« | »

Fandrobana isaky ny mahazo vahana ny TGV sy ny baraziny

2009-03-09 @ 21:53 in Andavanandro

Efa tsy takona afenina intsony. Vao nisy ny fiokoana miaramila milaza fa "miaraka amin'ny vahoaka" ka nampiseho ny talentany teny Ankadimbahoaka ny mpioko dia fandrobana ny score sy ny leader price avy hatrany no tao an-tsaiko omaly iny. Tsy te-hanoratra izay mihitsy aho omaly fandrao lazaina fa izaho no nampirisika, nitombina tanteraka ny ahiahiko fa ny Francepub sy ny Jumbo score ary ny courts mbamin'ny SFOI no tratra fa mba tsy vita kosa i Leader Price. Inona no nitranga? natsangana ny barazy hanakanana izay tsy fantatra fa ny tena tanjona voalohany dia ny hakana vola izay mandalo amin'ny fiara rehetra. Nanararaotra ny fisarahan'ny mpitandro ny filaminana ry zalahy dia nataony izay tiany. Mbola sahy mampirisika ny hananganana ny barazy ihany etsy ankilan'izany atoa Alain Ramaroson fa izany, hono, no antoka tokana hanakanana ny fandrobana... nefa moa efa lasa mivandravandra ho an'ny rehetra hoe avy amin'iza no tena mpamaky ny tranombarotra horobaina.

Koa satria tsy handray andraikitra ny mpitandro ny filaminana amin'izao fandrobana mahatsiravina, 26 janoary 2009-bis notontosaina androany 9 martsa 2009 izao, dia niantso ny mpanohana ny ara-dalàna sy tsy manaiky ny hisian'ny barazy arahina fandrobana ny tao amin'ny radio mada. Nolazaina ho nanomboka tamin'ny 11 moa ny antso, izay vao natao io hadiva ho atoandro io ka tampoka ihany dia nahazo olona ihany ny teny Mahamasina nanomboka tamin'ny 2 ora teo. Nahavariana moa fa tsy sahy nitsofoka lalina tany akaikikaiky tany ny mpanao gazety fa natahotra ny ho  voadaroka angamba. Ny an'ny mpanohana ny TGV kosa moa dia ilay efa araka ny nosoratako teo ihany, tsy misy  afa-tsy ny fanavoana barazy efa fitakiam-bola sy arahina fandrobana ihany no entiny hanoherana ny fandrobana. Samy manana ny heviny tokoa aloha.

Fa karazany tahaka ny ahoana ny tena nivorian'ny mpitady filaminana tetsy Mahamasina? toromarika ny teny ka tsy hitako loatra izay lazaina, na ny marina kokoa dia tsy afa-nankeny aho noho ny asako, ny vokany fotsiny no nisy henoko. Nandrava barazy teny Tsarafaritra Tsimbazaza ny mpanohana an-dRavalomanana araka ny filaza azy, nafana tokoa ny fifampitorahana, fa manana miaramila mitam-basy miaraka aminy ny mpanao barazy ary nalaza avy hatrany fa tamy ihany koa ny avy any amin'ny Capsat (mpioko) hanohitra an-kery ireto mpandrava barazy ireto. Dia lasa ny saiko... hiaro ny vahoaka tokoa ve? be loatra ve ny fampihorohoroana ny vahoaka? leon'ny fandatsahan-dra ve? toa tsy izany mihitsy no tsapako amin'ireto miaramila ireto. Samy mitsara koa ny tsirairay.

Na izany na tsy izany, lasa fakantahaka tampoka teo ny fokontany 67ha avaratra andrefana (aleo lazaina amin'izay fa efa nisy gazety nilaza tsinona) tsy manaiky na oviana na oviana izany barazy izany. Ka mahatonga ny faritra manodidina tsy ahitana izany barazy izany. Angamba tiana ny hampielezana ny "andrimasom-pokonolona tsy manaiky ny isiana barazy" manerana an'Antananarivo koa dia izay aloha no atao. Tsarovy anefa, ny eto aminay tsy misy idirana fanohanana olona fa tsy fanekena barazy fitakian'ny jiolahimboto vola no iraisana. Ataoko fa tsy mahavita ary tsy hanao izany ny mpanohana ny TGV satria handroba minisitera aza mety hatao raha vonona ny olony. Asa izay ho fipoaky ny ampitso aloha fa mihamafana ny toe-draharaha... tsy mahalala izay fahasahiranan'ny any ambony any fa fiarovana ny sisa mijoro tamin'ny fandalovan'ny rivodoza olombelona masiaka eto Antananarivo no nijoroan'ny teny Mahamasina.

Mialoha ny farany, na eo aza anefa izany fahavononana izany, samihafa ny mandeha an-tongotra sy ny mandeha fiara. Ny tany amin'ny score digue sy ny shoprite Talatamaty indray no novakian-dry lemaizina ny tolakandron'ity andro ity. Tena potehina Antananarivo sy ny toe-karenany e! Tsy azoko mihitsy indraindray ny mbola mahatonga ny hafa mbola mifikitra amin'ilay toe-tsaina te-handroba sy ny fanao mirona mandrakariva amin'ny fandrobana. Mbola aiza izany raha sanatria hitondra ny firenena?

Farany, faly aho fa maro tamin'ny sosokevitra nosoratako tany alohaloha tany no noraisin'ny fanapahan-kevitry ny fanelanelanana teny Ambohimanambola Le Hintsy ka ny roa tononiko tsara dia ny "Fiarovana an'i Andry Rajoelina" sy ny "Fanaovana fihaonambem-pirenena amin'ity volana martsa ity" ka hotanterahina indrindra izany amin'ny 12-14 martsa ho avy izao. Kisendrasendra ve sa nisy tamin'izy ireo ny namaky ny bolongako? Na izany na tsy izany, manana fifaliana anaty avy amin'izany fanapahan-kevitra izany aho.


jentilisa, alatsinainy 9 martsa 2009  amin'ny 23: 53

Hevitra

Mazotoa Hatrany e!

Mamporisika anao hanoratra foana aho na misy na tsia ny mankasitraka. Tsy manidina fotsiny mantsy ny hevitrao fa misy mijery sy mamaky tokoa raha toy izao!

Nampidirin'i Belle @ 02:01, 2009-03-10 [Valio]

toa nanao denial ny UN hoe i reny malala no miaro ny boay kely
ouh la la

http://news.bbc.co.uk/2/hi/africa/7933226.stm

Nampidirin'i simp @ 07:38, 2009-03-10 [Valio]

poinsa ny bekitana zao no nipresy an'io satria lasa otran'ny hoe miandany any @ tgv ny UN... techniquement tsy azon'ny firenena ivelany hatao ny manohana ampahibemaso ny fanoganana fanjakana voafidy demokratikama... plus, ny anglofonina rehetra otran'ny tsy dia mirevy an'lery...

Diavolan-kolava ity rakoto a

Nampidirin'i simp @ 07:42, 2009-03-10 [Valio]

ze mbola tsy tonga saina amizao oa de asa maninn lotra e , efa hita fa reo mitsy no pandroba

Nampidirin'i xxx @ 07:45, 2009-03-10 [Valio]

Misaotra anao mampita vaovao, fa arak'izany dia mbola miasa ara-dalana daholo izany ny mpiasa rehetra ? (Toy ny aminareo ohatra). Tena mahafinaritra ny blaoginao satria dia teny malagasy mazava sady tsy misy diso mihitsy, tsy mifangaro, koa dia mankahery, tohizo hatrany.

Nampidirin'i Olontsotra @ 08:06, 2009-03-10 [Valio]

Malagasy andilam-bato

Misaotra @ fanehoan-kevitra tsy tapaka sady mankahery.. Raha ny fahitako azy olana roa samihafa ny mikasika ny fandrobana (Antony voalohany : Fahantrana, fahefa-mividy, toe-karena sy sosialy…) sy ny Ra8/TGV (Antony faharoa : Politika, fahefana, fitantanana…) Ny mpandroba entana dia avy @ antony voalohany (Jereo Guadeloupe ohatra). Ny mpanao politika kosa na ny andaniny na ny ankilana dia manao izay hahabe mpomba azy ary manao izay hahakly mpomba ny ankilany. Ra8 sy ny mpomba azy dia milaza fa hetsiky ny mpandroba izy ity satria mila ny fiandanian’ny vahoaka @ izy ireo. Andry TGV dia milaza fa mpamono olona sy mpanao didiko fe lehibe ka jereo fa mitraotra ny vahoaka. Matoa misy izao dia misy ny tsy mety eto @ firenena. Manana ny andraikitra sahaza sy tandrify antsika avy isika rehetra amin’izao zava-misy izao. Ny fifampihainoana no fototry ny vahaolana maharitra. Raha olana politika no vahana dia vaha olan politika no sahaza izany. Raha olana ara-toe-karena dia vaha olana ara-toekarena. Raha olana sosialy dia vaha olana sosialy. SA ahoana hoy ianao ? "Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra"
Nampidirin'i Malagasy andilam-bato @ 11:15, 2009-03-10 [Valio]

Fandrobana isaky ny mahazo vahana ny TGV sy ny baraziny

Fika efa lany andro ny anao e! Tsy ketrina ny aty ka tsy mahalala ny oul alefa handroba entina handotona ny fahazaoan'ny TGV vahana raha izay no tianao hambara? Tsy maintsy ho tsarain'ny tantara eny fona, ary ny marina tsy hilevina m/zay fa tsy maintsy mbola hibaribary! Tantara mbola mitohy!

Nampidirin'i ratavao @ 11:16, 2009-03-10 [Valio]

Misaotra @ fanehoan-kevitra tsy tapaka sady mankahery..
Raha ny fahitako azy olana roa samihafa ny mikasika ny fandrobana (Antony voalohany : Fahantrana, fahefa-mividy, toe-karena sy sosialy…) sy ny Ra8/TGV (Antony faharoa : Politika, fahefana, fitantanana…)
Ny mpandroba entana dia avy @ antony voalohany (Jereo Guadeloupe ohatra). Ny mpanao politika kosa na ny andaniny na ny ankilana dia manao izay hahabe mpomba azy ary manao izay hahakly mpomba ny ankilany.
Ra8 sy ny mpomba azy dia milaza fa hetsiky ny mpandroba izy ity satria mila ny fiandanian’ny vahoaka @ izy ireo. Andry TGV dia milaza fa mpamono olona sy mpanao didiko fe lehibe ka jereo fa mitraotra ny vahoaka.
Matoa misy izao dia misy ny tsy mety eto @ firenena. Manana ny andraikitra sahaza sy tandrify antsika avy isika rehetra amin’izao zava-misy izao.
Ny fifampihainoana no fototry ny vahaolana maharitra.
Raha olana politika no vahana dia vaha olan politika no sahaza izany.
Raha olana ara-toe-karena dia vaha olana ara-toekarena.
Raha olana sosialy dia vaha olana sosialy.
SA ahoana hoy ianao ?

Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra

Nampidirin'i Malagasy andilam-bato @ 11:18, 2009-03-10 [Valio]

Nifandona ny mpanohana an-dRavalomanana sy ny mpanohitra eo amin'ny 13 mey. rahalina ny andinindininy. Teo Ambatomena sy tohatoha-baton'Antaninarenina no tena nisian'ny fifandonana.

Nampidirin'i jentilisa @ 12:11, 2009-03-10 [Valio]

Sambatra ianao jentilisa mba nohenoin'ny olona ny petrakevitrao izany. Ny ahy ny momba ilay antso ho an'ny kristianina protestanta hoe mila sarahina ny politika sy ny fivavahana amin'ny alalan'ny fialàn'ny Filoha Rasendrahasina sy ny Filoha lefitra Ravalomanana dia tsa misy mihaino.

Malagasy andilam-bato: Izaho irery no milaza fa misy olana ara-pinoana eto, misy hevitra tian'Andriamanitra hampahafantarina izay rehetra milaza azy ho Kristianina. Koa ny ratsy visavisaiko dia hoe niongana hono Ravalomanana, saingy tsy i Andry no nandresy ka nisolo toerana azy fa olon-kafa, lozabe noho izay efa hitantsika hatramin'izay, ka tsy hanageja ny demokrasia fotsiny fa hatramin'ny fahalalahana hivavaka sy hitady an'Andriamanitra no hosakanany.

Ho an'izay kristianina, mba ampio aho hiara-manonona vavaka mangataka an'Andriamanitra mba hiady ho antsika vahoaka, (fa isika kosa hangina), ka Izy no hanatorotoro izay tena ambodia mitafy hodijanakondry marina ka mitondra ny anaran'i Kristy nefa manompo ny maizina, na ny andaniny amin'ny mpifanandrina izany, na ny ankilany, na izy roa mitambatra.

Andro vitsy taorian'ny nanombohako an'izay vavaka izay, toa nahazo aina tampoka teo ny tolona TGV, saingy tsy afaka hilaza aho hoe valimbavaka, satria raha ny hita hatreto aloha dia amin'ny alàlan'ny fampiasan-kery amin'ny fisainana maha-olombelona no isehoan'izay fa tsy miharihary hoe herin'Andriamanitra.

Nampidirin'i DotMG @ 09:08, 2009-03-11 [Valio]

gasy

rehefa sasatra nanazimbazimba ny lalam-panorerana ravalo, dia miseho sy miantso ny olona hanaja azy. (mivarotra tanindrazana, mamono vahoaka, ...) Tody tsy misy fa ny atao no miverina.
Nampidirin'i Tidt @ 12:20, 2009-03-12 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox