« | »

Fanonganam-panjakana: dingana voalohany indray!

2009-03-10 @ 22:47 in Politika

Maro dia maro ny zavatra tian-kambara tamin'ity andron'ny 10 martsa 2009 ity nefa izay voasoratra ihany aloha no atolotra. Andro manjombona eo amin'ny fanajana ny sata repoblikana sy demaokratika kely mba ananan'i Madagasikara ny androany. Na tsy hita mivantana aza, fantatra tsara ny tsindry sy ny fandrahonana ho faty nahazo ny minisitry ny fiarovana ny vice-amiral Mamy Ranaivoniarivo tao amin'ny biraony tao. Zavatra voalohany aloha, efa nolazaina ihany omaly fa haka minisitera ny mpitokona. Ataoko fa vonona ny hampiseho ny fahavononany hiasa ny minisitry ny fiarovana matoa tonga teny amin'ny birao fiasany. Ny miaramila mpioko anefa no efa niandry sy nifehy ny Minisitera, indrisy, tafiditra tao anatin'ny fandrika ny lehilahy. Voatery nanasonia ny fametraham-pialana tsy ho minisitra intsony noho ny fanambanana basy efa natohoka taminy. Izany moa no inona fa tsy fanonganam-panjakana mivantana? Nahomby io fanonganam-panjakana io satria azon-dry tamin'ny taratasy ny sonia nanaovana izany fialana tsy ho minisitra izany.

Ny sary nasehon'ny vaovao an-tsary sisa no porofo manambara fa natao tao anatin'ny hery ny fahazoana izany fametraham-pialana izany. Anjaran'ny fitsarana angamba ny milaza na mety araka ny lalàna ilay fametraham-pialana na tsia fa tsy anjarantsika nanatri-maso sy nandre ary mamaky ny vaovao ankehitriny. Nandritra ny tontolo maraina izy no nohidiana birao, sady nohidiana rahateo vavahady fidirana ao amin'ny minisitera tsy nahafahany mivoaka. Efa karazana "gadra" izy izany raha tsy "takalon'aina". Mampalahelo ny mahita fa ny ambany grady indray no mibaiko ny manamboninahitra jeneraly, ary nisy aza ny nandrahona azy, ka teo anatrehan'ny mpanao gazety no nanatanterahana izany fandrahonana izany indray (ankoatra izay tany amin'ny birao any). Maty hasina ny sata repoblikana, mitamberina an-tsaina ihany koa ny fanaon'ny mpampihorohoro any amin'ireny sarimihetsika ireny. Tamin'ireo miaramila hita teny, izay tsy ao anatin'ny tafika misatroka mena (capsat) sy lokon-girady mena dia manaisotra izany amin'ny fanamiany tamin'ny ankapobeny. Ny hany manavaka ny Malagasy amin'ny hafa, dia tsy maika ny hamono avy hatrany ireo manana fitaovam-piadiana.

Ny mahavariana moa dia toa tsy mba naheno izay fanamelohana amin'ny ataon'ireto miaramila ireto mihitsy aho hatramin'izao. Sa azy ireo ny hery ankehitriny dia ny mangina ihany no mety? Izaho kosa hanambara izany: manameloka amin'ny heriko manontolo izao fanonganam-panjakana izao aho. Fanonganam-panjakana araka ny anarany satria manala izay "manjaka" na izay mitondra na/sy mitantana tsy araka ny lalàna sy ny fepetra mifandraika aminy raha amin'ny fiteny ankehitriny. Helohiko satria, sambany aho aloha aho no nandre izany minisitra no ambanana basy izany mba hialany tsy ho minisitra intsony. Io moa no tena mahavariana, ny any an-kafa ny filoha no hanaovana izany... fa ny eto kosa dia ny minisitra. Helohiko satria ho zary fanao indray ny tahaka izao rehefa misy ny tsy mahafaly ireto miaramila ireto. Helohiko satria miseho ho tompon'ny fahefana ny "collectif des sous-officiers" ka tsy maintsy maka alalana aminy sy mifanaraka aminy amin'ny ho fanendrena izay ho minisitry ny fiarovana, araka ny reko aloha izay nosoratako izay. Fikorontanam-pahefana tsy misy toy izay, ary ny toy izao mihitsy no tsy ahatantesako fa raha "mandresy" ity tolona ity, izany hoe efa tafapetrak'izay mitolona ankehitriny vokatry ny tolona izay ataony amin'izao fotoana izao, ny mpitondra ambony eto amin'ny firenena dia izay miasa no ho fatiantoka indrindra fa ny mpandroba sy ny mpangalatra kosa no hihevi-tena hanjakazaka satria tompon'ny tanàna sy tsimatimanota. Noho izany, tsy mandresy mihitsy ny tolona raha tsy ny fifidianana no manambara izany, ny fananganana tetezamita moa dia lalana tsy manara-dalàna sy tsy ara-drariny ao anatin'izany rehetra izany.

Manaraka izany, misy ny haino aman-jery minia na mody tsy mahafantatra ny anton'ny korontana teny Ambatomena. Nolazaina avy hatrany manko fa "andian'olona vitsy" mpanakorontana handrava ny fihetsiketsehana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ireny nifampitoraka tamin'ny mpitolon'ny 13 mey ireny. Ao anatin'ny sokajin'ny "mpilaza ny marina" anefa izany haino aman-jery minia tsy mahafantatra ny hafa sy izay ataony izany. Niniany natao izany mba ho ny marina tapany no ho henon'ny olon-drehetra, marina tsy feno ny minia tsy mahalala ny fikasan'ny hafa efa naseho ampahibemaso (Mahamasina) ka izay hevitra (noforonina) tao an-doha (hanakorontana ireto) no nambara tamin'ny mpijery ho marina. Tsy misy mihitsy anefa ny handrara azy tsy hankeny fa ny azy ny tahotra no be noho ny tsaho malaza loatra tonga any aminy angaha? Raha niainga ny mpiaro ny ara-dalàna teny Mahamasina dia ny hitaky ny hanalana an'i Andry TGV any amin'ny Ambasady Frantsay no antony, sy ny tsy hitsabahan'i Frantsa amin'ny raharahan-tokantranon'i Madagasikara. Mampihomehy indrindra manko raha olona "nialokaloka" teo alohaloha teo no afaka mandehandeha soa aman-tsara eto Madagasikara, afaka mikabary amin'ny famoriana olona eto Madagasikara, nefa mody any amin'ny masoivoho Frantsay rehefa avy eo. Tsy nitsipaka ny vaovao rahateo moa ny fitondrana Frantsay fa dia nilaza ny hanalana azy fotsiny avy eo. Dia io fa feno miaramila mpioko io manodidina ny tranony eny Ambatobe amin'izao fotoana izao.

Heverina avy hatrany ho fihantsiana ny nataon'ny mpanohana ny ara-dalàna raha nanakaiky ny kianjan'ny 13 mey ry zareo. Tsy nisy nahalala akory izay anton-dian'ireto "antokon'olona vitsy" ireto fa ny hoe mitady handrava fitokonana ihany ireto no masaka tao an-dohan'ny mpitolona. Dia nodradradradraina avy eo fa resy tosika ny mpanakorontana, inona anefa no nitranga? Nilefitra hanala an'i Andry tao amin'ny faritaniny i Frantsa! izay no notakian'ny teny Mahamasina. Faharoa, ny famoriana teny Mahamasina dia noheverina ho fivorian'ny ambany tanàna manohana ny ara-dalàna izay mijoro ao anatin'ny fikambanana antsoina hoe "O.Ba.Ma" na "Olom-BAnona MAlagasy", izay heverina fa ny PDS Guy Rivo Andrianarisoa no nanangana azy. Diso ihany koa izay, fa ireo mpihaino Radio Mada, ireo namaly ny antso ireo. Tsy anatina fikambanana izy ireo fa vondron'olona tsy mahazaka mipetrapetra-potsiny amin'izao toe-java-misy ankehitriny izao. Noho izay fiheverana diso izay indrindra, no nandehanan'ny mpanohana an'i Andry hankeny Ampasapito handoro ny tranon'i Guy Rivo Andrianarisoa, izay efa nodradradradraina matetika teo an-kianja ho lehiben'ny mpanakorontana eto Antananarivo.

Marihina fa tsy tena nisy ny fifandonana sy fifampitorahana teny Andohan'Analakely sy tohatoha-baton'Antaninarenina fa ny fifampihantsiana no betsaka. Teny Ambatomena sy teny amin'ny fiakarana ho eny Ampasamadinika kosa no tena betsaka ny toraka (avy amin'ny mpanohana an'i Andry satria tsy nivonona hanao izany loatra ny avy any amin'ny mpanohana ny ara-dalàna, ary tsy maninona na dia lazainao ho mandainga aza aho) ka izany no namparatra be dia be tamin'ny mpanohana ny ara-dalàna, nefa tsy nisy naharatrana kosa ny avy amin'ny mpitolona. Fahadisoan-kevitra faharoa ho an'ny mpanohana ny ara-dalàna izany. Ny fahadisoan-kevitra voalohany kosa dia ny tokony niakarana teo amin'ny tohatoha-baton'ny PSM taloha (na foiben'ny Pisodia io atsinanan'Ambohitsorohitra io ho an'izay tsy mahalala) fa tsy nizorana kosa tany anaty tonelina ka hatrany amin'ny REX vao miakatra toy ny hamonjy an'Ambatomena. Misy ihany koa ny milaza fa tsy tokony hanao izany fihetsiketsehana manoloana ny Masoivoho vahiny izany ny olona satria toy ny mitady hiditra an-keriny any amin'ny tany hafa izany. Na izany na tsy izany, mahazo vahana be dia be eo amin'ny fahavononantsaina ny mpitolona, ary etsy ankilan'izay kosa... mihakely hery hatrany ny mpanohana ny ara-dalàna tsy mahatanty gidragidra loatra.




jentilisa, 11 martsa 2009 amin'ny 00: 45

Hevitra

-

Raharaha tokoa izy ity ry jentilisa a!

Ny ahy, na dia betsaka aza ny tsy itiavako an-dravalomanana, dia tsy ankasitrahako mihitsy izao korontana izao.

Araka ny voalazanao, raha leferintsika izao zava-mitranga izao, dia ho zary "fomba fanao mahazatra". Ary tsy hisy hasiny intsony izany atao hoe "fifidianana" izany. Ny fiainana anaty herisetra sy horohoro izay efa nisy hatrizay moa, dia vao maika hitombo.

Izaho manokana (izay aty frantsa ankehitriny), dia tena kivy raha hody.

Raha mba manangom-bola kely 'zany ao Madagasikara ao, dia tsy ho raharahian'ny sasany akory izany fa alainy an-kasoparana tsisy henatra akory.

Tena mihemotra re isika a!
Izany fandrosoana, sy demokrasia izany angamba dia tsy hisy ao Madagasikara mihitsy.

Voahozona isika.

Ny olom-banona mba tonga saina, ... toa malemy eo anatrehan'ny mpanakorontana.

Ireo olon-tsy vanona kosa, rehefa mahita ny sasany izay mangina dia manararaotra. (mahery ny fiteniko, nefa izay no fijeiko azy). Izany fanambanam-basy mba hametraham-pialana izany ve ho rariny intsony, toy izany ny fandorana tranona mpitondra (PDS).

Tena voahozona isika ry jentilisa a! Marina e!

Nampidirin'i Korio @ 02:15, 2009-03-11 [Valio]

Tsy hita intsony izay tenenina e. Ny orisana saika haketo Madagascar tamin'ity taona 2009 ity die be dia be. Fa indrisy fa niverin-dalana ry zareo amin'izao. Raha araky ny kajikajy tsotsotra dia efa niakatra 16 Miliara $ no vola saika ho entin'dry zareo teto.

Nampidirin'i Safidy @ 03:27, 2009-03-11 [Valio]

dia ahoana no mba soso-kevitra ry zareo amin'izao toe-draharaha faramparany izao?

tena fanina aho, teo aho saika hieritreritra hoe hodiako fanina any ny toe-draharaha, fa izao aho vao tena fanina!

Nampidirin'i finoanaranoray @ 06:02, 2009-03-11 [Valio]

FRANCO-BELGE

N’ayant gagné aucune crédibilité, ni nationale ni internationale, par leurs gesticulations et leur politique de provocation ayant entraîné mort et destruction, les manipulateurs d’ Andry Rajoelina, Mgr Odon Razanakolona et la France, tentent de lui conférer l’honorabilité qu’il n’a jamais eu, en trompant l’opinion mondiale en le présentant comme le protégé des Nations Unis, et cela, avec la complicité de l’émissaire des Nations Unis lui-même, originaire du Mali, ex-colonie française, et qui vient d’être désavoué par le Secrétariat Général des Nations Unis à New York.
A Madagascar comme dans toutes les anciennes colonies françaises, l’Hexagone a conservé sa pesanteur spécifique et reste une référence mondiale. Ce poids entraîne dans son sillage l’Europe, dont le Représentant résident est un français marié à une belge, puis l’Europe francophone, surtout la Belgique qui, comme la France, possède des expériences coloniales, comme on l’a vu, par exemple au Congo.
Et Dieu sait si la Belgique pèse au niveau de la représentation diplomatique présente à Madagascar, notamment au niveau du Système des Nations Unis et du FMI.
Les mauvaises langues commencent même à jaser sur le transfert d’Andry Rajoelina, de l’Ambassade de France vers la Résidence d’un diplomates de très haut niveau, originaire de Belgique.

Nampidirin'i Masina Firenena Madagasikara @ 09:24, 2009-03-11 [Valio]

mankahery

mankahery hatrany hatrany anareo rehetra any an-tanindrazana. Mivavaka isan'andro isan'andro. Ny marina tsy mba maty ary tsy ho faty. Samia manam-pinoana daholo isika fa io no mitondra ny zava-drehetra ary io no mbola mampijoro rehefa midaraboka daholo ny manodidina. Marina fa mora ny miteny azy fa izao isika no tena tokony hijoro tanteraka mba tsy hisian'ny baroa hanjaka eo amin'ny firenena. Mahereza daholo. Mivavaka andro aman'alina

Nampidirin'i imailaka @ 20:23, 2009-03-12 [Valio]

nankaiza i Jentilisa?

Manomboka manahy izahay! sao lasan'ny capsat sanatria!

Nampidirin'i Gasy @ 00:04, 2009-03-13 [Valio]

Mahonena

Izao ve no atao ny ray aman-dreny sy lehibe mpitarika?

http://www.youtube.com/watch?v=-fjuP2AGNUA&eurl=http://pimaso.info/

Nampidirin'i sahoby @ 00:08, 2009-03-13 [Valio]

re:Mahonena

Spécialité-ny TGV-iste ange ny manao "copier/coller" amin'ny toe-javatra rehetra ka ny ataon'i TGV amin'ny Filoham-pireneny ihany no ataon'ireo mpomba azy koa e! Ary vao ety ampiandohana isika!

Nampidirin'i Gasy @ 00:31, 2009-03-13 [Valio]

-

Inona ny maharesaka anio ry jentilisa azafady :) ?

Nampidirin'i Korio @ 00:29, 2009-03-14 [Valio]

Aiza tokoa i Jentilisa e?

Ny saina koa efa lasa be tebiteby ka lasa mihahy raha vao misy zavatra fanao niato tampoka.

Enga anie ka tsy fahampiana fotoana fotsiny no tsy maha-eto anao Rajentilisa.

Nampidirin'i Mahonena @ 05:05, 2009-03-14 [Valio]

Re: aiza tokoa i Jentilisa e?

Marina e! izaho aza manao hoe sao sanatria ilay nampisehon'ny France24 iny ary! aza hitako!
Enga anie hanome vaovao ny aminy tsy ho ela! Isaorana mialoha.

Nampidirin'i Gasy @ 09:13, 2009-03-14 [Valio]

-

Gasy : inona kay zany nasehon'ny france24 izany azafady ?

(izaho tsy nahita)

Eto aho vao tonga saina hoe : mety niatri-tory any Iavoloha angamba i jentl.

Nampidirin'i Korio @ 10:32, 2009-03-14 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox