« | »

Tena aleo tsy hifanaraka mihitsy e!

2009-02-27 @ 22:44 in Politika

Voalohany: raha tsy dia salama loatra ny fonao ianao aza mamaky ity lahatsoratra ity aza fady indrindra. Nahavariana ry zareo, fahatsapana ny ahy, fa maro tamin'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany no faly kokoa aza raha vao tapaka teo iny dinika iny. Izaho ihany koa dia tsy resy lahatra velively amin'izay ho vokatry ny fifanarahana mivoaka eo fa io marimaritra iraisana tsy voafehin-dramalagasy io foana no mba ventesina mandrakariva eto, filaminana tsy mitombina no hivoaka avy ao satria tsy manaiky fifangaroana velively izay efa namoy havana mbola mafana fo amin'ny fitolomana. Izaho ihany koa tsy mety levon'ny vavoniko velively izany hoe nitarika ny fandrobana ka nahatafiditra teto Madagasikara izany kolontsaim-pandrobana izany no hanana anjara fitantanana ny firenena ka mirary dia mirary izay hampandamoka ny fifanarahana aho (lasa extremiste ve aho amin'izany?). Matoa te-hanao io fitokonam-be etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey io ny mpioko arahina sy anararaotan'ny mpandroba hanohizany ny reviny ny sabotsy 28 febroary 2009 dia mba ho fanehoan-kery hoe ka hanana vahana amin'ny fihaonana eo ambany fanaraha-mason'ny firenena mikambana mba hampiharana izao tetezamita izao. Mazava loatra fa toheriko izany tetezamita izany satria tsy hitondra mankaiza mihitsy. Any amin'ny tany mandroso hatrany ve no tena ampiharina ny lalàna rehefa misy mandroba sy mangalatra fa ny aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana tsy maintsy asiana fifanarahana mandrakariva? Anaovana kilalao tahaka izany mandrakariva ve ny vahoaka? tena tsy rariny kosa!

Vaka ny saina mahita ity fepetra napetraky ny arshevekan'Antananarivo vao manaiky ny hiverina hanelanelana izy. Hanaja ny teny nifanomezana ny mpifanandrina, malalaka ny fanehoan-kevitra izany hoe ny fahazoako azy dia tokony tohizana mandrakariva ny fihetsiketsehana an-dalambe ka mandrava ny tany amin'ny taratasy savaranon'ando nosoniavin'ny tenany ihany, ary ny tsy isiana fisamborana politika (na ny fahazoako azy dia ny tsy isamborana izay efa nikitikitika politika na dia efa nanao izay tsy mendrika nanapotika ny firenena na fananam-pirenena sy nanao fahotana mahafaty aza)! Koa raha izany no izy aleo mandamoka any ny fampifanatonana e! Ampihorohoroana mandrakariva izany ny olo-tsotra fa afa-manao izay danin'ny kibony hatrany ry zareo tsy menatra ny manapotika ny firenena? Tena tsy malagasy intsony aho izany manaiky ny zavatra tsy rariny toy izany! Rehefa manaiky ny hilefitra ka tsy hanao na inona na inona amin'io Asabotsy 28 febroary 2009 io ny filoha Ravalomanana amin'ny alalan'ny Emmo nat dia izay no izy ny aminy. Motraka izy ka aleo tsy mitondra tokoa ary miala avy hatrany!

Fitiavan-tena ve ny ahy raha miteny izany aho sa diso misolelaka loatra aho? Tsotra ny anton'izany! Manjakazaka loatra amin'ny atrehin'ny masoko ireo te-hitavana fotsiny ny hasasaran'ny hafa vao mahazo vola. Maninona raha mba misasatra sy mifofotra koa fa tsy manelingelina ny hafa e? Toy ny efa mitondra mihitsy ry zareo nahazo ity mpitolona ho amin'ny "demaokrasia" ity. Mampahatsiahy ahy ilay "fanjakan'ny madinika", nanararaotan'ny sasany hananganana ny TTS (tary Tonga Saina) handroba izay rehetra tsy mitovy hevitra aminy. Hitahita taratra sahady ny tsirin'asa hataony amin'ny alalan'ny "fampihorohoroana" rehefa izy no hitondra fa mbola maro moa ny jamba tsy mahalala afa-tsy ny fanesorana an-dRavalomanana ho vahaolana ialàna amin'ny fahatrana, na dia miharihary izao aza fa mihatra manerana izao tontolo izao, indrindra ny tany tandrefana ny krizin'ny toe-karena sy ny vola, ary dia "manivaiva" ny "mpanaja ny ara-dalàna" ho tsy mahalala menatra ka tako-kenatra sisa no "hitafianay". Efa izay toe-tsaina tia manala olona izay no efa nahavoa taloha ka mbola tohizana hatrany. Izay tokoa ilay kinga amin'ny fandravana fa votsa amin'ny fananganana e!

Dia mihomehy aho mahita izao fivorian'ny mpitarika antoko politika izao ka mametraka an'i Andry Rajoelina ho "mpitarika" azy rehetra, mametraka an'ilay "tsy miankina" ho filohaben'ny fanoherana! Tadidinareo ve ny 2001? Tezitra dia tezitra tokoa ny filoha Nasionalin'ny Leader Fanilo Itpkl Herizo Razafimahaleo tamin'izany fotoana izany niteny hoe "Oviana koa no ny antoko politika indray no misintaka tsy hifaninana ka omena ny "tsy miankina" ny safidy?" rehefa nisintaka tsy hifaninana ny filoha Nasionalin'ny AVI (Asa Vita no Ifampitsarana ka rehefa hita fa nahavita be ny filoha Ravalomanana dia novaina indray ny anaran'Antoko ka natao hoe Akaikin'ny Vahoaka Indrindra). Dia izay teny izay ihany no atsidiko ny antoko Leader Fanilo ka ivereno vakiana fa tsy soratako intsony. Mieboebo manko ry zareo manao hoe "Izahay no voalohany nilaza fa tsy mety mihitsy io fomba fitantanan'ny filoha Ravalomanana io!". Fa manantena inona hatrany ary ry zalahy mpanao politika ireto? seza? fa angaha tsy nisara-kevitra rehefa nandeha ny fanendrena minisitra an-dalambe mpamaky ny trano-na Minisitera? Hay e efa niova filamatra ny Leader Fanilo ka mankasitraka indray ny fidinana an-dalambe e! iny indray no tsy hitako!

Farany, efa nabosako mandrakariva teto ny tokony handravana ny antenimieram-pirenena hanaovana fifidianana mialoha ny fotoana fa tsy ekeko velively kosa ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana fa dia niova ny hevitro ankehitriny. Mety ho mahasoa ny mpanohana an-dRavalomanana izany, satria tsy hankasitraka fandrobana sy fandoroan-trano ary fanendahana hihatra aminy velively ny olo-tsotra any Ambanivohitra rehefa izay no averimberina aminy mandritra ny fampielezan-kevitra (izay voa aza tezitra fa fandresen-dahatra hahomby io!) koa dia mihevitra aho hoe aleo ajanona fotsiny amin'izao, na dia matimaty foana aza ny maty tamin'ny tolona satria efa izany hatrany no nitranga hatramin'ny 1972, eny 1947 aza, no mankaty! Fahamarinana mandratra fo ny Besinimaro io nefa aleoko tsy mihatsaravelatsihy! Raha hisy manko ny fifidianana na fampielezankevitra dia tsy hisy raharaha ho vanona eto fa tena ady saritaka mivantana no ho hita. Ny fampihorohoroana manko no tena hanjaka fa tsy ny fampielezan-kevitra nefa tsy hisy hanaiky hampihorohoroana ny mpifanandrina, noho izany tsaratsara kokoa tsy misy fifidianana na fitsapa-kevi-bahoaka noho ity toe-draharaha ity. Tokana noho izany ny vahaolana hitako! Adabohy ny fikomiana! Fanamarihana: tsy mandatsa-dranomaso ihany ilay baomba nafarana avy any Shina fa mampangidihidy lozantany ihany koa... asa iza angaha no mety hahita ny fanefitr'ilay mampangidihidy? ( aza hitako mihaotraotra ny iray fiangonana rehefa tonga ny alahady! hiharihary ihany ny mpitolona mafana fo raha izany koa). Hevitro ho ahy samirery no tena nanaovako izao soratra izao nefa aleo zaraina ihany ho hitan'ny rehetra fotsiny.




jentilisa 27 febroary 2009

Hevitra

-

Misaotra mizara ny fanadihadianao hatrany ry jentilisa a!

Ny hany vahaolana tokoa dia ny fampiharana hatrany ny lalàna : tsy tokony hisy ny marimaritra iraisana amin'ny fanatanterahana izany.

izay no tokony ho izy raha tena mbola tanjontsika ilay hoe : "tany tàn-dalàna".

Iriko ho tonga any am-poton-tsofon'ny mpitondra ny soso-kevitrao ato androany alina :).

Nampidirin'i Korio @ 23:53, 2009-02-27 [Valio]

marina

Misaotra jentilisa a, tena mety mihitsy ny hevitrao, aleo ny lalàna no hiasa fa tsy atao fitondran`ny be sandry i M/car tsika. Rehefa mbola eo am pelatanana ny fahefana dia tokony ampiharina @ tokony ho izy, ny sasany tsy mbola manana fahefana aza te haka an`io.Averiko foana fa @ dec 2012 ny fifidianana, misaotra an`i Filoha Ravalo tsy manipy gant fa manjary kivy ny olontsotra

Nampidirin'i olontsotra @ 06:13, 2009-02-28 [Valio]

Kay olona mitady clik

Misaotra ny mizara fa tsy maharesy lahatra, fa alahelo ny very zavatra sy ny voaroba ny anao. Tsy io ataon' le8 io no hampitony inona eto. Ny armée koa mbola hizara dia ady atrano ny farany ! Dia ho aiza ianao ?
Nampidirin'i Bevava @ 06:34, 2009-02-28 [Valio]

jentilisa

Fa iza moa nomilaza aminao fa fitoniana sarintsariny no hotadiavina? Ianao ary toa tsy sahy manameloka fandrobana koa! aleo koa iharany any rehefa izany hahatsaanao ny hevitro! tsy ho aiza aho fa ho eto Madagasikara foana ka!

Nampidirin'i jentilisa @ 07:57, 2009-02-28 [Valio]

Maninona moa raha atomboka dien'izao ny propagandin'ny 2012 e ... dien'izao dia tokony hilaza izay hirotsaka dia manao propagandy... izay kajo aloha ho hita eo ...

atao tahaka ny an'ny Amerikana e...

Nampidirin'i ndrema @ 09:14, 2009-02-28 [Valio]

Tsy manambola tahaka ny Amerikana anie isika e! sady lasa gidraka tena gidraka ho'aho io raha vao misy fampielezan-kevitra eo na inona io na inona, indrindra fa avy amin'ity krizy natsangana ity!

Nampidirin'i jentilisa @ 12:32, 2009-02-28 [Valio]

Faly aho tena faly, fa tahaka ny mba mitovy hevitra izaho sy ny mpitolona, tahaka ny tsy hanaiky izany fihaonana izany intsony manko i Andry Rajoelina fa manomboka amin'ny alatsinainy ny grevy zeneraly! bravo! izay koa no tadiaviko e! aleo tsy hifanaraka mihitsy fa mandreraka fotsiny!

Nampidirin'i jentilisa @ 12:37, 2009-02-28 [Valio]

Lasa aiza le mpandromba teo @ 13mai sa mbola tsy manana vao2 enao?

Nampidirin'i news2dago @ 12:39, 2009-02-28 [Valio]

Nianavaratra tany ho any ry zalahy ka ho hita eo ihany izay nalehany e!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:35, 2009-02-28 [Valio]

Mampianara anay manisa ny olonay

Araka ny nolazain'ny Rfi dia manakaiky ny 100 000 hono ny isan'ny nanatrika teo amin'ny kianjan'ny 13 mey... hihihi! mampianara anay hanisa ny isan'ny olonay!

Nampidirin'i jentilisa @ 14:06, 2009-02-28 [Valio]

Lasa any besarety oe ry zala tgv mpandroba e!
RFI zany ny ahy efa ela de ela no tsy nijanonako t@ io marindrefy iray io na ny tranokala aza tena 1ndray tadiavina vao mahatombona ao! lol

Nanao ahn ny fanamborana an'i Alain Ramaroson zany? Efa azo ve sa mbola tsy azo? Mahalasa saina ihany ny farany sao dia efa lasa sarimihetsika ary izy ity e!!!

Nampidirin'i news2dago @ 14:55, 2009-02-28 [Valio]

Tsy mahagaga!

Misaotra hatrany ra-Jentilisa a! Miombon-kevitra aminao tanteraka aho. Tohin'ilay tsy fisamborana ny lohandohany ihany izao rehetra izao e! ka dia manao ny danin'ny kibony rizareo. Enga fotsiny anie ka tsy ho tonga amin'ny ady saritaka isika mianakavy, no angatahana amin'Andriamanitra.

Nampidirin'i Belle @ 16:53, 2009-02-28 [Valio]

Ny tena fototry ny olana

Tsy mbola fanjakana tán-dalána no misy eto amintsika.Tsy manaja lalána na ny fitondrana na ny mpanohitra.Ilay fifanolanana ravalo vs tgv dia tsy mitondra vaha-olana amin'ny aretina mahazo ny firenetsika fa vao maika mandetika.

Nampidirin'i efateononiala @ 22:51, 2009-03-01 [Valio]

Mankasitraka

Tena izao vao nisy toa ity ataonao ity Jentilisa. Ho ahy dia 100% ny fironanko @ ity blog ity. Mino aho fa mahatazona izao foto-kevitra izao satria Jentilisa okaye.

Nampidirin'i Fidy Andriamanalina @ 07:31, 2009-03-03 [Valio]

tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy

tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy fa raha ny fahazaohako ny lahatsoratry jentilisa dia toa miandany be fahatany amin'ny TIM sy ra-8 i lery tsy izany manko fa izao e tsy manome rariny an'ny TGV (terroristes Guerriers Vandales) aho fa ny zava-misy hitako dia toa manambanimbany olona loatra i ra-8 sy ny tariny ary toa adinoin'ise ry jentilisa namana fa manampa-pahefana sy manao kolykoly izay mba ekipan'ny TIM nahazo toerana ohatra fotsiny tsy hiteny af-tsy olona iray aho io olona io dia Chef de Région ao atsimo atsinanana ao tsy hanonona toearana aho fa izao dia efa apetrako mialoha (mpinamana izahay roalahy) tsy ny fahombiazan'i lery no alaheloko fa tsy mba mety angamba ity tranga iray ity e: nahazo famatsiam-bola ny fanjakana malagasy avy amin'ny sampadraharahan'ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana dia asa izay nifanarahany tany fa toa hoe izy (ingahy Chef de Région)no Directeur national dia izao no zava-misy ampidirin'ingama hiasa tao ny vadiny (tsy haiko aloha ny lalàna momba ny asa e raha tsy diso aho azon'ny mpivady atao ve ny miara-miasa ao amina toeram-piasana iray) cas tsy isolé io fa amiko aloha ny vahaolana dia éléction présidentielle anticipée dia sûr fa ho lany i ra-8 avy eo dia fananganana maika dia maika institution iray toy ny équivalence ny 3ème pouvoir any an-dafy (any an-dafy io 3ème pouvoir io dia matetika constitué par les membres des massmédia ) tsetsatsetsa tsy aritra hoy aho ry mpi-blaogy namana fa izaho aloha tsy mba manaiky ny fandrobana sy ny vonoan'olona dia mpomba ny inona ary aho ity: valiny mpomba ny vahoaka tsy mandady harona mitady izay harapaka isan'andro mahereza e masina ny tanindrazana.

Nampidirin'i RAMANANJATOVONIRINA MARTIAL @ 07:53, 2009-03-03 [Valio]

Tsy mila marimaritra iraisana

Mankasitraka feno ny famelabelarana.

Ho fanampin'izay voalaza dia izao: Ny fanekena ny marimaritra iraisana (élection anticipée na ny transition) de maneho tsy fanajana ny constitution izay fototra ijoroan'ny fiandrianam-pirenena. Koa manaitra hatrany ny mpitondra mba tsy ho tafalatsaka @'izany fandrika izany.

Ny momba ny fe-petra apetrak'Ingahy Arseveka. Mialatsiny tompoko fa hevitra avy @'ny Devoly ny fanomezana vahana ny toen-tsaim-PIKOMIANA na an-karihary na an-kiafinafina. Ny tenin'Andriamanitra dia mazava "Aoka ho Eny dia Eny, Tsia dia Tsia, fa ny ankoatr'izay dia avy @'ilay RATSY".

Nampidirin'i tsiafoi1 @ 16:08, 2009-03-03 [Valio]

Misaotra an'i Martial aho tamin'ny soratra nataony. Ho an'ny mpamaky aty aoriana dia mety tsy hahafantatra loatra fa izaho ohatra nilaza tany amin'ny lisitra serasera taona vitsivitsy lasa izay fa tsy ho ampy ho amin'ny lalana fotsiny ihany ny fahombiazana fa tena ilaiina dia ilaina tokoa ny angovo hamelona sy hampihodina ny orinasa raha mitady tokoa ny fandrosoana tokoa isika... taona vitsivitsy aty aoriana ao tanteraka izany.

Manaraka izany, tena nokianiko tokoa ny fitantanana nataon'izay tao amin'ny TIM ka fantatro sy hitako maso fa tsy notaterin'olona, hitan'ise ihany manko ity tatitra avy amin'olona ity fa miitatra tahaka ny sima misioka ary dia manahirana ny mijery ny fetran'ny marina sy ny diso amin'izay voalaza. Ohatra ny tampon-tanànan'Antsirabe amin'ny tsenan'Asabotsy! inona ny nampijanona azy tany alohaloha tany? may hoe ny simà sy ny vato sy ny vy... tonga dia tsy nino avy hatrany aho ary efa naborako teto amin'ity bolongana ity izany. Teo indray nahazo vola $2 000 000 ny Ben'ny tanànan'Antsirabe hamitana ny asa izay nolazaina fa ho vita amin'ity volana martsa ity. Handalo any Antsirabe aho amin'ny volana aprily ary dia ho hitako indray ny vokatry ny vola azo teo...

Ny momba ny fifidianana mialoha ny fotoana dia tsy mety intsony raha amin'izao endriny misy antsika izao satria ho ady totohondry sy daka sy kobay ary basy ho an'izay manana izany mihitsy no hitranga! ary tsy hanaiky ny valim-pifidianana mihitsy ny mpanohitra. Mariho fa tsy maintsy mandalo tetezamita ihany izany takian'ise izany satria te-hitantana ny fifidianana mafy mihitsy ry zareo ahafaha-mangala-bato. Rehefa tetezamita anefa dia io efa novelabelariko io fa tsy hisy zavatra hiodina ara-dalàna eto ary hofoanana izay mety ho fidiram-bola ho azon'i Madagasikara amin'ny vovonana roa izay tiantsika hotontosaina eto Madagasikara.

Ny hafa rehetra ihany koa dia ankasitrahana amin'ny hevitra apetrany! Mirary antsika rehetra hazoto mandrakariva amni'izay atao!

Nampidirin'i jentilisa @ 20:18, 2009-03-03 [Valio]

ok

Tena mitombina ny fanadiadian'i Jentilisa. Ary itovizako hevitra koa i tsiafoi1

Izao ihany no mahatonga ahy hiteny fa ny fisamborana izay mpanakorontana no hany vahaolana.

Nampidirin'i Tokinao @ 20:00, 2009-03-04 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox