fandriampahalemana.Misaotra antsika isika

Nampidirin'i Tsimiova @ 12:27, 2009-02-11 [Valio]

Fitiavan-tanindrazana

Tsy vidiana, Tsy sandaina
Ny fitiavan-tanindrazana
Fa na erika mifafy io,
Na oram-be mikija,
Tsy nihemotra ny gasy
Fa nikajy ny adidy.

Masina ny Tanindrazana!

Misaotra ny @'ity blaogy ity

Nampidirin'i Nivo @ 06:31, 2009-02-12 [Valio]

Kanosa ve ny Filoha tsy tonga teny Mahamasina?

Tena FAHENDRENA lalina,
Tsy kanosa ny Filoha!
Fa hainy ny nanaja tena
Satria FILOHAM-PIRENENA.

FILOHAn'ireo Mpakatoa,
FILOHAn'ireo Mpikomy koa
Tsy mpivoy adim-poko,
Na mpanindraindra antoko
Tsy mpiandany atsy sy aroa,
Zany ka mendrika FILOHA.

Nampidirin'i tsiafoi1 @ 06:41, 2009-02-12 [Valio]

vaovao marim-pototra

Maso nahita fa tsy honohono intsony: Tamin'ny fotoana talohakelon'ny nahamay an'ny MBS dia hita teny an-toerana manodidina (an-tanàna) Atoa Alain Ramarosaona nanao fihetsika mamoaha fady:
Nosokafany ny baoritra nisy ireto lasantsy efa voatsinjara anaty tavoahangy ary dia nozarainy tamin'ireto zatovo vitsivitsy entina handorana ny MBS ary avy teo ireo nilaza hoe vita ny "mission"-nay nony niverina teny an-tanàna.

Nampidirin'i Tsimiova @ 11:24, 2009-02-12 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox