« | »

Mazava ny teny malagasy: Atsahatra!

2009-02-23 @ 10:47 in Politika

Manahirana ny miresaka indraindray fa misy indray ny mandrirotra ny teny ho any amin'ny tsy nosoratana. Mazava ny teny malagasy fandrao mbola misy ihany ny tsy mahalala na mody tsy mahalala. Ny tena manahirana dia ny ankamaroan'ny mpampita vaovao tokony hitaiza ny vahoaka hahay handinika indrindra indray no manasaritaka. Nahavariana mihitsy ny filazan'ny ankamaroan'ny gazety mino kokoa ny tenin'ny iray tamin'ny nifanaraka fa minia mikimpy eo anatrehan'ny voasoratra. Izay tokoa angaha no maha-Malagasy ny Malagasy... tsy miraharaha izay mipetraka an-taratasy fa mino mandrakariva ny tenin'olona. Tsy hatao hahagaga loatra raha handika ny fifanarahana ny iray na ny roa tonta rehefa avy eo "satria tsy nosoniaviny" io.

Noraisina mihitsy ny Rakibolana Malagasy teo ambany fitarihan'i Régis Rajemisa - Raolison navoaka tany Fianarantsoa tamin'ny 1985 © Ambozontany Fianarantsoa dia ao amin'ny takelaka faha-124 no ahitana ny fanazavana ny teny hoe "Atsahatra" izay midika toy izao: "Ajanona, faranana tsy asiana tohiny intsony...". Tsy midika velively io hoe "Aato":"Ajanona kely fa tsy tohizana; tapahina: naato ny fivoriana mba hahafahana mifanakalo hevitra". Fanontaniana: Voafandrika ve ny avy amin'ny mpitolona raha nanaiky ny teny fa indrindra soratra hoe "atsahatra"? Tsy tokony hisy intsony ny fifanazavana maharitra tahaka izay atao amin'ny gazety tahaka ny mbola te-hahita gidraka handafosana gidraka sy ny radio te-handamina ny olony angaha no marina kokoa... Averimberina mandrakariva sy atao lohateny lehibe manko ny hoe "fampiatoana" no natao.

Ny irariana dia mba ho tontosa hatramin'ny farany ny resaka ary hilamina amin'izay ny firenena. Izaho manokana dia sarotra dia sarotra ho ahy ny hivoahana tetezamita amin'ity resaka ity. Amiko manokana manko dia ny filoha Ravalomanana no nanana ny tombony kokoa. Mihevitra aho fa ninia hametraka ny fotoana ho amin'ny 1 ora tolakandro ny FFKM hanajanonana ny diabe kasaina hotontosaina izay tsy fantatra hoe ho aiza no aleha... tombatombana avokoa ny resaka najorony rehetra tahaka ny hoe any Iavoloha, Ivato (Sheraton na 5 etoiles araka ny fahalalan'ny maro azy na seranam-piaramanidina iraisam-pirenena), Betongolo, Soanierana (toby misy ny fitobian'ny fitaovam-piadiana eto Madagasikara), Ambohimanambola (ity tsy haiko na ny foiben'ny jirama na inona loatra... tsy azoko). Fahafaham-baraka ho an'ny filoha fotsiny no nokendrena hanaovana ilay diabe izay tsy tontosa. Ny an'i Andry Rajoelina kosa indray, ny tombony ho azy amin'ity fiandoham-pifanarahana ity dia ny tsy hisamborana azy... (efa mazava hatry ny ela io na dia betsaka aza ny mitaky izany) ary tsy hisy ny arakaraka. Fomba fijeriko fotsiny izany fa tsy voatery ho izay tsy akory no tena marina. Ny lalana tsotra indrindra raha ilaina dia ny handravana ny antenimiera sy hisian'ny fifidianana depiote vaovao ka raha mandresy ny mpanohitra dia mandeha izany ny "cohabitation" fa tsy midika fanesorana ny filoha velively izany (ho diso fanantenana ihany koa izay mihevitra filoha hiala eo).




Jentilisa 23 febroary 2009

Hevitra

marina

misaotra jentls tam vao2 a, marina mintsy ny teninao, izaho koa dia tena mitovy fijery aminao, izany tetezamita izany alou de nofy e hihihihih manofy atoandro ireo ireo natao tetezana ireo, dia tena ita mintsy oe ts mahay teny malagasy efa oe atsahatra ka mbola oe hotohizana ihany hiihihi mba firy éme loatra re no nijanona fenarana e??? satri na de zaza madinika aza no anontaniana ny dikan`ny oe atsahatra sy ahato dia hainy tsara, hiihhihii. mataotra ny ho votoraka votabi angamba ra mbola iverina eny am 13mai eny de mody manambomboatra resaka oe «aato» ie mety ho aato tokoa fa am decembre 2012 indray tohizana, wain be eeeeee

Nampidirin'i olontsotra @ 13:15, 2009-02-23 [Valio]

Ny hevitro indray dia ity: na atsahatra na aato dia samy tsy nahalala izay resaka nifanaovana tao isika. Misy vavolombelona nanatrika ny dinika tao ka inoana fa hanazava ny tena hevitry ny teny manahirana anao ra Jentilisa

Nampidirin'i tebokaefatra @ 13:24, 2009-02-23 [Valio]

Izao no tena dikany mety hazava aminao ry Tebokaefatra :

atsahatra = arrêter, stopper
aato = suspendre, prendre une pause

Lany bala i TGV, ary ho avy @izay ny taoriany hamono azy ! Voalavo sasatry ny niaina ka ny volombavan-tsaka no lalaovina ! Tsy mahalala andry Ratsy mianakavy angaha ? Dia saika ho aiza hono ity rotaka be natao ity, saika hiverina amindry Ratsirala mianakavy ve ? Nanala-baraka tena fontsiny, fa na ny nandamina ny troupe kely nentiny aza tsy hainy, cela le dépassait complètement. Ntssss, maty @ napany, very fananana sy asa, voaroba ny olona, potika ny tanàna efa mba nihatsara, ary nirongatra ny herin'ny jiolahy !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 15:43, 2009-02-23 [Valio]

ok

Izao ilay izy :
---------------------------
Sur invitation des « Raiamandreny am-panahy » , le Président de la République, Marc Ravalomanana, a pris part, ce samedi 21 février 2009, à l’Episcopat Antanimena, aux pourparlers dirigés par les 4 Chefs d’Eglise, dirigeants du FFKM (Conseil chrétien des Eglises), en présence de M. Andry Rajoelina et en vue de la recherche d’une solution à la situation politique actuelle.
Selon le communiqué lu par le FFKM à l’issue de cette rencontre, les deux parties se sont convenues :
- D’arrêter toute forme de provocation, de dénigrement, et de diffusion de fausses nouvelles par le biais de l’Audiovisuel.
- De faire cesser tout acte de pillage et de vandalisme visant des biens des particuliers et de l’Etat
- D’arrêter toute manifestation dans la rue
- De cesser toute forme d’arrestation et de poursuites à caractère politique

Les dirigeants du FFKM ont salué « la volonté et le courage » des deux parties d’avoir bien voulu honorer leur invitation.

----------------------------

Ny loharanom-baovao nangalàko azy io dia ny vohikalan'ny présidence de la république

Raha toa ka lainga io dia tokony hanao fandavàna (dementi) i Andry satria efa "fandikàna sahady ilay fifanarahana voalohany ny filazam-baovao diso". Matoa anefa izy tsy manao izany "dementi" izany dia manaiky.

Ny mahatsikaiky dia izao : tsy misy site web sahy mametraka an'ilay fifanarahana mihitsy : na i sobika izany na i madagate, na iarivo-town, sns.

Izany tokoa ny hoe : rehefa vaovao tsy metimety amin'ny sainy dia aleo tsy avoaka :). Sa misy sahy hiteny koa fa tsy nahaaraka vaovao ny iarivo-town ? :).

Momba ilay tombotsoan'i Andry @'io fifanarahana io dia mazava : tsy ho azo samborina izy, ary manana fotoana kely izy hanangonam-bola indray sy hitadiavana tetika hafa (na fitsoahana, na hanohy ny korontana, na izy roa mitambatra). "fotoana kely" hoy aho satria azoko an-tsaina fa nanaiky tsy sazoka izy amin'io fifanarahana io.

Hatrizay tsinona izy dia niziriziry @ hoe : "tsy hifampiresaka raha tsy tetezamita no resahina" ... izao anefa dia lany hevitra sy tapi-dalan-kaleha ka voatery hifampiresaka.

Izaho manokana dia toa sarotra amiko ny hino ny faharetan'ity filaminana ity. Satria sarotra amiko ny hino olona nampanantena fa "hiady ho an'ny demokrasia" nefa avy manongam-panjakana (asa raha takany fa manitsakitsaka ny zon'ireo tsy mitovy hevitra aminy izy amin'izany).

Nampidirin'i Tokinao @ 20:05, 2009-02-23 [Valio]

-

@tebokaefatra : mazava io ambony io ny votoatin'ilay fifanarahana.

Ampiako kely ny hevitr'i Tokinao :
Raha lainga io tatitra io, dia fahadisoana roa no nataon'ny site web-n'ny filoham-pirenena :
1- fandìkana ny fifanarahana voalohany (izay nolazain'i Tokinao). fa koa :
2- lainga be vava manoloana an'ireo mpanelanelana. Toy izao manko ny teny nampidirana an'ireo fifanarahana ireo : Selon le communiqué lu par le FFKM. Noho ireo dia heveriko fa mila "olona vonona handainga sy hangalatra @ atoandro be nanahary" vao sahy hanova ny ao anatiny, ary haneho izany ampahabemaso sy amin'ny fomba ofisialy eto amin'ny "aterineto".

Toa ho marina ihany ny ahiahin'i Tokinao sy jentilisa : toa nifanarahana fotsiny ilay izy, fa ny mpanaraka ny ankilany toa tsy hanaiky akory!

Nampidirin'i Korio @ 20:23, 2009-02-23 [Valio]

ok jentilisa a!

Miangavy anao jentilisa mba hiditra matetitetika fa ny mandinika ny gazety sasantsasany tena mandreraka be mihintsy ;
Aminay aloha ny hoe "Atsahatra" dia midika hoe "limogé" ; izany hoe "alika no miverina @ naloany "

Nampidirin'i raozikely @ 21:42, 2009-02-23 [Valio]

Marina daholo ireo, tsy misy adihevitra: atsahatra=ny biby no miverina amin'ny naloany, toy ny efa fanaontsika hatramin'izay

Nampidirin'i Tsito nonina @ 11:11, 2009-02-25 [Valio]

Hery

Fanambaran'i Mgr Odon RAZANAKOLONA Ry Malagasy mpiray tanindrazana, ho amintsika hatrany anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina. Ry havana, manoloana ny zava-misy hatrehin'ny firenentsika izao dia tiako ny manao izao fanambarana izao: Voalohany, isaorako ireo nametra-pitokisana sy fanantenana tamin'ny FFKM ka nangataka taminy mba hanao fanelanelanana eo amin'Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina mikasika izao savorovoro eto amin'ny firenena izao. Rehefa nifampidinika tamin'ny roa tonta dia nametraka tamin'ny FFKM ny solontenan'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana mba handraisan'ny FFKM ny fanelanelanana. Niezaka araka izay fahaizana sy traikefa ananany anefa ny ao amin'ny FFKM mba hampahomby ny fifanatonana hahitàna vahaolana. Misy fetrany anefa ny asa sy ny fahefan'ny mpanelanelana satria tsy mipetraka ho mpitsara izy. Mikatso anefa, ary tsy nahomby ny fiaraha-midinika nampifanatrehana ny roa tonta na dia mbola mitohy aza amin'izao fotoana izao. Tsorinay etoana fa nanao ny herinay rehetra izahay, mba hitadiavam-bahaolana hamahana ny krizy ka samy natonina manokana izy mirahalahy mianaka mba handresena lahatra azy hifampidinika an-databatra boribory. In-telo nihaona ny roa tonta, nefa tsorina fa tsy lasa lavitra ny dinika. Taorian'ireo ezaka rehetra voatanisa ireo dia tsapa fa tsy ho tafavoaka ny zavatra, ary mety misy fiheverana anay ao amin'ny FFKM, ary indrindra ny tenako, ho mitanila sy miray tsikombakomba tamin'ny zava-nitranga sy mbola ho avy aoriana. Koa rehefa nandinika lalina aho dia nihaona tamin'ireo mpiara-miasa amiko, dia tapa-kevitra fa tsy handray anjara intsony amin'ny asa fanelanelanana nankinina tamin'ny FFKM. Ary iriko, ary apetrako eo am-pelatanan'ny Firenena Mikambana mba hikarohana fomba hafa mifanentana amin'ny fahasarotan'ny toe-draharaha. Dia miangavy ny Firenena Mikambana mba hitady vahaolana, ary hitady olona na ankolafin'olona hanatanteraka sy hanohy ny asa izay efa natomboky ny FFKM. Mba miangavy ny mpitandro filaminana aho mba hiandraikitra ny filaminam-bahoaka sy hiaro azy sy ny fananany araka ny sata izay ijoroan'izy ireo. Farany, dia manentana antsika rehetra tsy ankanavaka aho mba hitodika amin'Andriamanitra, mba hiombom-bavaka ho an'ny fandriampahalemana eto amin'ny firenentsika. Natao teto Antananarivo, anio 25 febroary 2009 Mrg Odon Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.
Nampidirin'i @ 20:12, 2009-02-25 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox